Herinay sy Fifalianay ny Fandrosoana eo Amin’ny Lalan’i Jehovah
Tantaram-piainana
Herinay sy Fifalianay ny Fandrosoana eo Amin’ny Lalan’i Jehovah
NOTANTARAIN’I LUIGGI D. VALENTINO
“Ity no làlana, ka andehano”, hoy ny anatr’i Jehovah. (Isaia 30:21) Ny hanaraka io torohevitra io no tanjoko hatramin’ny batisako, efa 60 taona lasa izay. Nametra io tanjona io aho tany am-boalohany noho ny ohatra nomen’ny ray aman-dreniko, izay mpifindra monina avy tany Italia ary nanorim-ponenana tao Cleveland, any Ohio, Etazonia, tamin’ny 1921. Tany izy ireo no nitaiza ny zanany telo: izaho sy i Mike zokiko lahy ary i Lydia zandriko vavy.
NAMOTOPOTOTRA fivavahana maro samy hafa ny ray aman-dreniko, saingy natsahatr’izy ireo izany tamin’ny farany noho ny fahadisoam-panantenana. Indray andro àry, tamin’ny 1932, dia nihaino fandaharana tamin’ny teny italianina tao amin’ny radio i Dada. Fandaharana nalefan’ny Vavolombelon’i Jehovah tao amin’ny radio izy io, ary tian’i Dada ny zavatra reny. Nanoratra izy mba hahazoana fanazavana bebe kokoa, ka tonga nitsidika anay ny Vavolombelona italianina iray avy tao amin’ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah ao Brooklyn, any New York. Resy lahatra ny ray aman-dreniko fa nahita ny fivavahana marina, taorian’ny fiaraha-midinika velombelona naharitra hatramin’ny mangiran-dratsy.
Nanomboka nanatrika fivoriana kristianina i Dada sy i Neny ary faly nampiantrano mpiandraikitra mpitety faritany. Na dia mbola kely aza aho, dia navelan’ireny lehilahy ireny hiara-mitory tamin’izy ireo ka nampisaintsaina ahy ny amin’ny fanompoa
na an’i Jehovah manontolo andro. I Carey W. Barber, anisan’ny Fitambara-mpitantana ankehitriny, no iray tamin’izany mpitsidika izany. Tsy ela, dia natao batisa aho teo amin’ny faha-14 taonako, tamin’ny Febroary 1941. Ary nanomboka nanao ny asan’ny mpisava lalana tany Cleveland aho tamin’ny 1944. Nanomboka nanaraka ny lalan’ny fahamarinana ara-baiboly koa i Mike sy i Lydia. Nanompo an’i Jehovah mandra-pahafatiny i Mike, ary niaraka tamin’i Harold Weidner vadiny nandritra ny 28 taona tao amin’ny asa fitetezam-paritany i Lydia. Manao fanompoana manontolo andro manokana izy ireo ankehitriny.Nanamafy ny fahatapahan-kevitro handroso ny fonja
Tany am-piandohan’ny taona 1945, dia niafara tany amin’ny Fonja Federaly Chillicothe, any Ohio, aho satria nanosika ahy hanao zavatra nifanaraka tamin’ny Isaia 2:4 ny feon’ny fieritreretako voataiza araka ny Baiboly. Miresaka ny amin’ny hanefena ny sabatra ho fangady io andininy io. Teo aloha, dia vitsy ihany ny zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah navelan’ireo manam-pahefana tao am-ponja hananan’ny Vavolombelona. Nisy Vavolombelona avy tao amin’ny kongregasiona teo amin’ny manodidina anefa nanampy. Nandatsaka zavatra vita an-tsoratra vitsivitsy tao amin’ireo saha akaikin’ilay fonja izy ireo indraindray. Ny marainan’iny, rehefa nentina tany amin’ny toeram-piasany ireo voafonja, dia nitady ireny zavatra vita an-tsoratra ireny ary vitany ny nampiditra azy ireny tao anatin’ilay fonja avy eo. Tamin’ny fotoana nahatongavako tao amin’ilay fonja, dia navela hanana zavatra vita an-tsoratra betsaka kokoa izahay. Na izany aza anefa, dia tena nianatra nankamamy ny hasarobidin’ny sakafo ara-panahy omen’i Jehovah aho—lesona izay mbola tadidiko foana isaky ny maharay nomerao vaovao amin’Ny Tilikambo Fiambenana na Mifohaza! aho.
