‘Manararaotra ny Fotoana’ ve Ianao?
‘Manararaotra ny Fotoana’ ve Ianao?
NANORO hevitra toy izao ny Kristianina tany Efesosy, tamin’ny taonjato voalohany, ny apostoly Paoly: “Tandremo tsara izay fandehanareo, mba tsy hitondranareo tena tahaka ny adala, fa tahaka ny hendry, ka hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa, fa ratsy izao fiainana izao.” (Efesiana 5:15, 16) Nahoana no nilaina izany torohevitra izany? Mba hamaliana izany, dia ilaina ny mahafantatra ny toe-javatra nisy ny Kristianina tao amin’io tanàna fahiny io.
Nalaza ho nanankarem-be, tena naloto fitondran-tena sy mpanao heloka bevava maro ary nanao asan’ny demonia samihafa, i Efesosy. Tsy maintsy nanohitra ny fiheverana filozofika momba ny andro, na fotoana koa ny Kristianina tao. Tsy nino ireo Grika tsy kristianina tao Efesosy hoe mandroso tsy miverina ny fotoana. Nampianarin’ny filozofia grika azy ireo mantsy fa miverimberina tsy misy farany ny fiainana. Raha nisy olona nandanilany ny fotoanany tamin’ny fiainana iray, hoy izy ireo, dia hahazo izany fotoana izany indray izy amin’ny fiainana hafa. Mety ho nahatonga ny Kristianina tao tsy hiraharaha ny fandaharam-potoanan’i Jehovah, anisan’izany ny fotoam-pitsarany, izany fomba fisainana izany. Koa tena mety àry ny torohevitr’i Paoly hoe ‘hararaoty ny andro’, na fotoana.
Tsy nilaza fotoana ankapobe fotsiny i Paoly. Midika hoe fotoana voatendry, na fotoana mety hanatratrarana tanjona iray, ny teny grika nampiasainy. Nanoro hevitra ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany i Paoly mba hampiasa amim-pahendrena ny fotoana mety, na fotoanan’ny fankasitrahana nananany, dieny mbola tsy nifarana izy io, ka tsy afaka hahazo ny famindram-pon’Andriamanitra sy ny famonjena intsony izy ireo.—Romana 13:11-13; 1 Tesaloniana 5:6-11.
Miaina amin’ny fotoana mety toy izany koa isika. Tsy handanilany foana ity fotoanan’ny fankasitrahana tsy hiverina intsony ity ny Kristianina hendry, ka hikatsaka ny fahafinaretana mihelin’izao tontolo izao. Hampiasa io fotoana io kosa izy ireo mba hanaovana “asa mampiseho fifikirana amin’Andriamanitra”, ka hanatanjaka ny fifandraisany amin’i Jehovah Andriamanitra Mpamorona.—2 Petera 3:11, NW; Salamo 73:28; Filipiana 1:10.