Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hamafiso ny Fatokisanao An’i Jehovah

Hamafiso ny Fatokisanao An’i Jehovah

Hamafiso ny Fatokisanao An’i Jehovah

Mandroso ny teti-dratsy iray hamonoana olona. Nikaon-doha ny manam-pahefana rehetra tao amin’ilay tany, ka nahita volavolan-dalàna vaovao iray. Tiany hohelohina ho faty ny olona rehetra manaraka fivavahana tsy eken’ny Fanjakana.

EFA nandre zavatra toy izany ve ianao? Olona maro be teo amin’ny tantara no nisaina fampahoriana araka ny lalàna. Nitranga tao amin’ny Empira Persanina, tamin’ny andron’i Daniela mpaminany io tantara voalaza etsy ambony io. Izao no lalàna nampiharin’i Dariosa Mpanjaka: ‘Na zovy na zovy no hanao fangatahana ato anatin’ny telopolo andro, na amin’Andriamanitra na amin’olona, afa-tsy amin’ny mpanjaka ihany, dia hatsipy ao an-davaky ny liona izy.’​—Daniela 6:8-10.

Inona izao no hataon’i Daniela rehefa norahonana ho faty izy? Hatoky an’i Jehovah Andriamaniny hatrany ve izy, sa hilefitra ka hanaraka ny didin’ny mpanjaka? Hoy ilay fitantarana: “Nony fantatr’i Daniela fa efa voaisy sonia ny didy, dia nankao an-tranony izy; ary ny varavarankelin’ny tranony ambony nanandrify an’i Jerosalema dia nivoha. Koa intelo isan-andro no nandohalika ka nivavaka sy nisaotra teo anatrehan’Andriamaniny izy, satria fanaony hatramin’ny taloha izany.” (Daniela 6:11) Fantatsika tsara ny tohin’ilay tantara. Noho ny finoany, dia natsipy tao an-davaky ny liona i Daniela. “Nanakombona ny vavan’ny liona” anefa i Jehovah ary namonjy an’ilay mpanompony nahatoky.​—Hebreo 11:33; Daniela 6:17-23.

Fotoana tokony handinihan-tena

Tsy tian’izao tontolo izao ny mpanompon’i Jehovah, hany ka misy zavatra maro mandrahona ny fahasalamany ara-batana sy ara-panahy. Vavolombelona maro, ohatra, no maty rehefa nipoaka ny herisetra noho ny fankahalana foko hafa, tany amin’ny tany sasany. Saika maty koa ny mpanompon’i Jehovah tany an-tany hafa noho ny mosary, ny tsy fisian’ny vola, ny loza voajanahary, ny aretina mafy, sy ny toy izany. Tsy vitan’izay fa nenjehina izy ireo, tratran’ny fanerena tany am-piasana sy ny fakam-panahy samihafa, izay samy nety ho nisy fiantraikany teo amin’ny fahasalamany ara-panahy avokoa. Eny, tsy hamela ny mpanompon’i Jehovah mihitsy i Satana, ilay Fahavalo lehibe, fa hampiasa izay tetika rehetra mety ho hitany kosa mba hamelezana azy ireo.​—1 Petera 5:8.

Inona àry no azontsika atao? Ara-dalàna raha matahotra isika rehefa tandindomin-doza ny aintsika. Afaka mitadidy izao teny mampahery nataon’ny apostoly Paoly izao anefa isika: “Hoy [Jehovah]: ‘Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory’. Ka dia sahy manao hoe isika: ‘Jehovah no Mpamonjy ahy, ka tsy hatahotra aho; inona no azon’ny olona atao amiko?’ ” (Hebreo 13:5, 6) Afaka matoky isika fa tsy manary ny mpanompony ankehitriny koa i Jehovah. Tsy ampy anefa ny mahafantatra ny fampanantenan’i Jehovah fa ilaina koa ny mino mafy fa hanao zavatra ho antsika izy. Koa tena ilaintsika àry ny mandinika ny fototry ny fatokisantsika an’i Jehovah sy ny manao izay rehetra azontsika atao mba hanamafisana sy hihazonana izany fatokisana izany. Raha manao izany isika, dia ‘hiaro ny fontsika sy ny hevitsika ao amin’i Kristy Jesosy ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra’. (Filipiana 4:7) Amin’izay, rehefa tojo fanenjehana isika, dia ho fantatsika tsara izay tokony hatao.

