Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Fifandraisana Amin’ny Fanahy​—Afaka Manome Izay Tena Ilaintsika Ara-panahy Ve?

Ny Fifandraisana Amin’ny Fanahy​—Afaka Manome Izay Tena Ilaintsika Ara-panahy Ve?

Ny Fifandraisana Amin’ny Fanahy​—Afaka Manome Izay Tena Ilaintsika Ara-panahy Ve?

MILA zavatra ara-panahy sy ara-nofo isika rehetra, hany ka maro no manontany hoe: Inona no zava-kendren’ny fiainana? Nahoana ny olona no mijaly? Inona no manjo antsika rehefa maty isika? Mankany amin’ny mpamoha angatra ny olona tso-po maro mitady ny valin’ireo fanontaniana ireo sy ny maro hafa koa, satria manantena ny hifandray amin’ny fanahin’ny maty.

Tany maro no ahitana olona mifandray amin’ny fanahy, ary mivory any amin’ny kongregasionany sy ny fiangonany izy ireo. Misy 4 000 000 eo ho eo, ohatra, ny olona mifandray amin’ny fanahy any Brezila, manaraka ny fampianaran’i Denisard Léon Hippolyte Rivail, Frantsay mpanabe sady filozofa tamin’ny taonjato faha-19. Allan Kardec no solon’anarany amin’ny maha mpanoratra. Nanomboka liana tamin’ny fifandraisana amin’ny fanahy i Kardec tamin’ny 1854. Nametraka fanontaniana tamin’ny mpamoha angatra tany amin’ny toerana maro, izy tatỳ aoriana, ary nosoratany tao amin’Ny Bokin’ny Fanahy (portogey), nivoaka tamin’ny 1857, ny valin-teny azony. Nanoratra boky roa hafa izy, dia Ny Bokin’ny Mpamoha Angatra (portogey) sy Ny Filazantsara Araka ny Fifandraisana Amin’ny Fanahy (frantsay).

Heverina fa manao vaudou, na milalao ody na manao majika na mivavaka amin’i Satana, ny olona mifandray amin’ny fanahy. Milaza anefa ny mpanara-dia an’i Allan Kardec fa tsy toy izany ny zavatra inoany. Maka teny avy ao amin’ny Baiboly ny bokiny matetika, ary antsoin’izy ireo hoe “mpitarika sady ohatra ho an’ny olombelona rehetra” i Jesosy. Milaza izy ireo fa ny fampianaran’i Jesosy no “fomba madio indrindra isehoan’ny lalàn’Andriamanitra”. Nihevitra i Allan Kardec fa ny asa soratry ny olona mifandray amin’ny fanahy no fomba fahatelo nampitan’Andriamanitra ny lalàny tamin’ny olombelona, ary ny fampianaran’i Mosesy sy ny an’i Jesosy no roa voalohany.

Manintona ny maro ny fifandraisana amin’ny fanahy, satria mampirisika ny olona ho tia namana sy hanao soa. Mino, ohatra, ny olona mifandray amin’ny fanahy fa “tsy misy famonjena raha tsy misy asa soa”. Mazoto manao asa soa ny olona maro mifandray amin’ny fanahy, ka manorina hopitaly sy sekoly sy ny toy izany. Mahate hidera izany ezaka ataony izany. Manao ahoana anefa ny zavatra inoan’izy ireo raha ampitahaina amin’ny fampianaran’i Jesosy, ao amin’ny Baiboly? Haka ohatra roa isika: Ny fanantenana ho an’ny maty sy ny antony mahatonga ny fijaliana.

Inona no fanantenana ho an’ny maty?

