Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Baiboly Natambatra ho Boky Iray

Ny Baiboly Natambatra ho Boky Iray

Ny Baiboly Natambatra ho Boky Iray

LOHA laharana tamin’ny fampiasana ny kôdeksa ny Kristianina tany am-boalohany rehefa nanao kopia ny Baiboly. Boky izy io fa tsy horonana akory. Tsy natambatr’ireo Kristianina ireo ho boky iray avy hatrany anefa ny Baiboly. Nisy dingana lehibe nataon’i Flavius Cassiodorus, tamin’ny taonjato fahenina, ka nanjary nalaza ny fanaovana ny Baiboly ho boky iray.

Teraka tokony ho tamin’ny 485-490 am.f.i., tany Calabre, any amin’ny tendrony atsimon’i Italia ankehitriny, i Flavius Magnus Aurelius Cassiodorus, ary nanankarena ny fianakaviany. Nihotakotaka ilay firenena, tamin’ny androny, satria nifandimby nifehy an’i Italia ny Goths sy ny Byzantins. Fony izy 60 na 70 taona teo ho eo, dia naoriny tany akaikin’ny tranony, tao Squillace, any Calabre, ny monasitera sady tranomboky Vivarium.

Mpampanonta Baiboly nikaly asa

Anisan’ny nahin’i Cassiodorus indrindra ny fampitana ny Baiboly tamin’ny olona. Hoy i Peter Brown, mpahay tantara: “Nihevitra i Cassiodorus fa tokony hampiasaina mba hampitana ny Soratra Masina ny haisoratra latinina rehetra. Tokony hampiasaina ny fitaovana rehetra namakiana sy nandikana ny haisoratra fahiny, raha tiana hazava ny Soratra Masina, ary koa raha tiana ny hahazo ny heviny rehefa mandika azy. Toy ny rafi-planeta vao niforona ny fitambaran’ny haisoratra latinina, ka ny Tenin’Andriamanitra no masoandro goavana tokony hihodidinany.”

Namory mpandika teny sy mpahay fitsipi-pitenenana tao amin’ny monasitera Vivarium i Cassiodorus, mba hanakambana ny Baiboly manontolo. Izy no nitantana ny asa fanitsiana, izay nila fitandremana fatratra. Nankininy tamin’ny lehilahy vitsivitsy monja nahita fianarana ilay asa. Tsy tokony ho maimaika ny hanitsy izay noheveriny ho fahadisoan’ny mpanao kopia izy ireo. Ny sora-tanana fahiny amin’ny Baiboly no narahina, fa tsy ny fitsipi-pitenenana latinina nahazatra, raha nisy olana momba ny fitsipi-pitenenana. Izao no toromarika nomen’i Cassiodorus: “Tsy maintsy hazonina ny lafiny mampiavaka ny fitsipi-pitenenana ..., satria tsy azo inoana hisy diso ny soratra ara-tsindrimandry. ... Tsy maintsy hazonina ny fomba fanoratra sy ny teny an’ohatra ary ny fiteny manokana ao amin’ny Baiboly, na hafahafa be aza raha oharina amin’ny fitsipika latinina. Ary tsy maintsy hazonina koa ny endriky ny anarana ‘hebreo’.”​—Ny Tantaran’ny Baiboly Navoakan’i Cambridge (anglisy).

Ny Kôdeksa Grandior

Nasaina nanao kopia Baiboly latinina telo samy hafa, fara fahakeliny, ireo mpanao kopia tao amin’ny monasitera Vivarium. Nizara ho boky sivy ilay voalohany, ary mety ho tamin’ny teny latinina tranainy. Nivoaka tamin’ny faramparan’ny taonjato faharoa io dikan-teny io. Nirakitra ny Vulgate latinina, novitain’i Jérôme tamin’ny fiandohan’ny taonjato fahadimy teo ho eo, ilay faharoa. Ary ny fahatelo izay nalaina avy tamin’ny Baiboly telo hafa, dia ny Kôdeksa Grandior, midika hoe “kôdeksa lehibe kokoa”. Samy boky iray misy ny boky rehetran’ny Baiboly ny boky roa farany navoaka.

Toa i Cassiodorus no voalohany namoaka ny Baiboly latinina natambatra ho boky iray, sy niantso azy io hoe pandectae. * Tsy isalasalana fa hitany ho mora ampiasaina ny Baiboly raha atambatra ho boky iray, satria tsy handany fotoana toy ny fijerena boky maromaro intsony izany.

