Mahay Mandefitra ve Ianao?
Mahay Mandefitra ve Ianao?
EFA tezitra mafy ve ianao, noho ny fitondran-tena tsy nety nataon’ny hafa? Mailaka hanao zavatra ve ianao, rehefa hitanao fa voatarika hanao ratsy ny namanao?
Ilaina ny manao zavatra haingana sy hentitra indraindray, mba tsy hielezan’ny fahotana lehibe. Rehefa nitady handoto ny Isiraelita, ohatra, ny fanaovan-dratsy tsy nisy tahotra sy henatra, tamin’ny taonjato faha-16 al.f.i., dia nanao zavatra hentitra i Finehasa, zafikelin’i Arona, mba hanesorana ny ratsy. Nankasitraka izany i Jehovah Andriamanitra, ka nilaza hoe: “Finehasa ... nampiala ny fahatezerako tamin’ny Zanak’Isiraely, raha nirehitra noho ny fitiavany Ahy izy”.—Nomery 25:1-11.
Nety ny nataon’i Finehasa, mba tsy hielezan’ilay fahotana. Ahoana anefa raha mora misafoaka isika, rehefa manao fahadisoana kely ny hafa? Raha manao zavatra maimaika na tsy misy antony marim-pototra isika, dia tsy ho olona mafana fo manao ny marina, fa ho sary velon’ny tsy fandeferana, izany hoe olona sarotiny be amin’ny tsy fahalavorarian’ny hafa. Inona no hanampy antsika tsy ho voan’izany fandrika izany?
‘Mamela ny helokao rehetra i Jehovah’
“Andriamanitra saro-piaro” i Jehovah. (Eksodosy 20:5) Manana zo hitaky fifikirana tsy mizarazara avy amintsika izy, satria Mpamorona. (Apokalypsy 4:11) Mandefitra eo anoloan’ny fahalemen’ny olombelona anefa i Jehovah. Noho izany, dia nihira toy izao momba azy i Davida mpanao salamo: “Mamindra fo sy miantra Jehovah, mahari-po sady be famindrampo. Tsy mandaha-teny mandrakariva Izy ... Tsy mba manao amintsika araka ny fahotantsika Izy, na mamaly antsika araka ny helotsika.” Eny, ‘hamela ny helotsika rehetra’ Andriamanitra, raha mibebaka isika.—Salamo 103:3, 8-10.
Tsy “mandaha-teny”, izany hoe tsy manohy manakiana ny mpanao ratsy mibebaka i Jehovah, satria fantany fa mpanota ny olombelona. (Salamo 51:5; Romana 5:12) Mikasa hanafoana ny fahotana sy ny tsy fahalavorariana izy, raha ny marina. Mandra-pahatanterak’izany, dia tsy mamaly antsika “araka ny helotsika” Andriamanitra, fa maneho hatsaram-panahy, ka mamela heloka, miorina amin’ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy. Tsy hisy ho mendrika ny ho tafita velona isika, raha tsy namindra fo i Jehovah, rehefa mety ny hanaovana izany. (Salamo 130:3) Tena velom-pankasitrahana mihitsy isika, satria Andriamanitra mamindra fo ilay Raintsika any an-danitra, na dia ara-drariny aza raha mitaky fifikirana tsy mizarazara izy!
Mila mahay mandanjalanja isika
Koa satria mandefitra amin’ny olombelona tsy lavorary ilay Tompo Fara Tampony eo amin’izao rehetra izao, moa ve isika tsy tokony hanahaka azy? Ny atao hoe fandeferana dia “faharetana, fahari-po, fizakana ary fiaretana”. Manana izany toetra izany ve isika, ka mampiseho faharetana sy manindry fo, rehefa manao zavatra na teny tsy mety, nefa tsy fahotana lehibe, ny hafa?
Mazava ho azy, fa tsy tokony ho diso mandefitra loatra isika. Ratsy be, ohatra, ny vokany rehefa mandefitra amin’ireo pretra tsy mitsahatra mametaveta ankizilahy sy ankizivavy ny mpitondra fivavahana. Nilaza ny mpanao gazety iray tany Irlandy fa “noheverin’ny mpitondra fivavahana ho fahotana nandalo fotsiny ny fametavetana ankizy, ka nafindrany toerana fotsiny ilay pretra nanota”.
