Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mandroso ho Amin’ny Fandresena Farany!

Mandroso ho Amin’ny Fandresena Farany!

Mandroso ho Amin’ny Fandresena Farany!

“Indro, nisy soavaly fotsy; ary izay nitaingina azy dia nanana tsipìka; ary nomena satroboninahitra izy; dia nivoaka izy ka naharesy sady [hamita ny fandreseny,“NW” ].”​—APOKALYPSY 6:2.

1. Inona no fisehoan-javatra ho avy hitan’i Jaona tamin’ny fahitana?

NOHO ny tsindrimandry avy tamin’Andriamanitra, dia afaka nahita izay hitranga 1 800 taona eo ho eo tatỳ aoriana ny apostoly Jaona, ka nilazalaza ny nandraisan’i Kristy ny seza fiandrianana ho Mpanjaka. Nila finoana i Jaona fa ho tanteraka izay hitany tao amin’ilay fahitana. Manana porofo mazava isika ankehitriny fa nitranga tamin’ny 1914 izany fandraisana ny seza fiandrianana nambara mialoha izany. Amin’ny alalan’ny mason’ny finoana, dia hitantsika i Jesosy Kristy mivoaka “naharesy sady hamita ny fandreseny”.

2. Nanao ahoana ny fihetsiky ny Devoly rehefa niorina ilay Fanjakana, ary manaporofo inona izany?

2 Taorian’ny niorenan’ilay Fanjakana, dia voaroaka avy tany an-danitra i Satana. Nahatonga azy hiady mafy kokoa sy ho romotra kokoa izany, saingy tsy niantoka velively ny fandreseny izany. (Apokalypsy 12:7-12) Nahatonga ny toe-piainana maneran-tany hampidi-doza kokoa ny fahatezerany. Toa miharava ny fitambaran’olona. Izany dia manaporofo mazava amin’ny Vavolombelon’i Jehovah fa mandroso “hamita ny fandreseny” ny Mpanjakan’izy ireo.

Eo am-piforonana ny fitambaran’olon’ny tontolo vaovao

3, 4. a) Inona avy ireo fanovana natao teo amin’ny fomba fitantanana ny kongregasiona kristianina hatramin’ny niorenan’ilay Fanjakana, ary nahoana izany no nilaina? b) Inona no soa nentin’ireny fanovana ireny, araka ny nambaran’i Isaia mialoha?

3 Raha vao niorina ilay Fanjakana, dia tonga ny fotoana hampifanarahana akaiky kokoa ny kongregasiona kristianina naorina indray​—izay manana andraikitra mitombo mifandray amin’ilay Fanjakana ankehitriny​—amin’ny modely navelan’ny kongregasiona kristianina tamin’ny taonjato voalohany. Koa nandinika ny tokony ho fomba fiasan’ny fandaminana kristianina àry ireo nomeraon’Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) tamin’ny 1 sy 15 Jona 1938. Tatỳ aoriana, dia nanazava bebe kokoa ny amin’ny Fitambara-mpitantana amin’ny andro maoderina ny nomerao tamin’ny 15 Jona 1972, ao amin’ilay lahatsoratra hoe “Tsy Mitovy Amin’ny Fikambanana Nosoratana Ara-dalàna ny [Fitambara-mpitantana]”. Tamin’ny 1972, dia ny fitambaran’ny anti-panahy no voatendry mba hanampy sy hitari-dalana ny kongregasiona eo an-toerana.

