Miaraha Mifaly Amin’ilay Andriamanitra Finaritra
Miaraha Mifaly Amin’ilay Andriamanitra Finaritra
“Farany, ry rahalahy, mifalia, ... ary Andriamanitry ny fitiavana sy ny fiadanana ho aminareo.”—2 KORINTIANA 13:11.
1, 2. a) Nahoana no maro no tsy mahita fifaliana eo amin’ny fiainana? b) Inona no atao hoe fifaliana, ary ahoana no ahafahantsika mamboly azy io?
MARO ny olona tsy mahita antony firy hifaliana amin’izao fotoana manjombona izao. Rehefa mamely azy ireo ny loza, na mamely ny olona iray tiany, dia mety hiombom-pihetseham-po amin’i Joba fahiny izy ireo. Hoy i Joba: “Ny olona tera-behivavy dia vitsy andro sady vontom-pahoriana.” (Joba 14:1) Tsy vita fanefitra amin’ireo fihenjanana amin’izao “fotoan-tsarotra tsy mora setraina” izao ny Kristianina, koa tsy mahagaga raha misy mpanompon’i Jehovah mahatoky manjary kivy indraindray.—2 Timoty 3:1, NW.
2 Afaka mahita fifaliana anefa ny Kristianina na dia ao anatin’ny fisedrana aza. (Asan’ny Apostoly 5:40, 41) Mba hahatakarana ny fomba hetezan’izany, dia diniho aloha ny atao hoe fifaliana. Ny fifaliana dia nofaritana hoe “ilay fihetseham-po tsapa rehefa mahazo na miandrandra zava-tsoa”. * Koa afaka mahita fifaliana àry isika raha maka fotoana hieritreretana ireo fitahiana ananantsika ankehitriny sady misaintsaina ny zava-tsoa mahafaly miandry antsika ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra.
3. Nahoana no azo lazaina fa, mba manana antom-pifaliana sasany ihany, fara faharatsiny, ny olona rehetra?
3 Manana fitahiana izay tokony hahavelom-pankasitrahana azy, ny rehetra. Mety hamoy ny asany ny loham-pianakaviana iray. Mazava ho azy fa sahiran-tsaina izy. Maniry hanome izay ilain’ny havan-tiany izy. Na izany aza anefa, dia afaka ny ho velom-pankasitrahana izy raha tomady sy salama tsara satria afaka hiasa mafy izy raha mahita asa. Etsy an-kilany, dia mety ho nanjary osa be ny vehivavy kristianina iray noho ny aretina nahazo azy. Afaka ny ho velom-pankasitrahana anefa izy noho ny fanohanan’ny havana aman-tsakaiza be fitiavana izay manampy azy hiatrika ny aretiny amim-pahamendrehana sy amin-kerim-po. Ary na manao ahoana na manao ahoana toe-javatra misy azy, ny tena Kristianina rehetra dia afaka mifaly noho ny tombontsoa mahafantatra an’i Jehovah, “ilay Andriamanitra finaritra” sy i Jesosy Kristy, “ilay Andriana finaritra sady tokana”. (1 Timoty 1:11; 6:15) Eny, faran’izay finaritra, na sambatra, i Jehovah Andriamanitra sy i Jesosy Kristy. Nihazona ny fifaliany izy ireo na dia mifanipaka be amin’ny nikasan’i Jehovah azy tany am-boalohany aza ny toe-piainana eto an-tany. Afaka mampianatra antsika zavatra betsaka mahakasika ny fomba ihazonana ny fifaliantsika ny ohatr’izy ireo.
Tsy namoy ny fifaliany mihitsy izy ireo
4, 5. a) Nanao ahoana ny fihetsik’i Jehovah rehefa nikomy ny olombelona voalohany? b) Ahoana no nanehoan’i Jehovah fihetsika tsara foana tamin’ny olombelona?
