Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Miahy ny Kamboty sy ny Maty Vady Amin’ny Fahoriany

Miahy ny Kamboty sy ny Maty Vady Amin’ny Fahoriany

Miahy ny Kamboty sy ny Maty Vady Amin’ny Fahoriany

Tsy sarotra ny manaiky fa miaina eo amin’ny tontolo iray tsy manam-pitiavana isika. Hoy ny nosoratan’ny apostoly Paoly mahakasika ny karazan’olona hiaina ‘atỳ am-parany’: “Hisy andro mahory. Fa ny olona ho tia tena, ... tsy manam-pitiavana”. (2 Timoty 3:1-3) Marina tokoa izany!

ANISAN’NY nahatonga ny maro tsy hahay hangoraka, ny fitondran-tena hitantsika manodidina antsika ankehitriny. Mihatsy liana amin’izay hahasoa ny hafa ny olona, eny, fa na dia izay hahasoa ny fianakaviany mihitsy aza indraindray.

Ratsy be ny fiantraikan’izay eo amin’ny olona maro, izay manjary mahantra fadiranovana noho ny tarehin-javatra maro samihafa. Mitombo tsy an-kijanona ny isan’ny vehivavy maty vady sy ny kamboty noho ny ady sy ny loza araka ny natiora ary ny fifindran-toerana ataon’ny mpitsoa-ponenana. (Mpitoriteny 3:19) Ankizy “maherin’ny iray tapitrisa no kamboty na tafasaraka tamin’ny fianakaviany noho ny ady”, hoy ny tatitry ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana Mikarakara ny Reny sy ny Zaza. Fantatrao koa fa be dia be ny reny tsy manambady na nilaozan’ny vadiny na nisara-panambadiana izay miezaka mafy mba ho tafavoaka amin’ny fiainana sy hitaiza irery ny zanany. Vao mainka ratsy kokoa ny toe-javatra any amin’ny tany sahirana mafy ara-toe-karena, satria maro amin’ireo mponina ao aminy no miaina ao anatin’ny fahantrana faraidiny.

Koa misy fanantenana àry ve ho an’ireo mandia fahoriana? Ahoana no ahafahana manamaivana ny fijalian’ny vehivavy maty vady sy ny kamboty? Ho foana ve io zava-manahirana io indray andro any?

Fiahiana tamim-pitiavana tamin’ny andron’ny Baiboly

Tsy nisaraka tamin’ny fivavahana tamin’Andriamanitra mihitsy ny fanomezana ireo zavatra ara-nofo sy ara-panahy nilain’ny vehivavy maty vady sy ny kamboty. Rehefa nijinja ny variny na ny voankazony ny Isiraelita, dia tsy tokony ho nanangona izay sisa tavela tany an-tsaha izy ireo, ka hitsimpona azy ireny. Navela hotsimponin’ny “vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena” izany. (Deoteronomia 24:19-21) Nilaza mazava toy izao ny Lalàn’i Mosesy: “Aza mampahory ny mpitondratena sy ny kamboty akory hianareo.” (Eksodosy 22:21, 22) Nampiseho tsara ny mahantra ny mpitondratena, na ny vehivavy maty vady, sy ny kamboty voaresaka ao amin’ny Baiboly, satria rehefa maty ny raim-pianakaviana na ny ray aman-dreny, dia manjary tavela ho irery sy mahantra fadiranovana ilay fianakaviany. Hoy i Joba patriarika: “Namonjy ny ory izay nitaraina aho sy ny kamboty izay tsy nanan-kamonjy.”​—Joba 29:12.

Raha vao niandoha ny kongregasiona kristianina, dia marika nampiavaka ny fivavahana marina ny fiahiana ireo ory sy tena sahirana noho ny famoizana ray aman-dreny na vady. Noho ny fiahian’i Jakoba mpianatra izay hahasoa ny olona toy izany, dia izao no nosoratany: “Izao no fivavahana madio sady tsy misy loto eo anatrehan’Andriamanitra Ray: ny mamangy ny kamboty sy ny mpitondratena amin’ny fahoriany, sy ny miaro ny tena tsy hisy pentimpentina avy amin’izao tontolo izao.”​—Jakoba 1:27.

Ankoatra ny firesahana ny amin’ny kamboty sy ny mpitondratena, dia naneho fiahiana lalina ny hafa izay nahantra sy fadiranovana koa i Jakoba. (Jakoba 2:5, 6, 15, 16) Naneho fiahiana feno fitiavana toy izany koa ny apostoly Paoly. Rehefa nahazo fanendrena hitory izy sy i Barnabasy, dia anisan’ny toromarika azon’izy ireo ny ‘hahatsiarovany ny malahelo’, na ny mahantra. Afaka nilaza tamim-pieritreretana madio i Paoly hoe: “Sady nahazoto ahy indrindra rahateo ny hanao izany”. (Galatiana 2:9, 10) Izao no hita ao amin’ny tantaran’ny asan’ny kongregasiona kristianina, taoriana kelin’ny niorenany: “Tsy nisy olona nalahelo teo aminy; ... dia nozaraina tamin’izy rehetra araka izay nilainy avy.” (Asan’ny Apostoly 4:34, 35) Eny, nitohy hatrany amin’ny kongregasiona kristianina ilay fandaharana naorina teo amin’ny Isiraely fahiny, momba ny fikarakarana ny kamboty sy ny vehivavy maty vady ary ny mahantra fadiranovana.