Olona maro mifandray amin’ny fanahy no mino ny fahaterahana indray ao amin’ny vatana vaovao. Hoy ny boky iray navoakan’izy ireo: “Ny fahaterahana indray ao amin’ny vatana vaovao ihany no foto-pampianarana mifanaraka amin’ny fiheverantsika ny rariny araka an’Andriamanitra; io ihany no afaka manazava ny hoavy sy manamafy ny fanantenantsika.” Manazava izy ireo fa mandao ny vatana ny fanahy rehefa maty ny olona, tahaka ny soherina lasa lolo. Mino izy ireo fa teraka indray ao anaty vatan’olon-kafa ireny fanahy ireny atỳ aoriana, mba hanadio ny fahotany tamin’ny fiainana teo aloha. Tsy tadidin’ilay olona anefa ireny fahotana ireny. “Nihevitra Andriamanitra fa mety ny manadino ny fahotana taloha”, hoy Ny Filazantsara Araka ny Fifandraisana Amin’ny Fanahy (frantsay).

“Mandà ny tenin’i Jesosy koa izay mandà ny fahaterahana indray ao amin’ny vatana vaovao”, hoy i Allan Kardec. Sady tsy nilaza ilay teny hoe “fahaterahana indray ao amin’ny vatana vaovao” mihitsy anefa i Jesosy, no tsy niresaka momba izany akory. (Jereo ilay hoe “Mampianatra ny Fahaterahana Indray ao Amin’ny Vatana Vaovao ve ny Baiboly?”, eo amin’ny pejy 22.) Ny fitsanganana amin’ny maty kosa no nampianariny. Nandritra ny fanompoany teto an-tany, dia nanangana olona telo tamin’ny maty izy: Ny zanaky ny mpitondratena tao Naina, ny zanakavavin’ny lehiben’ny synagoga, ary i Lazarosy sakaizany. (Marka 5:22-24, 35-43; Lioka 7:11-15; Jaona 11:1-44) Aoka isika handinika ny iray amin’ireo “fananganana ny maty” niavaka ireo, mba hahatakarana ny tian’i Jesosy holazaina tamin’izany.

Ny fananganana an’i Lazarosy

Ren’i Jesosy fa narary i Lazarosy namany. Hoy izy tamin’ny mpianany, roa andro taorian’izay: “Matory Lazarosy sakaizantsika; fa handeha hamoha azy Aho”. Tsy azon’ny mpianatra ny tian’i Jesosy holazaina, ka nitsotra izy hoe: “Maty Lazarosy”. Efa maty efatra andro i Lazarosy, rehefa tonga teo amin’ny fasany i Jesosy, tamin’ny farany. Nasain’i Jesosy nesorina ihany anefa ilay vato nanidy mafy ny fasana. Niantso mafy izy avy eo hoe: “Ry Lazarosy, mivoaha!” Ary nahagaga fa “nivoaka ny maty nisy fehim-paty ny tànany sy ny tongony, sady voafehy mosara koa ny tavany. Hoy Jesosy tamin’ny olona: Vahao izy, ka avelao handeha”.​—Jaona 11:5, 6, 11-14, 43, 44.

Mazava fa tsy fahaterahana indray tao amin’ny vatana vaovao mihitsy izany. Nilaza i Jesosy fa natory, na tsy nahatsiaro tena, i Lazarosy, rehefa maty. ‘Foana ny fikasany’, hoy ny Baiboly, ary ‘tsy nahalala na inona na inona’ izy. (Salamo 146:4; Mpitoriteny 9:5) Tsy olon-kafa nahazo fanahy teraka indray akory i Lazarosy nitsangana tamin’ny maty. Tsy niova ny toetrany sy ny taonany ary ny fahatsiarovana nananany. Niverina tamin’ny asa aman-draharahany taloha izy, ary nody tany amin’ireo havan-tiany nisaona azy.​—Jaona 12:1, 2.

Maty indray i Lazarosy tatỳ aoriana. Koa nahoana àry no natsangana tamin’ny maty izy? Manamafy ny finoantsika izy io sy ny fananganan’i Jesosy olon-kafa tamin’ny maty, dia ny finoantsika ny fampanantenan’Andriamanitra hanangana ny mpanompony mahatoky, amin’ny fotoana voatondrony. Misy heviny kokoa izao tenin’i Jesosy izao, noho ireny fahagagana ireny: “Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray”.​—Jaona 11:25.

