Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Faly sy Velom-pankasitrahana na dia Namoy Olon-tiana Aza

Faly sy Velom-pankasitrahana na dia Namoy Olon-tiana Aza

Tantaram-piainana

Faly sy Velom-pankasitrahana na dia Namoy Olon-tiana Aza

NOTANTARAIN’I NANCY E. PORTER

Nafana tamin’izay takarivan’ny 5 Jona 1947 izay, teto Bahamas, izay nosy atỳ atsimoatsinanan’ny morontsirak’i Etazonia. Tonga tampoka tany aminay sy i George vadiko, ny manam-pahefana momba ny fifindra-monina. Nomeny taratasy izahay nilaza fa tsy nankasitrahana intsony ny fijanonanay tao amin’ireo nosy, koa tokony “handao tsy misy hataka andro an’ilay zanatany” izahay!

IZAHAY sy i George no misionera Vavolombelon’i Jehovah voalohany tonga teto Nassau, tanàna lehibe indrindra eto Bahamas. Voatendry teto izahay rehefa avy nahazo diplaoma tamin’ny kilasy fahavalo amin’i Gileada, sekoly ho an’ny misionera any avaratr’i New York. Inona no nataonay ka niteraka izany fihetsika mahery vaika izany raha vao telo volana monja no nipetrahanay teto? Ary ahoana no nahatonga ahy mbola ho eto foana, 50 taona mahery atỳ aoriana?

Fampiofanana ho amin’ny fanompoana

Nanan-kery lehibe teo amin’ny fomba nitondrako ny fiainako ny raiko, i Harry Kilner. Namela ohatra tsara dia tsara ho ahy izy, sady nanao sorona maro mba hahatongavana ho Vavolombelon’i Jehovah. Na dia tsizarizary aza ny fahasalamany, dia nandeha nitory saika isan-kerinandro izy, ka nametraka tamin-jotom-po ny tombontsoan’ilay Fanjakana teo amin’ny toerana voalohany. (Matio 6:33) Tsy nanam-bola firy izahay, kanefa ny trano fivarotany kiraro dia foiben’ny asa ara-panahy tany Lethbridge, Alberta, any Kanada, tany amin’ireo taona 1930. Ny zavatra tranainy indrindra tsaroako dia ny nitsidihan’ny Vavolombelon’i Jehovah mpanompo manontolo andro, antsoina hoe mpisava lalana, anay sy ny nitantarany taminay ny zavatra niainany.

Nanomboka ny fanompoan’ny mpisava lalana aho tany akaikin’i Fort Macleod sy Claresholm any Alberta, tamin’ny 1943. Efa voarara ny asa fitorianay tany Kanada tamin’izay, noho ny fanasoketana nataon’ny mpanohitra nandritra ny Ady Lehibe Faharoa. Mahatratra 100 kilaometatra ny velaran’ny faritaninay, nefa tanora sy navitrika izahay ka tsy nampaninona anay ny nandeha bisikileta na nandeha an-tongotra mba hanatratrarana ireo olona vitsy an’isa sy toeram-pambolena ary fiompiana tao amin’ilay faritra. Tamin’izany fotoana izany, dia afaka niresaka tamin’ny sasany tamin’ireo nahazo diplaoman’i Gileada aho, ka nahatonga ahy haniry ho tonga misionera ny zavatra niainan’izy ireo.

Nanambady an’i George Porter, avy any Saskatchewan, any Kanada, aho tamin’ny 1945. Vavolombelona be zotom-po efa hatramin’ny 1916 ny ray aman-dreniny, ary nifidy ny fanompoana manontolo andro ho anton’asany koa izy. Tany amin’ny Lohasahan’i Lynn, lohasaha tsara tarehy any Vancouver avaratra, any Kanada, no toerana voalohany nanendrena anay. Tsy ela taorian’izay, dia nasaina ho any Gileada izahay.

Efa nifampiresaka tamin’olona nahazo diplaoma avy tamin’ny seminera ara-teolojia samihafa aho nandritra ny taona maro, ka hitako fa ny fampiofanana ara-teolojia azon’izy ireo no nampihozongozona ny finoany an’Andriamanitra sy ny Teniny, dia ny Baiboly. Mifanohitra amin’izany anefa, fa nandranitra ny fahaizanay misaina ny zavatra nianaranay tany Gileada, ary indrindra indrindra nanatanjaka ny finoanay an’i Jehovah Andriamanitra sy ny Teniny. Voatendry ho any Chine, Singapour, Inde, Afrika, sy Amerika Atsimo ary ho any an-toeran-kafa, ny mpiray kilasy taminay. Mbola tsaroako foana ny fientanam-po tsapanay rehefa fantatray fa atỳ amin’ireo nosy tropikalin’i Bahamas no nanendrena anay.

