Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Koa satria vonona hamela heloka, miorina amin’ny sorom-panavotana, i Jehovah, nahoana ny Kristianina no mbola mila miaiky heloka amin’ireo anti-panahin’ny kongregasiona ihany?

Namela ny fahotan’i Davida tamin’i Batseba i Jehovah, na dia lehibe aza izany, satria tena nibebaka izy. Niaiky toy izao i Davida, rehefa nanatona azy i Natana mpaminany: “Efa nanota tamin’i Jehovah aho.”​—2 Samoela 12:13.

Tsy vitan’ny hoe manaiky ny fieken-keloka amim-pahatsorana ataon’ny mpanota i Jehovah, ka mamela ny helony, fa manao fandaharana feno fitiavana koa izy mba hanampiana ilay olona ho sitrana ara-panahy. I Natana mpaminany, ohatra, no nanampy an’i Davida. Misy lehilahy matotra ara-panahy, na anti-panahy, ao amin’ny kongregasiona kristianina ankehitriny. Manazava toy izao i Jakoba mpianatra: “Misy marary va eo aminareo? Aoka izy hampaka ny loholon’ny fiangonana; ary aoka hanosotra diloilo azy amin’ny anaran’ny Tompo ireo sady hivavaka eo aminy; ary ny fivavaky ny finoana dia hamonjy ilay marary, fa ny Tompo hanangana azy; ary raha nanota izy, dia havela ny helony.”​—Jakoba 5:14, 15.

Afaka tena manamaivana ny fanaintainan’ny fon’ireo mpanota manenina ny anti-panahy mahay. Miezaka mafy hanahaka an’i Jehovah izy ireo, rehefa mifampiraharaha amin’ilay nanota. Tsy hasiaka mihitsy izy ireo, na dia mety hilaina hanarina mafy aza ilay nanota. Mangoraka kosa izy ireo rehefa mandinika ny zavatra ilain’ilay olona avy hatrany. Maharitra koa izy ireo rehefa miezaka mafy manitsy ny fisainan’ilay olona, amin’ny alalan’ny Tenin’Andriamanitra. (Galatiana 6:1) Na dia tsy miaiky ny helony an-tsitrapo aza ilay olona, dia mety mbola ho voatosika hanao izany ihany rehefa hatonin’ny anti-panahy, toa an’i Davida nohatonin’i Natana. Manampy ilay nanota tsy hamerina ilay fahotany intsony sy tsy ho tonga mpanota mafy fo ny fanohanan’ireo anti-panahy. Sady mamandrika mantsy izany no mampidi-doza.​—Hebreo 10:26-31.

Tena tsy mora ny miaiky amin’ny hafa ny zava-dratsy mahamenatra ka hangataka famelan-keloka. Ilana herim-po izany. Hevero anefa ny vokatry ny tsy fanaovana izany. Hoy ny lehilahy iray tsy niaiky ny helony tamin’ny anti-panahy: “Nanaintaina ny foko ary tsy nety afaka ilay izy. Nampitomboiko ny asa fanompoako, nefa tsy nety afaka ilay nenina tsapako.” Noheveriny fa ampy ny fieken-keloka tamin’Andriamanitra tamin’ny vavaka, nefa nazava fa diso hevitra izy, satria tsy misy hafa amin’ny an’i Davida ny zavatra tsapany. (Salamo 51:8, 11) Tena tsara lavitra ny manaiky ny fanampiana feno fitiavana omen’i Jehovah amin’ny alalan’ireo anti-panahy!