Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Jereo! Indro ny Olona Betsaka!’

‘Jereo! Indro ny Olona Betsaka!’

Miorena Amin’ny Fomba Feno sy Amim-piekena Mafy

‘Jereo! Indro ny Olona Betsaka!’

NISY fanontaniana nahavery hevitra ny mpanompon’i Jehovah nandritra ny am-polony taona maro. Niezahana efa hatramin’ny ela nitadiavana valiny araka ny Soratra Masina ilay izy. Nisy adihevitra maro naterak’izy io. Hita ihany anefa tamin’ny farany ny valiny ara-baiboly, izay nampientam-po an’ireo mpanatrika ny fivoriambe tany Washington, D.C., any Amerika, tamin’ny 1935.

Izao ilay fanontaniana niadiana hevitra: Iza moa ireo “olona betsaka” voalaza ao amin’ny Apokalypsy 7:9? Hiaina any an-danitra ve io antokon’olona mpino io?

Ela vao nahazoam-baliny ilay fanontaniana

Nanomboka tamin’ny andron’ny apostoly Jaona ka mandraka ankehitriny, dia nahavery hevitra ny Kristianina ny hoe iza moa ireo “olona betsaka”. Noheverin’ireo Mpianatra ny Baiboly fa ny olona betsaka dia kilasy faharoa mankany an-danitra, izany hoe antokon’olona mahalala ny fahamarinana ara-baiboly saingy tsy nanao zavatra firy mba hampielezana azy io.

Nisy nanjary tena nazoto nitory anefa ny naman’ireo Kristianina voahosotra. Tsy nanintona azy mihitsy ny ho any an-danitra. Nifanaraka tokoa tamin’ilay lahateny ho an’ny besinimaro hoe “Olona An-tapitrisany Maro Velona Ankehitriny no Tsy ho Faty Mihitsy” ny fanantenan’izy ireo. Lahateny nasongadin’ny vahoakan’i Jehovah nanomboka tamin’ny 1918 ka hatramin’ny 1922 izy io. Hahazo ny fiainana mandrakizay eto an-tany ny olona toy izany.

Niresaka momba ny fanoharan’i Jesosy mahakasika ny ondry sy ny osy Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) tamin’ny 15 Oktobra 1923, ary nilaza hoe: ‘Ny ondry dia mampiseho ny olona rehetra avy amin’ireo firenena, tsy nateraky ny fanahy, nefa tia ny fahamarinana, izay manaiky ao an-tsainy an’i Jesosy Kristy ho Tompo ary mitady sady manantena fiainana tsaratsara kokoa eo ambanin’ny fiandrianany.’​—Matio 25:31-46.

Tara-pahazavana misimisy kokoa

Nanazava ny Ezekiela toko faha-9 ny boky Fanamarinana (anglisy), Boky Voalohany, tamin’ny taona 1931, ary nilaza fa iray ihany ireo ondry ao amin’ilay fanoharan’i Jesosy sy ireo nasiana marika eo amin’ny handriny, mba hotsimbinina amin’ny faran’izao tontolo izao. Nilazalaza ny toe-po nahitsy nananan’i Jonadaba ny Fanamarinana, Boky Fahatelo (1932) Tsy Isiraelita i Jonadaba. Niakatra tao amin’ny kalesin’i Jeho, mpanjaka voahosotra teo amin’ny Isiraely, izy ary niaraka taminy mba hijery ny zotom-pon’i Jeho teo am-pandringanana ireo mpivavaka diso. (2 Mpanjaka 10:15-28) Nilaza ilay boky fa i Jonadaba dia sary mampiseho na tandindon’ilay kilasin’olona eto an-tany. Tsy manaraka ny fandaminan’i Satana ireo olona ireo, fa miandany amin’ny rariny, ary harovan’ny Tompo mandritra ny Haramagedona, hataony tafita velona amin’io fahoriana io, ary homeny fiainana mandrakizay eto an-tany. Ireo no kilasin’ny “ondry”, araka ny voalazan’ilay boky.