Ny fomba nahafahanay nijanona

Fohy ny dianay nankatỳ Bahamas raha nampitahaina tamin’ny dian’ireo mpiray kilasy hafa. Tsy ela izahay, dia nankafy ny andro mafana, ny lanitra manga, ny rano manga manopy maitso, ny trano miloko tanora ary ireo bisikileta tsy hita isa. Ny nampihetsi-po lalina ahy indrindra fony vao tonga anefa, dia ny nahita ireo Vavolombelona dimy nitsena anay rehefa tonga ny sambonay. Tsy ela dia nianaranay fa samy hafa be tamin’izay nahazatra anay ny kolontsaina eto amin’ity toerana ity. Nangatahina, ohatra, ny vadiko mba tsy hiantso ahy intsony hoe malala, rehefa eny imason’olona, satria mazàna io teny io no fampiasan’ireo mangala-pitia any ivelan’ny fanambadiany.

Taoriana kelin’izay, dia niampanga lainga anay ho Kominista ny mpitondra fivavahana satria natahorany hahavoa azy ny fifandraisanay malalaka tamin’ny olona. Vokatr’izany, dia naharay ilay baiko handao ilay tany izahay. Avy hatrany anefa dia nahazo sonia an’arivony maro nangataka ny hamelana anay hijanona ireo Vavolombelona izay latsaka ny 20 tao amin’ireo nosy tamin’izany fotoana izany. Nofoanana àry ilay fandroahana.

Tany amin’ny faritany vaovao

Nitsimoka haingana tao am-pon’ireo tia an’Andriamanitra ny fahamarinana ara-baiboly, koa misioneran’i Gileada maro kokoa no nirahina ho atỳ Bahamas. Natsangana ny biraon’ny Sampana tamin’ny 1950. Folo taona tatỳ aoriana, dia nitsidika an’i Bahamas i Milton Henschel, anisan’ny mpiasa tao amin’ny foibe any Brooklyn, New York, ka nanontany an’ireo misionera izy raha nisy naniry handeha hanokatra ny asa fitoriana any amin’ny nosy hafa iray tatỳ Bahamas. Nanolo-tena izahay sy i George, ka tamin’izany no nanombohan’ireo 11 taona nipetrahanay tany Long Island.

Mirefy 140 kilaometatra ny lavan’io nosy io ary 6 kilaometatra ny sakany. Iray amin’ireo nosy maro be mahaforona an’i Bahamas izy io, ary tsy nisy tena tanàn-dehibe tany, tamin’izany fotoana izany. Nisy trano 50 teo ho eo tao amin’ny Tanànan’i Clarence, renivohitra. Faran’izay tsotra ny fiainana: tsy nisy jiro na rano na lakozia tao an-trano. Koa tsy maintsy nizatra tamin’izay antsoina hoe fiainana ambanivohitra àry izahay. Resaka tian’ny olona indrindra atỳ ny resaka fahasalamana. Nianatra ny tsy hametraka ilay fanontaniana hoe “Manao ahoana ny fahasalamanao?” izahay rehefa miarahaba, satria matetika ny valin’izany dia tantara lava be momba ny fitsaboana rehetra nataon’ilay olona hatramin’izay.

Isan-dakozia no nanaovanay ny ankamaroan’ny asa fitorianay satria tany an-dakozia, izay any ivelan’ny trano, no mazàna nahitana ny olona: lakozia mitafo bozaka, ampiasana afo kitay. Mpamboly na mpanarato mahantra nefa tena tsara fanahy ny ankabetsahan’ny mponina. Tsy vitan’ny hoe mpivavaka be ny ankamaroan’izy ireo fa tena minomino foana koa. Mazàna no raisina ho toy ny fambara ny fisehoan-javatra tsy mahazatra.

Tsy nenjehin’ny eritreriny akory ny mpitondra fivavahana fa tonga tsy nasaina tany an-tranon’ny olona ary nandrovitra ny zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly navelanay tamin’izy ireo. Nampitahorin’izy ireo ny kanosa, kanefa tsy ny rehetra akory no matin-kenamaso teo anatrehan’izy ireo. Tsy nanaiky hampitahorina, ohatra, ny vavy antitra iray sahisahy 70 taona. Naniry hahatakatra ny Baiboly ny tenany ary tonga Vavolombelona izy tamin’ny farany, niaraka tamin’ny maro hafa. Koa satria nihamaro ny olona liana, dia voatery nanao dia 300 kilaometatra, tamin’ny fiara, indraindray i George ny alahady mba hanampiana ireny olona ireny hanatrika ireo fivorianay.

Nandritra ireo volana voalohany, fony mbola tsy nisy Vavolombelona hafa, dia nihazona ny fahasalamanay ara-panahy izahay sy i George tamin’ny fanaovana tsy tapaka ireo fivoriana kristianina rehetra. Ankoatra izany, dia nanaraka fandaharam-potoana hentitra izahay isaky ny alatsinainy alina, nianatra ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy namaky ny Baiboly. Namaky ny nomerao rehetra tamin’Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! koa izahay, raha vao naharay azy ireo.

