Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fifidianana Vady Araka ny Tari-dalan’AndriamanitraFifidianana Vady Araka ny Tari-dalan’Andriamanitra

Fifidianana Vady Araka ny Tari-dalan’AndriamanitraFifidianana Vady Araka ny Tari-dalan’Andriamanitra

Fifidianana Vady Araka ny Tari-dalan’Andriamanitra

“Hanome saina anao sy hampianatra anao izay làlan-kalehanao Aho; hitsinjo anao ny masoko ka hanolo-tsaina anao Aho.”​—SALAMO 32:8.

1. Lafin-javatra inona avy no tena ilaina mba hahavanona ny fanambadiana?

MISONENIKA erỳ ny dihin’olon-droa manao afindrafindrao. Mitandrina fatratra ilay eo aloha mba tsy hanitsaka an’ilay ao aoriana, ary mitandrina tsara koa ilay ao aoriana mba tsy hamingana an’ilay eo aloha. Mihodina kely ilay eo aloha, eny antenatenan’ny dihy eny, nefa tsy very mihitsy ilay firindran’ny fihetsiky ny tongotr’izy ireo, fa miara-miainga amin’ny hafa rehetra indray rehefa vita ilay fihodinana. Toa tsy mila ezaka firy ny fanaovana io dihy io. Saingy, iza no hanandrana hanao azy io akory raha tsy eo ny fanazaran-tena sy ny namana mahay, ary indrindra fa ilay karazana tari-dalana, na toromarika mifanentana tsara? Toy izany koa ny fanambadiana vanona: Mety hoheverina ho vokatry ny kisendrasendra fotsiny izy io. Miankina amin’ny fananana vady tsara, sy ny firindran’ny ezaka, ary indrindra fa ny fahazoana torohevitra feno fahendrena anefa izy io. Eny, tena ilaina ny tari-dalana mety.

2. a) Iza no nanorina ny fandaharana ny amin’ny fanambadiana, ary inona no zava-kendren’izy io? b) Ahoana no nanamboarana ny fanambadiana sasany?

2 Ara-dalàna raha mieritreritra ny amin’izay ho vadiny​—namana iray eo amin’ny fiainany​—ny tovolahy na ny tovovavy mbola mpitovo. Zavatra ara-dalàna eo amin’ny fiainana ny fanambadian’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray, hatramin’ny nanorenan’i Jehovah Andriamanitra izany. Tsy nifidy izay ho vadiny anefa i Adama, ilay lehilahy voalohany. I Jehovah no nanome tamim-pitiavana vady ho azy. (Genesisy 2:18-24) Tokony hihamaro ny taranak’izy mivady ka ho feno olona ny tany tamin’ny farany. Taorian’io fanambadiana voalohany io, dia ny ray aman-drenin’ny ampakarina sy ny mpampakatra mazàna no nanamboatra ny fanambadiana, indraindray rehefa samy nanaiky ireo olona tafiditra tamin’izany. (Genesisy 21:21; 24:2-4, 58; 38:6; Josoa 15:16, 17) Mbola fahita any amin’ny tany sy kolontsaina sasany ihany ny fanambadiana namboarina, saingy ankehitriny dia maro no mifidy samirery izay ho vadiny.

3. Ahoana no tokony hifidianana vady?

3 Ahoana no tokony hifidianana vady? Misy heriny eo amin’ny sasany ny miseho ivelany, dia izay mahafinaritra sy manintona ny masony. Ny hafa mitady tombontsoa ara-nofo, mitady olona hikarakara tsara azy, ary hanome izay ilainy sy iriny. Hahatonga fifandraisana mahasambatra sy mahafa-po ve raha ireo lafin-javatra ireo fotsiny? “Fitaka ny fahatsaram-bika, ary zava-poana ny fahatsaran-tarehy”, hoy ny Ohabolana 31:30, “fa ny vehivavy matahotra an’i Jehovah ihany no hoderaina.” Mifono izao hevi-dehibe izao io andininy io: Asio fiheverana i Jehovah rehefa mifidy vady.

