Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Fitahiana ho An’ny Olo-marina’

‘Fitahiana ho An’ny Olo-marina’

‘Fitahiana ho An’ny Olo-marina’

“EFA mba tanora ihany aho, ary efa antitra ankehitriny; fa tsy mbola hitako izay marina nafoy, na ny zanany mangataka hanina”, hoy i Davida mpanao salamo, rehefa antitra izy. (Salamo 37:25) Tia sy mikarakara amim-pitiavana ny marina i Jehovah Andriamanitra. Ao amin’ny Teniny, ny Baiboly, dia ampirisihiny hitady ny fahamarinana ireo tena mpivavaka.​—Zefania 2:3.

Ny hoe manao ny marina dia midika ho fanaovan-javatra mifanaraka amin’ny fomba fihevitr’Andriamanitra momba izay tsara sy ratsy. Mampirisika antsika hanao zavatra mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra, ny toko faha-10 ao amin’ny bokin’ny Ohabolana ao amin’ny Baiboly. Asongadiny ao àry ny fitahiana ara-panahy maro, azon’ireo manao izany. Anisan’ireny fitahiana ireny ny sakafo ara-panahy be dia be mahavelona, ny asa mitondra valisoa sy mahafa-po, ary ny fifandraisana tsara amin’Andriamanitra sy ny olona. Andeha àry isika handinika ny Ohabolana 10:1-14.

Fampirisihana tsara dia tsara

Ny teny fampidirana an’ilay toko dia milaza mazava amintsika hoe iza no mpanoratra ny tapany manaraka amin’ny bokin’ny Ohabolana. Izao no vakiny: “Ohabolan’i Solomona.” Nanome fampirisihana tsara dia tsara mba hanao ny marina i Solomona, mpanjakan’ny Isiraely fahiny, ka nilaza toy izao: “Ny zanaka hendry mahafaly ny rainy; fa ny zanaka adala mampalahelo ny reniny.”​Ohabolana 10:1.

Malahelo mafy tokoa ny ray aman-dreny rehefa misy amin’ireo zanany mandao ny fivavahana amin’ilay Andriamanitra marina sy velona! Nosinganin’ilay mpanjaka hendry anefa ny alahelon’ny reny, angamba mba hilazana fa malahelo kokoa noho ny ray ny reny. Marina indrindra izany tamin’i Doris. * Milaza toy izao izy: “Vonton’alahelo izaho sy i Frank vadiko rehefa nandao ny fahamarinana ny zanakay lahy 21 taona. Mafy kokoa ny alahelom-poko noho ny an’i Frank. Efa 12 taona izay no lasa, nefa mbola tsy sitrana ihany ilay ratram-po.”

Mety hisy akony eo amin’ny fifalian-drainy, ary hankarary ny fon-dreniny ny ataon’ny ankizy. Enga anie isika hampiseho fahendrena ka hampifaly ny fon’ny ray aman-drenintsika! Ary ambonin’ny zava-drehetra, aoka isika hampifaly ny fon’ilay Raintsika any an-danitra, dia i Jehovah.

‘Hovokisana ny marina’

“Ny harena azo amin’ny tsy marina dia tsy mahasoa na inona na inona”, hoy ilay mpanjaka, “fa ny fahamarinana no mamonjy amin’ny fahafatesana.” (Ohabolana 10:2) Tena sarobidy ireo teny ireo ho an’ny Kristianina marina, miaina amin’izao fotoana efa lasa lavitra amin’ny andro farany izao. (Daniela 12:4) Akaiky ny fandringanana izao tontolo izao tsy tia an’Andriamanitra. Tsy misy mihitsy fiarovana nataon’olombelona​—na ara-pitaovana izany, na ara-bola, na ara-tafika​—ka ho afaka hiaro mandritra ilay “fahoriana lehibe” efa antomotra. (Apokalypsy 7:9, 10, 13, 14) “Ny olona mahitsy” ihany “no honina amin’ny tany, ary ny tsy manan-tsiny ihany no ho sisa mitoetra ao”. (Ohabolana 2:21) Enga àry anie isika hanohy ‘hikatsaka ny fanjakana sy ny fahamarinan’Andriamanitra aloha’.​—Matio 6:33.

