Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aza Avela Handrava ny Finoanao ny Fisalasalana

Aza Avela Handrava ny Finoanao ny Fisalasalana

Aza Avela Handrava ny Finoanao ny Fisalasalana

Indray andro ianao toa salama tsara. Tsy metimety ianao ny ampitso. Tampoka eo, dia tsy manana hery intsony ianao. Marary ny andohanao, ary manaintaina ny vatanao manontolo. Fa inona no nitranga? Namely ireo taova tena ilaina ny aretina, hany ka tsy afaka miaro tena ny vatanao. Raha tsy tsaboina ianao, dia mety ho simba tanteraka ny fahasalamanao, ary mety ho faty mihitsy aza ianao.

MAZAVA ho azy fa vao mainka ho mora azon’aretina hafa ianao, raha efa mararirary. Raha tsy ampy sakafo, ohatra, ny vatanao, dia “manjary tsy mahatohitra aretina, hany ka na dia ny aretina kely indrindra aza mety hahafaty”, araka an’i Peter Wingate, mpanoratra boky momba ny fitsaboana.

Koa iza no haniry ho mosarena, raha izany no vokany? Tena azo inoana fa miezaka mafy ianao mba hisakafo tsara, ka ho salama foana. Mitandro mafy ny fahasalamanao angamba ianao. Mitandrina toy izany koa anefa ve ianao, mba “hatanjaka amin’ny finoana” foana? (Titosy 2:2) Fantatrao ve, ohatra, ny loza mety hitranga raha avelanao hitsofoka ao an-tsainao ny fisalasalana? Tena mora mameno ny saina sy ny fo mantsy ny fisalasalana, ka mandrava ny finoantsika sy ny fihavanantsika amin’i Jehovah. Toa tsy mahita izany loza izany ny sasany. Tsy mety mihinana sakafo ara-panahy izy ireo, ka lasa mora misalasala. Ary sao dia mba manao izany ianao?

Ratsy foana ve ny fisalasalana?

Mazava ho azy fa tsy ny fisalasalana rehetra no ratsy. Mila mieritreritra tsara ianao indraindray, fa tsy mino ny zavatra iray, raha tsy efa azonao antoka fa marina ilay izy. Mampidi-doza sy mamitaka ny mino ny zava-drehetra fa tsy misalasala mihitsy, araka ny ampirisihan’ny fivavahana sasany. Marina fa milaza ny Baiboly hoe “mino ny zavatra rehetra” ny fitiavana. (1 Korintiana 13:7) Azo antoka fa hatoky an’ireo olona mendri-pitokisana hatramin’izay ny Kristianina be fitiavana. Mampitandrina antsika mba tsy ‘hino ny teny rehetra’ anefa ny Tenin’Andriamanitra. (Ohabolana 14:15) Ara-drariny indraindray raha mampisalasala ny hafa ny olona iray, satria efa nanao zavatra tsy nety izy. “Na dia miteny soa aza [ny mpamitaka]”, hoy ny Baiboly, dia “aza mino azy”.​—Ohabolana 26:24, 25.

Mampitandrina ny Kristianina mba tsy hinohino foana koa ny apostoly Jaona. “Aza mino ny fanahy rehetra”, hoy izy. Ny teny grika nadika hoe “fanahy” dia manondro fitenenana ara-tsindrimandry. Noho izany, dia ‘tsapao ny fitenenana ara-tsindrimandry hahitana raha avy amin’Andriamanitra izy ireny, na tsia’. (1 Jaona 4:1) Mety ho toa avy amin’Andriamanitra ny “fitenenana”, izany hoe ny fampianarana na ny hevitra iray. Avy aminy marina anefa ve izy io? Tena afaka miaro anao ny misalasala kely, na ny mieritreritra tsara aloha, satria “maro ny mpamitaka efa lasa any amin’izao tontolo izao”, hoy ny apostoly Jaona.​—2 Jaona 7.

