Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Derao i Jehovah Noho Ireo Asany Lehibe!

Derao i Jehovah Noho Ireo Asany Lehibe!

Derao i Jehovah Noho Ireo Asany Lehibe!

“Ny foko mankalaza ny Tompo, ... fa ny Mahery efa nanao zavatra lehibe tamiko”.​—LIOKA 1:46-49.

1. Inona avy no asa lehibe tokony hiderantsika an’i Jehovah?

MENDRIKA ny hoderaina i Jehovah noho ireo asany lehibe. Nanambara toy izao i Mosesy mpaminany, rehefa nitantara ny nanafahana ny Isiraely avy tany Ejipta: “Ny masonareo efa nahita ny asa lehibe rehetra izay nataon’i Jehovah.” (Deoteronomia 11:1-7) Hoy koa i Maria, tovovavy virjiny, fony nambaran’ny anjely Gabriela taminy fa hiteraka an’i Jesosy izy: “Ny foko mankalaza ny Tompo, ... fa ny Mahery efa nanao zavatra lehibe tamiko”. (Lioka 1:46-49) Midera an’i Jehovah isika Vavolombelony noho ireny asany lehibe ireny, dia ny nanafahany ny Isiraely tamin’ny fanandevozana tany Ejipta sy ny nanaovany fahagagana tamin’ny nahatorontoronina ny Zanany malalany.

2. a) Inona no ‘fikasan’Andriamanitra hatrizay hatrizay’ ho an’ny olombelona mpankatò? b) Inona no zavatra hitan’i Jaona sy reny teo amin’ny nosy Patmo?

2 Maro amin’ireo asa lehiben’i Jehovah no mifandray amin’ny ‘fikasany hatrizay hatrizay’ hitahy ny olombelona mpankatò, amin’ny alalan’ny Mesia sy ilay Fanjakany. (Efesiana 3:8-13) Teo am-pahatanterahany miandalana io fikasana io, fony nahita varavarana iray nivoha tany an-danitra tao amin’ny fahitana ny apostoly Jaona efa be taona, ka navela hijery teo. Nandre feo toy ny an’ny trompetra izy, nanao hoe: “Miakara atỳ, dia hasehoko anao izay zavatra tsy maintsy ho avy rahatrizay.” (Apokalypsy 4:1) Nataon’ny fitondram-panjakana romanina sesitany teo amin’ny nosy Patmo i Jaona “noho ny tenin’Andriamanitra sy ny filazana an’i Jesosy”, ary teo no nahazoany ny “fanambaran’i Jesosy Kristy”. Nampahafantatra zavatra maro be momba ny fikasan’Andriamanitra mandrakizay, ny zavatra hitan’ilay apostoly sy reny. Izany dia manome ho an’ny Kristianina marina rehetra fahazavana ara-panahy sy fampaherezana amin’ny fotoana ilany izany.​—Apokalypsy 1:1, 9, 10.

3. Iza moa ireo anti-panahy 24 hitan’i Jaona tao amin’ny fahitana?

3 Avy teo amin’io varavarana nivoha tany an-danitra io no nahitan’i Jaona anti-panahy 24, nipetraka teo ambonin’ny seza fiandrianana sady nanao satroboninahitra toy ny mpanjaka. Niankohoka teo anatrehan’Andriamanitra izy ireo, ka nanao hoe: “Hianao, Tomponay sy Andriamanitray, no miendrika handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery; fa Hianao no nahary ny zavatra rehetra, ary noho ny sitraponao no nahanisy sy nahary azy.” (Apokalypsy 4:11) Ireo anti-panahy ireo dia ny Kristianina voahosotra rehetra tafatsangana amin’ny maty ka nasandratr’Andriamanitra, araka ny nampanantenainy. Voatosika hidera an’i Jehovah izy ireo noho ny asa famoronana lehibe nataony. Talanjona koa isika mahita ny porofon’ny ‘herin’i Jehovah mandrakizay sy ny maha Andriamanitra azy’. (Romana 1:20) Ary arakaraka ny ahafantarantsika tsara kokoa an’i Jehovah no hahavoatosika antsika bebe kokoa hankalaza azy, noho ireo asany lehibe.

