Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Milaza ny 1 Petera 4:3, fa nanao “fanompoan-tsampy izay fady indrindra” ny Kristianina sasany. Tsy ny fanompoan-tsampy rehetra ve no fady amin’Andriamanitra, na melohiny sy rarany?

Eny, manameloka ny fanompoan-tsampy rehetra Andriamanitra. Tsy mahazo manompo sampy ireo olona mitady ny fankasitrahany.​—1 Korintiana 5:11; Apokalypsy 21:8.

Mety ho niresaka fanompoan-tsampy tamin’ny heviny hafa anefa ny apostoly Petera. Sady tsy noraran’ny lalàm-panjakana mantsy ny fanompoan-tsampy no fanao nahazatra, teo amin’ny firenena maro fahiny. Izany hoe, tsy nandrara ny fanompoan-tsampy ny lalàna teo an-toerana. Isan’ny politikan’ilay firenena na ilay fitondram-panjakana mihitsy aza ny fanompoan-tsampy sasany. Araka izany, dia nandray anjara tamin’ny fanompoan-tsampy tsy nisy fandrarana ny olona sasany, talohan’ny naha Kristianina azy. Tsara homarihina, ohatra, fa nanao sariolona volamena i Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona, nefa tsy nety niankohoka teo anoloan’izy io i Sadraka sy i Mesaka ary i Abednego, mpanompon’i Jehovah.​—Daniela 3:1-12.

Etsy an-danin’izany anefa, dia mifanohitra amin’ny lalàna voajanahary sy ny fitondran-tena fehezin’ny feon’ny fieritreretana nolovana, ny fombafomba maro tamin’ireny fanompoan-tsampy ireny. (Romana 2:14, 15) Nanoratra momba ny fomba ‘izay tsy fanao’ sady “mahamenatra”, izay isan’ny fombafomba ara-pivavahana, i Paoly. (Romana 1:26, 27) Tsy mihaino ny feon’ny fieritreretany akory ireo lehilahy sy vehivavy manao fanompoan-tsampy. Tsara kokoa ho an’ny olona lasa Kristianina àry ny niala tamin’ireny fanao ratsy ireny.

Ho fanampin’ireo, dia nomelohin’i Jehovah Andriamanitra ny fanompoan-tsampy fanaon’ny tsy Jiosy. Noho izany, dia tsy ara-dalàna izy ireny. *​—Kolosiana 3:5-7.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 6 Ilay teny grika ao amin’ny 1 Petera 4:3 dia midika ara-bakiteny hoe “fanompoan-tsampy tsy ara-dalàna”. Nadika tamin’ny fomba samy hafa io fehezanteny io, toy ny hoe “fanompoan-tsampy izay tsy fanao”, “fanompoan-tsampy mahameloka indrindra”.