Fisalasalana tsy mitombina

Eny, ilaina matetika ny mandinika ny zava-misy amin’ny saina tsy miangatra, mba hahitana ny fahamarinana. Tsy midika anefa izany hoe havelantsika hiforona ao an-tsaintsika sy ao am-pontsika ny fisalasalana tsy mitombina sady manimba, izay mety handrava ireo zavatra inoantsika sy ny fihavanana mafy orina ananantsika. Ny dikan’ny hoe fisalasalana dia “tsy fahatapahan-kevitra, tsy fitokiana fa marina”. Tadidinao ve ny fomba nandotoan’i Satana ny sain’i Eva tamin’ny fisalasalana momba an’i Jehovah? Nanontany izy hoe: “Hanky! efa nataon’Andriamanitra hoe: Aza ihinananareo ny hazo rehetra eo amin’ny saha?” (Genesisy 3:1) Nisakana an’i Eva tsy hanapa-kevitra io fanontaniana toa tsotra io, izay nahatonga azy tsy hatoky ny zavatra ninoany intsony. Toy izany ny fomba fiasan’i Satana. Tahaka ny olona iray manoratra taratasy manendrikendrika izy, ka hainy tsara ny mampiasa teny manaratsy an-kolaka sy filazan-javatra tsy dia marina loatra ary lainga. Nandrava fihavanana maro nahafinaritra sy feno fitokisana i Satana, tamin’ny fanisiana fisalasalana toy izany tao an-tsain’ny olona.​—Galatiana 5:7-9.

Fantatr’i Jakoba mpianatra tsara fa manimba io karazana fisalasalana io. Nanoratra izy fa manana tombontsoa lehibe isika, dia ny fahafahana malalaka hangataka fanampiana amin’Andriamanitra rehefa voasedra. Nampitandrina anefa i Jakoba fa rehefa mivavaka amin’Andriamanitra isika, dia ‘aoka hangataka amin’ny finoana ka tsy hiahanahana akory’. Raha misalasala isika rehefa mifandray amin’Andriamanitra, dia ho “toy ny alon-dranomasina entin’ny rivotra ka atopatopany”. Ho lasa ‘olona miroa saina isika, miovaova amin’ny alehantsika rehetra’. (Jakoba 1:6, 8) Manjary tsy matoky ny zavatra inoantsika intsony isika, ka tsy afaka manapa-kevitra. Hitovy amin’i Eva isika amin’izay, ka ho mora hino ny fampianarana sy hevitra isan-karazany avy amin’ny demonia.

Tandrovy ny fahasalamanao ara-panahy

Ahoana àry no hiarovantsika tena amin’ny fisalasalana manimba? Tsotra be ny valiny: Mila mandà mafy ny fampianaran-dison’i Satana isika, ary mampiasa ny fandaharana ara-panahy rehetra nataon’Andriamanitra mba ‘hiorenantsika tsara amin’ny finoana’.​—1 Petera 5:8-10.

Tena ilain’ny tsirairay indrindra ny misakafo ara-panahy tsara. Izao no fanazavan’Atoa Wingate, voatonona tetsy aloha: “Mila hery foana ny vatana, na dia rehefa tsy miasa aza, mba hanohy hiasa ireo taova tena ilaina; mila misolo foana koa ny nofo.” Toy izany koa ny fahasalamantsika ara-panahy. Raha tsy misakafo ara-panahy isika, dia ho simba tsikelikely ny finoantsika ka ho faty amin’ny farany, toy ny vatana tsy omena sakafo. Nanamafy izany i Jesosy Kristy rehefa nilaza hoe: “Tsy mofo ihany no hiveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra”.​—Matio 4:4.

Eritrereto izao: Inona no nataontsika tamin’ny voalohany mba hananana finoana matanjaka? “Ny finoana dia avy amin’ny tori-teny”, hoy ny apostoly Paoly. (Romana 10:17) Ny tiany holazaina dia hoe nianatra ny Tenin’Andriamanitra isika tamin’ny voalohany, mba hinoana sy hatokisana an’i Jehovah sy ny fampanantenany ary ny fandaminany. Mazava ho azy fa tsy ninonino foana izay rehetra rentsika isika. Nanahaka ny mponin’i Beria isika, ka ‘nandinika ny Soratra Masina isan’andro, na marina izany, na tsia’. (Asan’ny Apostoly 17:11) ‘Namantatra ny sitrapon’Andriamanitra isika, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina’ ary nataontsika azo antoka fa marina izay rentsika. (Romana 12:2; 1 Tesaloniana 5:21) Azo inoana fa nanamafy ny finoantsika isika hatramin’izay, satria nihanazava tamintsika fa tsy maintsy ho tanteraka foana ny Teny sy ny fampanantenan’Andriamanitra.​—Josoa 23:14; Isaia 55:10, 11.

