Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Naharitra Hatramin’ny Farany” Izy

“Naharitra Hatramin’ny Farany” Izy

“Naharitra Hatramin’ny Farany” Izy

NANEHO ny fihetseham-pony momba ny fanompoana an’i Jehovah toy izao i Lyman Alexander Swingle, tao amin’ilay vidéo ho an’ny mpikambana vaovao ao amin’ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah: “Maty eo am-perinasa!”

Nanao izay nasainy hataon’ny hafa ny Rahalahy Swingle, 90 taona. “Naharitra hatramin’ny farany” izy. (Matio 24:13) Anisan’ny Fitambara-mpitantana izy, ary namonjy ny fivorian’izy ireo, ny alarobia 7 Martsa, na dia narary aza. Niharatsy ny toe-pahasalamany ny talata taorian’izay, ary nambaran’ny dokoterany fa maty izy ny 14 Martsa, tamin’ny 4.26 maraina.

Nanomboka ny fanompoany tao amin’ny foibe maneran-tanin’ny Vavolombelon’i Jehovah any Brooklyn, New York, i Lyman Swingle ny 5 Aprily 1930, ary nanompo tao nandritra ny efa ho 71 taona. Tao amin’ny fanakambanam-boky no nanendrena azy voalohany, avy eo dia tao amin’ny fanaovam-pirinty, ary tao amin’ny fanaovana ranomainty. Niasa nandritra ny 25 taona teo ho eo tao amin’ny fanaovana ranomainty ny Rahalahy Swingle, raha ny marina. Nanompo nandritra ny 20 taona tao amin’ny sampan-draharahan’ny fanoratana koa izy. Niasa tao amin’ny Biraon’ny Mpitahiry Vola izy nandritra ireo 17 taona farany teo amin’ny fiainany.

Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra nafana fo i Lyman. Tamin’izy vao tonga kelikely teto Brooklyn, dia nandeha tamin’ny sambon’ny Vavolombelona izy sy i Arthur Worsley, mpiray efitra taminy, ka tonga hatrany amin’ny Renirano Hudson. Nandany faran’ny herinandro maro izy ireo mba hampitana tamin’ny alalan’ny fanamafisam-peo, ny hafatra momba ilay Fanjakana, tamin’ireo olona teny an-tanety.

Teraka tamin’ny 6 Novambra 1910 tany Lincoln, Nebraska, ny Rahalahy Swingle, nefa nifindra nankany Salt Lake City, Utah ny fianakaviany fotoana fohy taorian’izay. Lasa Mpianatra ny Baiboly, araka ny niantsoana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany, ny ray aman-dreniny tamin’ny 1913. Nampiantrano mpandahateny avy tany amin’ny foiben’ny Vavolombelona any Brooklyn ry Swingle mianakavy tao anatin’ireo taona maro lasa, ary nisy vokany tsara teo amin’i Lyman izany. Natao batisa izy tamin’ny 1923, tamin’izy 12 taona, ho fanehoana ny fanoloran-tenany ho an’Andriamanitra.

Nihatsara tsy misy ohatra izany ny fiainan’i Lyman rehefa nanambady an’i Crystal Zircher izy ny 8 Jona 1956, rehefa avy nanompo tao Brooklyn nandritra ny 26 taona tamin’ny naha mpitovo. Tena niraiki-po tokoa izy mivady, ary niaraka nanao ny fanompoana foana hatramin’ny nahafatesan’i Crystal tamin’ny 1998. Tapaka lalan-dra i Crystal, telo taona talohan’io ka nanjary nalemy. Ohatra tsara ho an’ny rehetra ny fandavan-tenan’i Lyman tamin’ny fikarakarana azy isan’andro. Maro no nahita an’i Lyman nanosika tamim-pitiavana an’i Crystal tamin’ny seza misy kodiarana, rehefa nanolotra gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! ho an’ny mpandalo teny an-tsisin’ny lalana manodidina izy.

Tso-po ny Rahalahy Swingle ary be fitiavana ka nanjary mamy hoditra tamin’ireo izay vao nahafantatra azy. Nanana fanantenana ara-baiboly ny hiaina any an-danitra miaraka amin’i Kristy ao amin’ny Fanjakana izy sy ny ray aman-dreniny. Azontsika antoka ankehitriny fa efa tanteraka izany fanantenany izany.​—1 Tesaloniana 4:15-18; Apokalypsy 14:13.

[Sary, pejy 31]

Nanompo nandritra ny 25 taona teo ho eo tao amin’ ny fanaovana ranomainty ny Rahalahy Swingle

[Sary, pejy 31]

Niraiki-po tokoa i Lyman sy i Crystal