Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aoka Ianareo Tsy ho Tonga Mpihaino Manadino

Aoka Ianareo Tsy ho Tonga Mpihaino Manadino

Aoka Ianareo Tsy ho Tonga Mpihaino Manadino

“Aoka ho mpankatò ny teny hianareo, fa aza mpihaino fotsiny ihany ka mamitaka ny tenanareo”.​—JAKOBA 1:22.

1. Inona avy no fahagagana hitan’ny Isiraely fahiny?

“TSY hay hadinoina”. Mahalaza tsara ireo fahagagana nataon’i Jehovah tany Ejipta fahiny ireo teny ireo. Tena nampahatahotra daholo ireo Loza Folo. Taorian’izay, dia nafahana tamin’ny fomba nahagaga ny vahoakan’ny Isiraely, rehefa nisaraka ny Ranomasina Mena. (Deoteronomia 34:10-12) Azo inoana fa tsy hanadino mandrakizay an’Ilay nanao izany rehetra izany ianao, raha nanatri-maso izany. Nihira toy izao anefa ilay mpanao salamo: “Nohadinoiny [ireo Isiraelita] Andriamanitra, Mpamonjy azy, izay efa nanao zava-dehibe tany Egypta, dia fahagagana tany amin’ny tanin’i Hama sy zava-mahatahotra teo amin’ny Ranomasina Mena.”​—Salamo 106:21, 22.

2. Inona no mampiseho fa tsy naharitra ela ny fankasitrahan’ny Isiraely ny asa mahery nataon’Andriamanitra?

2 Nanjary ‘natahotra an’i Jehovah ka nino an’i Jehovah’ ireo Isiraelita, rehefa avy nita ny Ranomasina Mena. (Eksodosy 14:31) Niara-niredona hiram-pandresena ho an’i Jehovah i Mosesy sy ny lehilahy isiraelita, ary nively ampongatapaka sy nandihy kosa i Miriama sy ny vehivavy hafa. (Eksodosy 15:1, 20) Eny, niaiky volana ny vahoakan’i Jehovah nahita ireo asa mahery nataony. Tsy naharitra ela anefa ny fankasitrahan’izy ireo an’Ilay nanao ireny asa ireny. Tsy ela taorian’izay, dia toy ny hoe very tadidy tanteraka ny maro tamin’izy ireo. Nanjary nimenomenona sy nitaraina lava tamin’i Jehovah izy ireo. Nisy nanompo sampy sy naloto fitondran-tena.​—Nomery 14:27; 25:1-9.

Inona no mety hahatonga antsika hanadino?

3. Inona no mety ho hadinontsika noho isika tsy lavorary?

3 Mahagaga mihitsy ny hoe tsy ampy fankasitrahana toy izany ny Isiraely. Mety hanjo antsika koa anefa izany. Marina fa tsy nahita fahagagan’Andriamanitra toy ny hitan’izy ireo isika. Tsy maintsy efa nisy zavatra tsy hay hadinoina anefa teo amin’ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra. Mety ho ny fotoana nanekentsika ny fahamarinana ara-baiboly izany. Faly koa isika fony nivavaka tamin’i Jehovah ka nanolo-tena ho azy, ary natao batisa ho Kristianina marina. Maro amintsika no nampian’i Jehovah tamin’ny fotoana hafa. (Salamo 118:15) Ambonin’ny zava-drehetra, dia manantena ny ho voavonjy isika, noho ny soron’i Jesosy Kristy, Zanak’Andriamanitra. (Jaona 3:16) Tsy lavorary anefa isika, ka mety hanadino mora foana ireo zava-tsoa nataon’i Jehovah ho antsika, rehefa iharan’ny fakam-panahy na fanahiana eo amin’ny fiainana.

4, 5. a) Ahoana no nampitandreman’i Jakoba antsika mba tsy ho tonga mpihaino manadino isika? b) Ahoana no hampiharantsika ilay ohatra nomen’i Jakoba momba ilay olona mijery fitaratra?

4 Nanoratra ho an’ny Kristianina namany i Jakoba, rahalahin’i Jesosy, ka nampitandrina azy ireo mba tsy ho tonga mpihaino manadino. Nanoratra izy hoe: “Aoka ho mpankatò ny teny hianareo, fa aza mpihaino fotsiny ihany ka mamitaka ny tenanareo. Fa raha misy mpihaino ny teny, nefa tsy mpankatò, dia toy ny olona mizaha ny tarehiny eo amin’ny fitaratra izy; fa mijery ny tenany izy, dia lasa, ary miaraka amin’izay dia hadinony ny tarehiny”. (Jakoba 1:22-24) Inona no tian’i Jakoba holazaina?