4 Nanana fahasalamana tonga lafatra sy saina lavorary i Adama sy i Eva tao amin’ny zaridainan’i Edena. Nanana asa namokatra izy ireo, ary faran’izay tsara ilay tontolo manodidina nisy azy ireo mba hanaovana izany asa izany. Ary ny tsara indrindra aza, dia izy ireo nanana tombontsoa hifampiresaka tsy tapaka tamin’i Jehovah. Fikasan’Andriamanitra ny hananan’izy ireo hoavy sambatra. Tsy afa-po tamin’izany fanomezan-tsoa rehetra izany anefa ny ray aman-drenintsika voalohany; nangalatra ilay voankazo voarara avy tamin’ny “hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy” izy. Izany tsy fankatoavana izany no rangory fototry ny afo mahatonga izao zava-mampahory rehetra hitantsika taranany ankehitriny izao.—Genesisy 2:15-17; 3:6; Romana 5:12.
5 Tsy navelan’i Jehovah hanaisotra ny fifaliany anefa ny fihetsika tsy nahay nankasitraka nasehon’i Adama sy i Eva. Natoky izy fa, fara faharatsiny, hisy taranak’izy ireo sasany hatosiky ny fony hanompo azy. Natoky aoka izany izy, raha ny marina, hany ka nanambara ny fikasany hanavotra ny taranak’i Adama sy i Eva izay mankatò, na dia talohan’ny niterahan’izy ireo ny zanany voalohany aza! (Genesisy 1:31; 3:15) Nanara-dia an’i Adama sy i Eva ny ankamaroan’ny olombelona nandritra ireo taonjato nifandimby, nefa tsy nanary ny fianakavian’olombelona i Jehovah noho izany tsy fankatoavana niely patrana izany. Nampifantoka ny sainy tamin’ireo lehilahy sy vehivavy ‘nampifaly ny fony’ kosa izy, dia ireo izay niezaka marina ny hampifaly azy satria tia azy.—Ohabolana 27:11; Hebreo 6:10.
6, 7. Anton-javatra inona avy no nanampy an’i Jesosy ho faly hatrany?
6 Ahoana ny amin’i Jesosy—ahoana no nihazonany ny fifaliany? Nanana ny fahafahana rehetra handinika izay nataon’ny lehilahy sy vehivavy teto an-tany i Jesosy, izay zavaboary ara-panahy nahery tany an-danitra. Nibaribary ny tsy fahalavorarian’izy ireo, nefa tia azy ireo i Jesosy. (Ohabolana 8:31) Tatỳ aoriana, dia tsy niova ny fomba fijeriny ny olombelona rehefa tonga tetỳ an-tany izy ka tena ‘niara-nonina tamin’ny olombelona’ tokoa. (Jaona 1:14) Ahoana no nahatonga ilay Zanak’Andriamanitra lavorary hihazona fomba fijery tsara toy izany momba ny fianakavian’olombelona mpanota?
7 Voalohany indrindra aloha, dia tsy nanantena zavatra tafahoatra tamin’ny tenany sy tamin’ny hafa i Jesosy. Fantany fa tsy hampiova finoana izao tontolo izao izy. (Matio 10:32-39) Koa faly izy na dia olona tso-po iray monja aza no nandray tsara ny hafatra momba ilay Fanjakana. Na dia tsy nahafa-po foana aza ny fitondran-tena sy ny toe-tsain’ny mpianatr’i Jesosy, dia fantatr’i Jesosy fa tena naniry hanao ny sitrapon’Andriamanitra tokoa izy ireo tao anatiny tao, ary izany no antony nitiavany azy ireo. (Lioka 9:46; 22:24, 28-32, 60-62) Mahaliana fa fony izy nivavaka tamin’ny Rainy any an-danitra, dia toy izao no namintinan’i Jesosy ny lafiny tsara tamin’ny fitondran-tenan’ireo mpianany: “Notandremany ny teninao”.—Jaona 17:6.