Maty ny raiko fony izahay tany Long Island. Rehefa tonga ny vanin-taona mafana taorian’izay, tamin’ny 1963, dia nanao fandaharana izahay, mba haka an’i Neny hipetraka teo akaikinay. Na dia efa be taona aza izy, dia afaka nizatra tsara tamin’ny fiainana ihany ka nipetraka tany Long Island mandra-pahafatiny tamin’ny 1971. Misy kongregasiona manana Efitrano Fanjakana vaovao be ao Long Island ankehitriny.

Zava-tsarotra nahavaky fo

Tsikaritr’i George fa nanomboka niharatsy ny fahasalamany tamin’ny 1980. Tamin’izay no nanomboka ny zavatra iray anisan’ny nampanaintaina indrindra teo amin’ny fiainako: nahita ilay vady malalako sy mpiara-miasa tamiko ary namako, voan’ny aretin’i Alzheimer. Niova ny toetrany iray manontolo. Naharitra efa-taona teo ho eo ny tapany farany sy nandrava indrindra tamin’ilay aretina, talohan’ny nahafatesany tamin’ny 1987. Niaraka tamiko teny amin’ny fanompoana sy tany am-pivoriana izy raha mbola azony natao koa, na dia nampitomany ahy imbetsaka aza ny ezaka nataony. Tena nampionona ahy tokoa ny fanehoam-pitiavana nitafotafo nasehon’ireo rahalahy kristianina taorian’ny nahafatesany, nefa mbola malahelo azy be foana aho.

Ny fifampiresahana nahafinaritra sy matetika no iray tamin’ireo lafiny sarobidy indrindra tamin’ny fanambadianay sy i George. Amin’izao tsy maha eo intsony an’i George izao, dia vao mainka aho velom-pankasitrahana kokoa an’i Jehovah, noho ny fanasany ny mpanompony mba ‘tsy hitsahatra hivavaka’ sy ‘hiaritra amin’ny fivavahana’ ary hampiasa “ny fivavahana rehetra”. (1 Tesaloniana 5:17; Romana 12:12; Efesiana 6:18) Mampionona erỳ ny mahafantatra fa miahy ny amin’izay hahasoa antsika i Jehovah. Tena toy ny tsapan’ny mpanao salamo nihira toy izao no tsapako: “Isaorana anie [i Jehovah, NW ], izay mitondra ny entantsika isan-andro isan-andro”. (Salamo 68:19) Ny fiatrehana ny andro tsirairay isan’andro sy ny fanekena ny fetran’ny mety ho vitako ary ny fankasitrahana ny fitahiana entin’ny andro tsirairay, tahaka ny nanoroan’i Jesosy hevitra tokoa, no fomba fiaina tsara indrindra.​—Matio 6:34.

Valisoa mahafaly entin’ny fanompoana

Rehefa be atao eo amin’ny fanompoana kristianina aho, dia tsy nifantoka be loatra tamin’ny lasa. Koa afaka nandresy ireo karazana fihetseham-po mety hitarika ho amin’ny fahaketrahana àry aho. Loharanom-pifaliana miavaka ny mampianatra ny hafa ny fahamarinana ara-baiboly. Ny fahazarana ara-panahy mizotra tsara aterak’izany, dia mahatonga ny fiainako hilamina sy ho tony.​—Filipiana 3:16.

Indray mandeha aho, dia naharay antso avy tamin’ny vehivavy iray nitoriako ny hafatra momba ilay Fanjakana, 47 taona talohan’izay. Zanaky ny iray tamin’ireo olona voalohany nampianarinay ny Baiboly fony izahay tonga tatỳ Bahamas tamin’ny 1947, izy. Tonga Vavolombelon’i Jehovah ny reniny sy ny rainy ary ny mpiray tam-po aminy rehetra, mbamin’ny ankamaroan’ny zanak’izy ireo sy ny zafikelin’izy ireo. Raha ny marina, dia maherin’ny 60 ny ao amin’ny fianakavian’io vehivavy io no Vavolombelona. Mbola tsy nanaiky ny fahamarinana ara-baiboly mihitsy anefa ny tenany. Rehefa ela ny ela anefa, dia vonona ny ho tonga mpanompon’i Jehovah Andriamanitra ihany izy izao. Mahafaly erỳ ny mahita ireo Vavolombelona vitsy dia vitsy teto Bahamas fony izahay sy i George vao tonga, nitombo ho maherin’ny 1 400!

