Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana Isika no Tokony Hianatra Baiboly?

Nahoana Isika no Tokony Hianatra Baiboly?

Nahoana Isika no Tokony Hianatra Baiboly?

TANORA sady tomady i Bill, ary nahita fianarana sy nanankarena koa. Tsy afa-po anefa izy satria tsy nanan-java-kendrena ny fiainany, ary nampanahy azy mafy izany. Nitety fivavahana izy mba hahitana ny zava-kendren’ny fiainana, nefa tsy nahita izany. Nifanena tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy tamin’ny 1991, ka nahazo boky iray nanazava izay lazain’ny Baiboly momba ny zava-kendren’ny fiainana. Natao ny fianarana Baiboly, mba handinihan’i Bill an’io loha hevitra io sy ny hafa koa.

Hoy i Bill: “Tamin’ny fianaranay voalohany, dia fantatro fa nahita izay notadiaviko aho, satria nijery Baiboly matetika izahay. Nahaliana be ireo valin-teny nomen’ny Baiboly. Rehefa avy nianatra izahay tamin’izay, dia nankany an-tendrombohitra aho ary nivoaka ny fiarako sy nikiakiaka mafy, satria faly aoka izany. Dibo-kafaliana ny foko, satria voavaly ihany ireo fanontaniako rehefa ela ny ela.”

Mazava ho azy fa tsy manao hiakam-pifaliana daholo akory izay rehetra mahita ny fahamarinana ara-baiboly. Olona maro anefa no faly rehefa mahazo ny valin’ireo fanontaniana lehibe momba ny fiainana. Izy ireo dia mitovy amin’ilay lehilahy nahita harena nafenina tany an-tsaha, noresahina ao amin’ny fanoharan’i Jesosy. Hoy i Jesosy: “Noho ny hafaliany dia lasa nandeha izy ka nivarotra ny fananany rehetra, dia nividy izany saha izany.”​—Matio 13:44.

Fomba hananana fiainana misy zava-kendrena

Nisaintsaina fanontaniana lehibe iray i Bill, dia ny hoe: Inona no zava-kendren’ny fiainana? Niezaka mafy namaly an’io fanontaniana io ny filozofa sy ny teolojianina ary ny mpahay siansa, nandritra ny an’arivony taona maro. Boky tsy hita isa no nosoratana mba hamaliana azy io. Herim-po very maina ny azy ireny, ary olona maro no nanjary nihevitra fa tsy misy valiny io fanontaniana io. Tena misy valiny anefa izy io. Na dia lalina aza izy io, dia tsy sarotra, ary hazavaina ao amin’ny Baiboly. Izao no fomba hananana fiainana sambatra sy misy zava-kendrena: Tsy maintsy mifandray tsara amin’i Jehovah, Mpamorona antsika sady Raintsika any an-danitra, isika. Ahoana no hananantsika izany fifandraisana izany?

Misy hevitra roa toa mifanohitra tafiditra amin’ny hoe manatona an’Andriamanitra. Sady matahotra an’Andriamanitra no tia azy mantsy ny olona manao izany. Handinika andinin-teny roa manamafy izany isika. Nandinika tsara ny olombelona i Solomona Mpanjaka fahiny, ary nanoratra ny zavatra hitany ao amin’ny Mpitoriteny, boky ao amin’ny Baiboly. Nofintininy toy izao ny fandinihana nataony: “Ary rehefa re izany rehetra izany, dia izao no faran’ny teny: Andriamanitra no atahory, ary ny didiny no tandremo, fa izany no tokony hataon’ny olona rehetra.” (Mpitoriteny 12:13) Taonjato maro tatỳ aoriana, dia namaly toy izao i Jesosy, rehefa nanontaniana hoe inona no didy lehibe indrindra amin’ny Lalàna nomena an’i Mosesy: “Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra”. (Matio 22:37) Hafahafa aminao ve ny hoe sady tokony hatahotra an’Andriamanitra isika no tokony ho tia azy? Andeha hodinihintsika ny maha zava-dehibe ny tahotra sy ny fitiavana. Hodinihintsika koa fa miara-miasa ireo toetra roa ireo mba hahatonga ny olona iray hifandray tsara amin’Andriamanitra.

Ny atao hoe matahotra an’Andriamanitra

Tena ilaina ny tahotra miharo fanajana raha tiantsika heken’Andriamanitra ny fivavahantsika. Hoy ny Baiboly: “Ny fahatahorana an’i Jehovah no fiandoham-pahendrena”. (Salamo 111:10) Nanoratra ny apostoly Paoly hoe: “Aoka isika hanana fahasoavana ho entintsika manao izay fanompoana sitrak’Andriamanitra amin’ny fanajana sy ny fahatahorana”. (Hebreo 12:28) Toy izany koa fa hitan’ny apostoly Jaona, tao amin’ny fahitana, ny anjely iray nanidina teo afovoan’ny lanitra, nanomboka nanambara ny vaovao tsara nanao hoe: “Matahora an’Andriamanitra, ka omeo voninahitra Izy”.​—Apokalypsy 14:6, 7.

