Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mahità Fifaliana Amin’ny Fanomezana!

Mahità Fifaliana Amin’ny Fanomezana!

Mahità Fifaliana Amin’ny Fanomezana!

“Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.”​—ASAN’NY APOSTOLY 20:35.

1. Ahoana no ampisehoan’i Jehovah fa mahafaly ny manome?

FANOMEZANA sarobidy avy amin’Andriamanitra ny fifaliana azo amin’ny fahalalana ny fahamarinana sy ny fitahiana entin’izany. Manana antony maro ifaliana ireo mahalala an’i Jehovah. Na dia mahafaly aza anefa ny mandray fanomezana, dia mahafaly koa ny manome. I Jehovah no ilay Mpanome ny ‘zava-tsoa rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra’, ary izy ilay “Andriamanitra finaritra”. (Jakoba 1:17; 1 Timoty 1:11) Manome fampianarana mahasoa ho an’ireo rehetra mihaino azy izy, ary faly izy rehefa mankatò azy ny olona ampianariny, tsy misy hafa amin’ny ray aman-dreny faly rehefa arahin-janany ny toromarika feno fitiavana omeny.​—Ohabolana 27:11.

2. a) Inona no nolazain’i Jesosy momba ny fanomezana? b) Inona no fahasambarana tsapantsika rehefa mampianatra ny hafa ny fahamarinana ara-baiboly isika?

2 Faly toy izany koa i Jesosy fony teto an-tany, raha nahita ny olona nandray tsara ny fampianarany. Nilaza an’i Jesosy ho niteny toy izao ny apostoly Paoly: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.” (Asan’ny Apostoly 20:35) Tsy ny fahafaham-po mahita olona manaiky ny zavatra inoantsika fotsiny akory no mahasambatra antsika, rehefa mampianatra ny hafa ny fahamarinana ara-baiboly isika. Mihoatra lavitra noho izany, fa mahafaly ny mahafantatra fa zavatra tena misy vidiny maharitra no omentsika. Rehefa manome zavatra ara-panahy isika, dia afaka manampy olona hahita soa dieny izao sy ho mandrakizay.​—1 Timoty 4:8.

Mahafaly ny manome

3. a) Ahoana no nilazan’ny apostoly Paoly sy Jaona ny fifaliany nanampy ny hafa teo amin’ny lafiny ara-panahy? b) Nahoana no fanehoam-pitiavana ny fampitana ny fahamarinana ara-baiboly amin’ny zanatsika?

3 Eny, tsy misy hafa amin’i Jehovah sy i Jesosy izay mahita fifaliana amin’ny fanomezana zavatra ara-panahy, dia toy izany koa ny Kristianina. Faly ny apostoly Paoly nahafantatra fa nanampy ny hafa hianatra ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ny tenany. Izao no nosoratany ho an’ny kongregasion’i Tesalonika: “Inona moa no fanantenanay, na fifalianay, na satroboninahitra reharehanay? Moa tsy hianareo eo anatrehan’i Jesosy Tompontsika amin’ny fihaviany va? Fa hianareo no voninahitray sy fifalianay.” (1 Tesaloniana 2:19, 20) Toy izany koa, fa nanoratra toy izao ny apostoly Jaona, rehefa niresaka ny amin’ireo zanany ara-panahy: “Tsy manana fifaliana mihoatra noho izao aho, dia ny andrenesako fa mandeha araka ny fahamarinana ny zanako.” (3 Jaona 4) Eritrereto koa ny fifaliana manampy ireo zanatsika mihitsy ho tonga zanatsika ara-panahy! Maneho fitiavana ireo ray aman-dreny rehefa mitaiza ny zanany araka “ny famaizana sy ny fananaran’[i Jehovah]”. (Efesiana 6:4) Asehon’ny ray aman-dreny amin’izany fa miahy izay hahasoa mandrakizay ny zanany kely izy. Sady faly be no afa-po ny ray aman-dreny, rehefa mandray tsara izany izy ireo.