Tari-dalana feno fitiavana avy amin’Andriamanitra

4. Fanampiana inona no omen’Andriamanitra, mahakasika ny fifidianana vady?

4 Nanome ny Teniny voasoratra i Jehovah, ilay Raintsika be fitiavana any an-danitra, mba hitari-dalana antsika eo amin’ny toe-javatra rehetra. Hoy izy: “Izaho, Jehovah Andriamanitrao, no mampianatra anao hahita soa sady mitarika anao amin’ny làlana tokony halehanao.” (Isaia 48:17) Tsy mahagaga àry raha ahitana toro lalana mandaitra hatramin’ny ela momba ny fifidianana vady, ao amin’ny Baiboly. Irin’i Jehovah mantsy ny hampaharitra sy hahasambatra ny fanambadiantsika. Koa nanome fanampiana izy mba hahazoantsika ny hevitr’ireny toro lalana ireny ka hampiharantsika azy ireny. Tsy izany ve no antenaintsika avy amin’ilay Mpamorona antsika be fitiavana?​—Salamo 19:8.

5. Inona no tena ilaina mba hampaharitra ny fahasambarana ao amin’ny fanambadiana?

5 Rehefa nanorina ny fanambadiana i Jehovah, dia ny hahatonga azy io ho fatorana maharitra no fikasany. (Marka 10:6-12; 1 Korintiana 7:10, 11) Izany no antony ‘nankahalany ny fisaoram-bady’ ary tsy nanomezany lalana hisaraka afa-tsy noho ny “fijangajangana” ihany. (Malakia 2:13-16; Matio 19:9) Koa anisan’ny dingana lehibe indrindra ataontsika àry ny fifidianana vady, ka tsy tokony hohamaivanintsika. Vitsy ny fanapahan-kevitra toy ny fifidianana vady, izay tena mety hahatonga fahasambarana na alahelo. Raha mahay mifidy vady ny olona iray, dia hihatsara sy hahitany fahafaham-po ny fiainany, fa raha tsy mahay mifidy kosa izy, dia fahorian-tsaina tsy misy farany no haterak’izany. (Ohabolana 21:19; 26:21) Mba hitohizan’ilay fahasambarana anefa, dia tena ilaina ny manao safidy amim-pahendrena sy ny ho vonona hampaharitra ilay fanomezan-toky. Matoa nanorina ny fanambadiana Andriamanitra, dia ny mba hahatonga azy io ho fiarahan’olon-droa mahomby noho ny firindrana sy ny fiaraha-miasa eo aminy.​—Matio 19:6.

6. Nahoana ireo tanora lahy sy vavy indrindra no mila mitandrina rehefa mifidy vady, ary inona no azon’izy ireo atao mba handraisana fanapahan-kevitra mampiseho fahendrena indrindra?

6 Ireo tanora lahy sy vavy indrindra no tena mila mitandrina rehefa mifidy vady, mba tsy hanimba ny fahaizan’izy ireo manavaka ny fanintonana ara-batana sy ny faniriana mafy. Mety ho simba haingana tokoa ka hiova ho fanamavoana na fankahalana mihitsy an’ilay vady aza, ny fifandraisana miorina amin-javatra toy izany fotsiny. (2 Samoela 13:15) Etsy an-danin’izany kosa, dia azo ampitomboina ka haharitra ny fitiavana, arakaraka ny ahafantarantsika tsara ilay vadintsika sy arakaraka ny ahafantarantsika tsara kokoa ny tenantsika. Ilaintsika koa ny mahatakatra fa mety ho tsy izay irin’ny fontsika eo am-boalohany no tsara indrindra ho antsika. (Jeremia 17:9) Koa tena zava-dehibe àry ny tari-dalan’Andriamanitra hita ao amin’ny Baiboly. Manampy antsika izy io hahita ny fomba azontsika anaovana fanapahan-kevitra mampiseho fahendrena indrindra eo amin’ny fiainana. Nilazalaza an’i Jehovah ho nanambara toy izao ny mpanao salamo: “Hanome saina anao sy hampianatra anao izay làlan-kalehanao Aho; hitsinjo anao ny masoko ka hanolo-tsaina anao Aho.” (Salamo 32:8; Hebreo 4:12) Afaka manome fahafaham-po ny filana voajanahary ao anatintsika, dia ny hotiavina sy hahazo namana, ny fanambadiana, saingy mitondra zava-tsarotra izay mitaky fahamatorana sy fahaiza-manavaka koa izy io.