5 Mijery fitaratra isika matetika amin’ny maraina, mba hahitana izay tokony hamboarina amin’ny paozintsika. Tsy mieritreritra izay hitantsika tao amin’ilay fitaratra intsony anefa isika, rehefa miasa, ka mifantoka amin’ny zavatra hafa ny saintsika. Mety hitranga eo amin’ny ara-panahy koa izany. Rehefa mandinika ny Tenin’Andriamanitra isika, dia afaka mampitaha ny toetrantsika amin’izay takin’i Jehovah amintsika. Mibaribary eo àry ny fahalementsika. Tokony ho voatosika hanitsy ny toetrantsika isika, rehefa mahafantatra izany. Mety hanadino mora foana ny zavatra ara-panahy anefa isika, rehefa manao ny asantsika isan’andro sy miady amin’ny zava-manahirana. (Matio 5:3; Lioka 21:34) Toy ny hoe manadino ny fitiavana nasehon’Andriamanitra antsika isika. Ho mora resin’ny fakam-panahy isika, raha sanatria mitranga izany.

6. Inona no andinin-teny hofakafakaintsika, ka hanampy antsika tsy hanadino ny tenin’i Jehovah?

6 Miresaka momba ireo Isiraelita mpanadino tany an’efitra ny apostoly Paoly, ao amin’ny taratasiny ara-tsindrimandry voalohany ho an’ny Korintianina. Nahasoa ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany ny tenin’i Paoly, ary hanampy antsika tsy hanadino ny tenin’i Jehovah koa ny fandinihana izany. Andeha àry isika hamakafaka ny 1 Korintiana 10:1-12.

Lavo ny filan’izao tontolo izao

7. Nahoana no tsy azon’ny Isiraelita nolavina mihitsy fa tia azy ireo i Jehovah?

7 Fampitandremana ho an’ny Kristianina ny tenin’i Paoly momba ny Isiraelita. Nanoratra izy hoe: “Tsy tiako tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, fa ny razantsika rehetra dia tambanin’ny rahona, ary izy rehetra namaky ny ranomasina, ary izy rehetra dia natao batisa ho amin’i Mosesy tao amin’ny rahona sy ny ranomasina”. (1 Korintiana 10:1-4) Nahita ny fiasan’ny hery lehiben’Andriamanitra ny Isiraelita, tamin’ny andron’i Mosesy. Anisan’izany ilay andri-rahona nitarihan’Andriamanitra azy ireo nandritra ny andro sy nanampy azy ireo nandositra namakivaky ny Ranomasina Mena. (Eksodosy 13:21; 14:21, 22) Tsy azon’ny Isiraelita nolavina mihitsy fa tia azy ireo i Jehovah.

8. Inona no vokatry ny fanadinoan’ny Isiraely ny asan’i Jehovah?

8 “Nefa ny ankabiazany dia tsy sitrak’Andriamanitra, fa naringana tany an-efitra”, hoy i Paoly. (1 Korintiana 10:5) Mampalahelo mihitsy izany! Tsy mendrika ny hiditra ny Tany Nampanantenaina ny ankamaroan’ny Isiraelita nandao an’i Ejipta. Maty tany an’efitra izy ireo, satria tsy ampy finoana, ka tsy nankasitrahan’Andriamanitra. (Hebreo 3:16-19) Inona no ianarantsika avy amin’izany? Hoy i Paoly: “Izany zavatra izany dia tonga anatra ho antsika, mba tsy ho mpila zava-dratsy isika toy ny nilan’ireny”.​—1 Korintiana 10:6.

9. Ahoana no nikarakaran’i Jehovah ny Isiraelita, ary nanao ahoana ny fihetsik’izy ireo?

9 Nahazo fanampiana be mba hifantohana tamin’ny zavatra ara-panahy ny Isiraelita tany an’efitra. Nanao fifanekena tamin’i Jehovah izy ireo, ka nanjary firenena voatokana ho Azy. Nomena mpisorona sy tabernakely ho foiben’ny fivavahana izy ireo, ary nanaovana fandaharana mba ho afaka hanao fanatitra ho an’i Jehovah. Tsy nifaly noho ireny fanomezana ara-panahy ireny anefa izy ireo, fa nanjary tsy afa-po tamin’izay nomen’Andriamanitra kosa.​—Nomery 11:4-6.