Tsy tahotra mampihorohoro io tahotra an’Andriamanitra io, izay tena ilaina mba hananana fiainana misy zava-kendrena. Mety hatahotra be isika raha misy mpanao heloka bevava lozabe mandrahona antsika. Ny atao hoe tahotra an’Andriamanitra anefa dia fanajana lalina ny Mpamorona. Tafiditra amin’izy io koa ny tahotra mahasoa ny hampahasosotra an’Andriamanitra, satria izy no Mpitsara Fara Tampony sy Tsitoha, izay manana hery sy fahefana hanasazy izay tsy mankatò azy.

Miara-miasa ny tahotra sy ny fitiavana

Tsy ny tahotra azy fotsiny anefa no tian’i Jehovah hanosika ny olona hanompo azy. Andriamanitra be fitiavana i Jehovah. Natosiky ny fony ny apostoly Jaona hanoratra hoe: “Andriamanitra dia fitiavana”. (1 Jaona 4:8) Nampiseho fitiavana be tamin’ny olombelona i Jehovah Andriamanitra, ary iriny ny hitiavan’izy ireo azy koa. Mifanaraka anefa ve ny fitiavana sy ny tahotra an’Andriamanitra? Mifandray akaiky izy roa ireo, raha ny marina. Izao no voalazan’ny Salamo 25:14, araka ny dikan-teny iray: “Ny fisakaizana akaiky amin’i Jehovah asehony amin’izay matahotra Azy”.

Eritrereto fotsiny ny fanajana sy ny tahotry ny zaza iray ny rainy matanjaka sy hendry. Hanao zavatra ho setrin’ny fitiavan-drainy azy izy. Hatoky ny rainy izy ary hitady torohevitra any aminy, satria fantany fa hahasoa azy izany torohevitra izany. Raha tia sy matahotra an’i Jehovah koa isika, dia hanaraka ny toromarika omeny, ka hahita soa. Mariho izao nolazain’i Jehovah izao momba ny Isiraelita: “Enga anie ka mba hanana fo toy izany izy hatahorany Ahy sy hitandremany ny didiko rehetra mandrakariva, mba hahita soa izy sy ny taranany mandrakizay!”​—Deoteronomia 5:26.

Tena manafaka ny tahotra an’Andriamanitra fa tsy manandevo, ary mahafaly izy io fa tsy mampalahelo. Naminany toy izao momba an’i Jesosy i Isaia: “Ho hanitra ankasitrahana aminy ny fahatahorana an’i Jehovah”. (Isaia 11:3) Nanoratra toy izao koa ny mpanao salamo: “Sambatra ny olona izay matahotra an’i Jehovah sady mankasitraka ny didiny indrindra.”​—Salamo 112:1.

Mazava ho azy fa tsy afaka ny hatahotra an’Andriamanitra na ho tia azy isika, raha tsy mahafantatra azy. Noho izany, dia zava-dehibe mihitsy ny fianarana Baiboly. Io fianarana io dia hanampy antsika hahafantatra ny toetran’Andriamanitra sy hanaiky fa fahendrena ny manaraka ny toromarika omeny. Rehefa manatona akaiky kokoa an’Andriamanitra isika, dia maniry hanao ny sitrapony sy voatosika hankatò hatrany ny didiny, satria fantatsika fa hahasoa antsika izany.​—1 Jaona 5:3.

Faly ny olona iray rehefa fantany fa ny fomba fiaina tsara no arahiny. Mahatsapa izany i Bill, noresahina tamin’ny voalohany. Vao haingana, dia hoy izy: “Hatramin’izay sivy taona nianarako voalohany ny Baiboly izay, dia akaiky an’i Jehovah kokoa aho. Nanjary fomba fiaina tena mahafaly ilay fifaliana lehibe tsapako tany am-boalohany. Be fanantenana foana aho amin’ny fiainana. Manao zavatra misy heviny foana aho isan’andro, fa tsy mitady fahafinaretana tsy misy dikany akory. Nanjary tena misy i Jehovah amiko, ary fantatro fa tena mitady izay hahasoa ahy izy.”

Hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka fa mitondra soa sy fifaliana ny fahalalana an’Andriamanitra, rehefa ampiharina eo amin’ny fiainana.

[Teny notsongaina, pejy 5]

Tokony hatahotra sy ho tia an’Andriamanitra isika, raha ta hanatona azy

[Sary, pejy 6]

Nahafaly an’i Jesosy ny tahotra an’i Jehovah