Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Raha Andriamanitra no Momba Antsika, Iza no Hahatohitra Antsika?”

“Raha Andriamanitra no Momba Antsika, Iza no Hahatohitra Antsika?”

“Raha Andriamanitra no Momba Antsika, Iza no Hahatohitra Antsika?”

“Inona ary no holazaintsika ny amin’izany zavatra izany? Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika?”​—ROMANA 8:31.

1. Iza no nandao an’i Ejipta niaraka tamin’ny Isiraelita, ary inona no nitarika azy ireo hanao izany?

TANY Ejipta nandritra ny 215 taona ireo Isiraelita, ka nandevozina izy ireo nandritra ny ampahany betsaka tamin’izany fotoana izany. Rehefa nafahana tamin’izany izy ireo, dia “nisy olona maro samy hafa firenena koa niara-niakatra taminy”. (Eksodosy 12:38) Nanatri-maso loza folo nampahatahotra izay nandrava an’i Ejipta sy nanao ireo andriamaniny diso ho fihomehezana, ireo tsy Isiraelita ireo. Tetsy an-danin’izany, dia nahita ny fahaizan’i Jehovah niaro ny vahoakany izy ireo, indrindra fa nanomboka tamin’ilay loza fahefatra. (Eksodosy 8:19, 20) Na dia voafetra aza ny fahalalany ny fikasan’i Jehovah, dia izao no azon’izy ireo antoka: Tsy nahavita niaro ny Ejipsianina ireo andriamanitr’i Ejipta, kanefa noporofoin’i Jehovah kosa fa manan-kery hanampiana ny Isiraelita ny tenany.

2. Nahoana no nanampy ireo mpisafo tany isiraelita i Rahaba, ary nahoana no tsy diso toerana ny fitokisany ny Andriamanitr’izy ireo?

2 Efapolo taona tatỳ aoriana, taloha kelin’ny nidiran’ny Isiraelita tao amin’ny Tany Nampanantenaina, dia naniraka lehilahy roa hisafo ilay tany i Josoa, mpandimby an’i Mosesy. Nihaona tamin’i Rahaba, nonina tao Jeriko, izy ireo tany. Efa ren-dRahaba ny amin’ireo asa mahery nataon’i Jehovah hiarovana ny Isiraelita nandritra ireo 40 taona hatramin’ny nialany tany Ejipta. Koa fantany avy tamin’izany fa tsy maintsy manampy ny vahoakan’i Jehovah izy, raha tiany ny hotahin’Andriamanitra. Noho ny fanapahan-keviny nampiseho fahendrena, dia tsy ringana izy sy ny ankohonany rehefa nambabo ilay tanàna ny Isiraelita tatỳ aoriana. Ny fomba nahagaga namonjena azy ireo fotsiny dia efa porofo nibaribary fa nomba azy ireo Andriamanitra. Tsy diso toerana àry ny fitokisan-dRahaba an’ilay Andriamanitry ny Isiraelita.​—Josoa 2:1, 9-13; 6:15-17, 25.

3. a) Inona no fahagagana nataon’i Jesosy teo akaikin’ny tanànan’i Jeriko voaorina indray, ary nanao ahoana ny fihetsiky ny mpitondra fivavahana jiosy? b) Inona no nanjary takatry ny Jiosy sasany sy ny tsy Jiosy maro koa, tatỳ aoriana?