Ambarao ny asa mendri-piderana ataon’i Jehovah!

4, 5. Manomeza ohatra ny amin’ny fomba nideran’i Davida an’i Jehovah.

4 Nidera an’Andriamanitra i Davida mpanao salamo noho ireo asany lehibe. Izao, ohatra, no hira nataony: ‘Mankalazà an’i Jehovah, Izay mitoetra any Ziona; ambarao any amin’ny firenena ny asany. Mamindrà fo amiko, Jehovah ô; mitsinjova ny fahoriako avy amin’izay mankahala ahy, ry Mpanandratra ahy ho afaka amin’ny vavahadin’ny fahafatesana, mba holazaiko avokoa ny fiderana Anao rehetra, eo am-bavahadin’i Ziona zanakavavy.’ (Salamo 9:11, 13, 14) Nanome voninahitra sy nidera an’Andriamanitra toy izao i Davida, rehefa avy nanome an’i Solomona zanany ny maritranon’ny tempoly: “Anao, Jehovah ô, ny fahalehibiazana sy ny hery sy ny voninahitra sy ny famirapiratana ary ny fiandrianana ...; Anao ny fanjakana, Jehovah ô, ary Anao ny fisandratana ho Lohany ambonin’izy rehetra. ... Koa ankehitriny misaotra Anao izahay, ry Andriamanitray ô, sy midera ny anaranao be voninahitra.”​—1 Tantara 29:10-13.

5 Imbetsaka ny Soratra Masina no manasa antsika, eny, mampirisika mafy antsika hidera an’Andriamanitra, toy ny nataon’i Davida. Ahitana teny maro fiderana an’Andriamanitra ao amin’ny bokin’ny Salamo, ary tokotokony ho ny antsasak’ireny hira ireny no nataon’i Davida. Nidera sy nisaotra an’i Jehovah mandrakariva izy. (Salamo 69:30) Ankoatra izany, hatrany am-boalohany, dia nampiasaina hiderana an’i Jehovah ny hiran’i Davida sy ny hira hafa noforonina teo ambanin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra.

6. Inona avy no soa azontsika avy amin’ireo Salamo ara-tsindrimandry?

6 Tena mahasoa an’ireo mpivavaka amin’i Jehovah tokoa ireo Salamo! Mety hieritreritra an’ireo teny kanto ao amin’ny Salamo isika, rehefa maniry hisaotra an’Andriamanitra noho ireo asa lehibe rehetra nataony ho antsika. Rehefa mifoha amin’ny maraina isika, ohatra, dia mety ho voatosika hiteny toy izao: “Tsara ny hidera an’i Jehovah sy ny hankalaza ny anaranao, ry Avo Indrindra ô, ary hanambara ny famindramponao nony maraina sy ny fahamarinanao nony alina ... Fa ampifalinao amin’ny nataonao aho, Jehovah ô; ny asan’ny tànanao no hihobiako.” (Salamo 92:1-4) Rehefa mandresy sakana amin’ny fandrosoantsika ara-panahy isika, dia mety haniry haneho ny hafaliantsika sy hisaotra ao amin’ny vavaka, toy ny nataon’ny mpanao salamo tao amin’izao hirany izao: “Avia, aoka isika hihoby ho an’i Jehovah; aoka isika hanao feo fifaliana ho an’ny Vatolampy famonjena antsika. Aoka hankeo anatrehany amin’ny fiderana isika; aoka hanao feo fifaliana ho Azy amin’ny fihirana isika.”​—Salamo 95:1, 2.

7. a) Inona no tsara homarihina momba ny hira maro hirain’ny Kristianina? b) Inona no antony tokony hahatongavana aloha sy hijanonana hatramin’ny farany any amin’ireo fivoriana?