4. Fitantarana inona no mampiseho ny fifaliana manome eo amin’ny lafiny ara-panahy?

4 Mpisava lalana maharitra sy manan-janaka dimy i Dell. Hoy izy: “Tena miombom-pihetseham-po amin’ny apostoly Jaona tokoa aho satria tena velom-pisaorana fa ‘mandeha araka ny fahamarinana’ ny zanako efatra. Fantatro fa manome voninahitra sy fiderana an’i Jehovah ny fianakaviana tafaray ao amin’ny fivavahana marina, koa afa-po tokoa aho mahita fa tahiny ireo ezaka ataoko handentehana ny fahamarinana ao amin’ireo zanako. Mahavelom-panantenana ahy sy manosika ahy hiaritra, ilay fanantenana kanto ny hiaina tsy misy farany ao amin’ny Paradisa miaraka amin’ny fianakaviako, na dia eo aza ireo zava-tsarotra sy sakana.” Nampalahelo fa voaroaka tsy ho anisan’ny kongregasiona ny zanakavavin’i Dell, satria nanana fitondran-tena tsy kristianina. Na izany aza dia miezaka hijery hatrany ny lafy tsaran-javatra i Dell. “Manantena aho fa indray andro any, dia hanetry tena ny zanako ka tena hiverina tokoa amin’i Jehovah”, hoy izy. “Misaotra an’Andriamanitra anefa aho fa mbola manompo azy amim-pahatokiana ny ankamaroan’ireo zanako. Tena manome hery ahy ny fifaliana tsapako.”​—Nehemia 8:10.

Mahazo namana mandrakizay

5. Inona no mahafa-po antsika, rehefa mandany fotoana sy hery amin’ny asa fanaovana mpianatra isika?

5 Nanome toromarika ireo mpanara-dia azy i Jesosy mba hanao mpianatra kristianina sy hampianatra azy ireny ny amin’i Jehovah sy ny zavatra takiny. (Matio 28:19, 20) Tsy nisy fitiavan-tena ny fanampian’i Jehovah sy i Jesosy ny olona hianatra ny lalan’ny fahamarinana. Koa rehefa mandany fotoana sy hery amin’ny asa fanaovana mpianatra isika, dia afa-po, satria fantatsika fa manahaka ny ohatr’i Jehovah sy i Jesosy isika, sahala amin’ireo Kristianina tany am-boalohany. (1 Korintiana 11:1) Tena misy heviny ny fiainantsika rehefa miara-miasa toy izany amin’ilay Andriamanitra Tsitoha sy ny Zanany malala isika. Fitahiana tokoa izany hoe anisan’ny “mpiara-miasa” amin’Andriamanitra izany! (1 Korintiana 3:9) Ary moa ve tsy mandrisika erỳ ny hoe, na ny anjely aza dia manana anjara amin’io asa fitoriana ny vaovao tsara io?​—Apokalypsy 14:6, 7.

6. Iza no manjary namantsika rehefa manome zavatra ara-panahy ho an’ny hafa isika?

6 Rehefa mandray anjara amin’io fanomezan-javatra ara-panahy io isika, dia tsy vitan’ny hoe tonga mpiara-miasa amin’Andriamanitra, fa mety ho tonga namany mandrakizay mihitsy aza. Nantsoina hoe naman’Andriamanitra i Abrahama noho ny finoany. (Jakoba 2:23) Afaka ny ho tonga naman’Andriamanitra koa isika rehefa milofo manao ny sitrapony. Ho tonga naman’i Jesosy koa isika raha manao izany. Hoy izy tamin’ireo mpianany: “Efa nataoko hoe sakaiza hianareo, satria izay rehetra reko tamin’ny Raiko no nambarako taminareo.” (Jaona 15:15) Maro no faly erỳ satria isaina ho naman’olona ambony na manam-pahefana ambony ny tenany, isika kosa anefa afaka ny ho naman’ireo fisiana ambony indrindra eo amin’izao rehetra izao manontolo!