Mitandrema sao mosarena ara-panahy

Ny zava-tsarotra manaraka dia izao: Tsy maintsy mihazona ny finoantsika sy miezaka hatoky foana ireo zavatra inoantsika isika. Raha tsy izany mantsy, dia mety hihena ny fatokisantsika an’i Jehovah sy ny fandaminany. Koa tsy maintsy manohy mandinika ny Soratra Masina isan’andro àry isika. Nampitandrina ny apostoly Paoly fa “amin’ny andro aoriana dia hihemotra amin’ny finoana ny sasany [olona nety ho nanana finoana natanjaka tamin’ny voalohany], manaiky fanahy mamitaka sy fampianaran’ny demonia”. (1 Timoty 4:1) Miteraka fisalasalana ireny fampianarana mamitaka ireny, ka mampisaraka ny sasany amin’Andriamanitra. Inona no hiaro antsika? Tokony ‘hotezaina amin’ny tenin’ny finoana sy ny fampianarana tsara izay efa narahintsika’ foana isika.​—1 Timoty 4:6.

Mampalahelo anefa fa misy tsy manaiky ‘hotezaina amin’ny tenin’ny finoana’, na dia azo raisina maimaim-poana aza izy io. Araka ny voalaza ao amin’ny bokin’ny Ohabolana, dia mety tsy hihinana sy handevon-kanina ny sasany, na dia tondraka sy tsara aza ny sakafo ara-panahy eo anoloany.​—Ohabolana 19:24; 26:15.

Mampidi-doza izany. Hoy Atoa Wingate: “Raha vantany vao tapitra lanin’ny vatana ny tahirin-tsakafony, dia mihasimba amin’izay ny fahasalamany.” Manomboka mampiasa ny tahirin-tsakafo ao anatinao ny vatanao, rehefa noana mafy ianao. Rehefa ritra ireo loharanon-kery ireo, dia ampiasain’ny vatanao indray ireo tahirin-tsakafo ilaina hampitomboana sy hanamboarana ny nofo. Manomboka tsy miasa intsony ireo taova tena ilaina, ary miharatsy haingana ny fahasalamanao.

Nitranga tamin’ny lafiny ara-panahy tamin’ny sasany tao amin’ny kongregasiona kristianina tany am-boalohany izany. Nanandrana tsy nihinana afa-tsy ny tahiriny ara-panahy izy ireo. Azo inoana fa nataony tsirambina ny fianarana manokana, ka nanjary nalemy ara-panahy izy ireo. (Hebreo 5:12) Nohazavain’ny apostoly Paoly ny loza aterak’izany, rehefa nanoratra tamin’ireo Kristianina hebreo izy hoe: “Tokony hotandremantsika mafimafy kokoa izay efa rentsika, fandrao hindaosina hiala aminy isika.” Fantany fa tena mora ny mahazo fahazaran-dratsy, raha “tsy mitandrina izao famonjena lehibe izao isika”.​—Hebreo 2:1, 3.

Mahaliana fa tsy voatery ho hita hoe marary na mahia kely ny olona tsy ampy sakafo. Toy izany koa fa mety tsy ho hita avy hatrany hoe mosarena ara-panahy ny olona iray. Rehefa jerena avy etỳ ivelany, dia mety ho salama ara-panahy ianao, na dia tsy misakafo tsara aza. Tsy haharitra ela anefa izany! Tsy maintsy halemy ara-panahy ianao amin’ny farany, ka hitsofoka mora foana ao an-tsainao ny fisalasalana tsy mitombina, ary tsy ho afaka hiaro mafy ny finoana ianao. (Joda 3) Fantatrao, na dia tsy misy olon-kafa mahafantatra aza, ny tena habetsaky ny sakafo ara-panahy raisinao.