7. Nahoana ny sasany no tsy manaiky ny torohevitra miorina amin’ny Baiboly mahakasika ny fifidianana vady, kanefa mety hitarika ho amin’inona izany?

7 Lalam-pahendrena ny hanarahana izay lazain’ilay Loharanon’ny fanambadiana, mahakasika ny fifidianana vady. Mety handa avy hatrany anefa isika rehefa misy torohevitra miorina amin’ny Baiboly omen’ny ray aman-dreny, na ny anti-panahy kristianina. Mety hihevitra isika fa tsy mahatakatra amin’ny fomba feno ny toerana misy antsika izy ireo, ary mety hanosika antsika hanaraka ny fironan’ny fontsika ny faniriana mafy. Rehefa miatrika ny zava-misy eo amin’ny fiainana andavanandro anefa isika atỳ aoriana kely, dia mety hanenina noho ny tsy nanarahantsika ilay torohevitra feno fahendrena nomena mba hahasoa antsika. (Ohabolana 23:19; 28:26) Mety ho tafiditra ao anatin’ny fanambadiana tsy misy fitiavana isika, hiteraka nefa ho sahirana hitaiza, ary angamba aza hanana vady tsy mpino mihitsy. Tena hampalahelo tokoa raha sanatria hanjary ho loharanom-pahoriana be ny fanambadiana izay afaka hitondra fahasambarana lehibe ho antsika!

Fifikirana amin’Andriamanitra ​Anton-javatra fototra

8. Ahoana no anampian’ny fifikirana amin’Andriamanitra mba hahatonga ny fanambadiana haharitra sy hitondra fahasambarana?

8 Ekena aloha fa manampy mba hanamafisana orina ny fanambadiana ny fifanintonana. Mbola zava-dehibe kokoa anefa ireo zava-tsarobidy iombonan’ny mpivady mba hampaharitra ny fanambadiana sy hitondrany fahasambarana. Mahavita zavatra tsy manam-paharoa ny fifikiran’ny mpivady amin’i Jehovah Andriamanitra, dia ny fiforonan’ny fatorana maharitra sy firaisan-tsaina. (Mpitoriteny 4:12) Rehefa mampifantoka ny fiainany amin’ny fivavahana marina amin’i Jehovah ny mpivady kristianina, dia tafaray eo amin’ny lafiny ara-panahy sy ara-tsaina ary ara-pitondran-tena. Miara-mianatra ny Tenin’Andriamanitra izy ireo, miara-mivavaka, ka mampiray ny fony izany. Miara-mankany amin’ny fivoriana kristianina izy ary miara-miasa eny amin’ny fanompoana eny amin’ny saha. Manampy mba hanorina fatorana ara-panahy izay mampifanakaiky kokoa azy ireo izany rehetra izany. Mbola zava-dehibe kokoa aza, fa fitahian’i Jehovah no vokatr’izany.

9. Inona no nataon’i Abrahama rehefa nitady vady ho an’i Isaka izy, ary inona no vokany?

9 Noho i Abrahama, patriarika nahatoky, nifikitra tamin’Andriamanitra, dia niezaka nampifaly azy izy rehefa tonga ny fotoana nifidianana vady ho an’i Isaka zanany. Hoy i Abrahama tamin’ilay mpiasa an-trano nitokisany: “Hampianianiko amin’i Jehovah, Andriamanitry ny lanitra sy ny tany, hianao, fa tsy haka vady ho an’ny zanako avy amin’ny zanakavavin’ny Kananita izay iraisako monina hianao; fa any amin’ny tanin-drazako sy amin’ny havako no halehanao haka vady ho an’Isaka zanako. ... [Jehovah] no haniraka Ilay Anjeliny eo alohanao, ka any no hakanao vady ho an’ny zanako.” Hita ho vady niavaka i Rebeka izay tena tian’i Isaka tokoa.​—Genesisy 24:3, 4, 7, 14-21, 67.

