“Ny Fery Ataon’ny Sakaiza”
“Ny Fery Ataon’ny Sakaiza”
HITAN’NY apostoly Paoly fa nila fanitsiana ny Kristianina tany Galatia tamin’ny taonjato voalohany. Mba tsy hahatezitra azy ireo angamba, dia nanontany izy hoe: “Koa efa tonga fahavalonareo va aho, satria milaza ny marina aminareo?”—Galatiana 4:16.
Tsy tonga fahavalon’izy ireo i Paoly rehefa ‘nilaza ny marina’. Nanao zavatra nifanaraka tamin’izao teny ao amin’ny Baiboly izao kosa izy: “Azo itokiana hahasoa ny fery ataon’ny sakaiza”. (Ohabolana 27:6) Fantatr’i Paoly fa mety ho tohina ny hambom-pon’ireo nanao fahadisoana. Fantany koa anefa fa fanehoana ny fitiavan’i Jehovah Andriamanitra ny mpanota iray ny fanomezana azy ny fanitsiana ilainy. (Hebreo 12:5-7) Noho izany dia tsy nisalasala nanome torohevitra i Paoly. Sakaiza nahatoky sady niahy ny amin’izay hahasoa an’ilay kongregasiona mantsy izy.
Manatontosa ilay fanirahana mba ‘hanao mpianatra ny firenena rehetra, sady mampianatra azy ireo hitandrina izay rehetra nandidian’i Jesosy Kristy’, ny Vavolombelon’i Jehovah. Rehefa manao izany ireo Kristianina tso-po ireo dia tsy mampandefitra mihitsy ny fahamarinana ara-baiboly izay manala sarona sy manameloka ny fampianaran-diso sy ny toetra tsy kristianina. (Matio 15:9; 23:9; 28:19, 20; 1 Korintiana 6:9, 10) Maneho fiheverana toy ny tena sakaiza izy ireo amin’izany fa tsy manao ny tenany ho fahavalo hailikilika akory.
Nanoratra toy izao ny mpanao salamo, rehefa nahazo fahaiza-mahataka-javatra avy tamin’Andriamanitra: “Aoka ny marina hamely ahy amin’ny fahalemem-panahy ka hananatra ahy, fa diloilo ahosotra ny lohako izany, ary aoka tsy handà izany ny lohako”.—Salamo 141:5.