Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ampio ny Vehivavy Maty Vady Hiaritra ny Fisedrana Azy

Ampio ny Vehivavy Maty Vady Hiaritra ny Fisedrana Azy

Ampio ny Vehivavy Maty Vady Hiaritra ny Fisedrana Azy

ANISAN’NY tantara malaza indrindra momba ny vehivavy maty vady ny tantara ao amin’ny Baiboly, momba an-dRota sy i Naomy rafozambaviny. Samy maty vady izy mianaka ireo. Sady maty vady anefa i Naomy no maty zanaka roa lahy. Vadin-dRota ny iray tamin’izy mirahalahy ireo. Mpamboly sy mpiompy ry zareo, ka niantehitra betsaka tamin’ny lehilahy. Nampalahelo tokoa, araka izany, ny nanjo azy ireo.​—Rota 1:1-5, 20, 21.

Nana-namana sady mpampionona niavaka anefa i Naomy, dia i Rota, vinantovaviny, izay tsy nety nandao azy. Rehefa nandeha ny fotoana, dia nanjary ‘tsara lavitra tamin’i Naomy mihoatra noho ny zanaka fito lahy’ i Rota​—tsy noho ny fitiavany lalina an’i Naomy fotsiny, fa noho ny fitiavany an’Andriamanitra koa. (Rota 4:15) Rehefa nasain’i Naomy niverina tany amin’ny fianakaviany sy ny namany moabita i Rota, dia namaly tamin’ny teny anisan’ny mampiseho tsy fivadihana sady mampihetsi-po indrindra. Izao mantsy no nolazainy: “Izay alehanao no halehako, ary izay itoeranao no hitoerako, ny firenenao no ho fireneko, ary ny Andriamanitrao no ho Andriamanitro; izay tany hahafatesanao no hahafatesako, sady any koa no handevenana ahy; hataon’i Jehovah amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy ny fahafatesana ihany no hampisaraka antsika.”​—Rota 1:16, 17.

Nahatsikaritra tsara ny fihetsik’i Rota i Jehovah Andriamanitra. Nitahy ny tokantrano kelin-dRota sy i Naomy izy, ary nanambady an’i Boaza isiraelita i Rota, tatỳ aoriana. Nokarakarain’i Naomy toy ny zanany mihitsy ny zanak’izy ireo, izay tonga razamben’i Jesosy Kristy. Asehon’io tantara io fa tena tian’i Jehovah mihitsy ny vehivavy maty vady, izay manatona azy sady matoky azy. Lazain’ny Baiboly amintsika koa fa sarobidy aminy ny olona manampy amim-pitiavana ny vehivavy maty vady mba hiaritra ny fisedrana azy. Koa ahoana àry no ahafahantsika manampy ny vehivavy maty vady eo anivontsika, ankehitriny?​—Rota 4:13, 16-22; Salamo 68:5.

Omeo fanampiana voafaritra tsara izy, nefa aza mandidy ny fiainany

Raha ta hanampy vehivavy maty vady, dia ny manome fanampiana voafaritra tsara no tsara indrindra. Aza mandidy ny fiainany anefa. Aza manao teny ambangovangony fotsiny, toy ny hoe: “Lazao ahy, raha misy zavatra ilainao e!” Izany dia mety hitovy amin’ny filazana amin’ny olona iray mangatsiaka sy noana, hoe: “Mamindroa, mivokisa”, nefa tsy manao na inona na inona hanampiana azy akory avy eo. (Jakoba 2:16) Olona maro no tsy hangataka fanampiana rehefa misy zavatra ilainy, fa aleony manakobona ny fahoriany. Raha ta hanampy azy ireny ianao, dia mila mahataka-javatra, ka tsy maintsy miezaka hamantatra izay ilainy. Etsy an-danin’izany, raha diso misalovana amin’ny raharahany ianao​—ka lasa ianao mihitsy no mitantana ny fiainany​—dia mety hiteraka alahelo na tsy fifankahazoana izany. Noho izany, dia antitranterin’ny Baiboly fa mila mahay mandanjalanja isika, rehefa mifandray amin’ny hafa. Marina fa mampirisika antsika hiahy manokana ny hafa nefa tsy hanantena valiny, ny Baiboly. Mampahatsiahy antsika koa anefa izy mba tsy hitsofotsofoka amin’ny fiainan’ny hafa.​—Filipiana 2:4; 1 Petera 4:15.

Nahay nandanjalanja toy izany i Rota teo amin’ny fifandraisany tamin’i Naomy. Nifikitra sy tsy nivadika tamin’ny rafozambaviny i Rota, nefa tsy nanery na nifehy azy. Nanao zavatra tamim-pahendrena izy, ka nitady sakafo ho azy sy i Naomy, ohatra. Nanaraka foana ny toromarik’i Naomy koa anefa izy.​—Rota 2:2, 22, 23; 3:1-6.