8. Milazà fomba sasany azontsika anahafana an’i Jehovah sy i Jesosy raha ny amin’ny fihazonana ny fifaliantsika.
8 Tsy isalasalana fa handray soa isika rehetra amin’ny fisaintsainana ny ohatra navelan’i Jehovah Andriamanitra sy i Kristy Jesosy tamin’io lafiny io. Afaka manahaka an’i Jehovah amin’ny fomba feno kokoa ve isika, ka angamba tsy hanjary hanahy tafahoatra rehefa misy zavatra tsy mandeha tsara araka ny naniriantsika azy? Afaka manara-dia akaiky kokoa an’i Jesosy ve isika ka hijery foana ny lafy tsaran’ny toe-javatra misy antsika ankehitriny, no sady tsy hanantena zavatra tafahoatra amin’ny tenantsika sy amin’ny hafa? Andeha hojerentsika ny fomba tena azo ampiharana ny sasany amin’ireo foto-pitsipika ireo eo amin’ny sehatra iray izay tena lehibe ho an’ny Kristianina be zotom-po any amin’ny faritra rehetra: ny fanompoana eny amin’ny saha.
Jereo amin’ny lafiny tsara foana ny fanompoana
9. Ahoana no niverenan’ny fifalian’i Jeremia indray, ary ahoana no ahafahan’ny ohatra nomeny hanampy antsika?
9 Irin’i Jehovah hifaly amin’ny fanompoana azy isika. Tsy tokony hiankina amin’ny vokatra azontsika ny fifaliantsika. (Lioka 10:17, 20) Nitory nandritra ny taona maro tao amin’ny faritany tsy namokatra ny mpaminany Jeremia. Namoy ny fifaliany izy rehefa nifantoka tamin’ny fandavan’ny olona. (Jeremia 20:8) Niverina indray anefa ny fifaliany rehefa nisaintsaina ny amin’ny hakanton’ilay hafatra izy. Hoy i Jeremia tamin’i Jehovah: “Hitako ny teninao ka nohaniko, ary ny teninao no fifaliako sy firavoravoan’ny foko; fa nantsoina tamin’ny anaranao aho, Jehovah, Andriamanitry ny maro ô.” (Jeremia 15:16) Eny, niravoravo noho ny tombontsoany hitory ny tenin’Andriamanitra i Jeremia. Afaka manao toy izany koa isika.
10. Ahoana no ahafahantsika manohy mifaly amin’ny fanompoana na dia tsy mamokatra aza ny faritanintsika ankehitriny?
10 Na dia mandà tsy handray ny vaovao tsara aza ny ankamaroan’ny olona, dia manana antom-pifaliana maro be isika rehefa mandray anjara amin’ny fanompoana eny amin’ny saha. Tadidio fa natoky tanteraka i Jehovah fa hisy olona ho voatosika hanompo azy. Sahala amin’i Jehovah, dia tsy tokony hanary toky na oviana na oviana isika fa, amin’ny farany dia hisy ihany olona sasany, fara faharatsiny, hahatakatra ilay raharaha ary hanaiky ny hafatra momba ilay Fanjakana. Tsy tokony hohadinointsika fa miova ny tarehin-javatra misy ny olona. Eo anatrehan’ny fahavoazana na fotoan-tsarotra tsy nampoizina, dia mety hanomboka hieritreritra mafy ny amin’ny hevitry ny fiainana na dia ny olona faran’izay afa-po amin’ny zava-bitany aza. Ho eo ve ianao mba hanampy rehefa manjary ‘hahatsapa izay ilainy ara-panahy’ ny olona toy izany? (Matio 5:3) Koa mety hisy ho vonona hihaino ny vaovao tsara àry ny olona ao amin’ny faritaninao amin’ny fitsidihanao manaraka!
11, 12. Inona no nitranga tao amin’ny tanàna kely iray, ary inona no azontsika ianarana avy amin’izany?
11 Mety hiova koa ny mponina ao amin’ny faritanintsika. Diniho ity ohatra ity. Mpivady tanora maromaro nanan-janaka sady tena nifandray akaiky no mponina tao amin’ny tanàna kely iray. Rehefa nitsidika ny Vavolombelon’i Jehovah dia nitovy foana ny valin-teny azony isam-baravarana: “Tsy mahaliana anay izany!” Ary raha sendra nisy tena nampiseho fahalianana tamin’ny hafatra momba ilay Fanjakana, avy hatrany dia nanakivy azy tsy hanohy hifandray tamin’ireo Vavolombelona ny mpifanila trano. Mazava ho azy fa zava-tsarotra ny nitory tamin’izany toerana izany. Tsy nanary toky anefa ireo Vavolombelona; nanohy nitory hatrany izy ireo. Inona no vokany?
