Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanampiana Anao Hahafantatra ny Baiboly

Fanampiana Anao Hahafantatra ny Baiboly

Fanampiana Anao Hahafantatra ny Baiboly

BOKY tsy misy toa azy ny Baiboly. Nilaza ho nahazo tsindrimandry avy tamin’Andriamanitra ireo mpanoratra azy, ary manaporofo izany tsara ny zavatra voasoratra ao. (2 Timoty 3:16) Hazavain’ny Baiboly, ohatra, ny fiaviantsika sy ny zava-kendren’ny fiainana ary ny hoavintsika. Mendrika hodinihina tokoa io boky io!

Efa niezaka namaky ny Baiboly angamba ianao, nefa sarotra taminao ny nahazo ny heviny. Tsy fantatrao angamba hoe aiza no misy ny valin’ny fanontanianao. Tsy ianao irery no niharan’izany. Izany koa no nanjo ny manam-pahefana etiopianina iray tamin’ny taonjato voalohany. Nandeha kalesy avy tany Jerosalema ho any Etiopia, izy, ary namaky tamin’ny feo avo ny bokin’i Isaia, bokim-paminaniana ao amin’ny Baiboly, nosoratana 700 taona mahery talohan’izay.

Tampoka teo, dia nisy lehilahy iray nihazakazaka teo akaikin’ny kalesiny ary niarahaba azy. I Filipo mpianatr’i Jesosy io, ary nanontany an’ilay Etiopianina izy hoe: “Moa fantatrao va izay vakinao?” Namaly ilay Etiopianina hoe: “Hataoko ahoana no fahay, raha tsy misy mampianatra ahy?” Nanasa an’i Filipo hipetraka tao anaty kalesiny izy avy eo. Nohazavain’i Filipo taminy ny hevitry ny andinin-teny novakiny, ary “nitory an’i Jesosy taminy” izy.​—Asan’ny Apostoly 8:30-35.

Toa an’i Filipo, izay nanampy an’io Etiopianina io mba hahazo ny hevitry ny Tenin’Andriamanitra, dia manampy ny olona hahazo ny hevitry ny Baiboly koa ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny. Ho faly koa izy ireo hanampy anao. Ny tsara indrindra matetika, dia ny mianatra Baiboly amin’ny fomba voalamina, ka ireo fampianarana fototra ao amin’ny Soratra Masina no anombohana azy. (Hebreo 6:1) Rehefa mandroso ny fianaranao, dia ho azonao ny hevitr’ireo fahamarinana lalina kokoa, izay nantsoin’ny apostoly Paoly hoe “ventin-kanina”. (Hebreo 5:14) Na dia ny Baiboly aza no ianaranao, dia misy koa boky sy gazety fianarana Baiboly, izay afaka manampy anao hitady sy hahazo ny hevitr’ireo andinin-teny mahakasika loha hevitra samy hafa.

Matetika no afaka mianatra amin’ny fotoana sy any amin’ny toerana mety aminao ianao. Misy aza mianatra an-telefaonina. Tsy atao any an-dakilasy ilay fianarana, fa amboarina araka ny tarehin-javatra misy anao, anisan’izany ny fitaizana azonao sy ny fianarana nataonao. Tsy andoavam-bola io fianarana Baiboly io. (Matio 10:8) Tsy misy fanadinana, ary atao izay tsy hahasanganehana anao. Hovaliana ireo fanontanianao ary hianatra hanatona an’Andriamanitra ianao. Nahoana anefa ianao no tokony hianatra Baiboly? Diniho ny antony sasany ilazana fa mitondra fifaliana ny fianarana Baiboly.