4 Tena nihanatanjaka tokoa ny kongregasiona kristianina rehefa naverina ho araka ny tokony ho izy ny fiandraiketana. Teo ihany koa ny fandaharana nataon’ny Fitambara-mpitantana mba hampianarana ireo anti-panahy ny amin’ny andraikitr’izy ireo, anisan’izany ny fampiofanana azy momba ny raharaha ara-pitsarana. Ireo fivoarana tsikelikely nihatra tamin’ny fandaminan’Andriamanitra eto an-tany sy ny vokatra tsara nentin’izany, dia efa nambara mialoha toy izao ao amin’ny Isaia 60:17: “Hahatonga volamena Aho ho solom-barahina, ary hahatonga volafotsy ho solom-by, ary varahina ho solon-kazo, ary vy ho solom-bato; ny fiadanana no hataoko fanapahana anao, ary ny fahamarinana no ho mpampiasa anao.” Ireny fihatsarana ireny dia taratry ny fitahian’Andriamanitra sy porofon’ny fankasitrahany an’ireo nazoto nanohana an-karihary ny Fanjakany.

5. a) Ahoana no nataon’i Satana rehefa notahin’i Jehovah ny vahoakany? b) Araka ny Filipiana 1:7, ahoana no nataon’ny vahoakan’i Jehovah nanoloana ny fahatezeran’i Satana?

5 Voamarik’i Satana ny fanehoam-piheverana feno fitiavana sy ny tari-dalana nomen’Andriamanitra ny vahoakany taorian’ny niorenan’ilay Fanjakana. Diniho ireto ohatra manaraka ireto. Nanambara tamin’ny besinimaro io antokona Kristianina vitsy an’isa io tamin’ny 1931 fa tsy Mpianatra ny Baiboly fotsiny izy ireo. Araka ny Isaia 43:10, dia Vavolombelon’i Jehovah izy ireo! Tsy hay na fifanandrifian-javatra na tsia fa, nampihatra fanenjehana mbola tsy nisy toy izany nanerana ny gilaoby ny Devoly. Na dia tany amin’ireo tany fantatra noho ny fahalalahany ara-pivavahana, toa an’i Etazonia sy i Kanada ary i Alemaina aza, dia voatery niady imbetsaka tany amin’ny fitsarana ny Vavolombelona mba hihazonana ny fahalalahany hanaraka ny fivavahany. Raharaha 71 nahakasika ny Vavolombelon’i Jehovah no efa nandalo teo anatrehan’ny Fitsarana Tampony amerikanina tamin’ny 1988, ka nahazo rariny ny Vavolombelona tamin’ny androatokon’izany. Mitohy maneran-tany ny ady ara-pitsarana ankehitriny, mba hahafahana ‘hiaro sy hampiorina araka ny lalàna ny vaovao tsara’, toy ny tamin’ny taonjato voalohany.​—Filipiana 1:7, NW.

6. Nahasakana ny vahoakan’i Jehovah tsy handroso ve ny fandrarana sy fameperana? Hazavao amin’ny ohatra.

6 Nandritra ireo taona 1930, talohan’ny Ady Lehibe Faharoa, dia nisy fitondram-panjakana tsy refesi-mandidy nandrara na namepetra ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Alemaina sy Espaina ary Japon, raha tsy hanonona afa-tsy ireo aza isika. Efa ho 500 000 anefa ny mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra narisika tany amin’ireo tany telo ireo fotsiny, tamin’ny taona 2000. Efa ho avo folo henin’ny isan’ny Vavolombelona naneran-tany tamin’ny 1936 izany! Mazava àry fa tsy mahasakana ny vahoakan’i Jehovah tsy handroso eo ambanin’ny fitarihan’i Jesosy Kristy, ilay Mpitarika mpandresy, ny fandrarana sy fameperana.

