Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Isaory ny Vavolombelon’i Jehovah Noho ny Fahalalahana Ara-pivavahana’

‘Isaory ny Vavolombelon’i Jehovah Noho ny Fahalalahana Ara-pivavahana’

‘Isaory ny Vavolombelon’i Jehovah Noho ny Fahalalahana Ara-pivavahana’

“ALOHAN’NY hanidianao varavarana manoloana ny Vavolombelon’i Jehovah”, hoy ny lahatsoratra iray tao amin’ny gazety Etazonia Ankehitriny (anglisy), “dia diniho aloha ny fanenjehana mampietry nozakain’izy ireo vao tsy ela izay. Diniho koa ny anjara asa goavana notanan’izy ireo mba hahazoana ny fahalalahana niantohan’ny Soso-panovana Voalohany tamin’ny Lalàm-panorenana amerikanina, izay hifaliantsika rehetra.” Nenjehina ny Vavolombelon’i Jehovah tany Etazonia nandritra ireo taona 1940 noho izy ireo nanda tsy hiarahaba saina sy noho ny antony hafa koa.​—Eksodosy 20:4, 5.

Raharaha 30 eo ho eo, nahatafiditra Vavolombelon’i Jehovah no nentina teo amin’ny Fitsarana Tampony Amerikanina tao anatin’ny dimy taona, teo anelanelan’ny taona 1938 sy 1943. Milaza toy izao ilay lahatsoratra: “Imbetsaka ny Vavolombelona no nampipoitra raharaha niadian-kevitra fototra izay nahatafiditra ny Soso-panovana Voalohany, ka nahatonga ilay mpitsara, atao hoe Harlan Fiske Stone, hanoratra hoe: ‘Mendrika hotolorana vola fanomezana ny Vavolombelon’i Jehovah noho ny fanampian’izy ireo tamin’ny famahana ny olana ara-pitsarana momba ny fahafahana sivily.’ ”

Koa nilaza toy izao ilay lahatsoratra teo amin’ny faramparan’ny teniny: “Tokony hisaotra ny Vavolombelon’i Jehovah ny fivavahana rehetra noho ny fitaran’ny fahalalahana [ara-pivavahana].”

[Sary nahazoan-dalana, pejy 32]

Trano eo andamosina: Sary nalain’i Josh Mathes. Collection of the Supreme Court of the United States. Ambany ankavia, mpitsara: Collection of the Suptreme Court of the United States