Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fomba Fijery Voalanjalanja Momba ny Vola

Fomba Fijery Voalanjalanja Momba ny Vola

Fomba Fijery Voalanjalanja Momba ny Vola

Tsy zava-baovao ny fitiavam-bola sy ny faniriana hahazo fananana. Tsy zavatra nitranga vao haingana akory izy ireo ka hoe tsy voaresaka ao amin’ny Baiboly. Efa nisy hatramin’ny ela be izy ireo. Izao no nampianarin’Andriamanitra ny Isiraelita tao amin’ny Lalàna: “Aza mitsiriritra ny tranon’ny namanao ... na izay mety ho an’ny namanao akory aza.”​—Eksodosy 20:17.

FAHITA tamin’ny andron’i Jesosy ny fitiavam-bola sy ny fitiavam-pananana. Diniho ity fitantarana ny amin’ny resaka nifanaovany tamin’ny tovolahy iray “nanan-karena dia nanan-karena” ity. “Hoy [Jesosy] taminy: Mbola diso zavatra iray loha hianao: amidio ny fanananao rehetra, ka zarao ho an’ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; ary avia, manaraha Ahy. Ary rehefa nandre izany ralehilahy, dia nalahelo loatra; fa nanan-karena dia nanan-karena izy.”​—Lioka 18:18-23.

Fomba fijery mety momba ny vola

Diso anefa ny anatsoahana hevitra fa ny vola mihitsy no melohin’ny Baiboly, na ny fampiasana tsotra azy io. Asehon’ny Baiboly fa miaro amin’ny fahantrana sy ny olana aterak’izy io ny vola, satria manome izay zavatra tena ilain’ny olona. Hoy ny nosoratan’i Solomona Mpanjaka: “Fialokalofana ny fahendrena, ary fialokalofana ny vola”. Hoy koa izy: “Ataony laolao ny hanina, ary ny divay no maharavoravo ny aina, ary ny vola no hahazoana ny zavatra rehetra.”​—Mpitoriteny 7:12; 10:19.

Ankasitrahan’Andriamanitra ny fampiasana araka ny tokony ho izy ny vola. Nilaza, ohatra, i Jesosy hoe: “Aoka ny mamôna tsy marina ho entinareo mahazo sakaiza”. (Lioka 16:9) Anisan’izany ny fanomezana vola mba hampandrosoana ny fivavahana marina amin’Andriamanitra, satria azo antoka fa irintsika ho tonga Sakaizantsika Andriamanitra. I Solomona, izay nanahaka ny ohatr’i Davida rainy, dia nanome vola tsy toko sy forohana sy fananana lafo vidy mba hanorenana ny tempolin’i Jehovah. Anisan’ny didy nomena ny Kristianina ny hanampiany ireo sahirana, amin’ny fanomezan-javatra. “Miantrà ny olona masina araka izay ilainy”, hoy ny apostoly Paoly. Hoy koa izy: “Mazotoa mampiantrano vahiny.” (Romana 12:13) Matetika no misy fandaniam-bola amin’izany. Ahoana anefa ny amin’ny fitiavam-bola?

‘Ny fitiavana fatratra volafotsy’

I Paoly dia niresaka betsaka ny amin’ny “fitiavam-bola”, na ara-bakiteny hoe “fitiavana fatratra volafotsy”, rehefa nanoratra ho an’i Timoty, namany kristianina tanora. Hita ao amin’ny 1 Timoty 6:6-19 ny fananaran’i Paoly. Niresaka ny amin’ny “fitiavam-bola” izy rehefa nandinika lalina momba ny zavatra ara-nofo. Fahendrena ny handinihantsika amim-pitandremana ny fanazavana ara-tsindrimandrin’i Paoly, noho ny fanantitranteran’ny fiaraha-monina ankehitriny ny amin’ny vola. Azo antoka fa mahasoa izany fandinihana izany satria mampiharihary ny fomba tsara indrindra ‘ihazonana ny tena fiainana’.

Mampitandrina i Paoly hoe: “Ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, koa ny sasany izay fatra-pitady izany dia efa voavily niala tamin’ny finoana ka nanindrona ny tenany tamin’ny alahelo be.” (1 Timoty 6:10) Tsy milaza akory io andinin-teny io fa ny vola mihitsy no ratsy​—ary tsy misy andinin-teny hafa milaza an’izany koa. Tsy milaza koa akory ilay apostoly fa ny vola no antony fototra mahatonga ny “ratsy rehetra”, na ny vola no fototry ny zava-manahirana rehetra. Fa ny fitiavam-bola no mety ho antony​—mba tsy hilazana hoe ny hany antony​—mahatonga ny “ratsy rehetra”.

