Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hazo Mateza Be

Hazo Mateza Be

Hazo Mateza Be

Mety tsy ho tsara hanorenana trano eo amin’ny hantsam-bato, indrindra fa raha any an-tendrombohitra avo be no misy azy. na dia toa sarotra iainana aza anefa eny amin’ireny hantsam-bato ireny, dia misy hazo maniry any an-tendrombohitra mifikitra mafy amin’izy ireny, ary mahavita miaritra ny ririnina mamirifiry sy ny hain-tany.

MATETIKA no tsy mijoalajoala toy ny hazo hafa maniry eny amin’ny faritra iva, ireo hazo matanjaka ireo. Mety ho feno tonony sy mivilambilana ny vatany, ary mety ho iva kely izy. Ny haratsin’ny toetr’andro sy ny tsy fahampian’ny tany aniriany no mamolavola ny endriny sy mampihintsana ny rantsany.

Mety hihevitra ianao fa tsy hateza ireny hazo ireny, satria miaritra ny mafy indrindra. Tsy marina anefa izany, satria misy milaza fa maharitra 4 700 taona ny Metosela, karazana hazo kesika maniry any amin’ny 3 000 metatra any ambonin’ny Tendrombohitra Fotsy, any Kalifornia. Lazain’ny Boky Guinness Momba ny Zavatra Niavaka Indrindra 1997 (anglisy) fa io no karazana hazo mateza indrindra eran-tany. Izao no fanazavan’i Edmund Schulman, izay nandinika ireo hazo antitra be ireo: “Toa ny zava-tsarotra no mahatonga io karazana hazo kesika io ho ela velona. Eny amin’ny 3 000 metatra any amin’ny Tendrombohitra Fotsy no ahitana an’ireo hazo kesika antitra, amin’ny toerana ngazana sy feno vato.” Hitan’i Schulman koa fa maniry ao anatin’ny faritra sarotra iainana toy izany ny karazana hazo kesika hafa, antitra indrindra.

Marina fa tsy maintsy miady amin’ny zava-tsarotra ireo ohatra ny amin’ny fiaretana ireo, nefa misy zavatra roa ampiasainy amin’ny fomba tsara indrindra. Ny voalohany, dia ny toerana mitokana misy azy. Tsy misy zavamaniry loatra mantsy manodidina azy, hany ka voaro amin’ny doro tanety, izay mpamono hazo lehibe, izy. Ny faharoa, dia ny fotony, izay mampiraikitra azy tsara amin’ny tany, ka horohoron-tany ihany vao hampihetsika azy.

Oharina amin’ny hazo ny mpanompon’Andriamanitra mahatoky, ao amin’ny Baiboly. (Salamo 1:1-3; Jeremia 17:7, 8) Mety hiatrika zava-tsarotra koa izy ireo eo amin’ny fiainany. Mety hisedra mafy ny finoany ny fanenjehana na ny aretina na ny fahantrana mahafadiranovana, indrindra fa raha maharitra an-taonany maro izany. Manome toky fa hanampy azy ireo anefa ilay Mpamorona, izay nanao ny hazo hahatohitra zava-manahirana. Izao no fampanantenan’ny Baiboly ho an’ny olona mijoro tsara: “Hampiorina ary hampitoetra anareo [Izy]”.​—1 Petera 5:9, 10.

‘Mijoro tsara, tsy mihozongozona mihitsy, na mikiry’. Izany no hevitry ny teny grika adika hoe “miaritra” ao amin’ny Baiboly. Fototra mafy no ilaina mba hiaretana, toy ny hazo maniry any an-tendrombohitra. Mila mamaka tsara ao amin’i Jesosy Kristy ny Kristianina raha te hiorina mafy. Hoy i Paoly: “Tahaka ny nandraisanareo an’i Kristy Jesosy Tompo, dia mandehana ao aminy araka izany koa, ka mamaka tsara sy miorina mafy ao aminy ary tafatoetra amin’ny finoana, toy ny efa nampianarana anareo, ka mazoto amin’ny fisaorana.”​—Kolosiana 2:6, 7.

Fantatr’i Paoly fa ilaina ny fototra ara-panahy mafy. Niady tamin’ny “tsilo tamin’ny nofo” mihitsy izy ary niaritra fanenjehana mafy nandritra ny fanompoany. (2 Korintiana 11:23-27; 12:7) Hitany anefa fa afaka nanohy izy, noho ny hery nomen’Andriamanitra. Hoy izy: “Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’Ilay mampahery ahy.”​—Filipiana 4:13.

Asehon’ny ohatr’i Paoly fa tsy miankina amin’ny hatsaran’ny toe-javatra ny fahafahan’ny Kristianina miaritra. Toy ny hazo maniry any an-tendrombohitra ary mahavita miaritra tafio-drivotra mandritra ny taonjato maro, dia afaka mihazona mafy ny finoantsika koa isika, raha mamaka tsara ao amin’i Kristy sy miantehitra amin’ny hery omen’Andriamanitra. Raha maharitra hatramin’ny farany koa isika, dia ho tanteraka amintsika izao fampanantenan’Andriamanitra izao: “Ho tahaka ny andron’ny hazo ny andron’ny oloko”.​—Isaia 65:22; Matio 24:13.