7. a) Ahoana no nahazoan’ny vehivavy iray tena namana? b) Efa nitranga taminao koa ve izany?

7 Ankoatra izany, rehefa manampy olona hahalala an’Andriamanitra isika, dia tonga namantsika koa izy ireo. Mahafaly antsika manokana izany. Nanomboka nianatra ny Baiboly niaraka tamin’ny vehivavy iray antsoina hoe Thelma i Joan, izay mipetraka any Etazonia. Na dia nanohitra ny fianaran’i Thelma aza ny fianakaviany, dia nikiry ihany izy ka natao batisa, herintaona tatỳ aoriana. Hoy ny nosoratan’i Joan: “Tsy nifarana hatreo ny fiarahanay fa vao mainka aza nanjary mpinamana izahay, efa ho 35 taona mahery izao. Niara-nanompo matetika izahay sy niara-nandeha namonjy fivoriambe. Rehefa nandeha ny fotoana, dia nifindra trano tany amin’ny 800 kilaometatra aho. Nandefa taratasy ho ahy foana anefa i Thelma. Tena feno fitiavana sy nankahery tokoa izy ireny satria nolazainy fa maminy erỳ ny fahatsiarovany ahy ary nisaotra ahy izy satria tonga namany sy ohatra narahiny aho, ary nampianatra azy ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Ny fananana tena namana malala toy izany dia valisoa mahatalanjona noho ny fiezahako nanampy azy hianatra momba an’i Jehovah.”

8. Fijerena lafy tsaran-javatra inona no hanampy antsika amin’ny fanompoana?

8 Afaka manampy antsika hiaritra ny fanantenana hahita olona maniry hianatra ny fahamarinana, na dia maro amin’ireo olona hitantsika aza no zara raha liana amin’ny Tenin’i Jehovah, na tsy liana mihitsy. Mety hisedra ny finoantsika sy ny fiaretantsika ny tsy firaharahana toy izany. Hanampy antsika anefa ny fijerena lafy tsaran-javatra. Hoy i Fausto, avy any Goatemalà: “Rehefa mitory aho, dia mieritreritra fa tena hahafinaritra raha toa ka lasa rahalahy na anabavy ara-panahy ilay olona iresahako. Ny hevitro dia hoe amin’ireo olona hifanena amiko, dia mety hisy anankiray, fara faharatsiny, hanaiky ny fahamarinan’ny Tenin’Andriamanitra amin’ny farany. Sady tena mahafaly ahy ny fieritreretana izany.”

Mihary harena any an-danitra

9. Inona no nolazain’i Jesosy momba ny harena any an-danitra, ary inona no azontsika ianarana avy amin’izany?

9 Tsy mora foana akory ny manao mpianatra, na zanatsika izany na olon-kafa. Mety hila fotoana sy faharetana ary fikirizana izany. Tadidio anefa fa maro no vonona hiasa mafy mba hihariana zavatra ara-nofo be dia be, izay mazàna no tsy mitondra fifaliana ho azy ireo akory no sady tsy maharitra mandrakizay. Nilaza tamin’ny mpihaino azy i Jesosy fa tsara kokoa ny miasa mba hahazoana zavatra ara-panahy. Hoy izy: “Aza mihary harena ho anareo etỳ an-tany, izay misy kalalao sy harafesina manimba, sady misy mpangalatra manamitrano sy mangalatra. Fa miharia harena ho anareo any an-danitra, izay tsy misy kalalao na harafesina manimba, sady tsy misy mpangalatra manamitrano na mangalatra.” (Matio 6:19, 20) Rehefa manatratra tanjona ara-panahy isika, anisan’izany ny fanaovana mpianatra, izay zava-dehibe, dia ho afa-po isika mahafantatra fa manao ny sitrapon’Andriamanitra ka hovaliany soa. Hoy ny nosoratan’ny apostoly Paoly: “Andriamanitra tsy mba tsy marina hanadino ny asanareo sy ny fitiavana izay nasehonareo ho voninahitry ny anarany”.​—Hebreo 6:10.