Hoy i Jesosy momba izany fananganana ny maty ho avy izany: “Avy ny andro izay handrenesan’ny olona rehetra [ao amin’ny fasam-pahatsiarovana, NW ] ny [feoko]; dia hivoaka izy: izay nanao tsara dia ho any amin’ny fitsanganana ho fiainana; fa izay nanao ratsy kosa dia ho any amin’ny fitsanganana ho fahamelohana.” (Jaona 5:28, 29) Izany dia fananganana ny olona maty, toy ny tamin’i Lazarosy. Tsy hisy fanahy hitambatra indray amin’ilay vatana hitsangana akory. Mety ho efa lo na nohanin’ny bibikely mantsy io vatana io. Vitan’ilay Mpamorona ny lanitra sy ny tany tsara ny manangana ny maty, satria tsy hita fetra ny fahendreny sy ny heriny.

Tsy mampiseho ny fitiavan’Andriamanitra ny olombelona tsirairay ve ny fananganana amin’ny maty nampianarin’i Jesosy Kristy? Inona anefa no valin’ilay fanontaniana faharoa napetraka tetsy ambony?

Inona no antony mahatonga ny fijaliana?

Matetika no mijaly ny olona, noho ny zavatra ataon’ny olona tsy hendry sy tsy mahay na ratsy fanahy mihitsy aza. Ahoana anefa ny amin’ireo fisehoan-javatra mampalahelo tsy azo anomezan-tsiny olona? Nahoana, ohatra, no misy loza tampoka sy loza araka ny natiora? Nahoana no misy zaza sembana hatrany an-kibon-dreniny? Nihevitra i Allan Kardec fa sazy ireny. Nanoratra izy hoe: “Tsy maintsy nanao ratsy isika matoa voasazy. Raha tsy tamin’ity fiainana ity isika no nanao izany, dia tsy maintsy tamin’ny fiainana teo aloha.” Asaina mivavaka toy izao ireo olona mifandray amin’ny fanahy: “Tompo ô, tsy misy afa-tsy rariny ao Aminao. Mendrika izao aretina izao aho, izao no sitraponao ... Ekeko izany hanarenana ny lasa, sy ho fitsapana ny finoako sy ny fanekeko ny sitraponao.”​—Ny Filazantsara Araka ny Fifandraisana Amin’ny Fanahy (frantsay).

Nampianatra izany ve i Jesosy? Tsia. Fantatr’i Jesosy tsara izao tenin’ny Baiboly izao: “Ny fotoana sy ny sampona dia samy mahazo azy rehetra.” (Mpitoriteny 9:11) Fantany fa misy zava-mitranga mampalahelo indraindray. Tsy voatery ho sazy noho ny fahotana akory ireny.

Diniho izao zavatra hitan’i Jesosy izao: “Raha nandalo Jesosy, dia nahita lehilahy jamba hatry ny fony vao teraka. Ary ny mpianany nanontany Azy hoe: Raby ô, iza moa no nanota, io lehilahy io va, sa ny ray aman-dreniny, no dia teraka jamba izy?” Tena mampiana-javatra ny valin-tenin’i Jesosy: “Tsy io lehilahy io no nanota, na ny ray aman-dreniny, fa ny hanehoana ny asan’Andriamanitra eo aminy. Rehefa nilaza izany Izy, dia nandrora tamin’ny tany ka nanao feta tamin’ny rora, dia nahosony ny mason’ilay jamba. Ary hoy Izy taminy: Andeha, sasao ny masonao any amin’ny farihy Siloama ... Dia lasa izy ka nanasa, dia niverina nahiratra.”​—Jaona 9:1-3, 6, 7.