Mitandrema amin’ny fitiavam-bola tafahoatra

Tsy tokony hampihen-danja ny fampitandreman’i Paoly anefa ny hoe tsy ny vola mihitsy no melohina ao amin’ny Soratra Masina. Mora iharan’izao karazan-java-manahirana rehetra izao ny Kristianina izay manomboka tia vola, ka ny fialana amin’ny finoana no ratsy indrindra amin’izany. Nohamafisin’i Paoly izany fahamarinana izany rehefa nilaza tamin’ireo Kristianina tany Kolosia izy hoe: “Koa vonoy ny momba ny tenanareo izay etỳ an-tany, dia ... fanirian-dratsy ary fieremana, dia fanompoan-tsampy izany”. (Kolosiana 3:5) Amin’ny ahoana no mety hanjary ho fanompoan-tsampy ny fierenana, na ny “fitiavam-bola”? Midika ve izany fa ratsy ny manana trano lehibe kokoa, na fiara vaovao kokoa na asa tsara karama kokoa? Tsia, tsy misy maha ratsy an’ireo zavatra ireo amin’izao fotsiny. Ny fanontaniana dia hoe: Inona no manosika ny fon’ny olona iray haniry ireo zavatra ireo, ary tena ilaina ve izy ireo?

Azo ampitovina amin’ny fahasamihafan’ny afon-kitay andrahoana sakafo sy ny lelafo miredareda mandoro ala iray, ny fahasamihafan’ny faniriana ara-dalàna sy ny fitiavam-bola tafahoatra. Mety hilaina ny faniriana mahasoa sy araka ny tokony ho izy. Manosika antsika hiasa sy hamokatra izany. Hoy ny Ohabolana 16:26: “Ny fahanoanan’ny mpiasa dia mampiasa azy, fa ny tendany no manesika azy.” Mampidi-doza sy manimba kosa anefa ny fitiavam-bola tafahoatra. Faniriana tsy voafehy izy io.

Ny tena manahirana dia ny fifehezan-tena. Hatao hanomezana fahafaham-po izay ilaintsika ve ny vola angonintsika na ny zavatra ara-nofo irintsika, sa hahatonga antsika ho andevon’ny vola? Izany no antony ilazan’i Paoly hoe “ny olona mierina (mpanompo sampy izany)”. (Efesiana 5:5) Raha ny tena izy, ny hoe mierina dia midika hoe mamela zavatra iray hifehy ny faniriantsika​—raha ny marina dia ataontsika ho tompontsika izy io, ho andriamanitsika, ho zavatra tompointsika. Manizingizina toy izao anefa Andriamanitra hoe: “Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany.”​—Eksodosy 20:3.

Ny fitiavam-bola tafahoatra koa dia mampiseho fa tsy matoky isika fa hanohy hanatanteraka ny fampanantenany amin’ny fanomezana izay ilaintsika Andriamanitra. (Matio 6:33) Koa mitovy amin’ny fivadihana amin’Andriamanitra àry ny fitiavam-bola tafahoatra. Amin’izay heviny izay koa no maha “fanompoan-tsampy” azy io. Tsy mahagaga raha mampitandrina mazava momba azy io i Paoly!

Nampitandrina mivantana momba ny fitiavam-bola tafahoatra koa i Jesosy. Nandidy antsika mba tsy haniry mafy zavatra tsy ananantsika izy: “Mitandrema, ka miarova tena mba tsy ho azon’ny fieremana hianareo; fa ny ain’ny olona tsy miankina amin’ny habetsahan’ny zavatra ananany.” (Lioka 12:15) Araka io andalan-teny io sy ny fanoharan’i Jesosy nanaraka azy io, ny fierenana, na fitiavam-bola tafahoatra, dia mifototra amin’ny finoana adaladala fa ny fananany no tena zava-dehibe eo amin’ny fiainan’ny olona iray. Mety ho vola izany, na fari-piainana na zavatra mifandray amin’izany. Mety hitsiriritra mafy izay rehetra mety hananana isika. Mety hieritreritra isika fa hanome antsika fahafaham-po ny fananana io zavatra io. Araka ny Baiboly sy izay miseho eo amin’ny fiainan’ny olombelona anefa, dia Andriamanitra irery ihany no afaka manome izay tena ilaintsika ary hanao izany tokoa izy, araka ny nampisaintsainan’i Jesosy ireo mpanara-dia azy.​—Lioka 12:22-31.