10. a) Nahoana no nanankarena ara-panahy i Jesosy? b) Ahoana no nandanian’i Jesosy ny fotoanany sy ny heriny, ary inona no soa lehibe noraisin’ny hafa tamin’izany?

10 Raha mazoto manao mpianatra isika, dia hihary “harena any an-danitra” ho an’ny tenantsika, araka ny nolazain’i Jesosy. Ho tsapantsika amin’izay ny fifaliana rehefa mahazo zavatra. Hanjary hanankarena isika amin’ny farany, raha manome amim-pahalalahan-tanana. Nahatoky i Jesosy nanompo an’i Jehovah nandritra ny taona maro tsy hita isa. Eritrereto ny harena voangony tany an-danitra! Tsy nitady ny tombontsoan’ny tenany anefa i Jesosy. Hoy ny nosoratan’ny apostoly Paoly: “[Jesosy] nanolotra ny tenany noho ny fahotantsika, hanafahany antsika amin’izao miara-belona ratsy fanahy izao, araka ny sitrapon’Andriamanitra Raintsika”. (Galatiana 1:4) Tsy vitan’ny hoe nandany fotoana sy hery fotsiny i Jesosy teo amin’ny fanompoany, fa ny ainy mihitsy aza no nomeny ho avotra mba hahafahan’ny hafa hihary harena any an-danitra.

11. Nahoana no tsara kokoa noho ny fanomezana ara-nofo ny fanomezana ara-panahy?

11 Manampy ny olona hahita ny fomba hahafahany hihary harena ara-panahy tsy mety simba isika, rehefa mampianatra azy momba an’Andriamanitra. Misy fanomezana lehibe kokoa noho izany ve azonao omena? Raha manome famantaranandro lafo vidy na fiara na trano mihitsy aza ho an’ny namanao ianao, dia azo inoana fa ho velom-pankasitrahana sy ho faly izy, ary ho faly koa ianao satria nanome. Hanao ahoana anefa iny fanomezana iny rehefa afaka 20 taona? Afaka 200 taona? Afaka 2 000 taona? Raha mandany fotoana sy hery kosa anefa ianao mba hanampiana olona iray hanompo an’i Jehovah, dia afaka mandray soa mandrakizay avy amin’izany fanomezana izany izy.

Mikaroka ireo olona mitady ny fahamarinana

12. Ahoana no nandanian’ny maro fotoana sy hery mba hanampiana ny hafa teo amin’ny lafiny ara-panahy?

12 Tonga hatrany amin’ny faran’ny tany ny vahoakan’i Jehovah, mba hahazoana ilay fifaliana tsapa rehefa manome zavatra ara-panahy. An’arivony maro no nandao ny tranony sy ny fianakaviany mba ho misionera any an-tany hafa. Voatery nianatra fiteny sy kolontsaina vaovao izy ireo tany. Ny hafa nifindra toerana tao amin’ny taniny ihany, tany amin’ny faritra nilana mpitory ilay Fanjakana bebe kokoa. Nianatra fiteny vahiny kosa ny hafa, ka nanjary afaka nitory tamin’ireo mpifindra monina tao amin’ny toerana nipetrahany. Nanomboka ny asan’ny mpisava lalana sy nianatra niteny sinoa, ohatra, ny mpivady iray any New Jersey, Etazonia, rehefa avy nanabe zanaka roa, izay manompo any amin’ny foibe maneran-tanin’ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny. Nitarika fampianarana Baiboly 74 tamin’ireo olona niteny sinoa nankany amin’ny oniversite iray teo amin’ny manodidina izy mivady, tao anatin’ny telo taona. Afaka manitatra ny fanompoanao ve ianao, mba hahitana fifaliana bebe kokoa rehefa manao mpianatra?