7 Matetika isika no manandra-peo hihira fiderana an’i Jehovah any amin’ireo fivoriantsika sy ireo fivoriambe. Tsara homarihina fa maro amin’ireny hirantsika ireny no miorina amin’ireo hevitra ao amin’ny bokin’ny Salamo. Faly erỳ isika fa manana fitambaran-kira fiderana an’i Jehovah, dia hira mankahery sady mety tsara amin’izao andro izao! Ny hihira fiderana an’Andriamanitra no antony iray tena lehibe hahatongavana aloha sy hijanonana hatramin’ny farany any amin’ireo fivoriana. Amin’izay isika sy ireo mpiara-manompo amintsika dia miara-midera an’i Jehovah amin’ny hira sy ny vavaka.

“Miderà an’i Jah ianareo!”

8. Inona no dikan’ilay teny hoe “Haleloia”?

8 Milaza tsy mivantana fiderana an’i Jehovah ilay teny hoe “Haleloia”, izay midika hoe “Miderà an’i Jah ianareo!” Ao amin’ny Salamo 135:1-3, ohatra, dia ahitantsika an’izao fanasana mafana izao, izay manantitrantitra ny tokony hiderana an’Andriamanitra: “Haleloia. Miderà ny anaran’i Jehovah; miderà, hianareo mpanompon’i Jehovah,​—hianareo izay mpitoetra ao an-tranon’i Jehovah, eo anatin’ny kianjan’ny tranon’Andriamanitsika. Miderà an’i Jehovah, fa tsara Izy; mankalazà ny anarany, fa mahafinaritra izany.”

9. Inona no manosika antsika hidera an’i Jehovah?

9 Entanin’ny fontsika feno fankasitrahana hidera an’Andriamanitra isika, eo am-pandinihana ny zavaboariny mahatalanjona sy ny asa rehetra nataony ho antsika. Entanin’ny fontsika hankalaza an’i Jehovah isika, rehefa misaintsaina ny zava-mahagaga nataony ho an’ny vahoakany tamin’ny lasa. Ary mitady fomba hiderana sy hisaorana an’i Jehovah isika, rehefa misaintsaina an’ireo zavatra lehibe nampanantenainy fa mbola hataony.

10, 11. Nahoana ny fisiantsika no antony tokony hiderana an’Andriamanitra?

10 Ny fisiantsika dia efa antony tokony hiderana an’i Jah. Nihira toy izao i Davida: “Hidera Anao [Jehovah] aho; fa mahatahotra sy mahatalanjona ny nanaovana ahy; mahagaga ny asanao; ary fantatry ny fanahiko marimarina izany.” (Salamo 139:14) Eny tokoa, “mahatalanjona” ny nanaovana antsika, ary nahazo fanomezana sarobidy toy ny fahitana sy ny fandrenesana ary ny fahaiza-misaina isika. Moa àry ve isika tsy tokony hampiasa ny fiainantsika mba hiderana ny Mpanao antsika? Torak’izany koa no nolazain’i Paoly rehefa nanoratra izy hoe: “Na mihinana na misotro hianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’Andriamanitra izany rehetra izany.”​—1 Korintiana 10:31.

11 Hanao ny zava-drehetra ho voninahitr’i Jehovah isika, raha tena tia azy tokoa. Izao no didy voalohany, araka ny voalazan’i Jesosy: “Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny sainao rehetra ary ny herinao rehetra”. (Marka 12:30; Deoteronomia 6:5) Tokony ho tia an’i Jehovah sy hidera azy tokoa isika, satria izy no Mpanao antsika sady Mpanome “ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra”. (Jakoba 1:17; Isaia 51:13; Asan’ny Apostoly 17:28) Avy amin’i Jehovah avokoa mantsy ny fahaizantsika misaina sy mankasitraka zavatra ara-panahy ary ny tanjatsika ara-batana, izany hoe ireo toetrantsika sy fahaizantsika rehetra. Mendrika ny hotiavintsika sy ny hoderaintsika ilay Mpamorona antsika.

