Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Oviana ny “Masina Indrindra” no voahosotra, araka ny nambara mialoha ao amin’ny Daniela 9:24?

Ny Daniela 9:24-27 dia faminaniana mahakasika ny fisehoan’ny “Mesia Andriana” na i Kristy. Koa tsy manondro ny efitra Masina Indrindra tamin’ny tempoly tao Jerosalema àry ilay “Masina Indrindra” voahosotra nambara mialoha. Manondro ny toerana masin’Andriamanitra any an-danitra kosa izy io, dia ny Masina Indrindra any an-danitra, any amin’ny tempolin’i Jehovah ara-panahy lehibe. *​—Hebreo 8:1-5; 9:2-10, 23.

Oviana no nanomboka niasa ny tempolin’Andriamanitra ara-panahy? Diniho izay nitranga rehefa niseho mba hatao batisa i Jesosy tamin’ny 29 am.f.i. Nanatanteraka ny voalazan’ny Salamo 40:6-8 i Jesosy nanomboka tamin’izay. Nanambara ny apostoly Paoly tatỳ aoriana fa nivavaka toy izao tamin’Andriamanitra i Jesosy: “Ny fanatitra alatsa-dra sy ny fanatitra hohanina tsy mba nilainao, fa tena no namboarinao ho Ahy”. (Hebreo 10:5) Fantatr’i Jesosy fa ‘tsy nilain’Andriamanitra’ ny hanohizana hanao fanatitra biby tany amin’ny tempolin’i Jerosalema. Nanamboatra vatana olombelona lavorary ho an’i Jesosy kosa i Jehovah, mba hatolotra ho fanatitra. Nilaza ny faniriany tamim-pahatsorana i Jesosy ka nanohy ny teniny toy izao: “Inty Aho tonga​—ao amin’ny horonam-boky no nanoratana Ahy​—hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô.” (Hebreo 10:7) Ahoana no navalin’i Jehovah? Milaza toy izao ny Filazantsaran’i Matio: “Ary raha vao natao batisa Jesosy, dia niakatra avy teo amin’ny rano niaraka tamin’izay Izy; ary, indro, nisokatra taminy ny lanitra, ary hitany ny Fanahin’Andriamanitra nidina tahaka ny voromailala ka nankeo amboniny. Ary, injao! nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Ity no Zanako malalako Izay sitrako.”​—Matio 3:16, 17.

Nidika ho fiforonan’ny alitara iray lehibe kokoa noho ny alitara ara-bakiteny tao amin’ny tempolin’i Jerosalema, ny naneken’i Jehovah Andriamanitra ny fanoloran’i Jesosy ny tenany ho fanatitra. Izany dia ny alitaran’ny “sitrapo” na fandaharan’Andriamanitra mba hanekena ho fanatitra ny ain’olombelona nananan’i Jesosy. (Hebreo 10:10) Ny fanosorana an’i Jesosy tamin’ny fanahy masina dia nidika fa nanome endrika ilay fandaharany manontolo momba ny tempoly ara-panahy izao Andriamanitra. * Tamin’ny fotoanan’ny batisan’i Jesosy àry izany ny fonenan’Andriamanitra any an-danitra no voahosotra na voatokana ho “ny Masina Indrindra” ao amin’ilay fandaharana momba ny tempoly ara-panahy lehibe.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 1 Jolay 1996, pejy faha-14-19, mba hahitana fanazavana momba ny firafitry ny tempolin’Andriamanitra ara-panahy.

[Sary, pejy 27]

Voahosotra ny “Masina Indrindra” rehefa natao batisa i Jesosy