13. Inona no azonao atao raha tianao hamokatra kokoa ny fanompoanao?

13 Te hitarika fampianarana Baiboly mafy angamba ianao fa tsy mahita. Sarotra ny mahita olona liana any amin’ny tany sasany. Angamba tsy liana amin’ny Baiboly mihitsy ny olona hitanao. Raha izany no izy, dia azonao atao angamba ny milaza matetika kokoa ny fanirianao amim-bavaka, satria fantatrao fa liana dia liana amin’ilay asa i Jehovah sy i Jesosy Kristy, ary mety hitarika anao any amin’ny olona toy ny ondry izy ireo. Mitadiava fanoloran-kevitra amin’ireo za-draharaha kokoa ao amin’ny kongregasionanao, na ireo mahita vokatra kokoa amin’ny fanompoana. Hararaoty ny fampiofanana sy fanoloran-kevitra omena any amin’ny fivoriana kristianina. Mandraisa soa avy amin’ny torohevitry ny mpiandraikitra mpitety faritany sy ny vadiny. Ambonin’ny zava-drehetra anefa, dia aza manary toky. Hoy ny nosoratan’ilay olon-kendry: “Amin’ny maraina dia afafazo ny voanao, ary amin’ny hariva dia aza atsahatra ny tànanao; fa tsy fantatrao izay ho vanona”. (Mpitoriteny 11:6) Tsarovy koa ireo olona nahatoky toy an-dry Noa sy Jeremia. Na dia vitsy kely aza no nandray tsara ny fitorian’izy ireo, dia nahomby ny fanompoan’izy ireo. Ambonin’ny zava-drehetra, dia nampifaly an’i Jehovah izany.

Manao araka izay fara hery

14. Ahoana no fiheveran’i Jehovah ireo antitra teo am-panompoana azy?

14 Mety tsy hamela anao hanompo betsaka araka izay tianao ny tarehin-javatra misy anao. Mety hametra izay azonao atao eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah, ohatra, ny fandrosoan’ny taona. Tadidio anefa izay nosoratan’ilay olon-kendry: “Satroboninahitra tsara tarehy ny volo fotsy, ao amin’ny làlan’ny fahamarinana no ahazoana azy.” (Ohabolana 16:31) Tsara tarehy eo imason’i Jehovah ny fiainana lany amin’ny fanompoana azy. Milaza koa ny Soratra Masina hoe: “Na dia mandra-pahantitrareo aza, dia tsy miova Aho [Jehovah], ary mandra-pahafotsi-volonareo, dia Izaho ihany no hisahirana mitondra anareo. Izaho no nanao, ka Izaho ihany no hitrotro, eny, Izaho no hitondra sy hanafaka.” (Isaia 46:4) Mampanantena ilay Raintsika be fitiavana any an-danitra fa hanohana sy hanome izay ilain’ireo tsy mivadika aminy izy.

15. Mino ve ianao fa takatr’i Jehovah ny tarehin-javatra misy anao? Nahoana?

15 Angamba ianao miaritra aretina, fanoheran’ny vady tsy mpino, andraikitra mavesatra ara-pianakaviana, na zava-tsarotra hafa. Fantatr’i Jehovah ny fetran’ny mety ho vitantsika sy ny tarehin-javatra misy antsika, ary tia antsika izy noho ireo ezaka amin-kafanam-po ataontsika mba hanompoana azy. Marina izany na dia kely kokoa noho ny an’ny hafa aza ny vitantsika. (Galatiana 6:4) Fantatr’i Jehovah fa tsy lavorary isika, ary araka ny zava-misy ny zavatra antenainy amintsika. (Salamo 147:11) Raha manao araka izay fara herintsika isika, dia afaka matoky fa sarobidy eo imason’Andriamanitra isika ary tsy hanadino ireo asam-pinoana nataontsika izy.​—Lioka 21:1-4.