Tsy voatery hiandry ny tontolo vaovao nampanantenaina ny mpanompon’i Jehovah vao hahazo ny fitahian’Andriamanitra. “Tsy avelan’i Jehovah ho mosarena ny fanahin’ny marina; fa foanany ny fanirian’ny ratsy fanahy.” (Ohabolana 10:3) Manome sakafo ara-panahy tondraka i Jehovah, amin’ny alalan’ny “mpanompo mahatoky sy manan-tsaina”. (Matio 24:45) Tena ara-dalàna raha “hihoby noho ny faharavoam-po” ny olo-marina. (Isaia 65:14) Tiany ny fahalalana. Mikatsaka harena ara-panahy no fahafinaretany. Tsy mahatsapa fifaliana toy izany ny ratsy fanahy.

‘Mampanan-karena ny fahazotoana’

Mandray fitahiana amin’ny fomba hafa koa ny olo-marina. “Ho tonga malahelo ny miraviravy tànana amin’ny asany; fa mampanan-karena ny tànan’ny mazoto. Izay manangona amin’ny fararano no zanaka hendry; fa izay sondrian-tory amin’ny taom-pijinjana no zanaka mampahamenatra.”​Ohabolana 10:4, 5.

Misy heviny manokana amin’ireo mpiasa mandritra ny taom-pijinjana ny tenin’ilay mpanjaka. Tsy fotoana fakana aina ny taom-pijinjana. Tokony hazoto sy hiasa mandritra ny ora maro amin’io fotoana io. Eny tokoa, fotoana mahadodona io.

Fijinjana olona, fa tsy voa akory, no tao an-tsain’i Jesosy rehefa nilaza tamin’ny mpianany izy hoe: “Be ny vokatra, fa ny mpiasa no vitsy; koa amin’izany mangataha amin’ny Tompon’ny vokatra [Jehovah Andriamanitra] mba hampandehanany mpiasa hamory ny vokatra.” (Matio 9:35-38) Maherin’ny 14 tapitrisa ny mpanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy tamin’ny taona 2000, izany hoe avo roa heny maherin’ny isan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Koa iza àry no tsy hanaiky fa ‘efa masaka sahady hojinjana ny saha’? (Jaona 4:35) Ireo mpivavaka marina dia sady mangataka amin’ny Tompo mba handefa mpiasa maro kokoa, no milofo amin’ny asa fanaovana mpianatra, mifanaraka amin’ny vavaka ataon’izy ireo. (Matio 28:19, 20) Ary tena mitahy ny ezak’izy ireo i Jehovah! Vaovao maherin’ny 280 000 no natao batisa nandritra ny taom-panompoana 2000. Miezaka ho tonga mpampianatra ny Tenin’Andriamanitra koa ireny vaovao ireny. Enga anie isika ho faly sy ho afa-po amin’ ity taom-pijinjana ity, noho isika mandray anjara feno amin’ny asa fanaovana mpianatra!

‘Fitahiana no ho ao amin’ny lohany’

“Fitahiana no ho ao amin’ny lohan’ny marina”, hoy i Solomona nanohy ny teniny, “fa loza no mandrakotra ny vavan’ny ratsy fanahy.”​Ohabolana 10:6.

Miharihary ny fahamarinan’ireo madio sy marina ao am-pony. Mampiseho hatsaram-panahy sady mampahery ny teniny, ary manana fihetsika tsara sy malala-tanana izy. Mankasitraka sy manaja ary midera azy ny olona, ka milaza zavatra tsara momba azy.

Ny ratsy fanahy kosa, etsy an-danin’izany, dia fatra-pankahala, mpisompatra, ary raha ny marina dia mikendry ny hanisy ratsy olona. Mety hahafinaritra ny teniny ka ‘handrakotra ny loza’ miafina ao am-pony. Mety hamely amin’ny teny na amin’ny fihetsika anefa izy amin’ny farany. (Matio 12:34, 35) Azo lazaina koa hoe hanototra [na hanakombona] ny vavan’ny ratsy fanahy ny faharatsiana. (Ohabolana 10:6) Mampiseho izany fa manody ny ratsy fanahy ihany mazàna izay ataony amin’ny hafa, dia ny fankahalana izany. Toy ny hoe manototra na manampina ny vavany izany ka mampangina azy. Mba manantena hahazo teny fiderana ve ny olona toy izany?

