Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fieken-keloka Nahasitrana

Fieken-keloka Nahasitrana

Fieken-keloka Nahasitrana

“RAHA nangina aho, dia nihalany ny taolako rehetra noho ny fitarainako mandrakariva. Fa efa navesatra tamiko andro aman-alina ny tànanao; niova ny fahatanjahako toy ny azon’ny fahamainana amin’ny lohataona.” (Salamo 32:3, 4) Mety ho nampiseho ny fihetseham-po nanaintaina mafy tsapan’i Davida mpanjakan’ny Isiraely fahiny ireo teny mampihetsi-po ireo. Izy ihany no nahatonga izany satria tsy niaiky ny fahotana lehibe nataony izy, fa nanafina izany kosa.

Nanana fahaizana niavaka maromaro i Davida. Mpiady nahery izy, mpitondra fanjakana nahay, poety ary mpahay mozika. Niantehitra tamin’Andriamaniny anefa izy, fa tsy tamin’ny fahaizany. (1 Samoela 17:45, 46) Voalaza fa “nahitsy tamin’i Jehovah” ny fony. (1 Mpanjaka 11:4) Nanao fahotana iray tena lehibe anefa izy, ka io no mety ho nasiany firesahana ao amin’ny Salamo 32. Misy zavatra maro azontsika ianarana avy amin’ny fandinihana ireo tarehin-javatra nitarika azy hanota. Ho hitantsika ireo fandrika tokony hohalavirina sy ny ilana hiaiky ny helotsika, mba hamitranana ny fihavanantsika amin’Andriamanitra.

Nanota ny mpanjaka tsy nivadika iray

Teo am-piadiana tamin’ny Amonita ny firenen’ny Isiraely, fa i Davida kosa nijanona tany Jerosalema. Nitsangantsangana teo an-tampon-tranony izy indray takariva raha nahita vehivavy tsara tarehy iray nandro teo amin’ny trano teo akaiky teo. Tsy nifehy tena izy fa vao mainka nanomboka naniry hanao firaisana tamin’ilay vehivavy. Rehefa fantatr’i Davida fa i Batseba vadin’i Oria, miaramila ao amin’ny tafiny, izy io, dia nampiantsoiny, ka nijangajanga taminy izy. Nampilaza tamin’i Davida i Batseba tatỳ aoriana, fa bevohoka izy.​—2 Samoela 11:1-5.

Very hevitra i Davida. Fahafatesana no sazin’izy ireo, raha fantatra ny nataony. (Levitikosy 20:10) Namboamboariny àry ilay raharaha. Nasainy nody avy tany an’ady i Oria vadin’i Batseba. Nanontany azy ela be momba ny ady aloha i Davida, avy eo dia nandefa azy hody. Nanantena i Davida fa mety hahatonga an’i Oria ho toa rain-janak’i Batseba izany.​—2 Samoela 11:6-9.

Diso fanantenana anefa izy satria tsy nody tany amin’ny vadiny i Oria. Nilaza i Oria fa tsy eken’ny eritreriny mihitsy ny hody, kanefa ny miaramila mbola miady mafy. Rehefa nisy ady natao, dia tsy nety nanao firaisana ny miaramila Isiraelita, na dia tamin’ny vadiny aza. Tsy maintsy nadio araka ny fombafomba izy ireo. (1 Samoela 21:6) Nasain’i Davida hisakafo sy nomamoiny i Oria, nefa mbola tsy nandeha nody tany amin’ny vadiny ihany. Nanameloka ny fahotana lehiben’i Davida ny fahatokian’i Oria.​—2 Samoela 11:10-13.

Nihanandoro an’i Davida ny afo natsangany. Very fanantenana izy, ka tsy nahita afa-tsy fomba tokana hahatafavoahana. Naveriny tany an’ady i Oria sady nampitondrainy taratasy ho an’i Joaba, jeneralin’ny tafika. Nazava ny zava-kendren’ilay taratasy fohy: “Arosoinareo amin’ny ady mafy Oria; dia ilaozy izy mba hasiany ho faty.” Toa taratasy kely fotsiny dia efa nahafahan’ilay mpanjaka natanjaka nanarontsarona ny fahotany sy namono an’i Oria.​—2 Samoela 11:14-17.

Nampakarin’i Davida ho vadiny i Batseba, raha vantany vao tapitra ny fotoana nisaonany. Nandeha ny fotoana, ka teraka ny zanak’izy ireo. Tsy nilaza na inona na inona momba ny fahotany i Davida, nandritra izany rehetra izany. Angamba niezaka nanamarina ny fahotany tany an-tsainy izy. Tsy maty an’ady tamim-boninahitra toy ny hafa rehetra ve i Oria? Tsy nankatò ny mpanjaka koa ange izy rehefa tsy nety nankany amin’ny vadiny e! Mahita hevitra isan-karazany hanamarinana fahotana ny ‘fo mamitaka’.​—Jeremia 17:9; 2 Samoela 11:25.