3 Taonjato 15 tatỳ aoriana, dia nositranin’i Jesosy Kristy ny mpangataka jamba iray teo akaikin’ilay tanànan’i Jeriko voaorina indray. (Marka 10:46-52; Lioka 18:35-43) Nitalaho famindram-po tamin’i Jesosy io lehilahy io, ka nasehony tamin’izany ny fanekeny fa nanohana an’i Jesosy Andriamanitra. Tetsy an-kilan’izany anefa, tamin’ny ankapobeny, dia tsy nety nanaiky ny fahagagana nataon’i Jesosy ho porofon’ny nanaovany ny asan’Andriamanitra, ny mpitarika ara-pivavahana jiosy sy ny mpomba azy. Nahita hokianina taminy kosa izy ireo. (Marka 2:15, 16; 3:1-6; Lioka 7:31-35) Na dia hitan’izy ireo izao aza fa nitsangana tamin’ny maty i Jesosy taorian’ny namonoan’izy ireo azy, dia tsy nety niaiky izy ireo fa Andriamanitra no nanao izany. Nitarika ny fanenjehana ny mpanara-dia an’i Jesosy kosa aza izy ireo, ka nanandrana nanakantsakana ny ‘fitoriany an’i Jesosy Tompo’. Nisy anefa Jiosy sasany, ary tsy Jiosy maro koa tatỳ aoriana, nahamarika ireny fisehoan-javatra ireny ka nahatakatra tsara ny dikan’izany. Niharihary tamin’izy ireny fa nolavin’Andriamanitra ireo mpitarika jiosy nanamarin-tena ary notohanany kosa ireo mpanara-dia an’i Jesosy Kristy nanetry tena.​—Asan’ny Apostoly 11:19-21.

Iza no tohanan’Andriamanitra ankehitriny?

4, 5. a) Manao ahoana ny fihetsiky ny olona sasany rehefa mifidy fivavahana? b) Inona no fanontaniana lehibe indrindra hamantarana ny fivavahana marina?

4 Ny mpitondra fivavahana iray, nadinadinina vao haingana tao amin’ny tele, dia nilaza toy izao momba ny fivavahana marina: “Hamafisiko fa marina ny fivavahana iray raha manjary tsara toetra kokoa ny olona iray rehefa miaina mifanaraka amin’izy io.” Ekena aloha, fa tena mahatonga ny olona ho tsara kokoa ny fivavahana marina. Moa ve anefa ny famokaran’ny fivavahana iray olona tsara kokoa fotsiny, dia manaporofo fa tohanan’Andriamanitra izy io? Io ihany ve no hany fomba amaritana fa marina ny fivavahana iray?

5 Sarobidy amin’ny olona rehetra izany hoe afaka manao safidy manokana izany, ka anisan’izany ny safidy momba ny fivavahana. Ny fahafahana hanao safidy anefa tsy manome antoka fa hanao safidy tsara ny olona iray. Ny olona sasany, ohatra, dia mifidy ny hanaraka fivavahana iray satria betsaka ny olona mankany, na manankarem-be ilay izy, na be renty ny fombafombany, na satria io no fivavahana efa narahin’ny fianakaviany. Tsy misy amin’ireo zavatra ireo mihitsy afaka miantoka fa marina na tsia ny fivavahana iray. Izao no fanontaniana lehibe indrindra momba io raharaha io: Fivavahana iza no mampirisika ny mpanaraka azy hanao ny sitrapon’Andriamanitra sy ahitana porofo marim-pototra fa tohanan’Andriamanitra, hany ka afaka miteny amin-toky ny mpanaraka azy io hoe “Andriamanitra no momba antsika”?

6. Inona no tenin’i Jesosy manazava ilay resaka momba ny fivavahana marina sy diso?

6 Nanome ny fitsipika anavahana ny fivavahana marina amin’ny diso i Jesosy, rehefa nilaza hoe: “Mitandrema hianareo, fandrao ho voafitaky ny mpaminany sandoka, izay mankao aminareo amin’ny fitafian’ny ondry, fa ao anatiny dia amboadia mitoha izy. Ny voany no hahafantaranareo azy.” (Matio 7:15, 16; Malakia 3:18) Andeha isika hamerina hijery ny sasany amin’ireo ‘voa’, na marika famantarana ny fivavahana marina, mba hahafahantsika hamaritra amim-pahatsorana tanteraka hoe iza ankehitriny no tohanan’Andriamanitra.