Ny fototry ny fatokisana an’i Jehovah

Maro tokoa ny antony atokisantsika an’i Jehovah Mpamorona antsika. Voalohany, dia Andriamanitra be fitiavana sy tena miahy ny mpanompony izy. Tantarain’ny Baiboly fa imbetsaka izy no nikarakara tamim-pitiavana ny mpanompony. Rehefa namelabelatra ny zavatra nataon’i Jehovah ho an’ny Isiraely vahoakany, i Mosesy, dia nanoratra hoe: “Nahita azy tany an-efitra Izy, dia tany amin’ny tany foana be nampierona, ka dia nanodidina sy niahy azy, ary notandremany tahaka ny anakandriamasony.” (Deoteronomia 32:10) Mbola miahy ny mpanompony amin’ny fitambarany sy isam-batan’olona foana i Jehovah hatramin’izao. Tratran’ny mosary mafy, ohatra, ny Vavolombelona sasany, nandritra ilay ady an-trano tany Bosnia. Nataon’i Jehovah izay hahazoan’izy ireo ny zavatra tena nilainy, ka nisy rahalahy be herim-po avy tany Kroasia sy Aotrisy, nanao vy very ny ainy namakivaky faritra nampidi-doza be, mba hitondra fanampiana ho an’ny rahalahiny. *

Koa satria tsy misy mahery noho i Jehovah Andriamanitra, dia azo antoka fa afaka miaro ny mpanompony izy, na inona na inona manjo azy ireo. (Isaia 33:22; Apokalypsy 4:8) Na dia avelan’i Jehovah ho faty mba hanaporofo ny tsy fivadihany aza ny mpanompony sasany, dia tohanany sy ampiany mba tsy hivadika izy ireny, ka afaka mijoro sy faly ary tony hatramin’ny farany. Koa afaka matoky toy ilay mpanao salamo àry isika hoe: “Andriamanitra no aro sy hery ho antsika; Mpamonjy mora azo indrindra amin’ny fahoriana Izy. Koa izany no tsy hatahorantsika, na dia ho levona aza ny tany, na mifindra ho ao anatin’ny ranomasina aza ny tendrombohitra”.​—Salamo 46:1, 2.

Asongadin’ny Baiboly koa fa Andriamanitra “tsy mahay mandainga” i Jehovah. (Titosy 1:2) Midika izany fa manatanteraka foana ny fampanantenany izy. Naverin’i Jehovah matetika fa vonona ny hiaro sy hamonjy ny mpanompony izy. Noho izany, dia afaka matoky tanteraka isika fa sady afaka manatanteraka ny fampanantenany izy no vonona ny hanao izany koa.​—Joba 42:2.

Ahoana no anamafisana ny fatokisantsika?

Na dia manana antony maro atokisana an’i Jehovah aza isika, dia tsy maintsy mitandrina mba tsy hanary izany. Kely finoana an’Andriamanitra mantsy ny ankamaroan’ny olona, ary mety hampihena mora foana ny fatokisantsika an’i Jehovah ny fihetsik’izy ireo. Koa tsy maintsy mikely aina àry isika mba hanamafisana sy hihazonana izany fatokisana izany. Takatr’i Jehovah tsara izany, ka manampy antsika hanao izany izy.

Voalohany indrindra, dia nanome ny Baiboly izy. Mitantara ny asa mahery maro nataony ho an’ny mpanompony izy io. Eritrereto kely ange e! Hatoky olona iray tokoa ve ianao, raha ny anarany fotsiny no fantatrao? Tsy azo inoana loatra izany. Mety hilainao hofantarina angamba aloha ny fomba fanaovany zavatra sy ny zavatra efa nataony, sa tsy izany? Rehefa mamaky sy misaintsaina ireny tantara ao amin’ny Baiboly ireny isika, dia mitombo ny fahalalantsika an’i Jehovah sy ny fomba mahatalanjona fanaovany zavatra. Amin’izay, dia manjary mazava kokoa amintsika fa tena mendri-pitokisana izy, ka mihamafy ny fatokisantsika azy. Namela ohatra faran’izay tsara ilay mpanao salamo rehefa nivavaka tamin-kafanam-po tamin’Andriamanitra hoe: “Hampahatsiaro ny asan’i Jehovah aho, fa ta-hahatsiaro ny fahagagana nataonao fony taloha; eny, hisaina ny asanao rehetra aho ary hihevitra ny nataonao.”​—Salamo 77:11, 12.