12 Rehefa nandeha ny fotoana, dia nihalehibe ny maro tamin’ireo ankizy tao amin’io tanàna io, nanambady izy ireo ary nanana ny tokantranony. Nanomboka nitady ny fahamarinana ny sasany tamin’ireo tanora vao nisandratra ireo nony nahatakatra fa tsy nitondra ny tena fahasambarana ny fomba fiainany. Nahita izany fahamarinana izany izy ireo rehefa nandray tsara ny vaovao tsara nambaran’ny Vavolombelona. Koa afaka taona maro àry vao nanomboka nitombo ilay kongregasiona kely. Alao sary an-tsaina ny fifalian’ireo mpitory ilay Fanjakana izay tsy nanary toky! Enga anie ka hitondra fifaliana ho antsika koa ny fikirizana mizara ny hafatra be voninahitra momba ilay Fanjakana!
Hisy mpiray finoana hanohana anao
13. Any amin’iza no azontsika itodihana rehefa kivy isika?
13 Aiza no azonao itadiavana fampiononana rehefa mitombo ny fanerena, na rehefa voadona mafy eo amin’ny fiainana ianao? Mpanompon’i Jehovah vita fanoloran-tena an-tapitrisany maro no mitodika any amin’i Jehovah amin’ny alalan’Lioka 22:28) Mazava loatra fa tsy lavorary ireo mpianatra ireo, nefa nampionona ilay Zanak’Andriamanitra ny tsy fivadihan’izy ireo. Afaka manovo hery avy amin’ny mpiara-manompo amintsika koa isika.
ny vavaka aloha, ary any amin’ny rahalahiny sy anabaviny kristianina avy eo. Fony i Jesosy teto an-tany, dia nihevitra ho sarobidy ny fanohanan’ny mpianany izy. Ny alina talohan’ny nahafatesany, dia niresaka azy ireo ho ‘ireo naharitra nanaraka Ahy tamin’ny fakam-panahy nihatra tamiko’ izy. (14, 15. Inona no nanampy mpivady iray hiatrika ny fahafatesan-janany, ary inona no ianaranao avy amin’ny zavatra niainan’izy ireo?
14 I Michel sy i Diane, mpivady kristianina, dia nianatra ny hasarobidin’ny fanohanan’ny rahalahiny sy anabaviny. Voan’ny fivontosana tao amin’ny atidoha i Jonathan, zanany lahy 20 taona, izay Kristianina navitrika sy nahabe fanantenana. Nanandrana tamin-kerim-po hamonjy azy ny dokotera, nefa niharatsy ny toe-pahasalaman’i Jonathan mandra-pahafatiny, indray takariva izay. Kivy tanteraka i Michel sy i Diane. Tonga tao an-tsainy fa efa ho tapitra izay ny Fivoriana Momba ny Fanompoana natao tamin’iny takariva iny. Noho izy ireo nangetaheta mafy fampiononana anefa, dia nangatahin’izy ireo mba hanatitra azy tany amin’ny Efitrano Fanjakana ilay anti-panahy niaraka taminy. Tamin’ny fotoana nampandrenesana ny kongregasiona ny amin’ny nahafatesan’i Jonathan indrindra no tonga izy ireo. Rehefa vita ny fivoriana, dia nitangorona nanodidina ilay ray sy reny nitomany ny rahalahiny sy ny anabaviny sady namihina sy nampionona azy mivady. Izao no tsaroan’i Diane: “Ketraka mafy izahay tonga tany amin’ny efitrano, nefa nahazo fampiononana erỳ avy tamin’ireo anadahy—tena nampitraka anay izy ireo! Na dia tsy afaka nanafoana ny fahorianay aza izy ireo, dia nankahery anay tao anatin’ny sarotra!”—Romana 1:11, 12; 1 Korintiana 12:21-26.
