Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Manameloka Olona ho any Amin’ny Afobe Tokoa ve Andriamanitra?”

“Manameloka Olona ho any Amin’ny Afobe Tokoa ve Andriamanitra?”

“Manameloka Olona ho any Amin’ny Afobe Tokoa ve Andriamanitra?”

“Mianatra ho pasitera ve ianareo?”

Tampoka tamin’i Joel sy i Carl io fanontaniana io. Teo am-pijerijerena boky tao amin’ny fivarotam-boky iray teo akaiky teo ireo tovolahy ireo, izay mpanompo an-tsitrapo any amin’ny Foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah any Brooklyn, New York. Nitantara momba ny adihevitra nataony teny amin’ny fanompoana i Carl raha teo am-pijerena konkordansa ara-baiboly i Joel. Nandre ny sombintsombiny tamin’io resaka io ny lehilahy iray nijoro teo anilan-dry zareo ka nanatona.

Nisy zavatra tena nanahiran-tsaina ity lehilahy ity anefa fa tsy dia ny maha mpianatra ho pasitera na tsia azy roa lahy loatra. Hoy izy: “Jiosy aho, ary nilaza tamiko ny namako kristianina sasany fa hodorana any amin’ny afobe aho, satria nandà an’i Jesosy ny Jiosy. Mampikorontan-tsaina mafy ahy izany. Toa tsy rariny raha hanasazy toy izany ny Andriamanitra fitiavana iray. Manameloka olona ho any amin’ny afobe tokoa ve Andriamanitra?”

Nilaza tamin’io lehilahy tso-po io i Joel sy Carl fa mianatra amim-pitandremana ny Baiboly izy ireo. Nasehon’izy ireo avy tao amin’ny Soratra Masina fa tsy mahatsiaro tena ny maty ary matory, mandra-pahatongan’ny fitsanganana amin’ny maty. Noho izany, dia tsy mijaly any amin’ny afobe mirehitra izy ireo. (Salamo 146:3, 4; Mpitoriteny 9:5, 10; Daniela 12:13; Jaona 11:11-14, 23-26) Nomen’ilay lehilahy an’i Joel sy i Carl ny adiresiny, ary nangataka fanazavana bebe kokoa momba io foto-kevitra io izy, teo am-pifaranan’ilay resaka naharitra 45 minitra.

Hisy olona haniry ho any ve raha toerana fampijaliana tokoa ny afobe? Nangataka toy izao anefa i Joba loham-pianakaviana, rehefa naniry ho afaka tamin’ny fijaliany: “Enga anie ka hanafina ahy any amin’ny [afobe, Douay] Hianao ka hampiery ahy mandra-pahafaky ny fahatezeranao!” (Joba 14:13) Mazava fa tsy nihevitra an’io afobe io ho toerana fampijaliana i Joba. Nitady fiarovana tany kosa aza izy. Ny atao hoe fahafatesana dia tsy fisiana, ary ilay afobe voalazan’ny Baiboly dia ny fasana iombonan’ny olona rehetra.

Raha mila fanazavana fanampiny ianao momba izay mitranga amintsika rehefa maty isika, sy ny fanantenana aorian’izay, dia manasa anao amim-pitiavana izahay hamaly ilay fanasana eto ambany.