Ankoatra ny Baiboly, dia mahazo sakafo ara-panahy tondraka koa isika amin’ny alalan’ny zavatra vita an-tsoratra avoakan’ny fandaminan’i Jehovah. Matetika izy ireny no milaza tantara mampihetsi-po momba ny mpanompon’i Jehovah ankehitriny, izay niaritra tarehin-javatra nampamoy fo, nefa nampian’i Jehovah sy nomeny vahaolana. Raiso ohatra i Martin Poetzinger, izay tonga anisan’ny Fitambara-mpitantan’ny Vavolombelon’i Jehovah tatỳ aoriana. Narary mafy izy fony mpisava lalana tany Eoropa, lavitra ny tanindrazany. Tsy nanam-bola izy ary tsy nisy dokotera nety nitsabo azy. Tsy nanary azy anefa i Jehovah. Farany dia nantsoina ny dokotera mahay iray efa zokinjokiny, tao amin’ny hopitalin’ny tanàna. Nino mafy ny Baiboly io lehilahy tsara fanahy io, ka nikarakara maimaim-poana ny Rahalahy Poetzinger toy ny zanany. Mihamafy mihitsy ny fatokisantsika ny Raintsika any an-danitra rehefa mamaky tantaram-piainana toy izany isika.

Ny vavaka, izay tombontsoa tena sarobidy, no fanampiana lehibe hafa omen’i Jehovah antsika mba hanamafisana ny fatokisantsika azy. Amim-pitiavana no ilazan’ny apostoly Paoly amintsika hoe: “Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra.” (Filipiana 4:6) Ny hoe “na inona na inona” dia mety hanondro ny fihetseham-pontsika sy ny zavatra ilaintsika ary ny fanahiantsika. Arakaraka ny ivavahantsika matetika sy amin-kafanam-po kokoa no hahamafy ny fatokisantsika an’i Jehovah.

Fony i Jesosy Kristy tetỳ an-tany, dia nandeha tany amin’ny toerana mangina izy indraindray mba tsy hisy hanelingelina rehefa nivavaka. (Matio 14:23; Marka 1:35) Nivavaka tamin-dRainy nandritra ny alina manontolo mihitsy izy, talohan’ny nandraisany fanapahan-kevitra lehibe. (Lioka 6:12, 13) Tsy mahagaga raha natoky mafy an’i Jehovah i Jesosy, hany ka nahavita niaritra ny fitsapana nahatsiravina indrindra. Izao no teniny farany teo amin’ny hazo fijaliana: “Raiko ô, eo an-tànanao no atolotro ny fanahiko”. Tsy nihena mihitsy, araka izany, ny fatokisany ny Rainy hatramin’ny farany, na dia navelan’i Jehovah ho faty aza izy.​—Lioka 23:46.

Mbola manampy antsika hanamafy ny fatokisantsika an’i Jehovah koa ny fiarahana tsy tapaka amin’ireo matoky azy amin’ny fony manontolo. Nandidy ny vahoakany mba hivory tsy tapaka i Jehovah, mba hahafantarany azy tsara kokoa sy hifampaherezana. (Deoteronomia 31:12; Hebreo 10:24, 25) Nanamafy ny fatokisany an’i Jehovah izany fiarahana izany, ka nanampy azy hiaritra fitsapam-pinoana lehibe. Tatsy Afrika, tao amin’ny tany iray nandrarana ny fitoriana, dia tsy narovan’ny polisy ny Vavolombelon’i Jehovah ary tsy nahazo taratasy hanaovana dia lavitra na sora-piankohonana na fitsaboana tany amin’ny hopitaly na asa. Nipoaka ny ady an-trano tao amin’ny faritra iray, ka nandritra ny efa-bolana teo ho eo, dia nipetraka tao ambanin’ny tetezana iray tany an’efitra ny mpikambana 39 tao amin’ny kongregasiona iray tsy lavitra teo, anisan’izany ny ankizy, mba tsy ho voan’ny zera baomba. Tena nampahery azy ireo nandritra izany fisedrana mafy izany ny fandinihana andinin-teny iray isan’andro sy ny fivoriana hafa. Noho izany, dia afaka niaritra tsara ilay fitsapana izy ireo, ary salama tsara ara-panahy hatrany. Mazava, araka io zava-nitranga io, fa zava-dehibe ny fiaraha-mivory tsy tapaka amin’ny vahoakan’i Jehovah.