15 Nampanatona akaiky kokoa an’i Michel sy i Diane tamin’ireo rahalahiny ny fahoriana. Nampifanatona akaiky kokoa azy mivady koa izany. Hoy i Michel: “Nianatra ny hankamamy bebe kokoa ny vady malalako aho. Rehefa mahatsiaro kivy izahay, dia mifampiresaka momba ny fahamarinana ara-baiboly sy ny fomba anohanan’i Jehovah anay.” Hoy ny nanampin’i Diane: “Vao mainka zava-dehibe kokoa aminay izao ny fanantenana ny amin’ilay Fanjakana.”
16. Nahoana no zava-dehibe ny hoe isika mihitsy no mandeha mampahafantatra izay zavatra ilaintsika amin’ireo rahalahintsika?
16 Eny, afaka ny ho “fampiononana” ho antsika mandritra ny fotoan-tsarotra ny rahalahintsika sy anabavintsika kristianina, ka hanampy antsika hanohy hifaly. (Kolosiana 4:11) Mazava loatra fa tsy afaka mamantatra ny ao an-tsaintsika izy ireo. Koa rehefa mila fanampiana àry isika, dia mety ny mampahafantatra azy ireo izany. Afaka mankasitraka amim-pahatsorana izay fampiononana rehetra azon’ny rahalahintsika omena isika amin’izay, ka hihevitra izany ho toy ny avy amin’i Jehovah.—Ohabolana 12:25; 17:17.
Diniho ny kongregasionanao
17. Inona avy no zava-tsarotra atrehin’ny reny mitaiza irery ny zanany, ary ahoana no iheverantsika ny olona toy izany?
17 Arakaraka ny andinihanao akaiky kokoa ny mpiray finoana aminao, no hianaranao hankasitraka azy ireny bebe kokoa ka hahafaly anao ny hiaraka aminy. Diniho ny kongregasionanao. Inona no hitanao? Misy ray na reny milofo mafy mitaiza irery ny zanany ao amin’ny lalan’ny fahamarinana ve ao? Tena noeritreretinao ve ny ohatra tsara dia tsara omeny? Iezaho alaina sary an-tsaina ange ny zava-manahirana sasany atrehiny e! Manonona santionany amin’izany i Jeanine, reny mitaiza irery ny zanany: fahatsiarovan-tena ho manirery, fanadalan’ny lehilahy any am-piasana, vola zara raha ampy hivelomana. Fa ny zava-manahirana lehibe indrindra amin’izy rehetra, hoy izy, dia ny fikarakarana izay ilain’ny zanany ara-pihetseham-po, satria tsy mitovy ny ankizy tsirairay. Milaza zava-manahirana hafa iray i Jeanine: “Mety ho tena sarotra ny hoe tsy hirona hanao ny zanakao lahy ho loham-pianakaviana ho solon’ny tsy maha eo ny vadinao. Manan-janaka vavy aho, ary tena sarotra ny mitadidy ny tsy hanome azy enta-mavesatra loatra amin’ny famborahana aminy ny tsiambarateloko.” Sady miasa manontolo andro i Jeanine no mikarakara ny ankohonany, sahala amin’ireo ray na reny an’arivony maro matahotra an’Andriamanitra, mitaiza irery ny zanany. Mampianatra ny zanany ny Baiboly koa izy, mampiofana azy ireny eny amin’ny fanompoana, ary mitondra azy mandeha mivory. Efesiana 6:4) Toy inona moa ny tsy maintsy ho fifalian’i Jehovah mandinika isan’andro ny ezaka ataon’izany fianakaviana izany mba hihazonana ny tsy fivadihana! Tsy mahafaly ny fontsika ve ny fisian’ny olona toy izany eo anivontsika? Eny, mahafaly tokoa.
(18, 19. Hazavao amin’ny ohatra ny fomba ahafahantsika mankasitraka lalina kokoa ny mpikambana ao amin’ny kongregasiona.