Misy olona manontany ahy indraindray raha malahelo aho satria tsy mba niteraka. Mazava ho azy fa mety ho fitahiana ny fananan-janaka. Ny fitiavana asehon’ny zanako sy ny zafikeliko ary ny zafiafiko ara-panahy amiko tsy tapaka anefa, dia zavatra izay azo inoana fa tsy hitan’ny ray aman-dreny rehetra niteraka. Marina tokoa fa ny olona sambatra indrindra dia ireo ‘manao soa’ sy ‘manan-karena amin’ny asa tsara’. (1 Timoty 6:18) Izany no antony hanaovako fanompoana be dia be, araka ny hamelan’ny fahasalamako ahy.

Indray andro tany amin’ny mpitsabo nify, dia nisy tovovavy nanatona ahy ary nilaza tamiko hoe: “Tsy fantatrao aho fa izaho mahafantatra anao, ary te hilaza aminao fotsiny aho hoe tiako ianao.” Notantarainy tamiko avy eo ny fomba nahalalany ny fahamarinana avy ao amin’ny Baiboly sy ny fankasitrahany ny nahatongavanay misionera teto Bahamas.

Rehefa niverina avy nanao vakansy aho indray mandeha, dia nahita raozy iray teo am-baravaran’ny trano misy ahy amin’izao fotoana izao, ato amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah eto Nassau. Izao no soratra niaraka tamin’izy io: “Faly izahay fa tafaverina ianao.” Safononoky ny fankasitrahana ny foko ary mahatonga ahy ho tia fatratra an’i Jehovah ny mahita ny karazan’olona vokarin’ny Teniny sy ny fandaminany ary ny fanahiny! Marina tokoa, fa amin’ny alalan’ireo olona manodidina antsika no ampisehoan’i Jehovah ny fanohanany.

Safononoky ny fankasitrahana

Tsy nandeha ho azy foana akory ny fiainako, ary mbola toy izany ihany ny lafiny sasany aminy ankehitriny. Maro be aoka izany anefa ny zavatra tokony hahavelom-pankasitrahana ahy: ny fifaliana eo amin’ny fanompoana, ny fitiavana sy ny firaiketam-pon’ireo anadahy sy rahavavy maro be, ny fiahiana feno fitiavan’ny fandaminan’i Jehovah, ny fahamarinana kanto ao amin’ny Baiboly, ny fanantenana hiaraka amin’ireo havan-tiana rehefa hatsangana amin’ny maty izy ireo, ary ny fahatsiarovana navelan’ireo 42 taona nanambadiana mpanompon’i Jehovah nahatoky. Nivavaka aho talohan’ny nivadianay mba hahafahako hanampy hatrany ny vadiko hitoetra ao amin’ny fanompoana manontolo andro izay tiany aoka izany. Namaly tamin-katsaram-panahy izany vavaka izany i Jehovah. Koa iriko ny hampiseho ny fankasitrahako an’i Jehovah amin’ny tsy fivadihako aminy mihitsy.

I Bahamas dia toerana tian’ny mpizaha tany, izay mandany vola an-tapitrisany maro mba hahatongavana atỳ sy hankafizana ny zava-mahafinaritra fahita amin’ny tany mafana. Noho izaho nifidy ny hanompo an’i Jehovah na aiza na aiza anirahan’ny fandaminana ahy, dia faly aho nandeha nanerana ireo nosy ireo, mba hanambarana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Mihoatra noho izany anefa, dia nanjary nahafantatra sy nankamamy ny fitiavan’ireo olona mahafinaritra indrindra amin’ny mponina sariaka eto Bahamas, aho.

Isaorako betsaka ireo olona nitondra ny fahamarinana tany amin’ny ray aman-dreniko, izay nandentika kosa tao an-tsaiko sy tao am-poko mbola zaza, ny faniriana hikatsaka ny Fanjakan’Andriamanitra aloha. Afaka mahazo tombontsoa maro toy izany koa ny tanora manompo an’i Jehovah ankehitriny raha miditra ao amin’ny “varavarana lehibe” ahafahana manitatra ny fanompoana. (1 Korintiana 16:9) Ho safononoky ny fankasitrahana koa ianao raha mampiasa ny fiainanao hanomezam-boninahitra an’i Jehovah, ilay “Andriamanitry ny andriamanitra”.​—Deoteronomia 10:17; Daniela 2:47.

[Sary, pejy 24]

Fitoriana teny an-dalana tany Victoria, B.C., tamin’ny 1944

[Sary, pejy 24]

Izahay sy i George nanatrika ny Sekolin’i Gileada tamin’ny 1946

[Sary, pejy 25]

Niaraka tamin’i George teo anoloan’ny tranon’ny misionera teto Nassau, Bahamas, tamin’ny 1955

[Sary, pejy 26]

Ny tranon’ny misionera any Deadman’s Cay, izay nanompoanay nanomboka tamin’ny 1961 ka hatramin’ny 1972