Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Efa Hifarana ny Famelan’Andriamanitra ny Fijaliana Hisy

Efa Hifarana ny Famelan’Andriamanitra ny Fijaliana Hisy

Efa Hifarana ny Famelan’Andriamanitra ny Fijaliana Hisy

HITA hatraiza hatraiza ny fijaliana. Ny sasany voan’ny nataony ihany. Tratran’ny aretina azo avy amin’ny firaisana izy ireo na mizaka ny vokatry ny fidorohana zava-mahadomelina na ny fisotroana tafahoatra na ny fifohana sigara. Na mety ho tsy salama izy ireo satria manana fahazaran-dratsy eo amin’ny resaka sakafo. Ny ankamaroan’ny fijaliana anefa dia vokatry ny anton-javatra na fisehoan-javatra tsy voafehin’ny sarambaben’ny olona: ady, herisetra ara-poko, heloka bevava, fahantrana sy mosary ary aretina. Ny fijaliana ateraky ny fandroson’ny fahanterana sy ny fahafatesana no zavatra iray hafa tsy voafehin’ny olombelona indrindra.

Manome toky antsika ny Baiboly fa “Andriamanitra dia fitiavana”. (1 Jaona 4:8) Koa nahoana àry no navelan’Andriamanitra fitiavana hitohy hatramin’ny taonjato maro izao fijaliana rehetra izao? Rahoviana izy no hanitsy ny toe-javatra? Mba hamaliana izany fanontaniana izany, dia ilaintsika ny mandinika ny fikasan’Andriamanitra ho an’ny olombelona. Hanampy antsika izany hahatakatra ny antony namelan’Andriamanitra ny fijaliana hisy sy izay hataony momba izany.

Ny safidy malalaka: fanomezana

Tsy vatana misy atidoha fotsiny akory no nataon’Andriamanitra rehefa namorona ny olombelona voalohany izy. Tsy noforonin’Andriamanitra ho milina tsy manan-tsaina koa i Adama sy i Eva. Napetrany tao amin’izy ireo ny fahafahana hanao safidy malalaka. Ary tsara dia tsara io fanomezana io, satria “hitan’Andriamanitra izay rehetra nataony, ary, indro, tsara indrindra izany”. (Genesisy 1:31) Eny, “tanteraka ny asany”. (Deoteronomia 32:4) Ankasitrahantsika rehetra io fanomezana ny safidy malalaka io, satria tsy tiantsika raha baikoina amin’izay rehetra eritreretintsika sy ataontsika isika, ka tsy hanan-tsafidy mihitsy na amin’inona na amin’inona.

Tokony hampiasaina tsy misy fetrany ve anefa ny safidy malalaka, izay fanomezana tsara dia tsara? Mamaly toy izao ny Tenin’Andriamanitra, ao amin’ny toromarika nomena ny Kristianina tany am-boalohany: “Fa olona afaka hianareo, nefa aza mitondra ny fahafahanareo ho fanaronana ny ratsy, fa ho toy ny mpanompon’Andriamanitra.” (1 Petera 2:16) Mba ho tombontsoan’ny rehetra, dia tsy maintsy misy ny fetra. Koa tsy maintsy nofehezin’ny fehezan-dalàna àry ny safidy malalaka, raha tsy izany, dia hiafara amin’ny fanjakan’i Baroa.

Lalàn’iza?

Lalàn’iza no hamaritra ny tokony ho fetran’ny fahafahana? Misy ifandraisany amin’ny antony fototra namelan’Andriamanitra ny fijaliana hisy ny valin’izany fanontaniana izany. Koa satria Andriamanitra no namorona ny olombelona, dia izy no mahafantatra tsara indrindra izay lalàna ilain’izy ireo hankatoavina mba hahasoa azy ireo sy ny hafa. Izao no ilazan’ny Baiboly azy: “Izaho, Jehovah Andriamanitrao, no mampianatra anao hahita soa sady mitarika anao amin’ny làlana tokony halehanao.”​—Isaia 48:17.

Mazava àry fa ny hevitra tena lehibe dia hoe: Tsy noforonina tsy hiankina amin’Andriamanitra ny olombelona. Nataon’Andriamanitra hiankina amin’ny fankatoavana ny lalàny marina ny fahombiazana sy ny fahasambaran’izy ireo. Hoy i Jeremia, mpaminanin’Andriamanitra: “Jehovah ô, fantatro fa tsy an’ny olombelona ny làlan-kalehany, na an’ny mpandeha ny hahalavorary ny diany.”​—Jeremia 10:23.

