Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nomena Fahafaham-po Tamin’izay Nilainy Ara-panahy

Nomena Fahafaham-po Tamin’izay Nilainy Ara-panahy

Mitantara Ireo Mpitory Ilay Fanjakana

Nomena Fahafaham-po Tamin’izay Nilainy Ara-panahy

NOSY iray eo amin’ny zorony avaratratsinanan’ny Ranomasina Mediterane i Chypre. Nalaza tamin’ny varahina sy ny hazo ambony karazana nananany izy tamin’ny andron’ny Baiboly. Nanambara ny vaovao tsaran’ilay fanjakana teto i Paoly sy i Barnabasy, nandritra ny dia misionera voalohany nataon’izy ireo. (Asan’ny Apostoly 13:4-12) Mbola mahasoa ny fiainan’ny olona maro eto Chypre foana anefa ny vaovao tsara amin’izao andro izao. Marina tokoa izany raha ny amin’i Lucas, lehilahy iray 40 taona mahery. Mitantara toy izao izy:

“Iray tamin’ireo zaza fito tao amin’ny fianakaviana izay nonina tany amin’ny toeram-piompiana iray aho. Tia vakiteny hatramin’ny mbola kely aho. Ny Baiboly Soratra Grika Kristianina fanao am-paosy no boky tiako indrindra. Namorona antokon’olom-bitsy niara-nianatra Baiboly izaho sy ny namako sasany, fony aho folo taona. Tsy naharitra anefa ilay izy satria nantsoin’ireo zokiolona sasany teo an-tanàna hoe mpivadi-pinoana izahay.

Tatỳ aoriana, rehefa nandeha nianatra tany Etazonia aho, dia nifankahita tamin’ny olona nanana fiaviana ara-pivavahana isan-karazany. Namelona indray ny faniriako zavatra ara-panahy izany. Nandany andro maro tao amin’ny tranombokin’ny oniversite aho mba hianarana momba ny fivavahana isan-karazany. Nitety fiangonana maromaro koa aho, kanefa mbola tsy afa-po teo amin’ny lafiny ara-panahy ihany, na dia teo aza ny fiezahako.

Niverina teto Chypre aho rehefa vita ny fianarako, ary talen’ny laboratoara ara-pitsaboana iray. Nitsidika ahy tany am-piasana ny lehilahy zokiolona iray, antsoina hoe Antonis, izay Vavolombelon’i Jehovah. Tsikaritry ny Eglizy Ôrtôdôksa Grika anefa ny fitsidihany.

Tsy ela dia tonga tany amiko ny teolojianina iray ka nanakivy ahy tsy hiresaka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nanaiky aho satria nampianarina ahy hatramin’ny fahazazako fa ny Eglizy Ôrtôdôksa Grika no marina, hany ka tsy nifampiresaka tamin’i Antonis intsony aho ary nanomboka nandinika ny Baiboly niaraka tamin’ilay teolojianina. Nitsidika monasitera maro teto Chypre koa aho. Nandeha tany amin’ny faritra avaratr’i Gresy mihitsy aza aho mba hitsidika ny Tendrombohitra Athos, izay heverina ho ny tendrombohitra masina indrindra amin’ny Kristianina ôrtôdôksa. Mbola tsy voavaly anefa ireo fanontaniako ara-baiboly.

Nivavaka tamin’Andriamanitra aho tamin’izay mba hanampy ahy hahita ny fahamarinana. Tonga nitsidika ahy tany am-piasana indray i Antonis, fotoana fohy taorian’izay, ary nihevitra aho fa valin’ny vavaka nataoko izany. Tsy nankany amin’ilay teolojianina intsony àry aho fa nanomboka niara-nianatra ny Baiboly tamin’i Antonis. Nanohy nanao fandrosoana aho ka nampiseho ny fanoloran-tenako ho an’i Jehovah, tamin’ny alalan’ny batisa anaty rano tamin’ny Oktobra 1997.

Teo am-boalohany dia nanohitra ny vadiko sy ny zanako roa vavy zokiny indrindra izay 14 taona sy 10 taona tamin’izay. Noho ny fitondran-tena tsara nananako anefa, dia nanapa-kevitra ny hanatrika fivoriana iray tany amin’ny Efitrano Fanjakana ny vadiko. Nanohina lalina azy ny hatsaram-panahy sy ny fiheverana manokana nasehon’ireo Vavolombelona. Tena nampiaiky volana azy ny fampiasan’izy ireo ny Baiboly. Nanaiky hianatra Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah àry ny vadiko sy ny zanako roa vavy zokiny indrindra. Natao batisa tamin’ny fivoriamben’ny distrika ‘Ny Teny Ara-paminanian’Andriamanitra’, taona 1999, izy telo mianaka. Alao sary an-tsaina ange ny fahafinaretako tamin’izay e!

Eny, nomena fahafaham-po ny fitadiavako ny fahamarinana. Tafaray ao amin’ny fivavahana madio amin’i Jehovah ankehitriny izahay mianakavy, anisan’izany ny vadiko sy ny zanako efatra.”