Fahadisoana nitarika ho amin’ny fahotana

Ahoana no nahalatsaka an’i Davida, tia fahamarinana, tamin’ny fanitsakitsaham-bady sy ny famonoana olona? Miharihary fa efa ela no nanomboka nitsiry ny voan’ny fahotany. Mety hanontany tena isika hoe: ‘Fa naninona àry i Davida no tsy niaraka tamin’ny miaramilany, sy nanohana azy ireo tamin’ny ady tamin’ny fahavalon’i Jehovah?’ Tsy nanao izany izy, fa naka aina tao an-dapany, toa tsy nieritreritra momba ny ady, hany ka nanjary nitsiriritra ny vadin’ny miaramilany nahatoky. Miaro ny Kristianina marina ankehitriny ny fahazotoana mikatsaka zavatra ara-panahy miaraka amin’ny kongregasiona, sy ny fitoriana tsy tapaka.​—1 Timoty 6:12.

Nodidiana mba hanao kopian’ny lalàna ny mpanjaka isiraelita, ka hamaky azy io isan’andro. Izao no nolazain’ny Baiboly ho anton’izany: “Mba hianarany hatahotra an’i Jehovah Andriamaniny ka hitandrina ny teny rehetra amin’izao lalàna izao sy ireto didy ireto hankatoavany azy, mba tsy hiavonavonan’ny fony amin’ny rahalahiny, ary mba tsy hiviliany hiala amin’ny lalàna, na ho amin’ny ankavanana, na ho amin’ny ankavia”. (Deoteronomia 17:18-20) Mety ho tsy nanaraka io toromarika io i Davida tamin’ny fotoana nanaovany an’ireo fahotana lehibe ireo. Azo antoka fa hanakana antsika tsy hanao ratsy amin’izao andro sarotra izao ny fianarana sy fisaintsainana tsy tapaka ny Tenin’Andriamanitra.​—Ohabolana 2:10-12.

Milaza mazava koa ny faran’ny Didy Folo hoe: “Aza mitsiriritra ny vadin’ny namanao”. (Eksodosy 20:17) Nanana vady sy vaditsindrano maro be i Davida tamin’io fotoana io, kanefa tsy niaro azy tsy hitsiriritra vehivavy tsara tarehy hafa izany. (2 Samoela 3:2-5) Mampahatsiahy antsika io fitantarana io fa zava-dehibe ilay tenin’i Jesosy hoe: “Izay rehetra mijery vehivavy hila azy dia efa nijangajanga taminy tam-pony sahady”. (Matio 5:28) Tsy hanolokolo izany fanirian-dratsy izany isika, fa aoka kosa ho mailaka hanala izany ao an-tsaintsika sy ao am-pontsika.

Nibebaka sy namindrana fo

Tsy natao hanomezana fahafaham-po ny fanirian-dratsin’ny olona iray akory ny fitantarana feno fahatsoran’ny Baiboly momba ny fahotan’i Davida. Io fitantarana io kosa dia mahatonga antsika hahita, amin’ny fomba velombelona sy mampihetsi-po, ny iray amin’ireo toetra miavak’i Jehovah, dia ny famindram-po.​—Eksodosy 34:6, 7.

Nandefa an’i Natana mba hihaona tamin’i Davida i Jehovah, rehefa niteraka i Batseba. Famindram-po izany. Raha tsy niresahana tokoa i Davida, ka tsy nilaza ny zavatra nataony, dia nety hanjary ho mpanao ratsy mafy fo. (Hebreo 3:13) Soa ihany fa nanao zavatra ho setrin’ny famindram-pon’i Jehovah izy. Nanaitra ny feon’ny fieritreretan’i Davida ny tenin’i Natana feno hakingana nefa nazava, hany ka nanaiky tamim-panetren-tena izy fa nanota tamin’Andriamanitra. Nanao ny Salamo 51 mihitsy izy, rehefa nibebaka sy niaiky ny fahotana lehibe nataony. Mahakasika ny fahotan’i Davida tamin’i Batseba io salamo io. Enga anie isika ka tsy hamela ny fontsika ho mafy mihitsy raha sendra nanao fahotana lehibe isika.​—2 Samoela 12:1-13.

