Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Zavatra Tsy Mety Hadino

Zavatra Tsy Mety Hadino

Zavatra Tsy Mety Hadino

SAMY manao fivoriambe any amin’ny taniny avy ny Vavolombelon’i Jehovah isan-taona. Atao izany mba handraisana torohevitra ara-panahy mampahery sy mba hifaneraserana. Misy zavatra hafa tsy mety hadinon’ireo mpitsidika koa anefa amin’io fiaraha-mivory io.

Nanatrika ilay Fivoriamben’ny Distrika “Ny Teny Ara-paminanian’Andriamanitra”, nandritra ny telo andro, ohatra, ny Vavolombelon’i Jehovah tatsy Mozambika, tamin’ny Jolay 1999. Maro tamin’izy ireo no sambany vao nanao izany. Tsy izay re avy teny amin’ny lampihazo ihany no nampiaiky volana azy ireo fa izay hitany nanodidina azy koa.

Nisy nilaza toy izao tao amin’ny Efitrano Fivoriambe tany Maputo: “Mbola tsy nahita toerana tsara tarehy be toy izao aho hatramin’izay niainako! Misy savony sy fitaratra ny kabine, ary tena madio manjopiaka izy ireo. Milamina ny manodidina ary tsy mba andrenesana ankizy miady. Ary tsy misy mifanosika! Nahita tanora manao resadresaka mampahery aho. Nampiaiky volana ahy koa ny fitafiana tsara nanaovan’ny tsirairay. Hoentiko ny zanako amin’ny manaraka ary horeseko lahatra ny vadiko mba hanatrika an’io fivoriambe io izahay mianakavy.”

Eny, voamarika foana ny fahamendrehana sy ny fahaiza-miaina ary ny fahadiovan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nahoana ny Vavolombelona no miavaka? Satria miezaka amim-pahatsorana manaraka izay ianarany ao amin’ny Baiboly izy ireo. Nahoana raha ianao mihitsy no miara-mamonjy fivoriambe amin’izy ireo amin’ity taona ity na mamonjy ireo fivoriana fanaony isan-kerinandro any amin’ny Efitrano Fanjakana?

[Sary, pejy 32]

ZAMBIA

[Sary, pejy 32]

KENYA

[Sary, pejy 32]

MOZAMBIQUE