“Hankasitrahana ny fahatsiarovana ny marina”, hoy ny nosoratan’ilay mpanjakan’ny Isiraely, “fa ho lo ny anaran’ny ratsy fanahy.” (Ohabolana 10:7) Ny olona, ary indrindra fa i Jehovah Andriamanitra, dia mankasitraka ary tsy hanadino mihitsy ny olo-marina. ‘Nandova anarana tsara’ noho ny an’ny anjely i Jesosy, noho izy nahatoky hatramin’ny fahafatesana. (Hebreo 1:3, 4) Tsaroan’ny Kristianina marina amin’izao andro izao ireo lehilahy sy vehivavy nahatoky talohan’ny andro kristianina, ary ataon’izy ireo ho ohatra mendrika hotahafina izy ireny. (Hebreo 12:1, 2) Samy hafa be amin’izany ny anaran’ny ratsy fanahy, izay manjary maharikoriko sy mahatsiravina! Eny “aleo ho tsara laza toy izay ho be harena, ary tsara ny fitia noho ny volafotsy sy ny volamena”. (Ohabolana 22:1) Enga anie isika hanao anarana ankasitrahana eo anatrehan’i Jehovah sy ny mpiara-belona amintsika!

‘Milamin-tsaina izay tsy manan-tsiny’

Nilaza toy izao i Solomona rehefa nampitaha ny hendry sy ny adala: “Izay hendry am-po no handray ny didy; fa ho lavo ny adala maro vava.” (Ohabolana 10:8) Fantatry ny hendry tsara fa “tsy an’ny olombelona ny làlan-kalehany, na an’ny mpandeha ny hahalavorary ny diany”. (Jeremia 10:23) Ekeny fa ilaina ny mitady ny tari-dalana avy amin’i Jehovah, ary vonona izy hanaiky ny didin’Andriamanitra. Ny adala kosa, etsy an-kilany, dia tsy mahatakatra akory io zava-misy fototra io. Noho izy mitsaontsaom-bava ihany no mahavoa azy.

Misy filaminan-tsaina ananan’ny olo-marina koa, nefa tsy ananan’ny ratsy fanahy mihitsy. “Izay mandeha tsy misy tsiny no mandeha matoky; fa izay maniasia amin’ny alehany dia fantatra. Izay mamì-maso manome alahelo; fa ho lavo ny adala maro vava.”​Ohabolana 10:9, 10.

Manao ny marina ny olona tsy mivadika rehefa mifampiraharaha amin’olona. Manaja sy matoky azy ny olona. Mpiasa tena ilaina sady anankinana andraikitra lehibe mazàna, ny olona manao ny marina. Noho izy fantatra ho manao ny marina, dia manana asa foana izy, na dia sarotra aza ny mahita asa. Ankoatra izany, ny fanaovany ny marina dia mandray anjara amin’ny fisian’ny rivo-piainana mahafinaritra sy milamina ao an-trano. (Salamo 34:13, 14) Milamin-tsaina izy amin’ny fifandraisany amin’ny mpianakaviny. Tena vokatry ny tsy fivadihana ny filaminan-tsaina.

Hafa noho izany ny toe-javatra misy ny olona manao ny tsy marina, mba hahazoana tombony feno fitiavan-tena. Mety hanandrana hanafina ny tsy fahamarinany ny mpamitaka iray, amin’ny fampiasana teny sy fihetsika feno hafetsen-dratsy. (Ohabolana 6:12-14) Ny py masony mifono hasomparana na ho fikendrena hamitaka, dia mety hiteraka fahorian-tsaina be dia be ho an’izay tratran’ny fitaka ataony. Na ho ela na ho haingana anefa, dia hiharihary ihany ny hafetsen-dratsin’ny olona toy izany. Nanoratra toy izao ny apostoly Paoly: “Ny fahotan’ny olona sasany miharihary ka mialoha ho amin’ny fitsarana, fa ny an’ny sasany kosa manaraka ato aoriana. Ary miharihary toy izany koa ny asa tsara; ary izay tsy toy izany dia tsy ho azo afenina.” (1 Timoty 5:24, 25) Tsy maintsy ho tratra amin’ny farany ny fanaovana ny tsy marina, na iza na iza manao izany, na ray aman-dreny na namana, na vady, na olom-pantatra. Iza no hatoky olona efa malaza ho mpanao ny tsy marina?

‘Loharanon’aina ny vavany’

“Loharanon’aina ny vavan’ny marina”, hoy i Solomona, “fa loza no mandrakotra ny vavan’ny ratsy fanahy”. (Ohabolana 10:11) Mety hanasitrana na handratra olona ny teny aloaky ny vava, na mety hamelombelona sy hampahazo aina, na hahakivy koa.