Ny olombelona dia nataon’Andriamanitra hofehezin’ny lalàny fizika, toy ny lalàn’ny sinton’ny tany. Toy izany koa fa, nataony hofehezin’ny lalàny ara-pitondran-tena ny olombelona mba hisian’ny fiaraha-monina mirindra. Misy antony àry matoa ny Tenin’Andriamanitra mampirisika antsika toy izao: “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, fa aza miankina amin’ny fahalalanao”.​—Ohabolana 3:5.

Tsy afaka hanapa-tena amim-pahombiazana tsy misy an’Andriamanitra mihitsy àry ny fianakavian’olombelona. Raha manandrana ny tsy hiankina aminy ny olombelona, dia hamorona rafitra ara-tsosialy, ara-toe-karena sy ara-politika, ary ara-pivavahana izay tsy hifanaraka, ary ‘hanapaka ny namany ny olona ka hampiditra loza aminy’.​—Mpitoriteny 8:9.

Inona no tsy nety?

Nanome fiandohana tonga lafatra ho an’i Adama sy i Eva, ray aman-drenintsika voalohany, Andriamanitra. Nanana vatana sy saina lavorary izy ireo, ary zaridaina paradisa ny fonenany. Ho nitoetra lavorary sy sambatra izy ireo raha nanaiky ny fanapahan’Andriamanitra. Rehefa mandeha ny fotoana, dia ho tonga ray aman-drenin’ny fianakavian’olombelona manontolo izay lavorary sy sambatra, miaina eo amin’ny tany paradisa, izy ireo. Izany no fikasan’Andriamanitra ho an’ny taranak’olombelona.​—Genesisy 1:27-29; 2:15.

Nampiasa tamin’ny fomba ratsy ny safidiny malalaka anefa ny razambentsika voalohany. Diso hevitra izy ireo nieritreritra fa afaka ny hahomby raha tsy miankina amin’Andriamanitra. Tamin’ny safidiny malalaka no nandikan’izy ireo ny fetra, dia ny lalàn’Andriamanitra. (Genesisy toko faha-3) Tsy voatery nihazona azy ireo ho lavorary intsony Andriamanitra satria nanilika ny fanapahany izy ireo. “Efa nasian-dratsy Izy; tsy zanany ireny​—tsininy izany”.​—Deoteronomia 32:5.

Nanomboka nikororosy ny vatana sy ny sain’i Adama sy i Eva hatramin’ny fotoana tsy nankatoavany an’Andriamanitra. Ao amin’i Jehovah no misy loharanon’aina. (Salamo 36:9) Koa satria niala tamin’i Jehovah ilay mpivady voalohany, dia nanjary tsy lavorary izy ireo ka maty tamin’ny farany. (Genesisy 3:19) Araka ny lalàn’ny fandovan-toetra, dia tsy afaka handray afa-tsy izay ananan’ny ray aman-dreny ihany ny taranany. Inona àry izany? Ny tsy fahalavorariana sy ny fahafatesana. Izao no nosoratan’ny apostoly Paoly: “Tahaka ny nidiran’ny ota avy tamin’ny olona iray [Adama] ho amin’izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra”.​—Romana 5:12.

Zava-dehibe indrindra niadian-kevitra: Fiandrianana

Rehefa nikomy tamin’Andriamanitra i Adama sy i Eva dia nihaika ny fiandrianany, izany hoe ny zony hanapaka. Azon’i Jehovah natao ny nandringana azy ireo ary namerina indray ny zava-drehetra tamin’ny alalan’ny mpivady hafa iray, nefa tsy ho nahalamina ilay raharaha momba ny hoe fanapahan’iza no ara-drariny sy tsara indrindra ho an’olombelona izany. Rehefa omena fotoana mba hananganana fiaraha-monina araka izay heveriny fa mety ny olona, dia habaribariny raha afaka ny hahomby ny fanapahana tsy miankina amin’Andriamanitra.

Inona no ambaran’ireo an’arivony taona maro nisian’ny tantaran’olombelona amintsika? Nandritra ireo taonjato rehetra ireo, dia nanandrana karazana rafitra ara-tsosialy, ara-toe-karena, ara-politika ary ara-pivavahana maro ny olona. Nitohy ihany anefa ny faharatsiana sy ny fijaliana. Raha ny marina, dia ‘nandroso niharatsiratsy kokoa ny ratsy fanahy’, indrindra fa amin’izao androntsika izao.​—2 Timoty 3:13.

Nahatratra ny fara tampony ny zava-bita teo amin’ny siansa sy ny indostria tamin’ny taonjato faha-20. Tamin’io koa anefa no nisy fijaliana be indrindra teo amin’ny tantara manontolon’ny taranak’olombelona. Ary na manao ahoana na manao ahoana fandrosoana ara-pitsaboana vita, dia marina foana ilay lalàn’Andriamanitra hoe: Manjary marary sy mihantitra ary maty ny olombelona tafasaraka amin’Andriamanitra, ilay loharanon’aina. Voaporofo niharihary tokoa fa ‘tsy mahalavorary ny diany’ ny olombelona!

