Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manohiza Mijinja!

Manohiza Mijinja!

Manohiza Mijinja!

“Izay mamafy am-pitomaniana dia hijinja am-pifaliana.”​—SALAMO 126:5.

1. Nahoana isika no tokony ‘hangataka amin’ny Tompon’ny vokatra mba hampandehanany mpiasa hamory ny vokatra’?

TAORIAN’NY dia fitoriana fahatelo nataon’i Jesosy Kristy tany Galilia, dia hoy izy tamin’ny mpianany: “Be ny vokatra fa ny mpiasa no vitsy”. (Matio 9:38) Toy izany koa ny tany Jodia. (Lioka 10:2) Ahoana kosa ny amin’izao andro izao, raha izany no nitranga efa ho 2 000 taona lasa izay? Nandritra ny taom-panompoana lasa teo, dia nisy Vavolombelon’i Jehovah 6 000 000 mahery nanohy ny asa fijinjana ara-panoharana teo anivon’ireo mponina 6 000 000 000 maneran-tany. ‘Nampahantraina sy nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry’ ny maro amin’ireo mponina ireo. Noho izany, dia mihatra amin’izao andro izao koa, toy ny tamin’ny taonjato maro lasa, ilay fampirisihan’i Jesosy hoe “mangataha amin’ny Tompon’ny vokatra mba hampandehanany mpiasa hamory ny vokatra”.​—Matio 9:36, 38.

2. Nahoana isika no voamariky ny olona?

2 Namaly ilay fangatahana mpiasa bebe kokoa i Jehovah Andriamanitra, ilay Tompon’ny vokatra. Tena mahafaly tokoa ny mandray anjara amin’io asa fijinjana tarihin’Andriamanitra io! Voamarik’izao tontolo izao isika na dia vitsy kokoa noho ireo firenena aza, satria mazoto mitory ilay Fanjakana sy manao mpianatra. Resahina matetika ao amin’ny fampitam-baovao isika, any amin’ny tany maro. Ny tantara ao amin’ny televiziona dia mety hampiseho ny tompon-trano milaza hoe ‘Vavolombelon’i Jehovah izany’, rehefa misy mandondòna. Malaza tokoa ankehitriny ny asa kristianina ataontsika, dia ny fijinjana ara-panoharana.

3. a) Ahoana no ahafantarantsika fa voamarika ny fitoriana ilay Fanjakana tamin’ny taonjato voalohany? b) Nahoana isika no afaka milaza fa momba antsika eo amin’ny fanompoantsika ny anjely?

3 Nanamarika ny fitoriana ilay Fanjakana koa izao tontolo izao, tamin’ny taonjato voalohany, ary nanenjika ny mpitory ny vaovao tsara. Noho izany, dia hoy ny apostoly Paoly: “Ataoko fa nasehon’Andriamanitra ho faraidina izahay Apostoly, dia toy izay voaheloka hovonoina; fa izahay dia natao ho fizàhan’izao rehetra izao, na anjely na olona.” (1 Korintiana 4:9) Toy izany koa, fa ny fikirizantsika mitory ilay Fanjakana, na dia ao anatin’ny fanenjehana aza, dia sady misarika ny sain’izao tontolo izao no zava-dehibe ho an’ny anjely. Hoy ny apostoly Jaona ao amin’ny Apokalypsy 14:6: “Hitako fa, indro, nisy anjely iray koa nanidina teo afovoan’ny lanitra, nanana filazantsara mandrakizay hotorina amin’izay monina ambonin’ny tany sy amin’ny firenena sy ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny ary ny olona rehetra”. Eny, momba antsika ny anjely, eo amin’ny fanompoantsika, dia ny asa fijinjana!​—Hebreo 1:13, 14.

“Halan’ny olona rehetra”

4, 5. a) Inona no fampitandremana nomen’i Jesosy ny mpianany? b) Nahoana no “halan’ny olona rehetra” ny mpanompon’Andriamanitra ankehitriny?

4 Rehefa nirahina hijinja ny apostolin’i Jesosy, dia nankatò ny toroheviny manao hoe: “Hendre tahaka ny menarana, ary morà tahaka ny voromailala”. Hoy koa i Jesosy: “Ary mitandrema hianareo noho ny amin’ny olona; fa hatolony ho amin’ny Synedriona sy hokapohiny ao amin’ny synagogany hianareo; ary ho entiny eo anatrehan’ny mpanapaka sy ny mpanjaka hianareo noho ny amiko, ho vavolombelona aminy sy amin’ny jentilisa. ... Ary ho halan’ny olona rehetra hianareo noho ny anarako; fa izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena”.​—Matio 10:16-22.