10. Adidy araka ny Soratra Masina inona avy no iantsorohan’ny lehilahy sy ny vehivavy manambady?

10 Raha Kristianina tsy manambady isika, ny fifikirana amin’Andriamanitra dia hanampy antsika hampitombo toetra izay hahatonga antsika hahafeno ireo fepetra araka ny Soratra Masina mahakasika ny fanambadiana. Ireto notononin’ny apostoly Paoly ireto ny sasantsasany amin’ireo adidin’ny lehilahy sy vehivavy manambady: “Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo tahaka ny anekena ny Tompo. ... Hianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, dia tahaka ny nitiavan’i Kristy ny fiangonana ka nanolorany ny tenany hamonjy azy ... Ny lehilahy tokony ho tia ny vadiny tahaka ny tenany ihany. ... Samia tia ny vadiny tahaka ny tenany hianareo lehilahy rehetra, ary aoka kosa ny vavy hanaja ny lahy.” (Efesiana 5:22-33) Araka ny hitantsika eo, ireo tenin’i Paoly ara-tsindrimandry dia manantitrantitra fa ilaina ny fitiavana sy ny fanajana. Tafiditra amin’ny fanekena an’io torohevitra io ny tahotra miharo fanajana an’i Jehovah. Mitaky ny fanekena hanaja ny fanambadiana amin’ny fo manontolo, na amin’ny mora na amin’ny sarotra, izany. Tokony hahay hiantsoroka an’io andraikitra io ny Kristianina izay mieritreritra ny hanambady.

Fanapahan-kevitra ny amin’ny fotoana hanambadiana

11. a) Torohevitra inona mahakasika ny fotoana hanambadiana no omen’ny Soratra Masina? bOhatra inona no mampiseho fa fahendrena ny hanarahana ny torohevitry ny Baiboly voasoratra ao amin’ny 1 Korintiana 7:36 (NW )?

11 Tena zava-dehibe ny hahafantarana ny fotoana maha vonona antsika hanambady. Tsy mametra taona ny Soratra Masina, satria miovaova arakaraka ny olona tsirairay izany. Asehony kosa anefa fa tsara kokoa ny miandry ho “efa dila ny fahatanorana vao mivelatra”, izay fotoana mety hahamafy ny fahamaimaizana eo amin’ny lahy sy vavy, ka afaka manolana ny fomba fitsaran-javatra. (1 Korintiana 7:36, NW ) “Rehefa nahita ireo namako ‘nampiaraka’ sy nanambady aho nefa mbola zatovo ny ankamaroany, dia sarotra indraindray ny nampihatra io torohevitra io”, hoy i Michelle. “Takatro anefa fa avy amin’i Jehovah ilay torohevitra, ary tsy milaza amintsika afa-tsy izay hahasoa antsika izy. Nandritra ny fotoana niandrasako talohan’ny hanambadiako, dia afaka nifantoka tamin’ny fifandraisako tamin’i Jehovah aho, sady afaka nahazo traikefa teo amin’ny fiainana, izay tsy ho azo mihitsy raha mbola zatovo ny tena. Taona vitsivitsy tatỳ aoriana, dia vonona kokoa aho ny hiantsoroka ireo andraikitra sy hiatrika ireo zava-manahirana mipoitra ao amin’ny fanambadiana.”

12. Nahoana no fahendrena ny tsy ho maika ny hanambady raha mbola kely loatra?

12 Ireo izay maika ny hanambady raha mbola kely loatra, dia matetika no mahita fa niova ny zavatra nilainy sy niriny rehefa nihamatotra izy ireo. Takatr’izy ireo amin’izay, fa tsy dia zava-dehibe intsony ireo zavatra hitany ho faniry teo am-boalohany. Nisy tovovavy kristianina iray tapa-kevitra ny hanambady, fony izy 16 taona. Nanambady teo amin’io taona io ny renibeny ary toy izany koa ny reniny. Rehefa nanda tsy hanambady azy, tamin’izay fotoana izay, ny tovolahy iray nahaliana azy, dia nifidy olon-kafa izay vonona ny hanambady azy izy. Nanenina be anefa izy, tatỳ aoriana, noho ny nandraisany fanapahan-kevitra maimaika loatra.

13. Inona matetika no tsy ananan’ireo manambady aloha be?

13 Rehefa mieritreritra ny hanambady, dia zava-dehibe ny hahatakarana tsara izay rehetra tafiditra amin’izany. Ny fanambadiana aloha be dia mety hitondra zava-manahirana maro, nefa azo inoana fa tsy voaomana tsara mba hiatrika izany akory ny mpivady mbola kely loatra. Mety tsy hananany ny traikefa sy ny fahamatorana ilaina mba hiatrehana ireo fihenjanana ao amin’ny fanambadiana sy ny fitaizan-janaka. Mba hampaharitra ny fanambadiana àry dia tsy tokony hiditra amin’izany isika raha tsy efa vonona ara-batana sy ara-tsaina ary ara-panahy.