Voamarina ny fiandrianan’Andriamanitra

Izany fanandramana mampalahelo tsy hiankina amin’Andriamanitra izany dia nampiseho indray mandeha tsy miverina fa tsy afaka ny hahomby na oviana na oviana ny fanapahan’olombelona tsy misy azy. Ny fanapahan’Andriamanitra irery ihany no afaka mitondra fahasambarana, firaisan-tsaina sy fahasalamana ary fiainana. Ankoatra izany, ny Teny tsy mety dison’i Jehovah Andriamanitra, ny Baiboly Masina, dia mampiseho fa miaina amin’ny “andro farany” amin’ny fanapahan’olombelona tsy miankina amin’Andriamanitra isika. (2 Timoty 3:1-5, NW ) Kely sisa dia tsy holeferin’i Jehovah intsony izany sy ny faharatsiana ary ny fijaliana.

Hisalovana tsy ho ela amin’ny raharahan’olombelona Andriamanitra. Hoy ny Soratra Masina amintsika: “Amin’ny andron’ireo mpanjaka ireo [fanapahan’olombelona misy ankehitriny] Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana [any an-danitra] izay tsy ho rava mandrakizay; ary izany fanjakana izany tsy havela ho an’olon-kafa [tsy hanapaka ny tany mandrakizay intsony ny olombelona], fa ireo fanjakana [fanapahana misy ankehitriny] rehetra ireo dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.”​—Daniela 2:44.

Ny fanamarinana ny fiandrianan’i Jehovah Andriamanitra amin’ny alalan’ilay Fanjakana any an-danitra no foto-kevitry ny Baiboly. Nataon’i Jesosy loha laharana tamin’ny fampianarany izany. Hoy izy: “Ary hotorina amin’izao tontolo izao ity filazantsaran’ny fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany.”​—Matio 24:14.

Iza no ho tafita velona ary iza no tsy ho tafita rehefa hisolo toerana ny fanapahan’olombelona ny fanapahan’Andriamanitra? Omena toky toy izao isika ao amin’ny Ohabolana 2:21, 22: “Ny olona mahitsy [izay manohana ny fanapahan’Andriamanitra] no honina amin’ny tany, ary ny tsy manan-tsiny ihany no ho sisa mitoetra ao; fa ny ratsy fanahy [ireo tsy manohana ny fanapahan’Andriamanitra] kosa hofongorana amin’ny tany.” Nihira toy izao ilay mpanao salamo nahazo tsindrimandry avy tamin’Andriamanitra: “Fa rehefa afaka kelikely, dia tsy hisy ny ratsy fanahy ... Fa ny mpandefitra kosa no handova ny tany ka hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana. Ny marina handova ny tany ka honina eo aminy mandrakizay.”​—Salamo 37:10, 11, 29.

Tontolo vaovao iray hampitolagaga

Eo ambanin’ny fanapahan’ny Fanjakan’Andriamanitra, dia hampidirina ao amin’ny tany iray afaka amin’ny faharatsiana sy ny fijaliana ireo ho tafita velona amin’ny faran’ity fandehan-javatra ity. Hahazo toromarika avy amin’Andriamanitra ny olombelona, ary rehefa mandeha ny fotoana dia “ho henika ny fahalalana an’i Jehovah [ny tany], tahaka ny anaronan’ny rano ny fanambanin’ny ranomasina”. (Isaia 11:9) Hamokatra fitambaran’olona tena tia fihavanana sy mirindra izany fampianarana mampahery sy mampandroso izany. Koa tsy hisy intsony àry ny ady, ny vonoan’olona, ny herisetra, ny fanolanana sy ny halatra na ny heloka bevava hafa.

Hisy soa ara-batana mahatalanjona hirotsaka amin’ny olombelona mpankatò hiaina ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra. Hesorina izay rehetra voka-dratsin’ny fikomiana tamin’ny fanapahan’Andriamanitra. Ho zavatra efa lasa ny tsy fahalavorariana, ny aretina, ny fahanterana ary ny fahafatesana. Manome toky antsika toy izao ny Baiboly: “Tsy hisy amin’ny mponina ao hilaza hoe: Marary aho”. Mampanantena koa ny Soratra Masina hoe: “Dia hampahiratina ny mason’ny jamba, ary hampahaladìna ny sofin’ny marenina. Dia hitsambikina tahaka ny diera ny mandringa, ary hihoby ny lelan’ny moana.” (Isaia 33:24; 35:5, 6) Ho toy inona moa ny fientanam-po rehefa ho tomady ny tena isan’andro, eny, mandrakizay!