7. Inona no fitrangan-javatra niavaka tamin’ny 1958, ary inona no fiovana nanaitra mafy nitranga nanomboka hatreo?

7 Niharihary tokoa izany fandrosoana izany tamin’ny 1958, rehefa natao tany New York ny fivoriambe lehibe indrindra nalamin’ny Vavolombelon’i Jehovah hatramin’izay, dia ilay Fivoriambe Iraisam-pirenena Ny Sitrapon’Andriamanitra, nisy tampon’isan’ny mpanatrika 253 922. Tamin’ny 1970, dia nisokatra ny asan’izy ireo tany amin’ireo tany telo voatanisa tetsy ambony, afa-tsy tany Alemaina Atsinanana, araka ny nahalalana azy tamin’izany fotoana izany. Mbola voarara ihany anefa ny Vavolombelona tany amin’ny Firaisana Sovietika midadasika sy tany amin’ireo mpiray dina taminy tao amin’ny Dinan’i Varsovie. Maherin’ny 500 000 ankehitriny ny Vavolombelona marisika any amin’ireo tany kominista teo aloha ireo.

8. Inona no vokatry ny fitahian’i Jehovah ny vahoakany, ary inona no nambaran’Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1950 momba izany?

8 Notahina ka nitombo ny Vavolombelon’i Jehovah satria nanohy ‘nikatsaka voalohany indrindra ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany’ izy ireo. (Matio 6:33) Efa tanteraka ara-bakiteny ny faminanian’i Isaia hoe: “Ny kely ho tonga arivo, ary ny malemy ho tonga firenena mahery; Izaho Jehovah no hanafaingana izany amin’ny fotoany.” (Isaia 60:22) Tsy nifarana hatreo anefa izany. Nandritra ny folo taona lasa fotsiny, dia nitombo 1 756 000 ny isan’ireo manohana amim-paharisihana ilay Fanjakana. An-tsitrapo no nidiran’izy ireo ho anisan’ilay antokon’olona resahin’Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1950 hoe: “Manomana fitambaran’olon’ny tontolo vaovao Andriamanitra amin’izao fotoana izao. ... Ho tafita amin’ny Haramagedona io fitambaran’olona fototra io, ... ny voalohany ho eo an-toerana ao amin’ny ‘tany vaovao’ ... voalamina amin’ny fomba teokratika, ary efa za-draharaha amin’ny fomba fandaminan-javatra.” Nifarana toy izao ilay lahatsoratra: “Koa andao àry isika rehetra hiara-mandroso hatrany amin’ny maha fitambaran’olon’ny tontolo vaovao antsika!”

9. Ahoana no nahitana fa mahasoa ny zavatra nianaran’ny Vavolombelon’i Jehovah nandritra ny taona maro?

9 Mandra-pahatongan’izany, io fitambaran’olon’ny tontolo vaovao tsy mitsaha-mitombo io, dia nahazo fahaiza-manao zavatra izay hita fa tena mahasoa tokoa ankehitriny ary angamba aza mandritra ny asa famerenana amin’ny laoniny aorian’ny Haramagedona mihitsy. Nianatra ny handamina fivoriambe lehibe sy hanome fanampiana vonjy rano vaky ary hanorina trano amin’ny fomba haingana, ohatra, ny Vavolombelona. Nahatonga olona maro hidera sy hanaja ny Vavolombelon’i Jehovah izany asa izany.

Fanitsiana fomba fihevitra diso

10, 11. Hazavao amin’ny ohatra ny nanitsiana ny fomba fijery diso mahakasika ny Vavolombelon’i Jehovah.

10 Na izany aza anefa, dia misy olona miampanga ny Vavolombelon’i Jehovah ho hafa raha samy olona. Ny toerana tanan’ny Vavolombelona miorina amin’ny Baiboly momba ny fampidiran-dra, ny tsy fombana ny atsy na ny aroa sy ny fifohana sigara ary ny fitsipi-pitondran-tena, no tena mahatonga izany. Mihamanomboka manaiky anefa ny olona fa mendrika hodinihina ny fomba fijerin’ny Vavolombelona. Niantso an-telefaonina ny birao fitantanan-draharahan’ny Vavolombelon’i Jehovah, ohatra, ny dokotera iray any Polonina, ary nilaza fa niady hevitra nandritra ny ora maromaro momba ny fampidiran-dra izy sy ny mpiara-miasa taminy tao amin’ny hopitaly. Lahatsoratra iray nivoaka androtr’iny tao amin’ny Dziennik Zachodni, gazety poloney mpiseho isan’andro, no niteraka ilay adihevitra. “Izaho manokana aloha dia malahelo noho ny fampiasana tafahoatra ny ra eo amin’ny sehatry ny fitsaboana”, hoy ny fieken’ilay dokotera. “Tsy maintsy ovana izany, ary faly aho fa nisy olona nampipoitra ilay resaka. Maniry hahazo fanazavana bebe kokoa aho.”

