Fianarana Baiboly—Natao ho Anao Ve?
Fianarana Baiboly—Natao ho Anao Ve?
“TSY tokony hovakina raha tsy eo anatrehan’ny mompera.” Hita ao amin’ny fiandohan’ny Baiboly katolika sasany io fampitandremana io. “Tsy namaky na namakiana Baiboly izahay Katolika matetika”, hoy i Kay Murdy, ao amin’ny Sekoly Ara-baiboly Katolika, any Los Angeles. “Niova anefa izany”. Raha vao manjary fantatry ny Katolika fa manan-kery eo amin’ny fiainany ny Soratra Masina, “dia mampitombo ny faniriany hahafantatra ny Baiboly izy ireo”, hoy ny nomarihiny.
Nanonona ny tenin’ny mpanabe ara-pivavahana iray momba io fiovana io ny gazety Katolika Amerikanina. Nilaza io mpanabe io fa ireo Katolika nianatra Baiboly dia nahatsiaro “fa tsy nomena izay tokony ho azy ny Katolika, nefa misy harem-be ao amin’ny Baiboly. Maniry hahazo amin’izany harena tsy azony izany izy ireo”.
Inona anefa no “harena” hitan’ny olona mianatra Baiboly? Diniho izao: Ho tianao ve ny hahafantatra ny fomba iatrehana ny fanahiana eo amin’ny fiainana andavanandro? Ahoana no ahafahanao mitandro ny fihavanana eo anivon’ny fianakaviana? Nahoana no maro aoka izany ny olona masiaka sy sarotra iaraha-monina? Inona no mahatonga ny tanora hahery setra? Azo itokisana tokoa ny valiny omen’ny Baiboly amin’ireo sy ny fanontaniana sarotra hafa. Ho tena “harena” tokoa ireo, tsy ho an’ny Katolika na Protestanta ihany, fa ho an’ny Bodista, Hindoa, Miozolimanina, Shintoista, ary na dia ny tsy mino an’Andriamanitra sy ny misalasala momba ny fisiany koa aza. Araka ny voalazan’ny mpanao salamo, dia hoe: “Fanilon’ny tongotro sy fanazavana ny làlako ny Teninao [Andriamanitra].” Mety ho toy izany koa ny aminao.—Salamo 119:105.