Eo ambanin’ny fitarihana feno fitiavan’Andriamanitra, dia hampiasa ny heriny sy ny fahaizany mba hanorenana paradisa iray haneran-tany ny mponina ao amin’io tontolo vaovao io. Hanjavona mandrakizay ny fahantrana sy ny hanoanana ary ny tsy fananan-kialofana, satria hoy ny faminanian’Isaia hoe: “Hanao trano ny olona ka hitoetra ao; ary hanao tanimboaloboka ny olona ka hihinana ny vokatra aminy. Tsy hanao trano hitoeran’olon-kafa izy, na hamboly zavatra hohanin’olon-kafa”. (Isaia 65:21, 22) Eny tokoa, “samy hipetraka eny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny izy, ary tsy hisy hanaitaitra azy”.​—Mika 4:4.

Hisy vokany amin’ny tany ny fikarakarana feno fitiavan’Andriamanitra sy ny olombelona mpankatò. Manome toky antsika toy izao ny Soratra Masina: “Ravoravo ny efitra sy ny tany karankaina, ary ny tani-hay mifaly sy mamony tahaka ny lilia ... fa hiboiboika any an-efitra ny rano, ary hisy renirano any amin’ny tany karankaina.” (Isaia 35:1, 6) “Hahavoka-bary betsaka ny tany, na dia any an-tampon’ny tendrombohitra aza”.​—Salamo 72:16.

Ahoana ny amin’ireo olona an’arivo tapitrisany maro efa maty? Haverina ho amin’ny fiainana ireo izay ao anatin’ny fitadidian’Andriamanitra, satria “hisy fitsanganan’ny marina sy ny [tsy marina, NW ]”. (Asan’ny Apostoly 24:15) Eny hovelomina indray ny maty. Hampianarina ireo fahamarinana mahatalanjona momba ny fanapahan’Andriamanitra izy ireo ary hotolorana fahafahana hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa.​— Jaona 5:28, 29.

Amin’izany fomba izany no hikosehan’i Jehovah Andriamanitra tanteraka ny toe-piainana nampahonena nentin’ny fijaliana sy ny aretina ary ny fahafatesana izay nangeja ny olombelona efa hatramin’ny an’arivony taona maro. Tsy hisy aretina intsony! Tsy hisy kilema intsony! Tsy hisy fahafatesana intsony! “Hofafan[’Andriamanitra] ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa [ho] efa lasa ny zavatra taloha.”​—Apokalypsy 21:3, 4.

Toy izany no fomba hamaranan’Andriamanitra ny fijaliana. Handrava ity tontolo ratsy fitondran-tena ity izy, ary hanorina fandehan-javatra vaovao tanteraka iray izay “itoeran’ny fahamarinana”. (2 Petera 3:13) Vaovao tsara re izany! Mila haingana izany tontolo vaovao izany isika. Ary tsy voatery hiandry ela isika vao hahita azy io. Fantatsika avy amin’ny fahatanterahan’ny faminanian’ny Baiboly fa efa eo an-tokonan’ilay tontolo vaovao isika, ary hifarana tsy ho ela ny famelan’Andriamanitra ny fijaliana hisy.​—Matio 24:3-14.

[Efajoro, pejy 8]

Ny Tsy Fahombiazan’ny Fanapahan’olombelona

Momba ny fanapahan’olombelona, dia hoy i Helmut Schmidt, Chancelier alemà teo aloha: “Tsy nitondra afa-tsy ampahany tamin’izao tontolo izao foana isika olombelona ... ary tamin’ny fomba ratsy dia ratsy tamin’ny ankamaroan’ny fotoana. ... Mbola tsy niadana tanteraka mihitsy izy ity teo ambanin’ny fitondrantsika.” Hoy ny fanamarihan’ny Tatitra Momba ny Fivoaran’Olombelona 1999 (anglisy): “Manao tatitra ny amin’ny fahasimban’ny rafitra sosialy any aminy ny tany rehetra, noho ny hotakotaka ara-tsosialy sy ny fitomboan’ny heloka bevava ary ny herisetra ao an-tokantrano. ... Mitombo ny fandrahonana maneran-tany, eny, mitombo haingana kokoa noho ny fahafahan’ny firenena hiatrika azy ireny ary haingam-pandeha kokoa noho ny fihetsika iraisam-pirenena hasetry izany.”

[Sary, pejy 8]

“Hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana” izy ireo.​—Salamo 37:11

[Sary nahazoan-dalana, pejy 5]

Fahatelo avy any ambony, reny sy zanany: FAO photo/B. Imevbore; farany ambany, fipoahana: U.S. National Archives photo