11 Nandritra ny konferansa iray natao tamin’ny taon-dasa, dia niady hevitra ny amin’ny fomba anampiana ny dokotera hitsabo marary tsy misy fampiasana ra, ny tompon’andraikitra amin’ny fitsaboana avy tany Eoropa, Etazonia sy Israely ary Kanada. Nasongadina tamin’io fivoriana natao tany Soisa io fa, mifanohitra amin’izay heverin’ny besinimaro, dia tena betsaka kokoa ny maty eo amin’ireo marary nampidirana ra noho ireo tsy nampidirana ra. Amin’ny ankapobeny, dia afaka mivoaka ny hopitaly aloha kokoa ny marary Vavolombelona noho ireo marary nampiasa ra, hany ka kely kokoa ny vola lany amin’ny fitsaboana mazàna.

12. Manomeza ohatra ny amin’ny nideran’olo-malaza ny tsy fomban’ny Vavolombelon’i Jehovah ny atsy na ny aroa teo amin’ny politika.

12 Fanamarihana tsara maro koa no natao momba ny tsy fomban’ny Vavolombelon’i Jehovah ny atsy na ny aroa, taloha sy nandritra ny Ady Lehibe Faharoa, fony izy ireo nizaka tamin-kerim-po ny fanafihan’ny Nazia. Maro no nankasitraka ilay vidéo hoe Niorina Mafy ny Vavolombelon’i Jehovah Nanoloana ny Fanafihana Nazia (frantsay) novokarin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nety tsara tokoa ny nampisehoana azy io voalohany tany amin’ny toby fitanan’i Ravensbrück any Alemaina, ny 6 Novambra 1996. Nisy fanokafana fampisehoana iray nitovy tamin’izany tany amin’ilay toby fitanana malaza ratsy any Bergen-Belsen, ny 18 Aprily 1998. Tamin’izay, dia niaiky toy izao ny Pr. Wolfgang Scheel, mpitantana ny Foiben’ny Fanabeazana Ara-politika any amin’ny faritra atsimon’i Saxe: “Teo amin’ny tantara, dia anisan’ny fahamarinana mahasanganehana ny nandavan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny Sosialisma Nasionaly tamim-pahatapahan-kevitra be lavitra kokoa noho ny fiangonana kristianina. ... Na manao ahoana na manao ahoana fiheverantsika ny fampianaran’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny zotom-pony ara-pivavahana, dia mendri-panajana ny tsy fivadihan’izy ireo nandritra ny fanapahan’ny Nazia.”

13, 14. a) Inona no fanamarihana tsara momba ny Kristianina tany am-boalohany, nataon’ny olona iray tsy nampoizina? b) Manomeza ohatra ny amin’ny fanamarihana tsara natao momba ny vahoakan’Andriamanitra ankehitriny.