Nasehon’ny tenin’i Jesosy fa tsy ilay lehilahy na ny ray aman-dreniny no nahatonga azy ho jamba hatrany an-kibon-dreniny. Koa tsy nilaza àry i Jesosy hoe nosazina noho ny fahotany tamin’ny fiainana teo aloha ilay lehilahy. Marina fa fantatr’i Jesosy hoe mandova fahotana ny olombelona rehetra. Avy tamin’i Adama anefa izany, fa tsy fahotana nataony talohan’ny nahaterahany. Noho ny fahotan’i Adama, dia teraka tsy lavorary ny olombelona rehetra, ka mora voan’ny aretina sy maty. (Joba 14:4; Salamo 51:5; Romana 5:12; 9:11) Nirahina hanarina izany toe-javatra izany i Jesosy, raha ny marina. Nilaza i Jaona Mpanao Batisa fa “Zanak’ondrin’Andriamanitra, Izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao” i Jesosy.​—Jaona 1:29. *

Mariho koa fa tsy nilaza i Jesosy hoe nataon’Andriamanitra teraka jamba ilay lehilahy, mba hositraniny indray andro any. Ratsy fanahy sady tsy matoky olona izy, raha nanao izany! Ho nanome voninahitra an’Andriamanitra ve izany? Tsia, fa nositranina tamin’ny fomba nahagaga kosa ilay lehilahy mba ‘hampisehoana ny asan’Andriamanitra’. Toy ny fanasitranana maro hafa nataon’i Jesosy izy io, satria nampiharihary fa tena tia ny olombelona mijaly Andriamanitra, sady nanamarina fa azo itokisana izy, rehefa mampanantena ny hamarana ny aretina sy ny fijaliana rehetra mahazo ny olombelona, amin’ny fotoana mety.​—Isaia 33:24.

Tsy mampionona antsika ve ny fahafantarana fa tsy mampijaly ny Raintsika any an-danitra, fa manome “zava-tsoa ho an’izay mangataka aminy?” (Matio 7:11) Tena hahazo voninahitra lehibe ny Avo Indrindra, rehefa hahiratra ny mason’ny jamba, handre ny sofin’ny marenina, ary handeha sy hitsambikina ary hihazakazaka ny kilemaina!​—Isaia 35:5, 6.

Fahazoana izay ilaintsika ara-panahy

Hoy i Jesosy: “Tsy mofo ihany no hiveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra”. (Matio 4:4) Eny, mahazo izay ilaintsika ara-panahy isika, rehefa mamaky ny Baiboly, Tenin’Andriamanitra, sy mampihatra azy io eo amin’ny fiainantsika. Tsy mahazo izay tena ilaintsika ara-panahy isika, rehefa mandeha any amin’ny mpamoha angatra. Melohina mazava mihitsy izany fanao izany, ao amin’ilay nolazain’i Allan Kardec ho ny fomba voalohany nampitan’Andriamanitra ny lalàny.​—Deoteronomia 18:10-13.

Eken’ny olona maro, anisan’izany ny olona mifandray amin’ny fanahy, fa Andriamanitra no ilay Fisiana Fara Tampony, mandrakizay, lavorary tanteraka, ary tsara fanahy sy marina. Ankoatra izany anefa, dia milaza ny Baiboly fa manana ny anarany Andriamanitra, dia hoe Jehovah. Tsy maintsy manome voninahitra azy io isika, toy ny nataon’i Jesosy. (Matio 6:9; Jaona 17:6) Asehon’ny Baiboly koa fa tena misy Andriamanitra, ary afaka mifandray akaiky aminy ny olombelona. (Romana 8:38, 39) Rehefa mamaky azy io isika, dia mahita fa be famindram-po Andriamanitra ary “tsy mba manao amintsika araka ny fahotantsika Izy, na mamaly antsika araka ny helotsika”. (Salamo 103:10) Ahariharin’ i Jehovah Tompom-piandrianana, amin’ny alalan’ny Teniny, ny fitiavany sy ny heriny tsy hita fetra ary ny fahaizany mandanjalanja. Izy no mitarika sady miaro ny olombelona mankatò. Hahazo “fiainana mandrakizay” isika, raha miezaka hahafantatra an’i Jehovah sy i Jesosy Kristy Zanany.​—Jaona 17:3.