Farany, raha ta hanamafy ny fatokisantsika an’i Jehovah isika, dia tsy maintsy manohy mitory ilay Fanjakana sy vonona foana hanambara ny vaovao tsara. Nampiseho izany ny zavatra mampihetsi-po niainan’ny mpitory nazoto iray tany Kanada. Na dia efa ho fatin’ny kanseran’ny ra aza izy, dia naniry ho mpisava lalana maharitra, izany hoe mpitory manontolo andro. Rehefa nihatsara kely ny fahasalamany, dia nanao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy izy nandritra ny iray volana. Nihamafy anefa ny aretiny avy eo, ka maty izy, volana vitsivitsy taorian’izay. Natanjaka ara-panahy hatramin’ny farany anefa izy, ary tsy nihena velively ny fatokisany an’i Jehovah. Tsaroan’ny reniny fa “hatramin’ny farany, dia ny hafa no nahiny bebe kokoa noho ny tenany. Nampirisika azy ireo hianatra ny Baiboly izy, ka nilaza hoe: ‘Hiaraka ao amin’ny Paradisa isika’ ”.

Porofoy fa matoky an’i Jehovah isika

“Maty ny tena, raha tsy misy fanahy, ary maty toy izany koa ny finoana, raha tsy misy asa.” (Jakoba 2:26) Mihatra amin’ny fatokisantsika an’Andriamanitra koa izany tenin’i Jakoba izany. Na manizingizina toy inona aza isika fa matoky an’Andriamanitra, dia tsy hisy dikany izany, raha tsy asehontsika amin’ny ataontsika. Natoky tanteraka an’i Jehovah i Abrahama ary nanaporofo izany, rehefa tsy nisalasala nankatò ny baikony, ka vonona hanao sorona an’i Isaka zanany mihitsy aza. Nanjary natao hoe sakaizan’Andriamanitra i Abrahama, noho izany fatokisany sy fankatoavany niavaka izany.​—Hebreo 11:8-10, 17-19; Jakoba 2:23.

Tsy voatery hiandry fitsapana mafy akory isika vao hampiseho fa matoky an’i Jehovah. Hoy i Jesosy tamin’ny mpianany: “Izay mahatoky amin’ny kely indrindra dia mahatoky koa amin’ny be; ary izay tsy marina amin’ny kely indrindra dia tsy marina koa amin’ny be”. (Lioka 16:10) Tokony hianatra hatoky an’i Jehovah isika amin’ny fiainantsika isan’andro, ka hankatò azy na dia amin’ny raharaha toa madinika aza. Rehefa hitantsika ny soa entin’ny fankatoavana, dia matoky kokoa an’ilay Raintsika any an-danitra isika, ka afaka miaritra fisedrana mafy kokoa.

Tsy maintsy hiharan’ny fisedrana sy loza maro kokoa ny vahoakan’i Jehovah, arakaraka ny hanatonan’ilay loza hamarana ity tontolo ity. (Asan’ny Apostoly 14:22; 2 Timoty 3:12) Raha ataontsika izay hatokisana tanteraka an’i Jehovah dieny izao, dia afaka manantena ny hiaina ao amin’ilay tontolo vaovao nampanantenainy isika. Ho tafita velona amin’ny fahoriana lehibe isika, na hitsangana amin’ny maty. (2 Petera 3:13) Enga anie isika ka tsy hamela ny fatokisantsika an’i Jehovah hihena mihitsy, mba tsy ho simba ny fifandraisana sarobidy ananantsika aminy. Amin’izay, dia izao koa no holazaina momba antsika, toy ny nolazaina momba an’i Daniela nivoaka avy tao an-davaky ny liona: “Tsy hita nisy naratra izy, satria nino an’Andriamaniny”.​—Daniela 6:24.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 9 Mba hahitana ny tsipiriany, dia jereo Ny Tilikambo Fiambenana 1 Novambra 1994, pejy 23-27.

[Sary, pejy 9]

Manamafy ny finoana ny famakiana ny tantaran’ny mpanompo nahatokin’i Jehovah, toa an’i Martin Poetzinger