Navela ny helok’i Davida, saingy nahazo fananarana izy sady nibaby ny vokatry ny fahotany. (Ohabolana 6:27) Nahoana tokoa moa izy no ho afa-maina? Hihen-danja ny fitsipik’Andriamanitra, raha tsy miraharaha ny zava-drehetra izy. Tsy hahatontosa ny andraikiny toa an’i Ely Mpisoronabe izy raha manao izany. Zara raha nananatra ny zanany ratsy fanahy mantsy i Ely, ka namela azy ireo hanohy ny asa ratsiny. (1 Samoela 2:22-25) Nanehoan’i Jehovah hatsaram-panahy miharo fitiavana koa anefa ilay mpanao ratsy nibebaka. Hanampy azy io hiaritra ny vokatry ny fahotany ny famindram-pony, izay toy ny rano mangatsiatsiaka mamelombelona. Manarina an’ilay nanao fahotana ny famindram-pon’Andriamanitra sy ny fifaneraserana mampahery amin’ireo mpiara-mivavaka. Noho ny soron’i Kristy tokoa, dia afaka mahita ny “haren’ny fahasoavan’[Andriamanitra]” ilay nibebaka.​—Efesiana 1:7.

“Fo madio” sy ‘fanahy nohavaozina’

Tsy nanjary nihevi-tena ho tsy nisy vidiny intsony i Davida, rehefa avy niaiky ny helony. Asehon’ny teny momba ny fieken-keloka nosoratany ao amin’ireo salamo fa nahatsiaro ho maivamaivana izy ary tapa-kevitra ny tsy hivadika amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. Jereo, ohatra, ny Salamo 32. Hoy ny andininy voalohany: “Sambatra ny olona izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany.” Na lehibe toy inona aza ny fahotan’ny olona iray, dia mety ho tsara ny fiafaran’ny raharaha, raha tena mibebaka izy. Anisan’ny fomba anehoana io fahatsorana io ny fanekena amin’ny fomba feno ny andraikitra noho ny zavatra nataon’ny tena, toy ny nataon’i Davida. (2 Samoela 12:13) Tsy nanandrana nanamarin-tena teo anatrehan’i Jehovah izy, na nanilika ny fahadisoana. Hoy ny andininy faha-5: “Ny fahotako nambarako taminao, ary ny heloko tsy mba nafeniko. Hoy izaho: Hiaiky ny fahadisoako amin’i Jehovah aho; ary Hianao dia namela ny heloky ny fahotako.” Ahazoana fanamaivanana ny tena fibebahana, hany ka tsy voatery henjehin’ny eritreriny noho ny fahotany taloha intsony ny olona iray.

Nangataka toy izao i Davida, rehefa avy niangavy ny hamelan’i Jehovah azy: “Amoròny fo madio aho, Andriamanitra ô; ary havaozy hiorina marina ny fanahiko ato anatiko.” (Salamo 51:10) Ny fangatahan’i Davida “fo madio” sy ‘fanahy nohavaozina’ dia mampiseho fa fantany ny fironany hanota, ary nila ny fanampian’Andriamanitra izy mba hanadio ny fony sy hanomboka fiainana vaovao. Tsy nanjary nitsetra tena izy, fa tapa-kevitra ny handroso tamin’ny fanompoany an’Andriamanitra kosa. Nivavaka izy hoe: “Tompo ô, sokafy ny molotro, dia hanambara ny fiderana Anao ny vavako.”​—Salamo 51:15.

Ahoana hoy i Jehovah rehefa nibebaka tamin’ny fony manontolo i Davida ka tapa-kevitra ny hiezaka hanompo azy? Nomeny toky toy izao i Davida: “Hanome saina anao sy hampianatra anao izay làlan-kalehanao Aho; hitsinjo anao ny masoko ka hanolo-tsaina anao Aho.” (Salamo 32:8) Toky nomen’i Jehovah tokoa izany, ary fiheverany manokana ny fihetseham-po sy zavatra ilain’ilay nibebaka. Nanome saina an’i Davida i Jehovah, izany hoe fahaizana mahita tarehin-javatra ankoatra ny taza-maso fotsiny. Raha alaim-panahy izy any aoriana, dia ho afaka hahita ny hiafaran’ilay raharaha sy ny ho vokatr’izany amin’ny hafa, hany ka ho malina rehefa hanao zavatra.

Mampahery ny rehetra latsaka tamin’ny fahotana lehibe io sombim-piainan’i Davida io. Rehefa miaiky ny helotsika isika ka tena mibebaka, dia ho afaka hahazo indray ny fananantsika sarobidy indrindra, dia ny fifandraisantsika amin’i Jehovah Andriamanitra. Aleo manaintaina sy menatra mandritra ny fotoana kelikely toy izay tsy milaza ny otantsika, na mamela ny tenantsika ho tonga mpikomy mafy fo. (Salamo 32:9) Hahazo ny famelan-keloka feno fitiavan’ilay Andriamanitra be fitiavana sy mamindra fo kosa isika, dia ilay “Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika, Rain’ny famindrampo sady Andriamanitry ny fampiononana rehetra”.​—2 Korintiana 1:3.

[Sary, pejy 31]

Noheverin’i Davida fa tsy hisy vokany ny fahotany, rehefa nasainy novonoina i Oria