Nilaza mazava Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1934, fa tokony hanolo-tena ho an’i Jehovah sy hatao batisa ny Kristianina manana fanantenana ny ho eto an-tany. Namirapiratra kokoa mbola tsy nisy toy izany tokoa ilay fahazavana mahakasika io kilasy eto an-tany io!​—Ohabolana 4:18.

Fahatakarana mazava be

Kely sisa dia hamirapiratra sy hazava be ny fahatakarana ny Apokalypsy 7:9-17. (Salamo 97:11) Nilaza Ny Tilikambo Fiambenana fa antenaina “hitondra tena fampiononana sy soa” ho an’ireo olona aseho an’ohatra ho Jonadaba ny fivoriambe hatao ny 30 May ka hatramin’ny 3 Jona 1935, any Washington, D.C. Ary dia tanteraka tokoa izany!

Nanao ilay lahateny nanaitra hoe “Ny Olona Betsaka” i J. F. Rutherford, teo anoloan’ny mpanatrika 20 000 teo ho eo. Noporofoiny araka ny Soratra Masina fa iray ihany ny “ondry hafa” amin’ny andro maoderina sy ny “olona betsaka” ao amin’ny Apokalypsy 7:9. (Jaona 10:16) Rehefa tena nafana ilay lahateny, dia hoy izy: “Iangaviana hitsangana izay rehetra manana fanantenana hiaina mandrakizay eto an-tany!” Nitsangana ny ankamaroan’ny mpanatrika ary nanambara toy izao i Rutherford: “Jereo! Indro ny olona betsaka!” Nisy fanginana tanteraka, avy eo dia nisy tehaka mafy. Ny ampitso dia nisy Vavolombelon’i Jehovah vaovao 840 natao batisa, ka ny ankamaroany dia nilaza ho anisan’ny olona betsaka.

Efa teo ry zareo

Talohan’ny 1935, dia nihabetsaka ny olona nandray tsara ny hafatra ao amin’ny Baiboly sy nazoto nitory ny vaovao tsara, ary naniry ny hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany. Tsy naniry ho any an-danitra mihitsy izy ireo, satria tsy nomen’Andriamanitra fanantenana fiainana any an-danitra. Ny filazany ny tenany ho olona betsaka anisan’ny ondry hafa, dia nanondro fa efa ho vita tamin’ny 1935 ny fiantsoana an’ireo Kristianina voahosotra 144 000.​—Apokalypsy 7:4.

Rehefa nipoaka ny Ady Lehibe Faharoa, dia nanao izay ho afany i Satana Devoly mba hampitsaharana ny fanangonana ny olona betsaka. Nosakantsakanana ny asa fitoriana ilay Fanjakana tany amin’ny tany maro. Nandritra ireny fotoana nanjombona ireny, ary taloha kelin’ny nahafatesan’i J. F. Rutherford, tamin’ny Janoary 1942, dia nanao izao fanamarihana izao izy: “Angamba tsy ho betsaka araka ny niheverana azy ny ‘olona betsaka’.”

Noho ny fitahian’Andriamanitra anefa dia hafa ny fandehan-javatra. ‘Niorina tamin’ny fomba feno sy tamim-piekena mafy’ ireo voahosotra sy ny ondry hafa, namany, ka manatanteraka ny asa fanaovana mpianatra. (Kolosiana 4:12; Matio 24:14; 28:19, 20) Tamin’ny 1946, dia efa nisy 176 456 ny Vavolombelon’i Jehovah nitory naneran-tany, ka anisan’ny olona betsaka ny ankamaroany. Tamin’ny 2000, dia Vavolombelona maherin’ny 6 000 000 no nanompo an’i Jehovah tamim-pahatokiana tany amin’ny tany 235. Tena olona betsaka tokoa! Ary tsy mitsaha-mitombo ilay isa.