10. Nahoana isika no tokony hitadidy an’Andriamanitra foana?

10 Ankasitrahan’i Jehovah ny vahoakany ankehitriny, fa tsy toy ireo Isiraelita tany an’efitra. Tena mila mitadidy an’Andriamanitra foana anefa ny tsirairay. Izany dia hanampy antsika handa ny fitiavan-tena izay mety hanamaizina ny fahitantsika ara-panahy. Tsy maintsy tapa-kevitra isika ny “handa izay toe-panahy tsy araka an’Andriamanitra sy ny filan’izao tontolo izao ary ho velona amin’ny onony sy ny marina ary ny toe-panahy araka an’Andriamanitra amin’izao fiainana ankehitriny izao”. (Titosy 2:12) Ireo efa nifanerasera tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah hatramin’ny fahazazany, dia tsy tokony hieritreritra mihitsy hoe misy zava-tsoa tsy azony. Raha sendra tonga ao an-tsaintsika izany, dia tsara amintsika ny mitadidy an’i Jehovah sy ireo zava-tsoa maro nomaniny ho antsika.​—Hebreo 12:2, 3.

Fankatoavana tanteraka an’i Jehovah

11, 12. Ahoana no mety hahatonga ny olona iray ho mpanompo sampy, na dia tsy mivavaka amin’ny sary aza izy?

11 Mampitandrina antsika koa i Paoly, rehefa nanoratra hoe: “Ary aoka tsy ho mpanompo sampy hianareo tahaka ny sasany tamin’ireny, araka ny voasoratra hoe: ‘Ny olona nipetraka hihinana sy hisotro, dia nitsangana hilalao’.” (1 Korintiana 10:7) Eto i Paoly dia miresaka momba ireo Isiraelita naharesy lahatra an’i Arona mba hanamboatra ombilahy kely volamena. (Eksodosy 32:1-4) Na dia mety tsy hanompo sampy ara-bakiteny aza isika, dia mety ho tonga mpanompo sampy mihitsy, raha tia tena ka mamela ny faniriantsika hanakantsakana antsika tsy hanompo an’i Jehovah amin’ny fo manontolo.​—Kolosiana 3:5.

12 Indray mandeha koa i Paoly dia nanoratra momba ny sasany izay tsy nifantoka tamin’ny zavatra ara-panahy, fa tamin’ny zavatra ara-nofo. Hoy izy momba ireny “fahavalon’ny hazo fijalian’i Kristy” ireny: “Fahaverezana no hiafarany, ny kibony no andriamaniny”. (Filipiana 3:18, 19) Tsy sarin-javatra voasokitra no nivavahan’izy ireo, fa ny faniriany hanan-javatra. Tsy ny faniriana rehetra akory no ratsy, satria noforonin’i Jehovah hanana faniriana sy hankafy zavatra isan-karazany isika. Tena manjary mpanompo sampy anefa ny olona manao ny fahafinaretany ho ambony kokoa noho ny fifandraisany amin’Andriamanitra.​—2 Timoty 3:1-5.

13. Inona no ianarantsika avy amin’ny tantaran’ilay ombilahy kely volamena?

13 Nanao ombilahy kely volamena hivavahana ny Isiraelita, rehefa nandao an’i Ejipta. Sady mampitandrina antsika tsy hanompo sampy io tantara io, no mirakitra fianarana lehibe hafa. Tsy nankatò ny didy mazava avy tamin’i Jehovah ny Isiraelita. (Eksodosy 20:4-6) Tsy nieritreritra ny handa an’i Jehovah tsy ho Andriamaniny anefa izy ireo. Rehefa nanao fanatitra ho an’ilay ombilahy kely volamena mantsy izy ireo, dia nantsoiny hoe “andro firavoravoana ho an’i Jehovah” ilay fety. Namita-tena izy ireo nieritreritra fa holeferin’Andriamanitra ny tsy fankatoavany. Sady fitenenan-dratsy an’i Jehovah izany no nampahatezitra mafy azy.​—Eksodosy 32:5, 7-10; Salamo 106:19, 20.

14, 15. a) Nahoana ireo Isiraelita no diso tanteraka rehefa tonga mpihaino nanadino? b) Hataontsika ahoana ny didin’i Jehovah, raha tapa-kevitra ny tsy ho tonga mpihaino manadino isika?

14 Mahalana be izany hoe Vavolombelon’i Jehovah hankany amin’ny fivavahan-diso izany. Na dia mbola ao amin’ny kongregasiona aza anefa ny sasany, dia mety tsy hanaraka ny baikon’i Jehovah, amin’ny fomba hafa. Diso tanteraka ireo Isiraelita noho izy ireo tonga mpihaino nanadino. Fantatr’izy ireo ny Didy Folo ary teo koa izy ireo rehefa nomen’i Mosesy izao didin’Andriamanitra izao: “Aza manao andriamanitra volafotsy na andriamanitra volamena ho anareo ho fanampiko”. (Eksodosy 20:18, 19, 22, 23) Nivavaka tamin’ilay ombilahy kely volamena ihany anefa ny Isiraelita.