Koa tohizo àry ny fianarana manokana. Miadia mafy amin’ny fisalasalana. Mety hitera-doza ny aretina toa tsy dia manao ahoana, raha tsy tsaboina. Ary mety hitera-doza toy izany koa ny fisalasalana, rehefa tsy raharahaina, na dia mampitebiteby lava aza. (2 Korintiana 11:3) ‘Miaina amin’ny andro farany tokoa ve isika? Afaka mino izay rehetra lazain’ny Baiboly ve ianao? Tena fandaminan’i Jehovah Andriamanitra ve ity?’ Tian’i Satana mihitsy ny hanisy fisalasalana toy izany ao an-tsaintsika. Aza atao tsirambina ny fisakafoana ara-panahy, fa raha tsy izany dia ho mora hino ny fampianaran-dison’i Satana ianao. (Kolosiana 2:4-7) Ampiharo ny torohevitra nomena an’i Timoty. Aoka ianao hianatra tsara ny “soratra masina”, mba ‘haharetanao amin’izay zavatra nianaranao sy nampinoana anao’.​—2 Timoty 3:13-15.

Mety hila fanampiana ianao mba hanaovana izany. Hoy ihany Atoa Wingate: “Tsy mahavita mandevon-kanina tsara ny olona iray, rehefa noana mafy, hany ka sakafo tsotra aza tsy levon’ny vavoniny. Mila sakafo mora levonina io olona io mandritra ny fotoana elaela.” Mila fikarakarana manokana ny vatana mba hitsaboana ny vokatry ny hanoanana. Mila fanampiana sy fampaherezana be toy izany koa ny olona iray nanao tsirambina ny fianarany manokana ny Baiboly, mba hazoto homana ara-panahy indray. Raha izany no manjo anao, dia mitadiava fanampiana ary ekeo amim-pifaliana izay fanampiana omena anao mba hahasalama sy hampahatanjaka anao ara-panahy indray.​—Jakoba 5:14, 15.

Aza ‘miahanahana amin’ny tsi-finoana’

Rehefa mandinika ny zavatra niainan’i Abrahama ny olona sasany, dia mety hihevitra fa raha sanatria ka nisalasala izy, dia ara-drariny izany. Toa azo inoana mihitsy fa ‘tsy nisy fanantenana intsony ny haha rain’ny firenena maro azy’, na dia nampanantena izany aza Andriamanitra. Nahoana? Raha ny fiheveran’ny olombelona azy mantsy, dia tsy nahabe fanantenana loatra ny toe-javatra. Tantarain’ny Baiboly fa ‘nihevitra ny tenany hoatra ny maty sy nihevitra ny fahafatesan’ny kibon’i Saraha izy’. Tsy nanaiky hisalasala momba an’Andriamanitra sy ny fampanantenany mihitsy anefa izy, na tao an-tsainy na tao am-pony. Nanoratra toy izao ny apostoly Paoly: “Tsy mba nalemy finoana izy”, na ‘tsy niahanahana tamin’ny tsi-finoana izy’. ‘Natoky foana i Abrahama fa izay nolazain’Andriamanitra dia hainy hatao koa.’ (Romana 4:18-21) Nandritra ny taona maro, dia nanamafy ny fihavanany tamin’i Jehovah sy ny fitokisana azy izy. Nesoriny ny fisalasalana rehetra izay nety hampihena izany fihavanana izany.

Afaka manao izany koa ianao, raha ‘mitana ny mariky ny teny tsy misy kilema’, izany hoe misakafo ara-panahy tsara. (2 Timoty 1:13) Aza hamaivanina mihitsy ny loza ateraky ny fisalasalana. Manao ady hamelezana ny fahasalamana ara-panahy i Satana. Ho voany mora foana ianao, raha tsy misakafo tsara ara-panahy, izany hoe mianatra manokana ny Baiboly sy manatrika fivoriana. Ampiasao tsara ny sakafo ara-panahy tondraka sady ara-potoana omen’ny “mpanompo mahatoky sy manan-tsaina”. (Matio 24:45) Ekeo foana ny “teny tsy misy kilema”, dia ‘hatanjaka hatrany amin’ny finoana’ ianao. (1 Timoty 6:3; Titosy 2:2) Aza avela handrava ny finoanao ny fisalasalana.

[Sary, pejy 21]

Misakafo tsara ara-panahy ve ianao?