5 “Halan’ny olona rehetra” isika ankehitriny, satria ‘izao tontolo izao dia mipetraka eo amin’ilay ratsy’, dia i Satana Devoly, ilay fahavalo lehibe indrindran’Andriamanitra sy ny vahoakany. (1 Jaona 5:19) Hitan’ny fahavalontsika fa manankarena ara-panahy isika, nefa tsy ekeny fa avy amin’i Jehovah izany. Tsikaritry ny mpanohitra fa falifaly sy miramirana isika eo am-pijinjana. Talanjona izy ireo mahita antsika miray saina! Raha ny marina, dia manaiky tsy sazoka izy ireo fa miray saina isika, rehefa mandeha any an-tany hafa izy, ka mahita fa manao io asa io koa ny Vavolombelon’i Jehovah any. Mazava ho azy, fa amin’ny fotoana voatondro, dia ho fantatr’ireo fahavalontsika tsara mihitsy i Jehovah, ilay manampy antsika sy mahatonga antsika hiray saina.​—Ezekiela 38:10-12, 23.

6. Inona no mampahery antsika rehefa mijinja isika, nefa inona avy ny fanontaniana mipetraka?

6 Nomen’ilay Tompon’ny vokatra an’i Jesosy Kristy Zanany “ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany”. (Matio 28:18) Noho izany, dia mampiasa an’i Jesosy i Jehovah mba hitarika ilay asa fijinjana, amin’ny alalan’ny anjely any an-danitra sy ny “mpanompo mahatoky sy manan-tsaina” etỳ an-tany. (Matio 24:45-47; Apokalypsy 14:6, 7) Ahoana anefa no ahafahantsika miaritra ny fanoheran’ny fahavalo, nefa koa ho falifaly hatrany, rehefa manohy mijinja?

7. Inona no fihetsika tokony hiezahantsika haseho foana rehefa misy manohitra na manenjika antsika?

7 Rehefa misy manohitra na manenjika antsika mihitsy, dia aoka isika hitady ny fanampian’Andriamanitra mba hitovy fihetsika amin’i Paoly foana. Nanoratra izy hoe: “Raha tevatevaina izahay, dia misaotra; raha enjehina, dia miaritra; raha tenenina mafy, dia mamaly teny moramora kosa”. (1 Korintiana 4:12, 13) Indraindray, raha mampiseho io fihetsika io isika sady manaja ny olona itoriantsika, dia mety hiova ny fandraisan’ny mpanohitra antsika.

8. Inona no fampaherezana azontsika avy amin’ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Matio 10:28?

8 Tsy mihena ny zotom-pontsika mpijinja, na rahonana ho faty aza isika. Tsy matahotra manambara ampahibemaso ny hafatra momba ilay Fanjakana isika. Mampahery antsika koa ny tenin’i Jesosy manao hoe: “Aza matahotra izay mamono ny tena, nefa tsy mahay mamono ny fanahy; fa aleo matahotra Izay mahay mahavery ny fanahy sy ny tena ao amin’ny helo”. (Matio 10:28) Fantatsika fa ny Raintsika any an-danitra no Mpanome aina. Valiany soa izay tsy mivadika aminy sy manohy mijinja.

Hafatra mamonjy aina

9. Ahoana no nandraisan’ny sasany ny tenin’i Ezekiela, ary inona no zava-mitranga mitovy amin’izany ankehitriny?

9 Faly nandre ny tenin’i Ezekiela ny sasany, rehefa nanambara ny hafatr’i Jehovah tamin’ny “jentilisa mpiodina”, izany hoe ireo fanjakan’i Isiraely sy i Joda, io mpaminany io. (Ezekiela 2:3) Hoy i Jehovah: “Indro, hianao dia ataony ho tahaka ny mpanao hira mahafinaritra, izay tsara feo sady mahay mitendry”. (Ezekiela 33:32) Nahafinaritra azy ireo ny tenin’i Ezekiela, nefa tsy nankatoaviny. Inona no mitranga ankehitriny? Rehefa manambara ny hafatr’i Jehovah amin-kerim-po ireo sisa voahosotra sy ny namany, dia faly mandre ireo fitahiana hoentin’ilay Fanjakana koa ny sasany, nefa tsy maneho fankasitrahana, ary tsy tonga mpianatra sady tsy mandray anjara amin’ilay asa fijinjana.