13 Rehefa misy olo-malaza na didim-pitsarana manome rariny ny Vavolombelon’i Jehovah momba ny raharaha miteraka adihevitra, dia mety handrodana ny fitsarana an-tendrony izany ka hihatsara kokoa ny fiheveran’ny olona ny Vavolombelona. Matetika izany no manome azy ireo fahafahana hiresaka amin’olona tsy nety nihaino azy ireo mihitsy hatramin’izay. Koa raisina an-tanan-droa àry ny fanaovan-javatra toy izany, ary tena mankasitraka izany ny Vavolombelon’i Jehovah. Mampahatsiahy antsika ny zavatra nitranga tamin’ny taonjato voalohany tany Jerosalema izany. Rehefa nikendry hamono ireo Kristianina ny Synedriona, izany hoe ny fitsarana avo jiosy, noho ny fitorian’izy ireo tamin-jotom-po, dia nampitandrina sy nilaza toy izao i Gamaliela, “mpampiana-dalàna, izay nalaza teo amin’ny olona rehetra”: “Ry lehilahy Isiraely, tandremo tsara izay hataonareo amin’ireo olona ireo. ... Mandefera amin’ireo olona ireo, ka avelao ihany izy; fa raha avy amin’olona izao saina na asa izao, dia ho foana; fa raha avy amin’Andriamanitra kosa izao, dia tsy ho azonareo foanana, sao dia miseho ho mpiady amin’Andriamanitra hianareo.”​—Asan’ny Apostoly 5:33-39.

14 Sahala amin’i Gamaliela, dia vao haingana no nisy olo-malaza nanohana an-karihary ny fahafahana ara-pivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nilaza toy izao, ohatra, ny mpitari-draharaha taloha tao amin’ny Akademia Iraisam-pirenena ho An’ny Fahalalahana Ara-pivavahana sy Ara-pinoana: “Tsy tokony holavina ny zon’ny fivavahana iray satria fotsiny hoe heverin’ny fiaraha-monina ho tsy azo ekena na tsy mahazatra ireo zavatra inoan’izy io.” Nisy koa mpampianatra iray momba ny fandinihana ara-tsiansa ny fivavahana any amin’ny oniversiten’i Leipzig, nametraka ity fanontaniana mifanentana tsara ity, momba ny vaomieram-panjakana alemà izay natsangana mba hamotopototra ireo antsoina hoe sekta: “Nahoana no ireo mpivavaka vitsy an’isa ihany no fotopotorana fa tsy ireo fiangonana roa lehibe [ny Eglizy Katolika sy ny Fiangonana Loteranina] koa?” Hitantsika mora foana ny valin’izany ao amin’ireo teny nosoratan’ny manam-pahefana alemà taloha iray: “Tsy isalasalana fa nisy olon’ny fiangonana nafana fo tafahoatra tao ambadika ka nanambosy ny politika narahin’ny vaomieram-panjakana.”

Any amin’iza no itadiavantsika fanamaivanana?

15, 16. a) Nahoana no voafetra ny vokatry ny zavatra nataon’i Gamaliela? b) Tamin’ny ahoana no voafetra ny zavatra azon’ny manam-pahefana telo hafa natao ho an’i Jesosy?

15 Ny tenin’i Gamaliela dia manasongadina fotsiny fa tsy maintsy mahomby ny asa iray tohanan’Andriamanitra. Tsy isalasalana fa nandray soa ireo Kristianina tany am-boalohany noho ny teniny tamin’ny Synedriona, nefa tsy nohadinoin’izy ireo fa marina koa ilay nolazain’i Jesosy hoe henjehina ireo mpanara-dia azy. Nisakana ny tetik’ireo mpitarika ara-pivavahana hamono azy ireo ny nataon’i Gamaliela, saingy tsy nahafoana tanteraka ny fanenjehana, satria izao no vakintsika: “Dia nanaiky azy izy; ary rehefa niantso ny Apostoly izy, dia nikapoka azy sady nandrara azy tsy hiteny amin’ny anaran’i Jesosy intsony, ary dia nandefa azy handeha.”​—Asan’ny Apostoly 5:40.