14. Inona no ilaina mba handaminana ireo toe-javatra mahatonga fihenjanana ao amin’ny fanambadiana?

14 Nanoratra i Paoly fa “hanam-pahoriana amin’ny nofo” ireo manambady. (1 Korintiana 7:28) Hipoitra ny zava-manahirana satria olon-droa samy manana ny toetrany no tafaray, ka tsy hitovy ny fomba fijery zavatra. Noho ny tsy fahalavorarian’olombelona, dia mety ho sarotra ny fanatontosana ny anjara asantsika araka ny Soratra Masina, ao anatin’ny fanambadiana. (1 Korintiana 11:3; Kolosiana 3:18, 19; Titosy 2:4, 5; 1 Petera 3:1, 2, 7) Ilaina ny ho matotra sy hiorina mafy eo amin’ny ara-panahy mba hitadiavana sy hanarahana ny tari-dalan’Andriamanitra, ka handaminana amim-pitiavana ireo toe-javatra mahatonga fihenjanana.

15. Inona no azon’ny ray aman-dreny atao mba hanomanana ny zanany ho amin’ny fanambadiana? Manomeza ohatra.

15 Afaka manomana ny zanany ho amin’ny fanambadiana ny ray aman-dreny amin’ny fanampiana azy hahatakatra ny maha zava-dehibe ny hanarahana ny tari-dalan’Andriamanitra. Raha mahay mampiasa tsara ny Soratra Masina sy ireo zavatra vita an-tsoratra kristianina ny ray aman-dreny, dia afaka manampy ny zanany hamantatra raha vonona hanao ilay fanekena hanaja ny fanambadiana na tsia ilay zanaka, na ilay kasainy hovadina. * Nihevitra i Blossom, 18 taona, fa raiki-pitia tamin’ny tovolahy iray tao amin’ny kongregasiona. Mpisava lalana nanompo manontolo andro ilay tovolahy, ary nikasa ny hivady izy ireo. Nangataka an’i Blossom hiandry herintaona anefa ny ray aman-dreniny, satria nihevitra izy ireo fa mbola kely loatra izy. Izao no nosoratan’i Blossom tatỳ aoriana: “Tena velom-pankasitrahana aho noho ny nihainoako an’io torohevitra feno fahendrena io. Nihamatotra kokoa aho tao anatin’ilay herintaona, ka nanomboka nahita fa hay io tovolahy io tsy nanana ireo toetra izay hahatonga azy ho vady tsara akory. Nandao ny fandaminana izy tamin’ny farany, ary dia nisoroka loza teo amin’ny fiainako aho. Tena sambatra tokoa ny manana ray aman-dreny hendry izay mahay mitsara zavatra ka azo ianteherana!”

‘Manambadia ao amin’ny Tompo ihany’

16. a) Ahoana no mety hitsapana ny Kristianina raha ny amin’ny ‘fanambadiana ao amin’ny Tompo’? b) Raha alaim-panahy hanambady tsy mpino ny Kristianina, ny amin’inona no tokony hoeritreretiny?

16 Tena mazava izao toromarik’i Jehovah ho an’ny Kristianina izao: ‘Manambadia ao amin’ny Tompo ihany.’ (1 Korintiana 7:39) Mety hiharam-pitsapana ny ray aman-dreny kristianina sy ny zanany amin’io lafiny io. Amin’ny fomba ahoana? Mety haniry hanambady ny tanora, nefa mety tsy hisy ao amin’ny kongregasiona. Izany no toa fahitany azy, fara faharatsiny. Mety ho vitsy kokoa ny lehilahy noho ny vehivavy any amin’ny toerana sasany, na mety tsy hisy ilay heverina ho sahaza ao amin’ilay faritra. Mety hampiseho fahalianana amin’ny tovovavy kristianina iray ny tovolahy iray mpikambana tsy vita fanoloran-tena ao amin’ny kongregasiona (na ny mifamadika amin’izay). Hisy amin’izay ny fanerena, ka hirona tsy hanaraka ny fitsipika napetrak’i Jehovah momba izay tsara sy ratsy ilay tovovavy kristianina sy ny ray aman-dreniny. Ho tsara ny hieritreretana ny amin’ny ohatra navelan’i Abrahama, rehefa ao anatin’ny tarehin-javatra toy izany. Ny fomba iray nihazonany ny fifandraisany tsara tamin’Andriamanitra dia tamin’ny fanaovana izay hahazoana antoka fa hanambady mpivavaka marina tamin’i Jehovah i Isaka zanany. Nanao toy izany koa i Isaka tamin’i Jakoba zanany. Nitaky ezaka tamin’izay rehetra tafiditra tamin’ilay raharaha izany, nefa nampifaly an’Andriamanitra ka nahazoana ny fitahiany.​—Genesisy 28:1-4.