Marika famantarana ireo tohanan’Andriamanitra

7. Inona no dikan’ny hoe tsy mampianatra afa-tsy izay miorina amin’ny Baiboly?

7 Mifototra amin’ny Baiboly ny fampianarany. Hoy i Jesosy: “Tsy Ahy ny fampianarako, fa an’Izay naniraka Ahy. Raha misy olona ta-hanao ny sitrapony, dia hahalala ny amin’ny fampianarana izy, na avy amin’Andriamanitra izany, na miteny ho Ahy Aho.” Hoy koa izy: “Izay avy amin’Andriamanitra dia mihaino ny tenin’Andriamanitra”. (Jaona 7:16, 17; 8:47) Raha ny tokony ho izy àry, mba hahazoana ny fanohanan’Andriamanitra, dia tsy mahazo mampianatra afa-tsy izay ahariharin’Andriamanitra ao amin’ny Teniny izy ireo, ary mandà ny fampianarana miorina amin’ny fahendren’olombelona na ny lovantsofina.​—Isaia 29:13; Matio 15:3-9; Kolosiana 2:8.

8. Nahoana no zava-dehibe ny ampiasana ny anaran’Andriamanitra eo amin’ny fivavahana?

8 Mampiasa sy mampahafantatra amin’ny besinimaro ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah izy ireo. Nilaza mialoha i Isaia hoe: “Hiteny hianao amin’izany andro izany ka hanao hoe: Miderà an’i Jehovah, miantsoa ny anarany, ampahafantaro any amin’ny firenena ny asany, ampahatsiarovy fa efa misandratra ny anarany. Mankalazà an’i Jehovah, fa asa lehibe no nataony; ary aoka ho fantatra any amin’ny tany rehetra izany.” (Isaia 12:4, 5) Nampianatra ireo mpanara-dia azy hivavaka toy izao i Jesosy: “Rainay Izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao.” (Matio 6:9) Noho izany, na Jiosy na tsia ny Kristianina, dia tokony ho ‘olona ankalazana ny anaran’Andriamanitra’ izy ireo. (Asan’ny Apostoly 15:14) Azo antoka fa faly Andriamanitra manohana an’ireo ravoravo satria ‘olona hankalazana ny anarany’.

9. a) Nahoana ny fifaliana no mampiavaka ny mpikambana ao amin’ny fivavahana marina? b) Ahoana no ampifanoheran’i Isaia ny fivavahana marina amin’ny diso?

9 Hita taratra eo amin’izy ireo ny toetran’Andriamanitra falifaly. Noho i Jehovah niavian’ny vaovao tsara, na “filazantsara”, dia “Andriamanitra finaritra”, na sambatra izy. (1 Timoty 1:11) Koa ahoana moa no tsy hahasambatra ireo mpivavaka aminy, na hijeren’izy ireo lafy ratsin-javatra foana? Falifaly lalandava ny Kristianina marina na dia eo aza ny fahoriana eto amin’ity tontolo ity sy ny zava-manahirana azy manokana, satria mahazo tsy tapaka sakafo ara-panahy tondraka izy ireo. Ampifanoherin’i Isaia amin’ireo manaraka fivavahan-diso izy ireo: “Izao no lazain’i Jehovah Tompo: Indro, ny mpanompoko hihinana, fa hianareo kosa ho mosarena; indro, ny mpanompoko hisotro, fa hianareo kosa ho main-tenda; indro, ny mpanompoko hifaly, fa hianareo kosa ho menatra; indro, ny mpanompoko hihoby noho ny faharavoam-po, fa hianareo kosa hitoloko noho ny alahelom-po sy hidradradradra noho ny fahoriam-panahy.”​—Isaia 65:13, 14.

10. Ahoana no tsy hahavoatery an’ireo manaraka ny fivavahana marina ho voa vao hiana-javatra?

10 Mifototra amin’izay takin’ny Baiboly ny fitondran-tenany sy ny fanapahan-keviny. Manome antsika izao torohevitra izao ny mpanoratra ny Ohabolana: “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, fa aza miankina amin’ny fahalalanao; maneke Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy handamina ny làlanao.” (Ohabolana 3:5, 6) Tohanan’Andriamanitra ireo mitady tari-dalana any aminy, fa tsy any amin’ireo teoria mifanipaka izay nataon’olombelona tsy miraharaha ny fahendren’Andriamanitra. Rehefa manaiky hampifanaraka ny fiainany amin’ny Tenin’Andriamanitra ny olona iray, dia tsy voatery ho voa vao miana-javatra.​—Salamo 119:33; 1 Korintiana 1:19-21.

