Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Fijalian’ny Olombelona

Ny Fijalian’ny Olombelona

Ny Fijalian’ny Olombelona

“NAHOANA RE ANDRIAMANITRA Ô, NAHOANA?” Io lohateny lehibe io no hita teo amin’ny pejy voalohan’ny gazety be mpividy, taorian’ny horohoron-tany nandrava iray tany Azia Minora. Nisy sary niaraka taminy nampiseho raim-pianakaviana sahiran-tsaina iray nitondra ny zanany vavy naratra nivoaka ny tranony rava.

Niteraka fahoriana sesehena sy ranomaso nijoy ary fahafatesana tsy tambo isaina ny ady, ny mosary, ny valanaretina ary ny loza araka ny natiora. Manampy izany ny fijalian’ny olona niharan’ny fanolanana sy fametavetana ankizy ary heloka bevava hafa. Diniho ny isan’ireo maratra sy maty tsy hita pesipesenina noho ny loza. Eo koa ny fangirifirian’ny olona an’arivo tapitrisany maro noho ny aretina sy ny fahanterana ary ny fahafatesan’ny havan-tiana.

Ny taonjato faha-20 no nahitana fijaliana be indrindra hatramin’izay. Efa ho folo tapitrisa ny miaramila matin’ny Ady Lehibe Voalohany, nanomboka tamin’ny 1914 ka hatramin’ny 1918. Misy mpahay tantara milaza fa mifanahantsahana amin’izany ny isan’ny sivily maty. Tamin’ny Ady Lehibe Faharoa, dia 50 tapitrisa eo ho eo ny mpiady sy ny sivily maty, anisan’izany ny zaza amam-behivavy sy ny antitra tsy nanam-piarovana an-tapitrisany maro. Nandritra ny taonjato lasa teo, dia mbola nisy an-tapitrisany maro maty noho ny fandripahana foko iray, ny revolisiona, ny herisetra ara-poko sy ny hanoanana ary ny fahantrana. Tombanan’ny Bokin-tsarintany Ara-tantaran’ny Taonjato Faharoapolo (anglisy) fa maherin’ny 180 tapitrisa ny olona maty noho izany “fahasosoran’ny vahoaka” izany.

Nahafaty olona 20 tapitrisa ny gripa espaniola tamin’ny 1918/1919. Nandritra ireo 20 taona farany, dia 19 tapitrisa eo ho eo no matin’ny SIDA, ary sahabo ho 35 tapitrisa ankehitriny no mitondra ilay virosy mahatonga azy io. Ankizy an-tapitrisany maro no manjary kamboty, satria matin’ny SIDA izy ireo. Ary tsy hita isa ny zazakely matin’ny SIDA, satria nifindran’izany fony izy mbola tao am-bohoka.

Be kokoa ny fijaliana ampiharina amin’ny ankizy amin’ny endriny hafa. Nampiasa fanazavana nomen’ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana Mikarakara ny Reny sy ny Zaza (UNICEF) tamin’ny faran’ny 1995, ny Manchester Guardian Weekly any Angletera, rehefa nanambara hoe: “Nandritra ireo ady natao tao anatin’ny folo taona farany, dia ankizy 2 tapitrisa no maty, 4-5 tapitrisa no nitondra takaitra, 12 tapitrisa nanjary tsy nanam-pialofana, maherin’ny 1 tapitrisa no kamboty na nosarahina tamin’ny ray aman-dreniny ary 10 tapitrisa no voadona mafy ny sainy.” Manampy izany ny fanalana zaza izay tombanana ho 40 ka hatramin’ny 50 tapitrisa maneran-tany​—isan-taona!

Ahoana ny amin’ny hoavy?

Maro no velon-tebiteby momba ny hoavy. Hoy ny antokona mpahay siansa: “Mety hanova izaitsizy ny tontolon’ny zavaboary ... ny asan-dRaolombelona, hany ka tsy ho afaka ny hampaharitra ny fiainana araka ny fomba efa fantatsika, izy io.” Hoy ny nanampiny: “Na dia amin’izao fotoana izao aza, dia olona iray ao anatin’ny dimy no miaina ao anatin’ny fahantrana faraidiny ka zara raha mihinana, ary iray ao anatin’ny folo no mijaly satria tena tsy ampy sakafo mihitsy.” Nanararaotra ilay toe-javatra ireo mpahay siansa mba “hampitandremana ny olombelona rehetra ny amin’izay miandry azy” ary nilaza hoe: “Takina ny hanovana be ny fitantanana ny tany sy ny fiainana eo amboniny, raha tiana ny tsy hisian’ny fahoriana maro be mahazo ny olombelona sy tsy hahasimba tanteraka ny tany manontolo fonenantsika eto amin’ity planeta ity.”

Nahoana no navelan’Andriamanitra hisy fijaliana sy faharatsiana be dia be toy izao? Ahoana no kasainy hanitsiana ny toe-javatra? Ary rahoviana?

[Sary nahazoan-dalana, pejy 3]

Ambony, seza misy kodiarana: UN/DPI Photo 186410C by P.S. Sudhakaran; ampovoany, ankizy mosarena: OMS /OXFAM; ambany, lehilahy kaozatra: FAO photo/B. Imevbore