15 Tena diso tanteraka koa isika raha tonga mpihaino manadino. Omen’Andriamanitra toromarika mahakasika lafiny maro amin’ny fiainana isika, ao amin’ny Soratra Masina. Milaza mazava, ohatra, ny Tenin’i Jehovah fa ratsy ny misambo-bola nefa tsy mamerina. (Salamo 37:21) Nahazo didy hankatò ny ray aman-dreniny ny ankizy, ary asaina mitaiza ny zanany ao amin’ny “famaizana sy ny fananaran’ny Tompo” ny ray. (Efesiana 6:1-4) Omena toromarika mba hanambady “ao amin’ny Tompo ihany” ny mpitovo kristianina, ary izao no asaina ataon’ny mpivady manompo an’Andriamanitra: “Aoka hanan-kaja amin’ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandriana: fa ny mpijangajanga sy ny mpaka vadin’olona dia hohelohin’Andriamanitra.” (1 Korintiana 7:39; Hebreo 13:4) Raha tapa-kevitra ny tsy ho tonga mpihaino manadino isika, dia hoheverintsika ho zava-dehibe ireo torohevitr’Andriamanitra ireo sy ny hafa, ka hampiharintsika.

16. Inona no nanjo an’ireo olona nivavaka tamin’ilay ombilahy kely volamena?

16 Nanandrana nivavaka tamin’i Jehovah araka izay tian’izy ireo ny Isiraelita, nefa tsy neken’i Jehovah izany. Vao mainka aza nisy 3 000 ringana, angamba noho izy ireo nitarika ny olona hikomy mba hanompo an’ilay ombilahy kely volamena. Namely ny mpanao ratsy hafa koa i Jehovah. (Eksodosy 32:28, 35) Anatra ho an’izay mamaky ny Tenin’Andriamanitra nefa tsy mampihatra afa-tsy izay tiany izany!

“Mandosira ny fijangajangana”

17. Inona no zava-nitranga resahin’ny 1 Korintiana 10:8?

17 Mety hitarika ho amin’ny fanadinoana ny zavatra ara-panahy ny fanirian’ny nofo. Hoy i Paoly momba izany: “Ary aoka tsy hijangajanga isika tahaka ny sasany tamin’ireny, ka telo arivo amby roa alina no ringana indray andro.” (1 Korintiana 10:8) Eto i Paoly dia miresaka momba izay nitranga tany amin’ny Lemak’i Moaba, tamin’ny faran’ilay dian’ny Isiraelita tany an’efitra naharitra 40 taona. Vao nampian’i Jehovah izy ireo mba handresy ireo firenena tany atsinanan’i Jordana, nefa maro no nanjary nanadino sy tsy nankasitraka. Voataona haloto fitondran-tena sy hanompo an’i Bala Peora izy ireo, nefa kely sisa dia hiditra ny Tany Nampanantenaina. Nisy 24 000 teo ho eo no ringana, ka mpitarika ny 1 000 tamin’izy ireo.​—Nomery 25:9.

18. Inona no fihetsika mety hitarika ho amin’ny fahalotoam-pitondran-tena?

18 Malaza ho madio fitondran-tena ny vahoakan’i Jehovah amin’izao andro izao. Nesorin’ny sasany tao an-tsainy anefa Andriamanitra sy ny fitsipiny, rehefa nalaim-panahy haloto fitondran-tena izy ireo. Tonga mpihaino manadino izy ireo. Mety tsy ho fakam-panahy hanao fijangajangana no miseho voalohany. Mety ho fahalianana amin’ny sary vetaveta aloha izany, na fanaovana vazivazy ratsy na filalaovana fitia, na fiarahana matetika amin’olona mora resin’ny fakam-panahy. Nitarika ny Kristianina sasany hanota ireo zavatra rehetra ireo.​—1 Korintiana 15:33; Jakoba 4:4.