12. Inona no tsapanao momba ny asa lehiben’i Jehovah sy ireo teny ao amin’ny Salamo 40:5?

12 Rehefa heverina ireo asa lehiben’i Jehovah, dia maro tsy tambo isaina tokoa ny antony tokony hitiavantsika sy hiderantsika azy! Nihira toy izao i Davida: “Nohamaroinao ny fahagaganao sy ny hevitrao izay nataonao ho anay, Jehovah Andriamanitro ô​—tsy misy azo ampitahaina aminao​—raha tiako hambara sy holazaina ireny, dia, indro, maro loatra izy ka tsy tambo isaina.” (Salamo 40:5) Tsy voatanisan’i Davida avokoa ny asa mahatalanjona rehetra nataon’i Jehovah, ary tsy hahavita izany koa isika. Aoka anefa isika hidera an’Andriamanitra hatrany rehefa misy misarika ny saintsika ho amin’ny asany lehibe, na inona izany na inona.

Asa mifandray amin’ny fikasana mandrakizain’Andriamanitra

13. Inona no ifandraisan’ny fanantenantsika sy ny asa lehiben’Andriamanitra?

13 Mifamatotra amin’ny fikasana mandrakizain’Andriamanitra ireo asany lehibe mendri-piderana, ary mifandray amin’ireny asany ireny kosa ny fanantenantsika momba ny hoavy. Taorian’ny fikomiana tany Edena, dia nilaza ny faminaniana voalohany mahavelom-panantenana i Jehovah. Izao no fanamelohany an’ilay bibilava: “Hampifandrafesiko hianao sy ny vehivavy ary ny taranakao sy ny taranany: izy hanorotoro ny lohanao, ary hianao kosa hanorotoro ny ombelahin-tongony.” (Genesisy 3:15) Velona hatrany tao am-pon’ny olona nahatoky ny fanantenana ny amin’ilay Taranaky ny vehivavy, taorian’ny nanaovan’i Jehovah asa lehibe iray. Izany asa izany dia ny nitsimbinany an-dry Noa mianakavy tamin’ilay Safodrano naneran-tany namongorana tontolo iray ratsy fanahy. (2 Petera 2:5) Noho ireo fampanantenana ara-paminaniana nomena ny lehilahy nanam-pinoana toa an-dry Abrahama sy Davida, dia nanjary takatra tsara kokoa ny hoe inona no hotontosain’i Jehovah amin’ny alalan’io Taranaka io.​—Genesisy 22:15-18; 2 Samoela 7:12.

14. Inona no ohatra tsara indrindra ny amin’ny asa lehibe nataon’i Jehovah ho an’ny olombelona?

14 Ny fomba tsara indrindra nanehoan’i Jehovah fa mpanao asa lehibe ho an’ny olombelona ny tenany, dia tamin’ny nanomezany ny Zanany lahitokana​—i Jesosy Kristy, ilay Taranaka nampanantenaina​—ho sorom-panavotana. (Jaona 3:16; Asan’ny Apostoly 2:29-36) Io avotra io no fototry ny fihavanana amin’Andriamanitra. (Matio 20:28; Romana 5:11) Nangonin’i Jehovah ho ao amin’ny kongregasiona kristianina, voaorina tamin’ny Pentekosta 33 am.f.i., ireo voalohany nihavana taminy. Nampian’ny fanahy masina izy ireo, ka nitory ny vaovao tsara hatraiza hatraiza. Nambaran’izy ireo fa noho ny nahafatesan’i Jesosy sy ny nitsanganany tamin’ny maty, dia azon’ny olombelona mpankatò atao ny handray fitahiana mandrakizay eo ambanin’ny fanapahan’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra.