11. a) Nahoana no tsy voazarazara ho mpitondra fivavahana sy ho kilasin’ny lahika ny mpikambana ao amin’ny fivavahana marina? b) Ohatra manao ahoana no omen’ireo mitarika ny vahoakan’Andriamanitra ho an’ny ondry?

11 Voalamina toy ny kongregasiona kristianina tamin’ny taonjato voalohany izy ireo. Nanome izao fitsipika ankapobe izao i Jesosy: “Aza mba mety hatao hoe: Raby ô; fa iray ihany no Mpampianatra anareo, ary hianareo rehetra dia mpirahalahy avokoa. Ary aza milaza olona etỳ an-tany ho rainareo; fa iray ihany no Rainareo, dia Izay any an-danitra. Ary aza mba mety hatao hoe mpitarika hianareo; fa iray ihany no Mpitarika anareo, dia Kristy. Fa izay lehibe aminareo no ho mpanompo anareo.” (Matio 23:8-11) Raha mpirahalahy avokoa ireo anisan’ny kongregasiona, tsy hisy eo amin’izy ireo mihitsy ny kilasin’ny mpitondra fivavahana miavonavona, izay mitondra anaram-boninahitra mipoapoaka sy manandra-tena ambonin’ny lahika. (Joba 32:21, 22) Nilazana ireo miandry ny ondrin’Andriamanitra mba hanao izany “tsy an-tery, fa an-tsitrapo; tsy noho ny fitiavana tombony azo amin’ny tsy marina, fa amin-jotom-po; tsy toy ny manjakazaka eo amin’ireo izay lovan’Andriamanitra, fa tonga ohatra ho an’ny andian’ondry”. (1 Petera 5:2, 3) Mifehy tena mba tsy hitady ho tonga tompon’ny finoan’ny hafa, ny tena mpiandry kristianina. Miezaka mafy mba hanome ohatra tsara fotsiny izy ireo, satria mpiara-miasa eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra.​—2 Korintiana 1:24.

12. Fomba fijery voalanjalanja inona momba ny fitondram-panjakan’olombelona no takin’Andriamanitra amin’ireo maniry hotohanany?

12 Mankatò ny fitondram-panjakan’olombelona izy ireo nefa tsy momba ny atsy na ny aroa. Tsy afaka manantena ny hotohanan’Andriamanitra ny olona tsy mety ‘manaiky ny fahefana lehibe’. Fa nahoana? Satria “izay [fahefana] misy dia voatendrin’Andriamanitra. Koa izay manohitra ny fahefana dia manohitra ny voatendrin’Andriamanitra”. (Romana 13:1, 2) Neken’i Jesosy anefa fa mety tsy hifanaraka ny zavatra takina, rehefa nilaza izy hoe: “Aloavy ho an’i Kaisara izay an’i Kaisara, ary ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra.” (Marka 12:17) Tsy maintsy ‘mikatsaka ny fanjakan[’Andriamanitra] sy ny fahamarinany aloha’ ireo maniry hotohanan’Andriamanitra. Kanefa tsy maintsy ankatoaviny koa ireo lalàna ao amin’ilay tany, dia ireo lalàna tsy manohitra ny adidiny amin’Andriamanitra, izay ambony kokoa. (Matio 6:33; Asan’ny Apostoly 5:29) Nanamafy ny tsy fombana ny atsy na ny aroa i Jesosy rehefa nilaza tamin’ireo mpianany hoe: “Tsy naman’izao tontolo izao izy, tahaka Ahy tsy naman’izao tontolo izao.” Nanampy toy izao izy tatỳ aoriana: “Ny fanjakako tsy avy amin’izao tontolo izao”.​—Jaona 17:16; 18:36.