Mazava fa voafetra ny fanampiana nomena ary araka izay nety ho vitan’ny kongregasiona tsirairay. Tsy nolanilanina foana ny vola ary ireo nampiana dia tena sahirana tokoa. Tsy nisy Kristianina nahazo nanararaotra izany fandaharana izany, ary tsy tokony homena enta-mavesatra ny kongregasiona raha tsy tamin-javatra tena nilaina ihany. Niharihary tao amin’ny toromarik’i Paoly ao amin’ny 1 Timoty 5:3-16 izany. Hitantsika ao fa raha afaka nanampy ireo sahirana ny havany, dia izy ireo no tokony hiantsoroka izany andraikitra izany. Tsy maintsy nahafeno fepetra sasany ireo vehivavy maty vady izay sahirana mba hahafahan’izy ireo hahazo fanampiana. Izany rehetra izany dia mampiseho ny fandaharana feno fahendrena ataon’i Jehovah mba hiahiana ireo sahirana. Mampiseho koa anefa izany fa tsy maintsy ilaina ny fandanjalanjana mba tsy hisy olona hanararaotra fotsiny an’ilay fanehoana hatsaram-panahy.​—2 Tesaloniana 3:10-12.

Fiahiana ny kamboty sy ny vehivavy maty vady ankehitriny

Mbola ampiharin’ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fitsipika narahin’ny mpanompon’Andriamanitra fahiny, mahakasika ny fiahiana sy fanampiana ireo ory. Toetra mampiavaka azy io ny fitiavan-drahalahy, araka ny nolazain’i Jesosy hoe: “Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.” (Jaona 13:35) Raha misy tena tsy manana na inona na inona, na iharan-doza, na miaina any amin’ny tany misy ady na ady an-trano, dia dodona mitady fomba hanampiana eo amin’ny lafiny ara-panahy sy ara-nofo, ny sisa amin’ny fianakavian’ny mpirahalahy maneran-tany. Andao isika hijery fitantarana sasany amin’izao andro izao, izay mampiseho izany.

Tsy misy zavatra firy tadidin’i Pedro momba an-dreniny, izay maty fony izy vao herintaona sy tapany. Rehefa dimy taona izy, dia maty koa ny rainy. I Pedro sy ny rahalahiny àry no sisa tavela. Efa nitsidika an-drainy ny Vavolombelon’i Jehovah, noho izany, dia nanomboka nampianarina Baiboly avokoa i Pedro sy ireo zokiny lahy.

Hoy ny fitantaran’i Pedro: “Ny herinandron’iny ihany, dia nanomboka nanatrika fivoriana izahay. Rehefa niaraka tamin’ireo rahalahy izahay, dia tsapanay ny fitiavana nasehon’izy ireo taminay. Fialofana ho ahy ny kongregasiona satria nampiseho fitiavana sy firaiketam-po tamiko ireo rahalahy sy anabavy, toy ny hoe izy ireo mihitsy no ray aman-dreniko.” Tsaroan’i Pedro fa nanasa azy ho any an-tranony ny iray tamin’ireo anti-panahy kristianina. Niara-niresadresaka sy niala voly tamin’ilay fianakaviana i Pedro tany. “Mamiko erỳ ireny fotoana ireny”, hoy i Pedro, izay nanomboka nitory izay ninoany teo amin’ny faha-11 taonany ary natao batisa teo amin’ny faha-15 taonany. Nandroso tsara ara-panahy toy izany koa ireo zokiny lahy izay nampian’ireo olona tao amin’ny kongregasiona.

Toy izany koa no nitranga tamin’i David. Rehefa nisaraka ny ray aman-dreniny, dia nilaozan’izy ireo izy sy ny anabaviny, izay kambana aminy. Nitaiza azy mianadahy ny raibeny sy ny renibeny ary ny nenitoany. “Rehefa nihalehibe izahay ary nahatakatra ny toe-javatra nisy anay, dia resin’ny fanahiana sy ny alahelo. Nila zavatra nianteherana izahay. Lasa Vavolombelon’i Jehovah ny nenitoako, koa nampianarina ny fahamarinana ara-baiboly izahay dahy. Niraiki-po taminay ireo rahalahy ary nanao anay ho namana. Tena tia anay izy ireo ary nampirisika anay hanatratra tanjona sy hiasa hatrany ho an’i Jehovah. Naka ahy handeha hanompo foana ny mpanampy amin’ny fanompoana iray, fony aho folo taona teo ho eo. Niantoka ny vola laniko ny rahalahy hafa iray rehefa nanatrika fivoriambe aho. Nisy anankiray aza nanampy ahy mihitsy mba hahafahako hanao fanomezana any amin’ny Efitrano Fanjakana.”