15. Inona no zava-mahatalanjona nataon’i Jehovah tamin’izao androntsika izao?

15 Mahatalanjona ny fomba nanangonan’i Jehovah an’ireo Kristianina voahosotra farany amin’izao androntsika izao. Nohazonina ireo rivotry ny fandringanana mba hahafahana hanisy tombo-kase ny sisa amin’ny 144 000, izay hiara-manapaka amin’i Kristy any an-danitra. (Apokalypsy 7:1-4; 20:6) Ny Kristianina voahosotra dia nafahan’Andriamanitra tamin’ny fanandevozana ara-panahy tao “Babylona lehibe”​—ny tontolon’ny fivavahan-diso maneran-tany. (Apokalypsy 17:1-5) Nitranga tamin’ny 1919 izany fanafahana izany, ary narovan’Andriamanitra ny sisa voahosotra nanomboka teo. Koa nanjary mamirapiratra izy ireo eo am-panaovana fanambarana farany, alohan’ny hamaranan’i Jehovah ny tontolo ratsin’i Satana, mandritra ilay “fahoriana lehibe” manatona haingana dia haingana.​—Matio 24:21; Daniela 12:3; Apokalypsy 7:14.

16. Inona no vokatry ny asa fitoriana ilay Fanjakana atao maneran-tany ankehitriny?

16 Be zotom-po ny Vavolombelon’i Jehovah voahosotra mitarika ny asa fitoriana ilay Fanjakana maneran-tany. Vokatr’izany, dia mihamitombo isa hatrany ny “ondry hafa” izay tonga mpivavaka amin’i Jehovah ankehitriny. (Jaona 10:16) Faly isika fa mbola omena fahafahana hiara-midera an’i Jehovah amintsika ny mpandefitra eto an-tany. Azo antoka fa ho voatsimbina amin’ny fahoriana lehibe ka ho afaka ny hidera an’i Jehovah ho mandrakizay doria, ireo manaiky an’ilay fanasana hoe “Avia!”​—Apokalypsy 22:17.

Olona an’arivony maro mirohotra ho amin’ny fivavahana marina

17. a) Inona no asa lehibe ataon’i Jehovah mifandray amin’ny asa fitoriantsika ankehitriny? b) Ahoana no ahatanterahan’ny Zakaria 8:23?

17 Manao asa lehibe mendri-piderana, mifandray amin’ny asa fitoriantsika, i Jehovah ankehitriny. (Marka 13:10) ‘Namoha varavarana lehibe hahazoana hiasa tsara’ izy, tato anatin’ireo taona faramparany. (1 Korintiana 16:9) Nanakantsakana ny fitoriana ny vaovao tsara tany amin’ny faritany midadasika ny fahavalon’ny fahamarinana teo aloha, kanefa niova ny toe-javatra. Manaiky an’ilay fanasana hivavaka amin’i Jehovah ankehitriny ny olona maro tao anatin’ny haizina ara-panahy. Tanteraka amin’izy ireo ireto teny ara-paminaniana ireto: “Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Amin’izany andro izany dia hisy folo lahy avy amin’ny firenena samy hafa fiteny rehetra hihazona ny sisin-damban’ny Jiosy anankiray ka hanao hoe: Mba handeha hiaraka aminareo izahay; fa efa renay fa momba anareo Andriamanitra.” (Zakaria 8:23) Ireo noresahin’ny “folo lahy” dia Jiosy ara-panahy, izay tsy iza fa ny sisa amin’ny Kristianina voahosotra ankehitriny. Ny isa folo dia milaza isa feno raha ny amin’ny zavatra eto an-tany. Ireo “folo lahy” àry dia tsy iza fa ny “olona betsaka” akambana ho “andiany iray” amin’ny “Isiraelin’Andriamanitra”. (Apokalypsy 7:9, 10; Galatiana 6:16) Akory moa ny hafaliantsika mahita olona maro be mpivavaka amin’i Jehovah Andriamanitra, miara-manao fanompoana masina ankehitriny!

18, 19. Inona no porofo mampiseho fa mitahy ny asa fitoriana i Jehovah?

18 Nanjakazaka be tany amin’ny tany sasany ny fivavahan-diso, hany ka toa tsy hanaiky ny vaovao tsara mihitsy ny olona tany. Mientam-po anefa isika mahita olona an’aliny maro, eny, ana hetsiny maro mihitsy aza, manaraka ny fivavahana marina any amin’ireny tany ireny. Jereo ny Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah farany, ary mariho ireo tany manana mpitory ilay Fanjakana 100 000 ka hatramin’ny efa ho 1 000 000 ankehitriny. Izany dia porofo mahery fa mitahy ny asa fitoriana ilay Fanjakana i Jehovah.​—Ohabolana 10:22.