16. Amin’ny heviny ahoana no miara-manao mpianatra ny kongregasiona iray manontolo?

16 Tsarovy koa fa asa ifarimbonana ny fanaovana mpianatra. Tsy misy olon-tokana mahavita mpianatra iray, toy ny tsy hahavitan’ny rano indray mitete mampaniry zavamaniry. Marina aloha fa Vavolombelona iray no mety hahita olona liana sy hitarika fampianarana Baiboly aminy. Raha vao tonga any amin’ny Efitrano Fanjakana anefa io olona vaovao io, dia ny kongregasiona iray manontolo no manampy azy hanaiky ny fahamarinana. Mampiseho ny herin’ny fanahin’Andriamanitra ny hatsaram-panahin’ny fianakavian’ny mpirahalahy. (1 Korintiana 14:24, 25) Ny ankizy sy tanora manome valin-teny mamelombelona dia mampiseho amin’ilay olona vaovao fa tsy mitovy amin’ireo tanoran’izao tontolo izao ny tanorantsika. Ny marary sy ny kilemaina ary ny zokiolona ao amin’ny kongregasiona dia mampianatra ny atao hoe fiaretana, amin’ireo vaovao. Na firy taona isika na firy taona ary na toy inona na toy inona fetran’ny mety ho vitantsika, dia manana anjara lehibe isika rehetra manampy ireo vaovao, rehefa mihalalina ny fitiavan’izy ireo ny fahamarinana ara-baiboly sy mandroso ho amin’ny batisa izy ireo. Raha raisina tsirairay, dia toa tsy misy vidiny ny ora tsirairay lany amin’ny fanompoana, ny fiverenana mitsidika tsirairay, ny resaka indray mandeha atao amin’ny olona liana any amin’ny Efitrano Fanjakana. Tapany amin’ilay asa lehibe tanterahin’i Jehovah anefa izy ireny.

17, 18. a) Ankoatra ny asa fanaovana mpianatra, ahoana koa no ahafahantsika mahita fifaliana amin’ny fanomezana? b) Iza no tahafintsika rehefa mahita fifaliana amin’ny fanomezana isika?

17 Mazava ho azy fa, ankoatra ny fandraisana anjara amin’ny asa lehibe fanaovana mpianatra, dia mahafaly antsika Kristianina koa ny manome amin’ny fomba hafa. Afaka manokana vola hanohanana ny fivavahana marina sy hanampiana ireo sahirana isika. (Lioka 16:9; 1 Korintiana 16:1, 2) Afaka mitady fomba hanehoana fahaiza-mandray vahiny isika. (Romana 12:13) Afaka miezaka ny “hanao soa amin’ny olona rehetra, indrindra fa amin’ny mpianakavin’ny finoana”, isika. (Galatiana 6:10) Azontsika atao koa ny manome zavatra tsotra nefa mavesa-danja​—taratasy, antso an-telefaonina, fanomezana, fanampiana mivaingana, teny fampaherezana.

18 Rehefa manome isika dia mampiseho fa manahaka ilay Raintsika any an-danitra. Asehontsika koa ny fitiavan-drahalahy izay famantarana ny tena Kristianina. (Jaona 13:35) Afaka manampy antsika hahita fifaliana amin’ny fanomezana ny fitadidiana izany.

Hainao Hazavaina Ve?

• Ahoana no nanomezan’i Jehovah sy i Jesosy ohatra teo amin’ny fanomezana zavatra ara-panahy?

• Ahoana no ahafahantsika mahazo namana mandrakizay?

• Inona avy no dingana azontsika atao mba hahomby kokoa ny fanompoantsika?

• Ahoana no ahafahan’ny rehetra ao amin’ny kongregasiona mahita fifaliana amin’ny fanomezana?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 13]

Tena faly sy afa-po ny ray aman-dreny rehefa manaiky hampiofanina ny zanany

[Sary, pejy 15]

Afaka mahazo tena namana isika rehefa manao mpianatra

[Sary, pejy 16]

Manohana antsika i Jehovah rehefa be taona isika

[Sary, pejy 17]

Mahafaly antsika ny manome zavatra tsotra nefa mavesa-danja