13. Ahoana no anampian’ny fitiavana antsika hamantatra izay vahoakan’Andriamanitra?

13 Tsy mizaha tavan’olona izy ireo rehefa ‘manao soa amin’ny olona rehetra’. (Galatiana 6:10) Tsy manavakavaka ny fitiavana kristianina, fa mandray ny olona rehetra na inona na inona volon-kodiny, na fananany na fianarana vitany na fiteniny. Ny fanaovana soa amin’ny olon-drehetra, indrindra fa amin’ny mpianakavin’ny finoana, dia manampy hamantatra ireo tohanan’Andriamanitra. Hoy i Jesosy: “Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.”​—Jaona 13:35; Asan’ny Apostoly 10:34, 35.

14. Moa ve tsy maintsy hankasitrahan’ny rehetra ny olona tohanan’Andriamanitra? Hazavao.

14 Vonona hiaritra fanenjehana izy ireo, noho ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra. Nampitandrina mialoha ireo mpanara-dia azy toy izao i Jesosy: “Raha nanenjika Ahy izy, dia hanenjika anareo koa; ary raha nitandrina ny teniko izy, dia hitandrina ny anareo koa.” (Jaona 15:20; Matio 5:11, 12; 2 Timoty 3:12) Tsy tiam-bahoaka hatramin’izay ireo notohanan’Andriamanitra, sahala amin’i Noa, izay nanameloka izao tontolo izao tamin’ny alalan’ny finoany. (Hebreo 11:7) Ankehitriny, ireo maniry ny hotohanan’Andriamanitra dia tsy sahy mampihen-danja ny tenin’Andriamanitra, na mampandefitra izay takiny mba hanalavirana fanenjehana. Raha mbola manompo an’Andriamanitra amim-pahatokiana koa izy ireo, dia fantany fa ho ‘gaga [ny olona] sy hiteny ratsy’ azy ireo.​—1 Petera 2:12; 3:16; 4:4.

Fotoana amakafakana ny zava-misy

15, 16. a) Fanontaniana inona avy no hanampy antsika hamantatra ny fivavahana tohanan’Andriamanitra? b) Tonga tamin’ny fanatsoahan-kevitra inona ny olona an-tapitrisany maro, ary nahoana?

15 Manontania tena hoe: ‘Fivavahana iza no malaza ho manaraka akaiky ny Tenin’Andriamanitra, na dia tsy mitovy amin’ny zavatra inoan’ny ankamaroan’ny olona aza ny fampianarany? Iza no manasongadina ny maha zava-dehibe ny anarana manokan’Andriamanitra, ka mampiasa azy io mba hampahafantarana ny tenany mihitsy aza? Iza ireo be fanantenana ka manondro ny Fanjakan’Andriamanitra ho hany vahaolana amin’ny zava-manahirana ny olombelona rehetra? Iza no manandratra ny fitsipi-pitondran-tena ao amin’ny Baiboly, na dia mety hoheverina ho tsy maharaka ny toetr’andro aza? Antokon’olona iza no malaza ho tsy manana mpitondra fivavahana karamaina, fa mpitory avokoa ny mpikambana rehetra ao aminy? Iza no mahazo teny fiderana satria olom-pirenena mpankatò lalàna, na dia tsy mety mandray anjara amin’ny politika aza izy ireo? Iza no mandany amim-pitiavana ny fotoanany sy ny volany hanampiana ny hafa hianatra momba an’Andriamanitra sy ny fikasany? Ary iza no mbola hamavoina sy esoina ary enjehina ihany na dia eo aza izany zavatra tsara rehetra izany?’

16 Olona an-tapitrisany maro manerana an’izao tontolo izao no namakafaka ny zava-misy ka nanjary niaiky fa ny Vavolombelon’i Jehovah irery ihany no manaraka ny fivavahana marina. Tonga tamin’izany fanatsoahan-kevitra izany izy ireo noho ny zavatra ampianarin’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny fitondran-tenany ary koa ireo soa nentin’ny fivavahany. (Isaia 48:17) Araka ny efa voalaza ao amin’ny Zakaria 8:23, dia olona an-tapitrisany maro, raha ny marina, no milaza hoe: “Mba handeha hiaraka aminareo izahay; fa efa renay fa momba anareo Andriamanitra.”