Avy tany Roma, tonga tany amin’ny Nosy Britanika

Nanomboka ny diany ny Kôdeksa Grandior, taoriana kelin’ny nahafatesan’i Cassiodorus (toa tamin’ny 583 am.f.i. teo ho eo). Nolazaina fa nafindra tao amin’ny tranom-boky Latran tany Roma ny boky sasany tao amin’ny tranomboky Vivarium, tamin’izany fotoana izany. Tamin’ny 678 am.f.i., dia nitondra azy io nody tany amin’ny Nosy Britanika ilay anglo-saxon lehibena monasitera, atao hoe Ceolfrith, rehefa avy tany Roma. Tamin’izay, dia tonga tao amin’ny monasitera Wearmouth sy Jarrow, notantanan’i Ceolfrith, ilay kôdeksa. Any Northumbrie ankehitriny, any Angletera, no misy ireo monasitera ireo.

Azo antoka fa tena nahaliana an’i Ceolfrith sy ireo moanina hafa ilay Baiboly natambatr’i Cassiodorus ho boky iray, satria azo inoana fa mora nampiasaina ilay izy. Koa nahavita Baiboly manontolo telo hafa àry izy ireo, tao anatin’ny am-polony taona vitsivitsy monja. Baiboly sora-tanana ngezabe antsoina hoe Kôdeksa Amiatinus no kopia sisa tavela tamin’ireny. Misy pejy 2 060, vita amin’ny hodi-janak’omby izy io; tokony ho 51 santimetatra ny lavan’ny pejy tsirairay, ary 33 santimetatra ny sakany; 25 santimetatra ny hateviny miaraka amin’ny fonony, ary 34 kilao mahery ny lanjany. Io no tranainy indrindra amin’ny Baiboly natambatra ho boky iray, amin’ny teny latinina, mbola misy hatramin’izao. Tamin’ny 1887, dia namantatra ilay kôdeksa i Fenton J. A. Hort, manam-pahaizana malaza momba ny Baiboly. Hoy i Hort: “Na ny olona miaina amin’izao taonjato faha-19 izao aza dia tsy maintsy ho talanjona, raha mahita io [sora-tanana] sangan’asa io.”

Fiverenana tany Italia

Tsy hita intsony ny Kôdeksa Grandior navoakan’i Cassiodorus amin’izao fotoana izao. Tafaverina tany Italia anefa ny Kôdeksa Amiatinus latinina, taoriana kelin’ny namitana azy. Avy tamin’ny Kôdeksa Grandior izy io, saingy amin’ny teny anglo-saxon. Niverina tany Roma mantsy i Ceolfrith, taloha kelin’ny nahafatesany. Nentiny hatao fanomezana ho an’ny Papa Grégoire II ny iray tamin’ireo Baiboliny sora-tanana latinina. Maty teny an-dalana tao Langres, any Frantsa, izy, tamin’ny 716 am.f.i, nefa nanohy ny dia niaraka tamin’ny mpandeha hafa ilay Baiboliny. Farany, dia napetraka tao amin’ny fitahirizam-bokin’ny monasiteran’ny Tendrombohitra Amiata, any Italia afovoany, ilay kôdeksa. Io toerana io no nakana ny anarany hoe Kôdeksa Amiatinus. Nafindra tao amin’ny Tranomboky Lorenzo de Medici, any Florence, Italia, izy io, tamin’ny 1782 ary mbola anisan’ny harena lehibe indrindran’io tranomboky io ihany hatramin’izao.

Inona no soa azontsika avy amin’ny Kôdeksa Grandior? Nanomboka tamin’ny andron’i Cassiodorus, dia nanome vahana ny fanaovana ny Baiboly ho boky iray ny mpanao kopia sy pirinty. Mandraka ankehitriny, dia mora kokoa ho an’ny olona ny mamaky ny Baiboly natambatra ho boky iray, hany ka mandray soa avy amin’ny herin’izy io izy ireo.​—Hebreo 4:12.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 9 Toa tamin’ny taonjato fahefatra na fahadimy no nivoahan’ny Baiboly feno tamin’ny teny grika.

[Sarintany, pejy 29]

(Jereo ny gazety)

Dian’ny Kôdeksa Grandior

monasitera Vivarium

Roma

Jarrow

Wearmouth

Dian’ny Kôdeksa Amiatinus

Jarrow

Wearmouth

Tendr. Amiata

Florence

[Sary nahazoan-dalana]

Mountain High Maps® Copyright © 1997 Digital Wisdom, Inc.

[Sary, pejy 30]

Ambony: Kôdeksa Amiatinus Havia: Sarin’i Ezra ao amin’ny Kôdeksa Amiatinus

[Sary nahazoan-dalana, pejy 30]

Biblioteca Medicea Laurenziana, Firenze