19. Inona no torohevitry ny Soratra Masina manampy antsika ‘handositra ny fijangajangana’?

19 Tsy maintsy mitadidy an’i Jehovah foana isika, raha alaim-panahy haloto fitondran-tena. Tsy maintsy mampihatra ny Teniny kosa isika. (Salamo 119:1, 2) Miezaka mafy mba hadio fitondran-tena hatrany ny ankamaroantsika Kristianina. Mitaky ezaka mitohy anefa ny fanaovana izay eken’Andriamanitra. (1 Korintiana 9:27) Nanoratra toy izao ho an’ireo Kristianina tany Roma i Paoly: “Efa niely any amin’ny olona rehetra ny lazan’ny fanarahanareo. Ary faly aho noho ny aminareo; satria tiako ho hendry amin’izay tsara hianareo, ary tsy hiharo amin’izay ratsy”. (Romana 16:19) Kely sisa dia hanameloka ny mpijangajanga sy ny mpanao ratsy hafa i Jehovah, toy ny namonoany an’ireo Isiraelita 24 000, noho ny fahotan’izy ireo. (Efesiana 5:3-6) Tsy maintsy manohy ‘mandositra ny fijangajangana’ àry isika, fa tsy ho tonga mpihaino manadino kosa.​—1 Korintiana 6:18.

Ankasitraho foana izay omen’i Jehovah

20. Ahoana no nakan’ny Isiraelita fanahy an’i Jehovah, ary inona no vokany?

20 Tsy resin’ny fakam-panahy haloto fitondran-tena mihitsy ny ankamaroan’ny Kristianina. Mila mitandrina anefa isika mba tsy ho lasa mpimenomenona, ka hanjary tsy hankasitrahan’Andriamanitra. Mananatra antsika toy izao i Paoly: “Ary aoka tsy haka fanahy ny Tompo isika, tahaka ny nakan’ny sasany tamin’ireny fanahy Azy, ka matin’ny menarana ireny. Ary aoka tsy himonomonona hianareo tahaka ny sasany tamin’ireny, izay matin’ny mpandringana.” (1 Korintiana 10:9, 10) Nimenomenona tamin’i Mosesy sy i Arona ary i Jehovah mihitsy ny Isiraelita, ka nitaraina momba ilay mana, izay nomena tamin’ny fomba nahagaga. (Nomery 16:41; 21:5) Teo imason’i Jehovah, moa ve maivan-danja noho ny fijangajangan’izy ireo ny fimenomenonany? Tantarain’ny Baiboly fa maro no matin’ny menarana. (Nomery 21:6) Taloha kokoa, dia 14 700 mahery no ringana, satria nikomy sy nimenomenona. (Nomery 16:49) Aoka àry isika tsy hanao tsinontsinona izay omen’i Jehovah mba tsy hampahasosotra Azy.

21. a) Inona no fampirisihana nosoratan’i Paoly, izay nahazo tsindrimandry? b) Inona no tena hahasambatra antsika, araka ny Jakoba 1:25?

21 Nampirisika toy izao i Paoly, rehefa namarana ireo fampitandremana nomeny an’ireo Kristianina namany: “Ary izany dia nanjo azy mba ho anatra, sady voasoratra izany ho fananarana antsika izay niharan’ny faran’izao tontolo izao. Koa izay manao azy fa efa mijoro tsara, dia aoka izy hitandrina, fandrao ho lavo.” (1 Korintiana 10:11, 12) Tena notahin’i Jehovah toa an’ireo Isiraelita isika. Enga anie isika tsy ho toa azy ireo, fa hitadidy sy hankasitraka foana ny zava-tsoa ataon’Andriamanitra ho antsika. Aoka isika hisaintsaina ireo fampanantenana mahafinaritra ao amin’ny Teniny, rehefa be ny zavatra mampanahy antsika. Aoka isika hitadidy ny fifandraisantsika sarobidy amin’i Jehovah, ka hanohy ny asa nankinina tamintsika, dia ny fitoriana ilay Fanjakana. (Matio 24:14; 28:19, 20) Ho sambatra tokoa isika, raha manao izany, satria mampanantena toy izao ny Soratra Masina: “Izay mandinika ny lalàna tanteraka, dia ny lalàn’ny fahafahana, ka maharitra amin’izany, raha tsy mpihaino manadino, fa mpanao ny asa, dia ho sambatra amin’ny asany izany olona izany”.​—Jakoba 1:25.

Ahoana no Havalinao?

• Inona no mety hahatonga antsika ho mpihaino manadino?

• Nahoana no tena ilaina ny mankatò tanteraka an’Andriamanitra?

• Ahoana no ‘handosirantsika ny fijangajangana’?

• Ahoana no tokony handraisantsika izay omen’i Jehovah?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 15]

Nanadino ireo asa mahery nataon’i Jehovah ho azy ireo ny Isiraelita

[Sary, pejy 16]

Tapa-kevitra ny hadio fitondran-tena foana ny vahoakan’i Jehovah