Na dia navela handamina fivorian’ny kongregasiona aza izahay tany am-ponja, dia tsy nisy olona ankoatra ny Vavolombelona navela hanatrika izany. Nisy tompon’andraikitra tao amin’ilay fonja sy voafonja anefa nanatrika izany tamim-piafenana, ary nanaiky ny fahamarinana mihitsy aza ny sasantsasany taminy. (Asan’ny Apostoly 16:30-34) Loharanom-pampiononana niavaka iray ny fitsidihan’ny Rahalahy A. H. Macmillan. Nanome toky anay foana izy fa tsy very maina ny fotoana laninay tany am-ponja satria mampiofana anay ho amin’ny fanendrena amin’ny hoavy izany. Nanohina ny foko io rahalahy be taona io ary nanamafy ny fahatapahan-kevitro handeha eo amin’ny lalan’i Jehovah.
Nahazo namana aho
Tapitra ny Ady Lehibe Faharoa, nisokatra ny vavahadin’ny fonja, ka notohiziko indray ny asan’ny mpisava lalana, dia ny fanompoana manontolo andro. Maty anefa ny raiko tamin’ny 1947. Mba hanampiana ny fianakaviako, dia niditra niasa aho ary nanjary ampy fahaizana ihany koa tamin’ny fanorana. Io fahaizana io dia hanampy ahy mandritra ny vanim-potoana sarotra iray nodiavinay mivady, 30 taona teo ho eo tatỳ aoriana. Toa miantsoro-mianòtra izany teniko izany fa aoka aloha hotantaraiko aminareo ny momba ny vadiko.
Indray tolakandro tamin’ny 1949, dia tao amin’ny Efitrano Fanjakana aho rehefa naneno ny telefaonina. Noraisiko ilay izy ary reko ny feo mahafinaritra iray nilaza hoe: “Christine Genchur no anarako. Vavolombelon’i Jehovah aho. Nifindra eto Cleveland aho mba hitady asa, ary te hiaraka amin’ny kongregasiona iray aho.” Lavitra ny toerana nonenany ny Efitrano Fanjakananay, nefa satria tiako ny feony, dia natoroko azy ny lalana nankany amin’ny efitranonay ary nampirisihiko izy ho tonga ny alahadin’iny, ilay andro tokony hanaovako lahateny ho an’ny besinimaro. Izaho no tonga voalohany tao amin’ny Efitrano Fanjakana ny alahady, nefa tsy nisy anabavy vaovao nipoitra. Nanopy maso tany amin’ny fidirana foana aho nandritra ilay lahateny, fa tsy nisy olona niditra. Niantso azy aho ny ampitson’iny, ary nolazainy tamiko fa mbola tsy nahazatra azy ny lalan’ny aotobisy. Koa nanolo-tena hihaona taminy àry aho mba hanome fanazavana bebe kokoa.
Reko fa nanomboka nifanerasera tamin’ny Mpianatra ny Baiboly, hono, ny ray aman-dreniny, izay mpifindra monina avy tany Tsekôslôvakia, taorian’ny namakian’izy ireo ilay bokikely hoe Aiza moa Ireo Maty? (anglisy). Vita batisa tamin’ny 1935 ny ray aman-dreniny. Tonga mpikarakara fitambaran’olona (antsoina ankehitriny hoe mpiandraikitra mpitantan-draharaha) tao amin’ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah tao Clymer, any Pennsylvanie, Etazonia, ny rain’i Christine tamin’ny 1938. Ary natao batisa i Christine teo amin’ny faha-16 taonany, tamin’ny 1947. Tsy ela aho dia raiki-pitia tamin’io anabavy tsara tarehy sy tia zavatra ara-panahy io. Nivady izahay tamin’ny 24 Jona 1950, ary nanomboka hatreo dia mpiara-miasa tamiko mahatoky i Christine, vonona hatrany hametraka eo amin’ny toerana voalohany ny tombontsoan’ny Fanjakan’Andriamanitra. Velom-pankasitrahana an’i Jehovah aho fa Ohabolana 31:10.