Mazava ho azy, fa mety tsy hitovy mihitsy ny zavatra ilain’ny olona tsirairay. Hoy i Sandra, voatonona teo aloha: “Nahazo izay nilaiko tao anatin’ny fahoriako aho, izany hoe namana tsy foy sady be fitiavana, tonga maro nanotrona ahy.” Nila fotoana ho azy samirery kosa i Elaine, voatonona tetsy aloha. Ny hoe vonon-kanampy àry dia midika hoe mahay mahatakatra izay ilain’ilay olona, sy mahay mandanjalanja ny fotoana tokony hamelana azy ho irery, sy ny fotoana tokony hahatongavana hanampy azy, rehefa ilaina izany.

Fanampian’ny fianakaviana

Raha manana fianakaviana be fitiavana ilay vehivavy maty vady, dia tena afaka manome toky azy izy ireo fa afaka hiatrika tsara izay manjo azy izy. Mety ho afaka hanome fanampiana bebe kokoa noho ny hafa ny mpianakavy sasany, nefa afaka mandray anjara ny rehetra. “Raha misy mpitondratena manana zanaka na zafy, aoka ireo hianatra aloha haneho izay toe-panahy araka an’Andriamanitra amin’ny ao an-tranony ka hamaly soa ny rainy aman-dreniny; fa izany no ankasitrahana eo anatrehan’Andriamanitra.”​—1 Timoty 5:4.

Mety tsy hila fanohanana ara-bola na ‘valisoa’ ny vehivavy maty vady, matetika. Manana vola ampy tsara ny sasany, ka afaka mividy izay ilainy. Ary mahazo vola avy amin’ny fanjakana ny hafa, any amin’ny tany sasany. Raha mila fanampiana anefa ny vehivavy maty vady, dia tokony hanome izany ny fianakaviany. Raha tsy manana havana akaiky hanampy azy izy, na tsy afaka manao izany izy ireo, dia ampirisihin’ny Soratra Masina toy izao ny mpiray finoana aminy mba hanampy azy: “Izao no fivavahana madio sady tsy misy loto eo anatrehan’Andriamanitra Ray: ny mamangy ny kamboty sy ny mpitondratena amin’ny fahoriany”.​—Jakoba 1:27.

Tena manome “voninahitra ny mpitondratena” ny olona mampihatra ireo foto-pitsipika ao amin’ny Baiboly ireo. (1 Timoty 5:3) Ny hoe manome voninahitra olona iray dia midika hoe maneho fanajana azy, raha ny marina. Mahatsiaro tena ho ankasitrahana sy tiana ary hajaina, ny olona omem-boninahitra. Tsapan’izy ireo fa tsy noho ny adidy fotsiny no anampian’ny hafa azy. Na maty vady koa aza i Rota, dia tena nanome voninahitra an’i Naomy izy, ka nikarakara an-tsitrapo sy tamim-pitiavana ny zavatra ara-nofo sy ara-pihetseham-po nilain’i Naomy. Tsy ela, dia nahazo laza tsara i Rota noho ny toetrany, ka hoy ilay fofombadiny taminy: “Fantatr’izay rehetra ao an-tanànan’ny fireneko fa vehivavy tsara hianao.” (Rota 3:11) Tsy isalasalana koa fa nahafinaritra an-dRota ny nanampy an’i Naomy, satria tia an’Andriamanitra i Naomy, ary tsy sarotsarotiny fa nankasitraka lalina ny ezaka nataon-dRota hanampiana azy. Tena ohatra tsara ho an’ny vehivavy maty vady ankehitriny i Naomy!

Manatòna an’Andriamanitra

Mazava ho azy fa tsy afaka ny hameno ny banga nateraky ny fahafatesan’ny vady ny havana aman-tsakaiza. Noho izany, dia zava-dehibe ho an’ilay nidonam-pahoriana ny manatona an’ilay ‘Rain’ny famindram-po sady Andriamanitry ny fampiononana rehetra, Izay mampionona antsika amin’ny fahoriantsika rehetra’. (2 Korintiana 1:3, 4) Diniho ny ohatr’i Ana, vehivavy maty vady sady tia an’Andriamanitra. Efa 84 taona izy tamin’ny fotoana nahaterahan’i Jesosy.

Nitady fampiononana tamin’i Jehovah i Ana rehefa maty ny vadiny, taorian’ny valo taona monja nivadiany. “Tsy niala teo an-kianjan’ny tempoly izy, fa nanompo tamin’ny fifadian-kanina sy ny fivavahana andro aman-alina”. (Lioka 2:36, 37) Novalian’i Jehovah ve ny fitiavan’i Ana azy? Eny! Nasehony tamin’ny fomba niavaka tamin’i Ana ny fitiavany azy: Navelany hahita an’ilay zazakely ho tonga Mpamonjy izao tontolo izao, izy. Tena nahafaly be sy nampionona an’i Ana mihitsy izany! Niharihary fa tsapany ny fahamarinan’izao teny ao amin’ny Salamo 37:4 izao: “Miravoravoa amin’i Jehovah hianao, dia homeny anao izay irin’ny fonao.”