17. Nahoana no tsy miana-kendry akory ny Vavolombelon’i Jehovah raha milaza fa manana ny fivavahana marina izy ireo?

17 Mba miana-kendry koa ve ny Vavolombelon’i Jehovah raha milaza fa izy ireo ihany no tohanan’Andriamanitra? Raha ny marina, dia tsy misy hafa amin’izany no nataon’ireo Isiraelita tany Ejipta izay nilaza fa notohanan’Andriamanitra izy ireo na dia teo aza ny zavatra ninoan’ny Ejipsianina. Tsy misy hafa amin’izany koa no nataon’ireo Kristianina tamin’ny taonjato voalohany izay nilaza fa izy ireo no notohanan’Andriamanitra fa tsy ny mpivavaka jiosy. Miteny ho azy ny zava-misy. Any amin’ny tany 235, dia misy Vavolombelon’i Jehovah manatanteraka ilay asa nolazain’i Jesosy mialoha fa hataon’ireo tena mpanara-dia azy amin’ny fotoan’ny farany: “Hotorina amin’izao tontolo izao ity filazantsaran’ny fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany.”​—Matio 24:14.

18, 19. a) Nahoana no tsy misy antony mihitsy hitsaharan’ny Vavolombelon’i Jehovah tsy hanao ny asa fitoriany, na dia toherina aza izy ireo? b) Ahoana no anamarinan’ny Salamo 41:11 fa tohanan’Andriamanitra ireo Vavolombelona?

18 Hanohy hanatanteraka izany fanirahana izany ny Vavolombelon’i Jehovah, ka tsy hamela na oviana na oviana ny fanenjehana na ny fanoherana hanakantsakana ny asany. Tsy maintsy atao ny asan’i Jehovah ary ho vita tokoa izy io. Tsy nahomby tamin’ny farany izay ezaka rehetra nataon’ny hafa nandritra ny taonjato lasa mba hanakantsakanana ny fanatanterahan’ireo Vavolombelona ny asan’Andriamanitra, satria nampanantena toy izao i Jehovah: “Ny fiadiana rehetra izay voaforona hamelezana anao dia tsy hisy hambinina, ary ny lela rehetra izay miady aminao dia horesenao lahatra. Izany no lovan’ny mpanompon’i Jehovah sy fahamarinany avy amiko, hoy Jehovah.”​—Isaia 54:17.

19 Matoa matanjaka kokoa sy marisika kokoa noho ny hatramin’izay ny Vavolombelon’i Jehovah​—na dia miatrika fanoherana maneran-tany aza​—dia porofo izany fa mankasitraka izay ataon’izy ireo i Jehovah. Hoy i Davida Mpanjaka: “Izao no hahafantarako fa mankasitraka ahy Hianao, dia ny tsy anakoran’ny fahavaloko ahy.” (Salamo 41:11; 56:9, 11) Tsy hisy fahavalon’Andriamanitra afaka hanakora ny vahoakan’i Jehovah na oviana na oviana satria mandroso ho amin’ny fandresena farany i Jesosy Kristy, ilay Mpitarika azy ireo!

Hainao Valiana Ve?

• Iza avy ireo olona fahiny notohanan’Andriamanitra azo raisina ho ohatra?

• Inona avy ireo marika sasany famantarana ny fivavahana marina?

• Nahoana ny tenanao no miaiky fa tohanan’Andriamanitra ny Vavolombelon’i Jehovah?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 13]

Tsy maintsy mifototra amin’ny Tenin’Andriamanitra irery ihany ny fampianaran’ireo maniry ny hotohanan’Andriamanitra

[Sary, pejy 15]

Ohatra ho an’ny ondry ireo anti-panahy kristianina