Hazavain’ny Baiboly amintsika izay rehetra ilaintsika ho fantatra momba ny fikasan’Andriamanitra, sy izay tsy maintsy ataontsika mba hampifaliana azy. Mahazo valim-panontaniana marina sady mahafa-po isika, rehefa mandinika amim-pitandremana ny Baiboly. Manoro antsika ny tsara sy ny ratsy koa ny Baiboly, sady manome fanantenana mafy orina. Manome toky antsika izy io fa tsy ho ela, dia ‘hamafa ny ranomaso rehetra amin’ny mason’ny olombelona Andriamanitra; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha’. (Apokalypsy 21:3, 4) Amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, dia hanafaka ny olombelona amin’ny fahotana sy ny fahafatesana nolovana tamin’i Adama i Jehovah, ary hiaina mandrakizay ao amin’ny tany paradisa ny olombelona mankatò. Hahazo izay rehetra ilainy ara-nofo sy ara-panahy izy ireo, amin’izay fotoana izay.​—Salamo 37:10, 11, 29; Ohabolana 2:21, 22; Matio 5:5.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 19 Raha mila fanazavana momba ny antony nahatonga ny fahotana sy ny fahafatesana, dia jereo ny toko faha-6 amin’ny boky Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Efajoro, pejy 22]

MAMPIANATRA NY FAHATERAHANA INDRAY AO AMIN’NY VATANA VAOVAO VE NY BAIBOLY?

Misy andinin-teny manohana ny fahaterahana indray ao amin’ny vatana vaovao ve ao amin’ny Baiboly? Diniho ny sasany amin’ny andinin-teny ampiasain’ny olona mino an’io foto-pampianarana io:

“Fa ny mpaminany rehetra sy ny lalàna dia naminany hatramin’i Jaona ... Izy no ilay Elia izay ho avy.”​Matio 11:13, 14.

I Elia teraka indray ve i Jaona Mpanao Batisa? Rehefa nanontaniana i Jaona hoe: “Elia va hianao?”, dia nazava tsara ny valin-teny nomeny hoe: “Tsy izy aho.” (Jaona 1:21) Efa voalaza anefa fa hialoha ny Mesia i Jaona “amin’ny fanahy sy ny herin’i Elia”. (Lioka 1:17; Malakia 3:23, 24) Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia antsoina hoe Elia i Jaona Mpanao Batisa, satria nitovy tamin’ny asan’i Elia ny asa nataony.

“Raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan’Andriamanitra. Aza gaga noho ny nilazako taminao hoe: Tsy maintsy hateraka indray hianareo.”​Jaona 3:3, 7.

Nanoratra toy izao ny apostoly iray tatỳ aoriana: “Isaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay niteraka antsika indray araka ny haben’ny famindrampony ho amin’ny fanantenana velona tamin’ny nitsanganan’i Jesosy Kristy tamin’ny maty.” (1 Petera 1:3, 4; Jaona 1:12, 13) Mazava àry fa fahaterahana ara-panahy nitranga fony fahavelon’ny mpanara-dia azy no noresahin’i Jesosy, fa tsy fahaterahana indray ao amin’ny vatana vaovao amin’ny hoavy akory.

“Miaina mandrakizay ny lehilahy iray, rehefa maty: hiandry aho, rehefa tapitra ny andro hiainako eto an-tany, satria mbola hiverina indray aho.”​Joba 14:14, araka ny “Dikan-teny grika” iray, tononina ao amin’Ny Filazantsara Araka ny Fifandraisana Amin’ny Fanahy (frantsay).

Izao no ilazan’ny Baiboly protestanta izany: “Raha maty ny olona, moa ho velona indray va izy? Raha izany, dia hiandry mandritra ny andro fanafihako aho, mandra-pahatongan’ny fahafahako.” Vakio ny teny manodidina io andininy io. Ho hitanao fa miandry ao amin’ny fiainan-tsi-hita, na fasana, ny maty, mandra-pahatongan’ny ‘fahafahany’. (Andininy faha-13) Tsy misy intsony izy ireo, eo am-piandrasana. “Lasa tanteraka ny olona iray maty; ary tsy misy intsony ny olona rehefa maty.”​—Joba 14:10, dikan-teny Septante, nataon’i Bagster.

[Sary, pejy 21]

Asehon’ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty fa tena miahy antsika tsirairay Andriamanitra

[Sary, pejy 23]

Hanafoana ny fijaliana rehetra Andriamanitra