Mampiseho ny atao hoe tena fandeferana ve ny famindran-toerana fotsiny ny lehilahy
toy izany? Tsy izany velively! Eritrereto hoe misy dokotera mpandidy iray mpanao alasafay, kanefa mbola omena lalana handidy ihany, ary afindra any amin’ny hopitaly hafa fotsiny, na dia mamono ny olona notsaboiny na nahatonga azy ireo ho kilemaina aza. “Fandeferana” diso toerana toy izany no mety ho vokatr’izay heverina ho firaisan-kinan’ny mpiara-miasa. Ahoana anefa ny amin’ireo olona maty na nanjary kilemaina, noho ny tsy fitandreman’ny mpitsabo na niniana novonoina mihitsy?Ratsy koa anefa ny tsy mandefitra firy. Nisy Jiosy nafana fo loatra nantsoina hoe Zelota, tamin’ny andron’i Jesosy, nitady hampiasa tamin’ny fomba diso ny ohatr’i Finehasa mba hanamarinana ny zavatra nataony. Indray mandeha, dia nisy Zelota nihoa-pefy mihitsy, ka “niharoharo tamin’ny vahoaka tao Jerosalema nandritra ireo andro firavoravoana sy ny fotoan-dehibe hafa, ary nanindrona tamin’ny antsy an’ireo fahavalony tsy nanampo”.
Tsy hamely ny fahavalontsika mihitsy, toy ny nataon’ireo Zelota, isika Kristianina. Kanefa, somary tsy mandefitra ve isika, ka mamely ny olona tsy tiantsika amin’ny fomba hafa, angamba manaratsy azy? Tsy hanao teny maharary toy izany isika, raha mahay mandefitra.
Tsy nandefitra koa ireo Fariseo tamin’ny taonjato voalohany. Nanameloka ny hafa sy sarotiny be tamin’ny tsy fahalavorariany foana izy ireo. Nanambany ny sarambaben’olona ireo Fariseo niavonavona, ka niantso azy ireo hoe ‘vahoaka voaozona’. (Jaona 7:49) Koa rariny raha nanameloka an’ireny lehilahy nihevi-tena ho marina ireny i Jesosy, ka nilaza hoe: “Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa mandoa ny fahafolon’ny solila sy ny aneta ary ny komina hianareo, nefa navelanareo izay lehibe amin’ny lalàna, dia ny rariny sy ny famindrampo ary ny finoana; ireto tokony ho nataonareo, nefa tsy tokony havelanareo ireroana.”—Matio 23:23.
Tsy nanamaivana ny fanarahana ny Lalàn’i Mosesy akory i Jesosy rehefa nilaza izany. Nasehony fotsiny fa izao no lafiny “lehibe” amin’ny Lalàna: Mila mahay mandanjalanja sy mamindra fo rehefa mampihatra azy io. Tena niavaka tamin’ireo Fariseo sy ireo Zelota tsy nandefitra mihitsy i Jesosy sy ny mpianany!
Tsy manala tsiny ny fanaovan-dratsy mihitsy i Jehovah Andriamanitra sy i Jesosy Kristy. Tsy ho ela, dia ‘hamaly izay tsy mahalala azy sy izay tsy manaiky ny filazantsara’ Andriamanitra. (2 Tesaloniana 1:6-10) Na dia nafana fo nanao ny marina aza i Jesosy, dia nanahaka ny Rainy any an-danitra foana izy, ka naneho faharetana sy namindra fo ary niahy tamim-pitiavana izay rehetra naniry hanao ny tsara. (Isaia 42:1-3; Matio 11:28-30; 12:18-21) Ohatra tsara dia tsara ho antsika tokoa i Jesosy!
Manàna faharetana ka mifandefera
Na dia mafana fo aza isika manao ny marina, dia aoka hanaraka izao torohevitry ny apostoly Paoly izao: “Mifandefera, ka mifamelà heloka hianareo, raha misy manana alahelo amin’ny sasany; tahaka ny namelan’ny Tompo ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa.” (Kolosiana 3:13; Matio 6:14, 15) Raha mahay mandefitra isika, dia hifampizaka fahalemena sy fahadisoana, ao anatin’ity tontolo tsy lavorary ity. Tsy tokony hitaky be loatra amin’ny hafa isika.—Filipiana 4:5.
