Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fivoriana Fanao Isan-taona 6 Oktobra 2001

Fivoriana Fanao Isan-taona 6 Oktobra 2001

Fivoriana Fanao Isan-taona 6 Oktobra 2001

NY FIVORIANA FANAO ISAN-TAONA ho an’ireo mpikambana ao amin’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania dia hatao ny 6 Oktobra 2001, ao amin’ny Efitrano Fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah, 2932 Kennedy Boulevard, ao Jersey City, any New Jersey. Ny fivoriana mialoha natokana ho an’ireo mpikambana, dia hatao amin’ny sivy ora sy fahefany maraina, ary harahin’ny fivoriambe fanao isan-taona amin’ny folo ora maraina.

Tokony hampandre ny Biraon’ny Mpitan-tsoratra dieny izao ny amin’izay fiovan’ny adiresiny tao anatin’ny taona lasa ireo mpikambana, mba ho voarain’izy ireo mandritra ny volana Jolay ny taratasy fiantsoana sy fanomezam-pahefana mahazatra.

Ny taratasy fanomezam-pahefana, izay halefa any amin’ireo mpikambana miaraka amin’ny taratasy fiantsoana azy hanatrika ny fivoriana fanao isan-taona, dia tokony haverina mba ho tonga any amin’ny Biraon’ny Mpitan-tsoratry ny Fikambanana ny 1 Aogositra, raha ela indrindra. Ny mpikambana tsirairay dia tokony hameno ny taratasy fanomezam-pahefana sy hamerina azy io haingana, amin’ny filazana raha ho tonga hanatrika ilay fivoriana ny tenany na tsia. Tokony ho filazana raikitra no homena momba io lafin-javatra io, ao amin’ny taratasy fanomezam-pahefana tsirairay. Miankina amin’io mantsy ny famaritana izay ho tonga.

Antenaina ho vita amin’ny iray ora antoandro, na aoriana kelin’izay, ny fotoam-pivoriana manontolo, ao anatin’izany ny fivoriana sy ny tatitra momba ny raharaha ara-bola. Tsy hisy fotoam-pivoriana ny tolakandro. Koa satria voafetra ny isan’ny toerana, dia izay mampiseho karatra fanasana ihany no ho afaka hiditra. Tsy hampifandraisina an-telefaonina amin’ny efitrano fivoriana hafa io fivoriana fanao isan-taona io.