nanaiky hizara ny fiainany tamiko io namana tsara io.—Zavatra tsy nampoizina mihitsy
Nanomboka niara-nanao ny asan’ny mpisava lalana izahay tamin’ny 1 Novambra 1951. Roa taona tatỳ aoriana, dia niresaka tamina antokona mpisava lalana liana tamin’ny fanompoan’ny misionera ny Rahalahy Hugo Riemer sy Albert Schroeder tamin’ny fivoriamben’ny distrika tany Toledo, any Ohio. Anisan’izy ireny izahay. Nampirisihina hanohy ny asan’ny mpisava lalana tany Cleveland izahay, nefa ny volana nanaraka an’iny, dia naharay zavatra tsy nampoizina mihitsy izahay: fanasana hanatrika ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Tilikambo Fiambenana, kilasy faha-23, izay nanomboka tamin’ny Febroary 1954!
Tamin’ny dianay nankany amin’ny Sekolin’i Gileada, tany South Lansing any New York tamin’izany fotoana izany, dia velom-panahiana aoka izany i Christine, hany ka tsy nitsahatra nilaza tamiko hoe: “Mandehana moramora!” Hoy aho: “Christine a! Raha mbola mora kokoa noho izao ny fandehantsika dia hijanona ny fiarantsika.” Tsy ela anefa dia azonay kokoa ny ainay rehefa tonga tany amin’ny fonenan’ny mpianatra izahay. Niarahaba tonga soa ilay antokona mpianatra ny rahalahy Nathan Knorr ary nampitsidika anay ilay toerana. Nohazavainy taminay koa ny fomba ahafahanay mitsitsy rano sy herinaratra, tamin’ny fanasongadinana fa fahatsaran-toetra ny fitsitsiana rehefa miahy ny tombontsoan’ilay Fanjakana. Nilentika tao an-tsainay izany torohevitra izany. Mbola izany ihany no fomba fiainanay.
Nandeha fiaramanidina nankany Rio
Tsy ela izahay dia nahazo diplaoma, ary niakatra tanaty fiaramanidina tany New York izahay ny 10 Desambra 1954. Ririnina tany tamin’izay. Tsindrian-daona erỳ izahay nieritreritra ny handeha fiaramanidina ho any amin’ilay toerana vaovao nanendrena anay any Rio de Janeiro be tanin’andro, any Brezila. Niara-dia taminay i Peter sy i Billie Carrbello, misionera hafa. Tokony haharitra 24 ora ilay dia, miaraka amin’ny fijanonana kely tany Porto Rico sy Venezoela ary Belém any amin’ny faritra avaratr’i Brezila. Noho ny zava-nanahirana teo amin’ny maotera anefa, dia afaka 36 ora izahay vao nahatazana an’i Rio de Janeiro teo ambaninay. Nahatalanjona erỳ anefa izay tazan’ny maso! Namirapiratra toy ny diamondra mipendrampendrana eo ambonin’ny karipetra volory ny jiron’ilay tanàna, ary nanjelatra tanaty ny ranon’ny Helodranon’i Guanabara ny tara-bolana manopy volafotsy.
Nisy mpikambana maromaro tao amin’ny fianakavian’ny Betela nitsena anay teny amin’ny seranam-piaramanidina. Taorian’ny fiarahabana mafana, dia nitondra anay tany amin’ny biraon’ny sampana izy ireo, ary tamin’ny telo ora maraina teo ho eo izahay no nandeha natory. Ora vitsivitsy taorian’izay, dia nampahatsiahy anay ny lakolosy fanairana fa nanomboka ny andro voalohany naha misionera anay!
Lesona tany am-piandohana
Tsy ela izahay dia nianatra lesona iray lehibe. Nandany ny takariva tany amin’ny tranon’ny fianakaviana iray Vavolombelona izahay. Rehefa naniry hiverina handeha an-tongotra tany amin’ny sampana izahay, dia tsy nanaiky ilay tompon-trano fa nanao hoe: “An an an, tsy afaka mandeha ianareo fa avy ny orana”, ary niezaka nitazona anay hijanona hatory izy. “Misy orana koa ange any amin’ny tany niavianay e!”, hoy aho, nanamaivana ny teniny sady nihomehy. Dia lasa nandeha izahay.