Ny hoe mandefitra dia tsy midika mihitsy hoe mankasitraka ny fanaovan-dratsy na hoe minia tsy mijery fahadisoana. Mety ho somary mivaona amin’ny fitsipik’i Jehovah ny fomba fisainan’ny mpiray finoana iray na ny fitondran-tenany. Na dia mety ho mbola tsy lasa lavitra loatra aza izy, ka hoe holavin’Andriamanitra, dia efa fampitandremana izany fa misy zavatra tokony hahitsy ao. (Genesisy 4:6, 7) Maneho fitiavana tokoa ireo mahafeno fepetra ara-panahy, rehefa miezaka manitsy amim-pahalemem-panahy ny olona nanao fahadisoana toy izany! (Galatiana 6:1) Raha ta hahomby anefa izy ireo, dia ny fiahiana ilay olona no tokony ho antony anaovany izany, fa tsy ny fitiavana hanakiana fotsiny.
“Amin’ny fahalemem-panahy sy ny fanajana”
Tsy tokony haneho faharetana amin’ny olona tsy mitovy finoana amintsika koa ve isika? Izao no vakintsika ao amin’ny “Lesona Ankapobe” iray nalefa tany amin’ny Sekolim-panjakana rehetra tany Irlandy, tamin’ny 1831: “Tsy nikasa hanery ny olona hanaiky ny fivavahany tamin’ny alalan’ny herisetra i Jesosy Kristy ... Tsy rehefa mifamaly amin’ny mpiara-belona amintsika na miteny ratsy azy akory isika dia hampiaiky azy fa marina ny antsika ary diso izy. Toa vao mainka aza izany hampiaiky azy fa tsy manana toe-tsaina kristianina isika.”
Nisarika ny sain’ny olona ho amin’ny Tenin’Andriamanitra i Jesosy, rehefa nampianatra sy nanao zavatra, ary tokony hanao toy izany koa isika. (Marka 6:34; Lioka 4:22, 32; 1 Petera 2:21) Lavorary izy ary nomen’Andriamanitra fahaizana manokana hamantatra ny tao am-pon’ny olona. Noho izany, dia afaka niampanga mafy an’ireo fahavalon’Andriamanitra i Jesosy, rehefa nilaina izany. (Matio 23:13-33) Tsy nidika izany hoe tsy nandefitra izy.
Tsy afaka mamantatra ny ao am-pon’ny olona toa an’i Jesosy isika, ka tokony hanaraka izao torohevitry ny apostoly Petera izao: “Manamasìna an’i Kristy ho Tompo ao am-ponareo; ary aoka ho vonona mandrakariva hianareo hamaly izay manontany anareo ny amin’ny anton’ny fanantenana ao anatinareo, nefa amin’ny fahalemem-panahy sy ny fanajana.” (1 Petera 3:15) Tokony hiaro izay inoantsika isika mpanompon’i Jehovah, satria miorina tsara amin’ny Tenin’Andriamanitra izany. Mila manaja ny hafa sy ny zavatra inoany amim-pahatsorana anefa isika, rehefa manao izany. Izao no nosoratan’i Paoly: “Aoka ny fiteninareo ho amin’ny fahasoavana mandrakariva, ho mamy sira, mba ho fantatrareo izay tokony havalinareo ny olona rehetra.”—Kolosiana 4:6.
Hoy i Jesosy tao amin’ilay Toriteniny malaza teo An-tendrombohitra: “Na inona na inona tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany”. (Matio 7:12) Aoka àry isika hanana faharetana ka hifandefitra, ary hanaja ny olona itoriantsika ny vaovao tsara. Raha mazoto manao ny marina sy maneho fandeferana araka ny Baiboly isika, dia hampifaly an’i Jehovah. Ho tena mpandefitra koa isika amin’izay.
[Sary, pejy 23]
Aza manahaka ny Fariseo tsy nahay nandefitra
[Sary, pejy 23]
Nahay nandefitra toa an-dRainy i Jesosy. Ary ianao?