16 Rehefa notsaraina i Jesosy, dia niezaka nanafaka azy i Pontio Pilato, izay tsy nahita tsininy taminy. Tsy nahomby anefa izy. (Jaona 18:38, 39; 19:4, 6, 12-16) Na dia nomba an’i Jesosy aza i Nikodemosy sy i Josefa avy any Arimatia, mpikambana roa tao amin’ny Synedriona, dia voafetra ihany ny azon’izy ireo natao mba hisakanana ilay fitsarana tsy hanao zavatra hanamelohana an’i Jesosy. (Lioka 23:50-52; Jaona 7:45-52; 19:38-40) Voafetra ihany ny fanamaivanana avy amin’ny olombelona rehefa mijoro hiaro ny vahoakan’i Jehovah izy ireo​—na inona na inona antony anaovany izany. Hanohy hankahala ireo tena mpanara-dia an’i Kristy ity tontolo ity, tahaka ny efa nankahalany azy ihany. Avy amin’i Jehovah irery ihany ny fanamaivanana tanteraka.​—Asan’ny Apostoly 2:24.

17. Ahoana no fijerin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny zava-misy, nefa nahoana izy ireo no mbola tapa-kevitra foana ny hanohy hitory ny vaovao tsara?

17 Mijery ny zava-misy ny Vavolombelon’i Jehovah, ka manampo ny hitohizan’ny fanenjehana. Tsy hifarana ny fanoherana raha tsy rehefa ho resy tanteraka ny tontolon’i Satana. Tsy mahasakana ny Vavolombelona tsy hanatanteraka ny fanirahana azy ireo hitory ilay Fanjakana anefa izany fanenjehana izany, na dia tsy mahafinaritra aza. Nahoana tokoa moa no hisakana azy ireo izany, nefa izy ireo tohanan’Andriamanitra? Mitodika any amin’ny ohatra tsara navelan’i Jesosy Kristy, ilay Mpitarika azy be herim-po, izy ireo.​—Asan’ny Apostoly 5:17-21, 27-32.

18. Inona no zava-tsarotra mbola miandry ny vahoakan’i Jehovah, nefa inona no azon’izy ireo antoka fa hitranga amin’ny farany?

18 Vao hatrany am-piandohana dia efa notoherina mafy ny fivavahana marina. Tsy ho ela dia hanafika azy io araka izay fara heriny i Goga, dia i Satana naetry hatramin’ny nandroahana azy avy any an-danitra. Tsy ho foana anefa ny fivavahana marina. (Ezekiela 38:14-16) “Ny mpanjaka amin’izao tontolo izao” eo ambanin’ny fitarihan’i Satana, dia “hiady amin’ny Zanak’ondry, ary ny Zanak’ondry haharesy azy, satria Tompon’ny tompo sy Mpanjakan’ny mpanjaka Izy”. (Apokalypsy 16:14; 17:14) Eny, mandroso ho amin’ny fandresena farany ny Mpanjakantsika ary tsy ho ela dia “hamita ny fandreseny”. Tombontsoa tokoa ny miara-dia aminy, sady mahafantatra fa tsy ho ela dia tsy hisy hanohitra intsony mihitsy ny mpivavaka amin’i Jehovah rehefa milaza izy ireo hoe: “Andriamanitra no momba antsika”!​—Romana 8:31; Filipiana 1:27, 28.

Hainao Hazavaina Ve?

• Inona no nataon’i Jehovah mba hanatanjahana ny kongregasiona kristianina hatramin’ny niorenan’ilay Fanjakana?

• Inona no niezahan’i Satana natao mba hanakanana an’i Kristy tsy hamita ny fandreseny, ary inona no vokany?

• Inona no fomba fijery voalanjalanja tokony hananantsika manoloana ny fanampiana ataon’ny tsy Vavolombelona?

• Inona no hataon’i Satana tsy ho ela, ary ahoana no hiafaran’izany?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 18]

Mariky ny fandrosoan’ny vahoakan’i Jehovah ireo fivoriambe

[Sary, pejy 20]

Mbola mitondra fiderana ho an’i Jehovah foana ny tsy fomban’ireo Vavolombelona ny atsy na ny aroa, nandritra ny Ady Lehibe Faharoa