Noho ireo tendrombohitra nanodidina an’i Rio, dia niangona haingana ny ranon’orana ary nikoriana nidina tao amin’ilay tanàna, ka matetika no niteraka tondra-drano. Vetivety izahay dia nirobo-drano hatreo amin’ny lohalika. Nanjary riaka be nisasasasa nisy rano hatrany amin’ny tratranay ny lalana teo akaikin’ny sampana. Hotsaka tanteraka izahay rehefa tonga tany amin’ny Betela ihany tamin’ny farany. Nahatsiaro tena ho hafahafa i Christine ny ampitson’iny ary voan’ny tefoedra, izay nahatonga azy ho kely hery nandritra ny fotoana lava. Miharihary fa tokony ho nanaraka ny torohevitry ny Vavolombelona tompon-tany za-draharaha izahay misionera vaovao.
Dingana voalohany teo amin’ny asa misionera sy fitetezam-paritany
Nanomboka tamim-pahadodonana ny fanompoanay teny amin’ny saha izahay mivady taorian’iny fiandohana tsy dia
tsara loatra iny. Namaky fomba fampiseho tamin’ny teny portogey tamin’izay rehetra hitanay izahay ary toa nitovy ny fandrosoana vitanay. Hoy ny tompon-trano iray tamin’i Christine: “Azoko izay lazainao, fa ny azy tsy azoko mihitsy”, nanondro ahy. Ny tompon-trano hafa iray nilaza tamiko hoe: “Azoko ny lazainao fa ny azy tsy azoko”. Na izany aza, dia nientam-po izahay nahazo famandrihana tamin’Ny Tilikambo Fiambenana maherin’ny 100 nandritra ireo herinandro vitsivitsy voalohany ireo. Raha ny marina, dia maromaro tamin’ireo nampianarinay ny Baiboly no natao batisa ny taona voalohany naha tany Brezila anay. Izany dia nanome anay santionany sahady ny amin’ny fahavokaran’io toerana nanendrena anay ho misionera io.Maro tamin’ireo kongregasiona tany Brezila no tsy voatsidiky ny mpiandraikitra ny fizaran-tany matetika tany antenatenan’ireo taona 1950, satria tsy ampy ny rahalahy nahafeno fepetra. Koa voatendry hanao ny asan’ny fizaran-tany tao amin’ny fanjakan’i São Paulo àry aho tamin’ny 1956, na dia mbola vao nianatra ilay fiteny sy mbola tsy nanao lahateny ho an’ny besinimaro tamin’ny teny portogey mihitsy aza.
Koa satria tsy nahazo fitsidihan’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany nandritra ny roa taona ny kongregasiona voalohany notsidihinay, dia niandrandra mafy an’ilay lahateny ho an’ny besinimaro ny rehetra. Mba hanomanana ilay lahateny, dia nanety fehintsoratra avy tao amin’Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny teny portogey aho ary nametaka ireo fehintsoratra notapahina ireo tamin’ny taratasy. Hipoka ny Efitrano Fanjakana tamin’io alahady io. Nisy olona nipetraka mihitsy aza teo amin’ny lampihazo. Samy niandry ilay fotoan-dehibe ny rehetra. Nanomboka àry ilay lahateny, na ilay vakiteny raha ny marina kokoa. Nitraka tsindraindray aho ary gaga be fa tsy nisy nihetsika, na dia ny ankizy aza. Nibanjina ahy avokoa ny rehetra. Hoy aho an’eritreritra hoe: ‘Tena nihatsara kosa ny fiteninao portogey izany ry Valentino an! Mihaino tsara ireto olona ireto.’ Taona maro tatỳ aoriana, rehefa nitsidika an’io kongregasiona io indray aho, dia nilaza tamiko toy izao ny rahalahy iray izay nanatrika teo tamin’io fitsidihina voalohany io: “Tadidinao ve ilay lahateny ho an’ny besinimaro nataonao iny? Tsy nisy azonay na dia kely aza tamin’izy iny.” Notsoriko taminy fa na izaho koa aza tsy nahazo firy tamin’ilay lahateny.