Natao batisa i David rehefa 17 taona, ary nanomboka nanompo tao amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Meksika izy tatỳ aoriana. Miaiky toy izao izy na dia ankehitriny aza: “Misy anti-panahy maromaro mandray anjara betsaka amin’ny fanabeazana ahy sy manome ahy torohevitra mahasoa. Manampy ahy handresy ny fanahiako sy ny fahatsapako ho manirery izany.”

Mitantara toy izao i Abel, izay anti-panahy ao amin’ny kongregasiona misy vehivavy maty vady maromaro mila fanampiana, any Meksika: “Mino aho fa fanohanana ara-pihetseham-po no tena ilain’ny vehivavy maty vady indrindra. Misy fotoana mahakivy azy ireo; mahatsiaro ho manirery izy ireo. Koa tena zava-dehibe àry ny hanohanana sy hihainoana azy ireny. Mitsidika azy ireny matetika izahay [anti-panahy ao amin’ny kongregasiona]. Zava-dehibe ny hakana fotoana hanehoana fiheverana ny zava-manahirana azy ireny. Mahatonga azy ireo hahatsiaro ho nampiononina ara-panahy izany.” Ilaina koa anefa ny fanampiana ara-bola indraindray. “Eo am-panorenana trano ho an’ny anabavy iray maty vady izahay izao”, hoy ny notantarain’i Abel tsy ela izay. “Ny asabotsy sy ny tolakandro sasany ao anatin’ny herinandro izahay no manao ny tranony.”

Hoy ny anti-panahin’ny kongregasiona hafa iray mahakasika ny zavatra hitan’ny tenany manokana momba ny fanampiana ny kamboty sy ny maty vady: “Mino aho fa mila fitiavana kristianina bebe kokoa noho ny maty vady mihitsy, ny kamboty. Voamariko fa mety hihevi-tena ho ailikiliky ny olona kokoa izy ireo, tsy toy ny ankizy sy zatovo velon-dray aman-dreny. Mila fanehoam-pitiavana be dia be izy ireo. Mety ny mitady azy ireny aorian’ny fivoriana mba hahitana raha salama tsara izy ireny. Misy rahalahy iray kamboty fony izy mbola kely. Miarahaba azy amin-kafanana foana aho any am-pivoriana, ary mamihina ahy izy rehefa mahita ahy. Manatanjaka ny fehin’ny tena fitiavan-drahalahy izany.”

“Hamonjy ny mahantra” i Jehovah

Tena ilaina ny fitokisana amin’i Jehovah mba hahazakana ny toe-javatra misy ny vehivavy maty vady sy ny kamboty. Izao no voalaza momba azy: “Jehovah miaro ny vahiny ary manandratra ny kamboty sy ny mpitondratena”. (Salamo 146:9) Ny Fanjakan’Andriamanitra tantanan’i Jesosy Kristy ihany no hitondra ny tena vahaolana amin’izany karazana olana izany. Nanambara ara-paminaniana izany fanapahan’ny Mesia izany ny mpanao salamo, ka nanoratra hoe: “Hamonjy ny mahantra mitaraina izy sy ny ory tsy manan-kamonjy; hiantra ny reraka sy ny malahelo izy ary hamonjy ny fanahin’ny malahelo.”​—Salamo 72:12, 13.

Azo antoka fa hitombo ny fanerena hatrehin’ny Kristianina amin’ny ankapobeny, arakaraka ny hanatonan’ny faran’ity tontolo ity. (Matio 24:9-13) Isan’andro, dia mila mampiseho fiahiana bebe kokoa ny hafa sy ‘mifankatia tsara’ ny Kristianina. (1 Petera 4:7-10) Mila maneho fiahiana sy fangoraham-po amin’ireo kamboty ny lehilahy kristianina, indrindra ireo anti-panahy. Afaka manohana bebe kokoa ny vehivavy maty vady sy ho loharanom-pampiononana ho azy ireo, ny vehivavy matotra ao amin’ny kongregasiona. (Titosy 2:3-5) Raha ny marina, dia samy afaka manao zavatra ny tsirairay mba hiahiana ireo mandia fahoriana.

‘Tsy mihirim-belona’ ny Kristianina marina rehefa “mahita ny fahantran’ny rahalahiny”. Mailaka erỳ izy ireo hanaraka ilay fananaran’ny apostoly Jaona hoe: “Anaka, aoka tsy ho tia amin’ny teny na amin’ny lela isika, fa amin’ny asa sy amin’ny marina.” (1 Jaona 3:17, 18) Koa aoka àry isika hiahy “ny kamboty sy ny mpitondratena amin’ny fahoriany”.​—Jakoba 1:27.

[Teny notsongaina, pejy 11]

“Aoka tsy ho tia amin’ny teny na amin’ny lela isika, fa amin’ny asa sy amin’ny marina.”​—1 Jaona 3:18

[Sary, pejy 10]

Ny Kristianina marina dia miahy ny kamboty sy ny vehivavy maty vady eo amin’ny lafiny ara-nofo, ara-panahy, ary ara-pihetseham-po