Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vehivavy Roa Maty Vady​—Ny Fiantraikan’izany teo Amin’izy Ireo

Vehivavy Roa Maty Vady​—Ny Fiantraikan’izany teo Amin’izy Ireo

Vehivavy Roa Maty Vady​—Ny Fiantraikan’izany teo Amin’izy Ireo

VEHIVAVY maty vady i Sandra, any Aostralia. Nivarahontsana avy hatrany izy, rehefa maty ny vadiny, taona vitsivitsy lasa izay. “Tena mafy tamiko ny nahatakatra fa namoy tampoka ny vadiko sady namako akaiky indrindra aho. Tsy tadidiko mihitsy ny fomba nodiako avy tany amin’ny hopitaly, sy izay nataoko tamin’iny andro iny. Nandritra ny herinandro vitsivitsy nanaraka, dia nivadika ho fanaintainana lava ny fanahiako.”

Mana-namana iray, izay zokiny, i Sandra. Elaine no anarany, ary efa enin-taona eo ho eo no nahafatesan’ny vadiny. Nitsabo an’i David vadiny i Elaine, nandritra ireo enim-bolana talohan’ny nahafatesan’i David noho ny kansera. Nalahelo mafy aoka izany izy, hany ka nisy fotoana naha jamba azy, taoriana kelin’ny nahafatesan’ny vadiny. Safotra teny an-kalamanjana izy, roa taona taorian’izay. Tsy hitan’ny dokoterany izay aretin’i Elaine. Tsikariny kosa fa nanakobona ny alahelony i Elaine, ka nasainy nody sy niezaka mafy mba hitomany. “Ela vao nahazaka ny alaheloko aho”, hoy i Elaine, ary rehefa nahatsiaro ho manirery, “aho, dia nankany amin’ny efitra fatoriana mihitsy, ka nasitriko tao anatin’ny akanjon’i David ny lohako.”

Eny, mety hisy vokany samy hafa ny fahafatesan’ny vady malala, satria ny hoe maty vady dia tsy vitan’ny hoe tsy miara-miaina aminy intsony fotsiny. Nahatsiaro tena ho lasa olon-kafa tanteraka, ohatra, i Sandra, nandritra ny fotoana kelikely. Tsapany koa fa osa sy tsy nilamin-tsaina toy ny vehivavy maro hafa vao maty vady izy. Izao no tadidin’i Sandra: “Ny vadiko no nandray ny fanapahan-kevitra farany rehetra, ary zatra an’izany aho. Tampoka teo anefa, dia izaho irery no tsy maintsy nandray ireny fanapahan-kevitra ireny. Tsy nahita tory aho, fa vizana sady rera-tsaina. Tsy haiko na dia izay tokony hatao fotsiny aza.”

Olona maro maneran-tany no mandalo izany zavatra nolalovan’i Sandra sy i Elaine izany, isan’andro. Anisan’ny mampitombo ny isan’ny vehivavy maty vady, ny loza tsy ampoizina, ny ady, ny fandripahana foko, ary ny herisetra amin’ny ankapobeny. * Manakobona ny alahelony ny maro amin’ireny vehivavy ireny, satria tsy fantany izay tokony hataony. Inona no azon’ny havana aman-tsakaiza atao, mba hanampiana an’ireo izay miezaka hizaka ny fahafatesan’ny vadiny? Misy torohevitra vitsivitsy mety hahasoa ao amin’ny lahatsoratra manaraka.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Mitovy amin’ny manjo ny vehivavy maty vady ny manjo ny vehivavy nilaozan’ny vadiny. Na dia miteraka zava-manahirana manokana aza ny fisarahan-toerana sy ny fisaraham-panambadiana, dia mety hanampy an’ireny vehivavy ireny ny torohevitra maromaro ao amin’ny lahatsoratra manaraka.