Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Tena Tsara Fanahy Tamiko i Jehovah!”

“Tena Tsara Fanahy Tamiko i Jehovah!”

“Tena Tsara Fanahy Tamiko i Jehovah!”

INDRAY takariva tena nahafinaritra, tamin’ny Martsa 1985, dia nankalaza fotoan-dehibe ny lehilahy sy vehivavy tao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fanoratan’ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah ao New York, any Etazonia. Feno 60 taona tamin’izay ny fanompoana manontolo andro vitan’i Karl F. Klein. Nafana fo erỳ ny Rahalahy Klein nilaza hoe: “Tena tsara fanahy tamiko i Jehovah!” Nomarihiny fa ny Salamo 37:4 no andinin-teny ara-baiboly tiany indrindra. Nanome fahafaham-po ny rehetra izy taorian’izay tamin’ny fitendrena lokangabe.

Nandritra ireo 15 taona nanaraka, dia nanohy niasa tao amin’ny komitin’ny fanoratana ny Rahalahy Klein, sy nanompo tao amin’ny Fitambara-mpitantan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nahavita tamim-pahatokiana ny fiainany teto an-tany i Karl Klein ny 3 Janoary 2001, teo amin’ny faha-95 taonany.

Teraka tany Alemaina i Karl. Nifindra tany Etazonia ny fianakaviany, ka ny faritanàna manamorona an’i Chicago, Illinois, no tanàna nahabe an’i Karl. Samy mbola tanora na i Karl na i Ted zandriny lahy, fony izy ireo nanjary liana dia liana tamin’ny Baiboly. Natao batisa i Karl tamin’ny 1918, ary ny zavatra nampientam-po reny tany amin’ny fivoriambe nataon’ny Mpianatra ny Baiboly tamin’ny 1922 dia nanosika azy ho tia ny fanompoana eny amin’ny saha, nandritra ny androm-piainany. Tsy tiany ny nanapatapaka teo amin’ny asa fitoriana isan-kerinandro ka nanao izany izy na dia nandritra ireo herinandro farany nahavelomany aza.

Tonga anisan’ny mpiasan’ny foibe i Karl tamin’ny 1925, ka tao amin’ny fanontam-pirinty no niasany voalohany. Tena tia mozika fatratra izy ary nandritra ny taona maromaro, dia nitendry lokangabe tao amin’ny orkesitra izay nandravaka ny fandaharana kristianina tao amin’ny radio, izy. Niasa tao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fanompoana izy avy eo, ary nankafiziny manokana ny niarahany tamin’i T. J. Sullivan, ilay mpiandraikitra tao. Nanambady i Ted teo anelanelan’izany, ary nanao ny fanompoan’ny misionera tany Porto Rico niaraka tamin’i Doris, vadiny.

Niasa tao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fanoratana nandritra ny 50 taona i Karl Klein. Ary niavaka ny anjara noraisiny tao amin’io sampana io satria tia nanao fikarohana sy nanana fahalalana lalina ny Baiboly, izy. Tamin’ny 1963, i Karl dia nanambady an’i Margareta, misionera alemà nanompo tany Bolivia. Noho ny fanohanan’io vadiny be fitiavana io, indrindra fa fony i Karl tsy salama, dia afaka nahavita zavatra izy na dia efa dila ela ny fotoana fakan’ny ankamaroan’ny olona fisotroan-dronono aza. Nahatonga ireo lahateniny tany amin’ny kongregasiona sy tany amin’ireo fivoriambe ho tsy hay hadinoina ny fananan’i Karl fahatsoram-po voajanahary mifangaro hafanam-pon’ny mpitendry zavamaneno. Taloha kelin’ny nahafatesany, dia nitarika ny fandinihana isa-maraina ny teny natao hovakina ho an’ny fianakaviamben’ny Betela any New York izy, ka finaritra erỳ ny rehetra, sady nandray soa.

Maro ny mpamaky tsy tapaka Ny Tilikambo Fiambenana no hahatadidy ny tantaram-piainan’ny Rahalahy Klein, tantara mahafinaritra momba ireo zavatra nodiaviny, izay nivoaka tao amin’ny nomerao tamin’ny 1 Aogositra 1985. Ho tianao ny hamaky na hamerina hamaky io fitantarana io, amin’ny fitadidiana fa Kristianina nahatoky sy be fandavan-tena nandritra ny 15 taona fanampiny ny mpanoratra azy io.

Noho izy anisan’ireo voahosotra, rahalahin’ny Tompo, dia naniry tamin’ny fony rehetra ny hiara-manjaka amin’i Kristy any an-danitra ny Rahalahy Klein. Afaka mino tanteraka isika fa notanterahin’i Jehovah ankehitriny izany faniriany izany.—Lioka 22:28-30.

[Sary, pejy 31]

Karl tamin’ny 1943, niaraka tamin’i T. J. Sullivan sy i Ted ary i Doris

[Sary, pejy 31]

Karl sy Margareta tamin’ny Oktobra 2000