Matetika aho no namaky ny Zakaria 4:6 nandritra iny taona voalohany tao amin’ny asan’ny fizaran-tany iny. Ny teny hoe “tsy amin-kery fa amin’ny Fanahiko” dia nampahatsiahy ahy fa ny fanahin’i Jehovah no hany antony nampandroso ny asan’ilay Fanjakana. Ary tena nandroso tokoa izy io na dia niharihary aza ny fetran’ny mety ho vitanay.
Fitahiana sy zava-tsarotra tamin’ny fanarahana ilay lalana
Nidika ho fivezivezena nanerana ilay tany, nivesatra milina fanoratana sy baoritra nisy zavatra vita an-tsoratra sy valizy ary kitapo, ny asan’ny fizaran-tany. Nanisa tamim-pitandremana ny entanay i Christine mba tsy hisy ho hadino rehefa nikoropaka nifindra aotobisy. Tsy nahalana izahay no nandeha aotobisy adiny 15 tamin’ny lalan-tany mba hahatongavana tany amin’ny nalehanay nanaraka. Nampivadi-po ilay izy indraindray, indrindra rehefa nifanena teo amin’ny tetezana nangozohozo iray ny aotobisy roa, izay nifanakaiky aoka izany hany ka toy ny hoe nifampikasoka mihitsy. Nandeha fiarandalamby sy sambo ary nitaingina soavaly koa izahay.
Nanomboka ny asan’ny distrika izahay tamin’ny 1961, tsy nitsidika isaky ny kongregasiona intsony fa isaky ny fizaran-tany indray. Nampiseho sarimihetsika novokarin’ny fandaminan’i Jehovah izahay nandritra ny takariva maromaro tao anatin’ny herinandro, tamin’ny toerana samy hafa hatrany. Matetika izahay no tsy maintsy nanao zavatra haingana sy tamin-kafetsena mba hanoherana ny mpitondra fivavahana teo an-toerana izay nanandrana nisakana ireny fampisehoana ireny. Nandrahona ny tompon’ny trano lehibe iray ny pretra tao amin’ny tanàna iray mba hivadihany tamin’ilay fifanekena nataony taminay. Nahita toerana hafa iray izahay taorian’ny andro maro nitadiavana, nefa tsy nolazainay na tamin’iza na iza fa nasainay ho any amin’ilay toerana voalohany hatrany ny olona. Talohan’ny nanombohan’ilay fandaharana, dia nankany amin’io efitrano lehibe io i Christine ary nitondra mangingina ireo olona naniry hijery an’ilay sarimihetsika tany amin’ilay toerana vaovao. Tamin’io takariva io, dia olona 150 no nahita ilay sarimihetsika izay nitondra ny lohateny nifanentana tsara hoe Ny Fitambaran’olon’ny Tontolo Vaovao Miasa (frantsay).
Mafy be indraindray ny asa fitetezam-paritany tany amin’ny toerana nitokana. Nankasitraka aoka izany ny fitsidihanay anefa ireo rahalahy nanetry tena tany amin’ireny toerana ireny sady nandray tsara anay erỳ tao amin’ny trano tsotran’izy ireo, hany ka nisaotra an’i Jehovah mandrakariva izahay noho ny nahafahanay niaraka tamin’izy ireo. Nitondra fitahiana nampahery ho anay ny nitondranay azy ireo toy ny namana. (Ohabolana 19:17; Hagay 2:7) Koa nalahelo erỳ izahay rehefa nanjary tsy misionera intsony taorian’ny nanompoana 21 taona mahery tany Brezila!
Nanoro lalana anay i Jehovah nandritra ny fotoan-tsarotra
Nodidiana i Christine tamin’ny 1975. Notohizinay indray ny asa fitetezam-paritany, saingy niharatsy ny fahasalaman’i Christine. Toa tsara kokoa ny niverina tatỳ Etazonia mba hahafahany hitsabo tena. Tonga tany Long Beach, any Kalifornia, izahay tamin’ny Aprily 1976, ary niara-nipetraka tamin-dreniko. Noho izahay niaina tany ivelany nandritra ny roapolo taona, dia very hevitra izahay ny amin’ny fomba hiatrehana ilay toe-javatra. Nanomboka nanotra olona aho, ka ny vola azo tamin’io asa io no nivelomanay. Nanome toerana an’i Christine tao amin’ny hopitaly iray ny fanjakan’i Kalifornia, nefa tsapany ho nihena isan’andro ny heriny satria tsy nety nitsabo azy tsy nisy fampidiran-dra ny dokotera. Tao anatin’ny famoizam-po izahay, ka nitalaho tari-dalana tamin’i Jehovah.