Mahay manetsika ny fanirian-javatra tafahoatra ny fiaraha-monina mpanjifa entam-barotra ankehitriny. Noho ny fitaomana an-kolaka nefa mahery, dia olona maro no manjary mino fa tsy ampy foana izay ananany. Mila zavatra maro kokoa sy lehibe kokoa ary tsara kokoa izy ireo. Na dia tsy manantena hanova ny tontolo manodidina antsika aza isika, ahoana no ahafahan’ny tenantsika manokana manohitra izany fironana izany?

Fahaiza-mianina fa tsy fanirian-javatra tafahoatra

Miresaka ny amin’ny zavatra hafa azo asolo ny fanirian-javatra tafahoatra i Paoly, dia ny fahaiza-mianina. Hoy izy: “Fa raha manan-kanina sy fitafiana isika, dia aoka hianina amin’izany.” (1 Timoty 6:8) Mety ho toa tsotra loatra izany filazalazana ny amin’izay rehetra tena ilaintsika izany, dia ny hoe ‘hanina sy fitafiana’. Olona maro no mankafy fandaharana ao amin’ny televiziona izay mampiseho amin’ireo mpijery, olona malaza mipetraka ao amin’ny trano be renty. Tsy manampy velively hahay hianina izany.

Mazava loatra fa tsy takina amin’ny mpanompon’Andriamanitra akory ny hiniavany hiaina ao anatin’ny fahantrana. (Ohabolana 30:8, 9) Mampahatsiahy antsika ny amin’ny tena atao hoe fahantrana anefa i Paoly: tsy fananana sakafo sy fitafiana ary fialofana ara-dalàna, mba hahavelomana any amin’ny toerana onenana. Etsy an-kilan’izany, raha manana ireo zavatra ireo isika, dia manana antony hianinana.

Mety ho tsy vazivazy ve izany filazalazan’i Paoly momba ny fahaiza-mianina izany? Tena azo atao tokoa ve ny hianina amin’ireo zavatra fototra fotsiny toy ny sakafo sy ny fitafiana, ary ny fialofana? Tokony ho nahalala izany i Paoly. Nanana harena sy tombontsoa manokana izy satria nanana toerana ambony teo amin’ny fiaraha-monina jiosy izy sady olom-pirenena romanina. (Asan’ny Apostoly 22:28; 23:6; Filipiana 3:5) Niaritra zavatra mafy teo amin’ny asa misionera koa i Paoly. (2 Korintiana 11:23-28) Tamin’izany rehetra izany, no nianarany ny fomba tsara indrindra izay nanampy azy hahay hianina hatrany. Inona izany?

‘Niana-javatra aho’

Nanazava toy izao i Paoly tao amin’ny iray tamin’ireo taratasiny: “Mahalala hietry aho, ary mahalala hitombo; na aiza na aiza, ary na amin’inona na amin’inona, dia efa nampianarina ny ho voky sy ho noana aho ary hanam-be sy halahelo.” (Filipiana 4:12) Toa feno toky sy feno fanantenana erỳ i Paoly! Mora ny mieritreritra fa nizotra tsara ny fiainany fony izy nanoratra ireo teny ireo, nefa tsy izany no izy. Gadra tany Roma izy!​—Filipiana 1:12-14.

Raha heverina izany zava-misy mampieritreritra izany, dia tsy hoe miresaka ny amin’ny fahaiza-mianina eo amin’ny fananana ara-nofo fotsiny io andinin-teny io, fa eo amin’ny tarehin-javatra misy ny tena koa. Mety hanakorontana ireo zavatra ataontsika loha laharana eo amin’ny fiainantsika ny harena be loatra, na ny adim-piainana mafy loatra. Niresaka ny amin’ny fananana ara-panahy izay nanampy azy hahay hianina i Paoly, na nanao ahoana na nanao ahoana tarehin-javatra nisy azy teo amin’ny ara-nofo: “Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’[Andriamanitra] mampahery ahy.” (Filipiana 4:13) Tsy niantehitra tamin’ny fananany i Paoly, na be izany na kely, ary tsy niantehitra tamin’ny tarehin-javatra nisy azy, na tsara izany na ratsy, fa niantehitra tamin’Andriamanitra kosa mba hanome izay nilainy. Fahaiza-mianina no vokatr’izany.