Toy izao no filazan’ilay mpanjakan’ny Isiraely ny herin’ny teny: “Ny fankahalana dia manetsika ady; fa ny fitiavana manarona ny ota rehetra.” (Ohabolana 10:12) Mahatonga fifandirana eo amin’ny fiaraha-monina ny fankahalana, ka mampisy fifandrafiana. Tokony hesorin’ireo tia an’i Jehovah tsy ho eo amin’ny fiainany mihitsy ny fankahalana. Amin’ny fomba ahoana? Amin’ny fanoloana azy io amin’ny fitiavana. “Ny fitiavana manarona fahotana maro.” (1 Petera 4:8) Ny fitiavana “mandefitra ny zavatra rehetra”, izany hoe “manala tsiny ny zavatra rehetra”. (1 Korintiana 13:7; Fandikan-teny Katolika) Tsy manantena fahalavorariana avy amin’ny olona tsy lavorary ny fitiavana araka an’Andriamanitra. Tsy mampiely ny fahadisoan’ny hafa izy io. Io karazam-pitiavana io kosa dia manampy antsika tsy hijery fahadisoana, raha tsy hoe misy fahotana lehibe tafiditra angaha. Ny fitiavana dia mahazaka, eny fa na dia ny fitondrana ratsy hita eny am-pitoriana, any am-piasana, na any an-tsekoly aza.

Hoy koa ilay mpanjaka hendry: “Amin’ny molotry ny manan-tsaina no ahitam-pahendrena; fa tsorakazo no ho amin’ny lamosin’ny tsy ampy saina.” (Ohabolana 10:13) Ny fahendren’ny olona manan-tsaina no mitarika ny diany. Manampy ny hafa handeha eo amin’ny lalan’ny fahamarinana ny teny mampahery aloaky ny vavany. Na izy na izay mihaino azy dia tsy terena, ka hoe ampiasana tsora-kazo famaizana, mba handeha amin’ny lalana marina.

‘Mitahiry fahalalana’

Ahoana no hahatonga ny tenintsika ho ‘loharanom-pahendrena miboiboika’, fa tsy ho toy ny sakeli-drano miboiboika zavatra tsy misy dikany? (Ohabolana 18:4) Mamaly toy izao i Solomona: “Ny hendry mirakitra fahalalana; fa ny vavan’ny adala eo akaikin’ny fandringanana.”​Ohabolana 10:14.

Takina voalohany indrindra ny hamenoantsika ny saintsika amin’ny fahalalana mampahery momba an’Andriamanitra. Iray ihany ny loharanon’io fahalalana io. Nanoratra toy izao ny apostoly Paoly: “Izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ny fahamarinana, mba ho tanteraka ny olon’Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin’ny asa tsara rehetra.” (2 Timoty 3:16, 17) Tokony hitahiry fahalalana isika ary hikaroka lalina ao amin’ny Baiboly, toy ny mikaroka harena nafenina. Mampientam-po erỳ sady mitondra valisoa ny fikarohana toy izany!

Tsy maintsy tonga ao am-pontsika koa aloha ny fahalalana ny Baiboly, vao afaka manambara fahendrena isika. Nilaza toy izao tamin’ny mpihaino azy i Jesosy: “Ny olona tsara fanahy dia mamoaka ny tsara avy amin’ny rakitra tsaran’ny fony; ary ny ratsy fanahy kosa dia mamoaka ny ratsy; fa amin’ny haben’ny ao am-pony no itenenan’ny vavany.” (Lioka 6:45) Tokony ho fahazarantsika àry ny misaintsaina izay nianarantsika. Marina fa mitaky ezaka ny fianarana sy ny fisaintsainana. Tena mampandroso ara-panahy anefa ny fianarana toy izany! Manimba ny resadresaka tsy amim-piheverana, ka tsy misy na iza na iza manana antony hanarahana lalam-pitondran-tena manimba toy izany.

Eny, manao ny marina eo imason’Andriamanitra ny hendry, ary mampihatra fitaomana tsara amin’ny hafa. Mankafy sakafo ara-panahy tondraka izy, ary manan-javatra betsaka atao amin’ilay asan’ny Tompo, izay mitondra valisoa. (1 Korintiana 15:58) Olona tsy mivadika izy ka tsy manana ahiahy, ary mahazo sitraka amin’Andriamanitra. Maro tokoa ny fitahiana ho an’ny olo-marina. Enga anie isika hitady ny fahamarinana, ka hampifanaraka ny fiainantsika amin’ny fomba fihevitr’Andriamanitra momba izay tsara sy ratsy!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 6 Novana ny anarana.

[Sary, pejy 25]

Mampisy fahasambaram-pianakaviana ny fanaovana ny marina

[Sary, pejy 26]

‘Ny hendry mitahiry fahendrena’