18 Diniho indray ny kongregasionanao. Mety hahita vehivavy sy lehilahy maty vady mahatoky izay “tsy tapaka mihitsy” amin’ny fivoriana ianao. (Lioka 2:37, NW ) Mahatsiaro ho manirery ve izy ireny indraindray? Mazava ho azy. Malahelo mafy ny vadiny izy ireo! Mitoetra ho be atao eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah anefa izy ireo ary maneho fiheverana manokana ny hafa. Mampitombo ny fifalian’ny kongregasiona ny toe-tsainy tsara sy tony! Izao no fanamarihan’ny Kristianina iray tao amin’ny fanompoana manontolo andro hatramin’ny 30 taona mahery: “Anisan’ny zavatra mahafaly ahy indrindra ny mahita anadahy sy rahavavy be taona nandia fisedrana maro nefa mbola manompo an’i Jehovah amim-pahatokiana ihany!” Eny, fampaherezana lehibe ho an’ireo tanora kokoa ny Kristianina be taona eo anivontsika.
19 Ahoana ny amin’ireo vaovao izay vao haingana no nanomboka niaraka tamin’ny kongregasiona? Moa ve isika tsy mahazo fandrisihana rehefa maneho ny finoany any amin’ny fivoriana izy ireo? Eritrereto ny fandrosoana nataon’izy ireo hatramin’ny nanombohany nianatra ny Baiboly. Tsy maintsy ho tena faly amin’izy ireny i Je
hovah. Ary isika? Milaza ny fankasitrahantsika ve isika amin’ny fiderana azy ireny noho ny ezaka ataony?20. Nahoana no azo lazaina fa samy manana anjara asa lehibe ao amin’ny kongregasiona ny mpikambana tsirairay ao aminy?
20 Manambady ve ianao, sa mpitovo sa ray na reny mitaiza irery ny zanakao? Kamboty ve ianao, sa vehivavy na lehilahy maty vady? Efa niaraka tamin’ny kongregasiona hatramin’ny taona maro ve ianao, sa vao haingana no nanomboka nanao izany? Matokia fa fampaherezana ho anay rehetra ny oha-pahatokiana asehonao. Ary rehefa miara-mihira ny hiran’ilay Fanjakana sy manome valin-teny na manatanteraka anjara ao amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika ianao, dia mampitombo ny fifalianay ny fandraisanao anjara. Mihoatra noho izany aza, fa mahafaly ny fon’i Jehovah izany.
21. Manana antony maro hanaovana inona isika, nefa inona avy no fanontaniana mipoitra?
21 Eny, afaka mahita fifaliana isika eo am-panompoana an’ilay Andriamanitsika finaritra, na dia amin’izao fotoana manahirana izao aza. Manana antony maro be isika hanarahana ilay fampirisihan’i Paoly manao hoe: “Mifalia, ... ary Andriamanitry ny fitiavana sy ny fiadanana ho aminareo.” (2 Korintiana 13:11) Ahoana anefa raha tojo loza araka ny natiora, na fanenjehana, na fahasahiranana mafy ara-bola isika? Azo atao ve ny mihazona ny fifaliantsika na dia ao anatin’ny toe-javatra toy izany aza? Aoka ianao ihany no hanatsoaka hevitra ny amin’izany, rehefa mandinika ilay lahatsoratra manaraka.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 2 Jereo ny Étude perspicace des Écritures, Boky 2, pejy faha-45, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.
Hainao Valiana Ve?
• Ahoana no ilazalazana ny fifaliana?
• Amin’ny ahoana no hanampy antsika hitoetra ho faly ny fihazonana toe-tsaina tsara?
• Inona no afaka manampy antsika hanana fomba fijery tsara ny faritanin’ny kongregasionantsika?
• Amin’ny lafiny inona avy no ankasitrahanao ireo rahalahy sy anabavy ao amin’ny kongregasionanao?
[Fanontaniana]
[Sary, pejy 10]
Mety hiova ny olona ao amin’ny faritanintsika
[Sary, pejy 12]
Inona avy no zava-tsarotra atrehin’ireo olona ao amin’ny kongregasionanao?