17. Nahoana no azo inoana fa mampidi-doza ny fanambadiana tsy mpino, ary inona no antony lehibe indrindra ‘hanambadiana ao amin’ny Tompo ihany’?

17 Tamin’ny toe-javatra sasantsasany, dia lasa Kristianina ny vady tsy mpino rehefa nandeha ny fotoana. Matetika anefa no hita fa nampidi-doza ny fanambadiana tsy mpino. Ireo mitondra zioga tsy mitovy tantana mantsy dia tsy mitovy zavatra inoana, tsy mitovy fomba fijery ny amin’izay tsara sy ratsy, ary tsy mitovy tanjona. (2 Korintiana 6:14) Mety hisy fiantraikany ratsy eo amin’ny fifandraisana sy ny fahasambaran’ny mpivady izany. Ohatra, nalahelo mafy ny vehivavy kristianina iray, satria taorian’ny fivoriana iray nampahery izy, dia tsy mba afaka nankafy ilay hoe mandeha mody mba hiresaka zavatra ara-panahy amin’ny vadin’ny tena. Tsy mpino mantsy ny vadiny. Ny mbola zava-dehibe kokoa, mazava ho azy, dia ny hoe raharaha mahakasika ny tsy fivadihana amin’i Jehovah ny ‘fanambadiana ao amin’ny Tompo’. Rehefa manaraka ny Tenin’Andriamanitra isika, dia tsy manameloka antsika ny fontsika, satria manao izay “ankasitrahana eo imasony” isika.​—1 Jaona 3:21, 22.

18. Zava-dehibe inona avy no tokony hasiam-piheverana rehefa mieritreritra ny hanambady, ary nahoana?

18 Ny zavatra tokony hahina voalohany indrindra rehefa mieritreritra ny hanambady, dia ny hatsaran-toetra sy ny tanjaka ara-panahin’ilay kasaina hovadina. Sarobidy lavitra noho ny fanintonana ara-batana mantsy ny toetra kristianina omban’ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny fifikirana aminy amin’ny fanahy manontolo. Mahazo sitraka amin’Andriamanitra ireo izay mahatakatra sy manatanteraka ny adidiny, dia ny ho vady matanjaka ara-panahy. Ny tena mahatonga ny fanambadiana ho matanjaka dia ny fifikiran’ny mpivady amin’ny Mpamorona sy ny fanekeny tanteraka ny tari-dalana avy aminy. Amin’izany fomba izany no anomezam-boninahitra an’i Jehovah, sy anomezana fototra ara-panahy mafy hiaingan’ilay fanambadiana ka hampaharitra azy.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 15 Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Febroary 1999, pejy faha-4-8.

Ahoana no Havalinao?

• Nahoana no ilaina ny tari-dalan’Andriamanitra mba hifidianana vady tsara?

• Amin’ny ahoana ny fifikirana amin’Andriamanitra no hanampy mba hanamafisana ny fatoram-panambadiana?

• Ahoana no ahafahan’ny ray aman-dreny manomana ny zanany ho amin’ny fanambadiana?

• Nahoana no zava-dehibe ny ‘hanambadiana ao amin’ny Tompo ihany’?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 17]

Mety hitondra fahasambarana lehibe ny fampiharanao ny torohevitr’Andriamanitra momba ny fifidianana vady

[Sary, pejy 18]

Fitahiana tondraka no entin’ny ‘fanambadiana ao amin’ny Tompo ihany’