Manampy amin’ny alalan’ny namana kristianina Andriamanitra

Hoy i Elaine: “Nandritra ny fotoana naharitra taorian’ny nahafatesan’i David, dia nisy zavatra nanaintaina be, toy ny nisy antsy nanindrona ny tratrako. Noheveriko fa tsy nahalevon-kanina aho. Nanaintaina be ilay izy indray andro, ka nieritreritra ho any amin’ny dokotera aho. Nahatakatra ilay zava-nitranga ny rahavavy ara-panahy iray sady namako, ka nilaza tamiko fa mety ho ny alaheloko no nahatonga izany. Nampirisihiny hangataka fanampiana sy fampiononana tamin’i Jehovah aho. Nampihariko avy hatrany ny toroheviny, ka nivavaka mangina sy tamin’ny foko manontolo aho, nangataka an’i Jehovah mba hanatanjaka ahy hiaretako ny fahoriako. Ary nanohana ahy tokoa izy!” Nihatsara i Elaine, ary nanjavona mihitsy ilay fanaintainany taoriana kelin’izay.

Ny anti-panahin’ny kongregasiona indrindra no afaka miahy amin-katsaram-panahy ny vehivavy maty vady sady vonton’alahelo. Na voasedra aza izy ireo, dia afaka ny hitoetra ho akaiky an’i Jehovah, rehefa manome fanampiana sy fampiononana ara-panahy azy tsy tapaka ireo anti-panahy. Tokony hahay handanjalanja sy hahataka-javatra izy ireo rehefa manao izany. Afaka manao fandaharana koa ny anti-panahy mba hanomezana fanohanana ara-nofo, raha ilaina izany. Manjary “fierena amin’ny rivotra” tokoa ny anti-panahy mangoraka sady mahataka-javatra toy izany.​—Isaia 32:2; Asan’ny Apostoly 6:1-3.

Mitondra fampiononana maharitra ilay Mpanjaka vaovaon’ny tany

Lasa Mpanjaka Mesianikan’ilay Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra izao ilay zazakely hitan’i Ana, ka nahafaly azy, efa ho roa arivo taona lasa izay. Tsy ho ela, dia hofoanan’io fitondram-panjakana io ny zava-drehetra mahatonga alahelo, anisan’izany ny fahafatesana. Hoy ny Apokalypsy 21:3, 4 momba izany: “Indro, ny tabernakelin’Andriamanitra dia eo amin’ny olona ... Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha”. Voamarikao ve fa miresaka momba ny “olona” io andinin-teny io? Eny, ho afaka amin’ny fahafatesana sy ny alahelo ary ny fitarainana entiny, ny olombelona.

Mbola misy vaovao tsara hafa anefa! Mampanantena fananganana ny maty koa ny Baiboly. “Avy ny andro izay handrenesan’ny olona rehetra any [amin’ny fasam-pahatsiarovana, NW ] ny feony [i Jesosy]; dia hivoaka izy”. (Jaona 5:28, 29) Tsy misy hafa amin’i Lazarosy, natsangan’i Jesosy tamin’ny maty, dia hivoaka ny fasana izy ireo, ary ho olombelona fa tsy ho zavaboary ara-panahy akory. (Jaona 11:43, 44) Ho tonga olombelona lavorary ireo ‘hanao ny tsara’ aorian’izay, ka hokarakarain’i Jehovah toy ny zanany, rehefa ‘hanokatra ny tanany izy ka hahavoky soa ny zava-miaina rehetra’.​—Salamo 145:16.

Tena mahazo fampiononana ireo izay namoy olon-tiana, ka mino an’io fampanantenana azo antoka io. (1 Tesaloniana 4:13) Koa raha vehivavy maty vady ianao, dia aza hadinoina ny ‘mivavaka tsy tapaka’ mba hahazoana fampiononana sy fanampiana ilainao isan’andro, hizakana ireo zavatra samihafa manototra anao. (1 Tesaloniana 5:17; 1 Petera 5:7) Manokàna fotoana isan’andro koa hamakiana ny Tenin’Andriamanitra. Amin’izay, dia ho afaka hampionona anao ny fihevitr’Andriamanitra. Raha manao izany ianao, dia ho hitanao mihitsy fa afaka manampy anao hahita fiadanana tokoa i Jehovah, na tojo fisedrana sy zava-manahirana maro aza ianao, noho ianao maty vady.

[Teny notsongaina, pejy 5]

Ny hoe vonon-kanampy dia midika hoe mahay mandanjalanja ny fotoana tokony hamelana azy ho irery, sy ny fotoana tokony hahatongavana hanampy azy, rehefa ilaina izany

[Sary, pejy 7]

Notahin’Andriamanitra i Ana, vehivavy be taona sady maty vady