Tena sarobidy tamin’i Timoty ny ohatr’i Paoly. Nampirisika an’ilay tovolahy ilay apostoly mba hikatsaka ny fifikirana amin’Andriamanitra sy ny fifandraisana akaiky aminy eo amin’ny fiainany, alohan’ny harena. Hoy i Paoly: “Fa hianao kosa, ry lehilahin’Andriamanitra, mandosira izany zavatra izany, ka miezaha mitady fahamarinana, toe-panahy araka an’Andriamanitra, finoana, fitiavana, faharetana, fahalemem-panahy.” (1 Timoty 6:11) Mety ho natao ho an’i Timoty ireo teny ireo, kanefa mihatra koa na amin’iza na iza maniry hanome voninahitra an’Andriamanitra sy hanana fiainana tena sambatra.

Nila nitandrina ny amin’ny fitiavam-bola tafahoatra i Timoty, sahala amin’ny Kristianina hafa rehetra. Toa nisy mpino nanankarena tao amin’ny kongregasionan’i Efesosy nisy azy, fony i Paoly nanoratra taminy. (1 Timoty 1:3) Nitondra ny vaovao tsaran’i Kristy tao amin’io tanàna nanankarena noho ny varotra io i Paoly, ka maro no tonga mpino. Tsy isalasalana fa nanankarena ny maromaro tamin’izy ireo, tahaka ny sasany ao amin’ny kongregasiona kristianina ankehitriny.

Koa rehefa dinihina àry ny fampianarana ao amin’ny 1 Timoty 6:6-10, dia izao no fanontaniana mipetraka: Inona no tokony hataon’ny olona manam-bola raha iriny ny hanome voninahitra an’Andriamanitra? Nilaza i Paoly fa tokony hanomboka handinika ny toe-tsainy izy ireo. Mazàna no mahatonga ny olona hihevi-tena ho mahavita tena foana, ny vola. Hoy i Paoly: “Anaro ny mpanan-karena amin’izao fiainana ankehitriny izao mba tsy hiavonavona, na hatoky ny harena miovaova, fa Andriamanitra, Izay manome antsika malalaka ny zavatra rehetra mba hifaliantsika”. (1 Timoty 6:17) Mila mianatra ny mijery lavitra kokoa noho ny volany ny olona manankarena; mila miantehitra amin’Andriamanitra, ilay tena loharanon’ny harena rehetra, izy ireo.

Vao tapany amin’ilay ady fotsiny anefa ny toe-tsaina. Na ho ela na ho haingana, dia tsy maintsy mianatra mampiasa amim-pahendrena ny harenany, ny Kristianina manankarena. Mampitandrina toy izao i Paoly: ‘Aoka hanao soa, hanankarena amin’ny asa tsara, hazoto manome sy miantra.’​—1 Timoty 6:18.

“Ny tena fiainana”

Ny zava-kendren’ny torohevitr’i Paoly dia ny hoe mila mampahatsiahy ny tenantsika isika fa voafetra ny hasarobidin’ny zavatra ara-nofo. Hoy ny Tenin’Andriamanitra: “Ny haren’ny manan-karena no vohiny mafy, ary raha araka ny fiheviny, dia toa mànda avo izany.” (Ohabolana 18:11) Eny, nofinofy fotsiny ihany amin’ny farany ny fiarovana omen’ny harena ary tena mandiso fanantenana. Tsy mety raha amin’izy ireny no hampifantohantsika ny fiainantsika, fa tsy amin’ny fahazoana ny fankasitrahan’Andriamanitra.

Tsy afaka mametraka ny fanantenantsika amin’ny harena ara-nofo isika satria miovaova loatra izy io. Tsy maintsy mifahatra amin-javatra mafy sy misy heviny ary maharitra, ny tena fanantenana. Mifantoka amin’i Jehovah Andriamanitra, Mpamorona antsika, sy ny fampanantenany fiainana mandrakizay ny fanantenana kristianina. Raha marina fa tsy mahavidy fahasambarana ny vola, dia vao mainka marina ny hoe tsy mahavidy famonjena ny vola. Ny finoantsika an’Andriamanitra ihany no afaka manome antsika izany fanantenana izany.

Koa na manankarena isika na mahantra, dia aoka ny fomba fiainantsika mba ‘hanankarena ny amin’Andriamanitra’. (Lioka 12:21) Tsy misy sarobidy kokoa noho ny toeram-pankasitrahana eo anatrehan’ilay Mpamorona. Ny ezaka rehetra ataontsika mba hihazonana azy io dia handray anjara amin’ny ‘fihariana fanorenana tsara ho an’ny tenantsika ho amin’ny andro ho avy, mba hihazonantsika ny tena fiainana’.​—1 Timoty 6:19.

[Sary, pejy 7]

Nianatra ny fomba tsara indrindra mba hahaiza-mianina i Paoly

[Sary, pejy 8]

Afaka ny ho sambatra sy ho afa-po amin’izay ananantsika isika