19 Midera sy misaotra an’ilay Raintsika any an-danitra isika vahoakan’i Jehovah, noho ny nanomezany antsika tena zava-kendrena eo amin’ny fiainana sy asa mahafa-po eo amin’ny fanompoana azy ary fanantenana mamirapiratra momba ny hoavy. Tsy andrintsika ny hahatanterahan’ireo fampanantenan’Andriamanitra rehetra, ary tapa-kevitra isika ny ‘hitahiry ny tenantsika ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra, miandry ny fiainana mandrakizay’. (Joda 20, 21) Dibo-kafaliana tokoa isika mahita fa miisa 6 000 000 eo ho eo ankehitriny ny olona betsaka midera an’Andriamanitra! Miharihary fa mahazo ny fitahian’i Jehovah ny sisa voahosotra mbamin’ny ondry hafa namany, izay voalamina ho kongregasiona 91 000 eo ho eo, any amin’ny tany 235. Mahazo sakafo ara-panahy tsara isika rehetra, noho ny ezaka ataon’ny “mpanompo mahatoky sy malina”, izay tsy mety sasatra. (Matio 24:45, NW ) Manaiky ny fitarihan’Andriamanitra sy tsy mitsaha-mandroso ary mampiasa mpiandraikitra be fitiavana, ny fandaminana mitantana ny asan’ilay Fanjakana any amin’ireo biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah miisa 110. Velom-pisaorana an’i Jehovah isika noho izy nanosika ny fon’ny vahoakany ‘hankalaza azy amin’ny fananany’. (Ohabolana 3:9, 10) Koa mitohy hatrany àry ny asa fitoriantsika maneran-tany, mbamin’ny fanorenana trano fanontam-pirinty, trano Betela sy tranona misionera, Efitrano Fanjakana, ary Efitrano Fivoriambe, arakaraka izay ilaina.

20. Rehefa misaintsaina ny asa lehibe mendri-piderana ataon’i Jehovah isika, inona no tokony ho akon’izany eo amintsika?

20 Tsy ho voatanisantsika avokoa ireo asa lehibe mendri-piderana rehetra ataon’ilay Raintsika any an-danitra. Raha mahitsy fo anefa ny olona iray, ahoana moa ny tsy hiarahany amin’ilay vahoaka mpidera an’i Jehovah? Aoka àry ireo rehetra tia an’Andriamanitra hihiaka amim-pifaliana hoe: “Haleloia. Miderà an’i Jehovah, ry any an-danitra; miderà Azy any ambony. Miderà Azy, ry anjeliny rehetra ... na ny zatovolahy, na ny zatovovavy, na ny antitra, na ny tanora, samia midera ny anaran’i Jehovah avokoa, fa ny anarany ihany no misandratra; ambonin’ny tany sy ny lanitra ny voninahiny.” (Salamo 148:1, 2, 12, 13) Eny, dieny izao ka ho mandrakizay, dia aoka isika hidera an’i Jehovah noho ireo asany lehibe!

Ahoana no Havalinao?

• Inona no sasany amin’ny asa mendri-piderana nataon’i Jehovah?

• Nahoana ianao no mahatsiaro ho voatosika hidera an’i Jehovah?

• Inona no ifandraisan’ny fanantenantsika sy ny asa lehiben’Andriamanitra?

• Inona avy no asa mendri-piderana ataon’i Jehovah, mifandray amin’ny asa fitoriana ilay Fanjakana?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 10]

Moa ve ianao mandray anjara amin’ny fonao rehetra amin’ny hira fiderana an’i Jehovah?

[Sary, pejy 13]

Faly isika fa mbola omena fahafahana hiara-midera an’i Jehovah amintsika ny mpandefitra