Indray tolakandro, fony aho nivoaka nanompo teny amin’ny saha, dia nahamarika biraona dokotera iray, ka nanapa-kevitra tampoka ny hiditra tao. Na dia teo an-dalam-podiana aza ilay dokotera, dia nasainy niditra tao amin’ny biraony aho ary niresaka nandritra ny adiny roa izahay. Hoy izy avy eo: “Ankasitrahako ny asa misionera ataonareo, ary hotsaboiko maimaim-poana tsy hisy fampidiran-dra ny vadinao.” Tsy nampino ahy ny zavatra reko.
Namindra an’i Christine tany amin’ny hopitaly niasany io dokotera tsara fanahy io, izay hita ho manam-pahaizana manokana nohajaina, ka tsy ela dia nihatsara ny fahasalamany noho ny fikarakarany tsara dia tsara. Tena velom-pankasitrahana mihitsy izahay noho ny nanoroan’i Jehovah anay ny lalana nandritra izany fotoan-tsarotra izany!
Fanendrena vaovao
Nanao ny asan’ny mpisava lalana izahay mivady rehefa natanjaka i Christine ary faly izahay nanampy olona maromaro tany Long Beach ho tonga mpanompon’i Jehovah. Nangatahina hanao ny asan’ny fizaran-tany teto Etazonia izahay tamin’ny 1982. Nisaotra an’i Jehovah isan’andro izahay noho ny nampiasany anay indray tao amin’ny asa fitetezam-paritany, izay endri-panompoana tena tianay. Nitsidika tany Kalifornia izahay ary avy eo tany Nouvelle-Angleterre, ka voafaoka tao amin’ilay fizaran-tany ny kongregasiona sasany miteny portogey. Tafiditra tao anatiny koa i Bermudes tatỳ aoriana.
Nahazo fanendrena vaovao hafa iray izahay rehefa afaka efa-taona namelombelona. Nasaina hanao ny asan’ny mpisava lalana manokana tany amin’izay toerana nirinay izahay. Na dia nalahelo aza izahay niala tamin’ny asa fitetezam-paritany, dia tapa-kevitra ny handroso ho amin’ny asa vaovao nanendrena anay. Aiza anefa? Voamariko fony izahay nanao fitetezam-paritany fa nila fanampiana ilay kongregasiona portogey teto New Bedford, Massachusetts. Koa nankatỳ New Bedford izahay.
Rehefa tonga izahay, dia nanao fety be ho fiarahabana anay tonga soa ilay kongregasiona. Tena nahatonga anay hahatsiaro ho nankasitrahana mihitsy izany! Nampilatsa-dranomaso anay ilay izy. Nampiantrano anay tamin-katsaram-panahy ny mpivady tanora iray sy ny zanany roa mandra-pahitanay trano. Tena notahin’i Jehovah mihoatra lavitra noho ny nantenainay ity fanendrena hanao ny asan’ny mpisava lalana manokana ity. Olona 40 samy hafa eo ho eo no nampianay ho tonga Vavolombelona tato amin’ity tanàna ity hatramin’ny 1986. Izy ireo no fianakavianay ara-panahy. Ankoatra izany, dia faly aho nahita rahalahy dimy teto an-toerana nandroso ka tonga mpiandry ny andian’ondry. Sahala amin’ny hoe nanompo tany amin’ny saha misionera nahavokatra izahay.
Rehefa mitodika ny lasa izahay, dia faly satria nanompo an’i Jehovah hatramin’ny fahatanoranay sy nanao ny fahamarinana ho fomba fiainanay. Ekena aloha fa efa antitra sy tsy salama izahay ankehitriny, nefa mbola herinay sy fifalianay hatrany ny mandroso eo amin’ny lalan’i Jehovah.
[Sary, pejy 26]
Vao tonga tany Rio de Janeiro
[Sary, pejy 28]
Ny fianakavianay ara-panahy eto New Bedford, Massachusetts