10, 11. Inona no natao, tamin’ny voalohandohan’ireo taona 1900, mba hanambarana ilay hafatra mamonjy aina, ary inona no vokany?

10 Maro koa anefa no mankasitraka ilay asa fijinjana ary mandray anjara amin’ny fanambarana ny hafatr’Andriamanitra. Nambara mazava tsara, ohatra, ny fanamelohana ny tontolon’i Satana, nandritra ireo fivoriambe kristianina natao tamin’ny 1922 ka hatramin’ny 1928. Nalefa tamin’ny radio koa ny fanamelohana nambara tamin’ireo fivoriambe ireo. Nizara taratasy an-tapitrisany maro nirakitra izany ny vahoakan’Andriamanitra, taorian’izay.

11 Nisy fomba fitory hafa natomboka tamin’ny faramparan’ireo taona 1930: Nilahatra teny amin’ny arabe ny vahoakan’i Jehovah nitondra takelaka. Tamin’ny voalohany, dia niambozona takelaka nisy fanasana hanatrika lahateny ho an’ny besinimaro izy ireo. Tatỳ aoriana, dia nilanja takelaka nisy izao teny faneva izao izy ireo: “Ny Fivavahana dia fandrika sy fanambakana” sy “Manompoa an’Andriamanitra sy i Kristy Mpanjaka”. Nisarika ny sain’ny mpandalo izy ireo, rehefa nandeha teny amin’ny arabe. ‘Nampahalaza ny Vavolombelon’i Jehovah io fomba fitory io sady nandrisika azy ireo’, hoy ny rahalahy iray nanao izany tsy tapaka teny amin’ny arabe feno olona, tany Londres, any Angletera.

12. Inona no asongadintsika rehefa mitory isika, ankoatra ny didim-pitsaran’Andriamanitra, ary iza ankehitriny no miara-mitory ilay vaovao tsara?

12 Sady manambara ny didim-pitsaran’Andriamanitra isika no manasongadina ireo zava-tsoa hoentin’ilay Fanjakana. Manampy antsika hahita ny olona mendrika ny fahasahiantsika mitory maneran-tany. (Matio 10:11) Nandritra ireo taona 1920 sy ireo taona 1930, dia namaly ilay antso fangatahana mpijinja bebe kokoa, ny maro amin’ireo anisan’ny voahosotra nangonina farany. Nisy vaovao faran’izay tsara re tamin’ny fivoriambe iray tamin’ny 1935: Hanana hoavy mahafinaritra ao amin’ny paradisa an-tany ny “olona betsaka” anisan’ny “ondry hafa”. (Apokalypsy 7:9; Jaona 10:16) Nankatò ny fampitandremana avy amin’Andriamanitra izy ireo, ary niara-nitory ny vaovao tsara mamonjy aina tamin’ireo voahosotra.

13, 14. a) Inona no fampaherezana omen’ny Salamo 126:5, 6? b) Inona no hitranga raha manohy mamafy sy manondraka isika?

13 Tena mampahery an’ireo mpijinjan’Andriamanitra, indrindra fa ireo iharam-panenjehana, ny Salamo 126:5, 6, manao hoe: “Izay mamafy am-pitomaniana dia hijinja am-pifaliana. Mandeha mitomany mitondra ny voa afafiny izy, fa hiverina mitondra ny amboarany amin’ny fihobiana kosa.” Ny hoe mamafy sy mijinja dia mampiseho ny fikarakaran’i Jehovah sy ny fitahiany an’ireo sisa niverina avy tamin’ny fahababoana tany Babylona. Faly be izy ireo rehefa nafahana, nefa mety ho nitomany rehefa namafy voa tamin’ilay tany foana tsy nisy niasa nandritra ilay sesitany naharitra 70 taona. Nahita vokatra sy afa-po tamin’ny asa mafy nataony anefa ireo nanohy namafy sy nanao fanorenana.

14 Mety ho latsa-dranomaso isika rehefa voasedra, na rehefa mijaly noho ny fahamarinana isika na ny mpiray finoana amintsika. (1 Petera 3:14) Mety hiaritra zava-tsarotra isika rehefa manomboka mijinja, satria mety ho toa tsy misy vokany ny ezaka ataontsika eo amin’ny fanompoana. Raha manohy mamafy sy manondraka anefa isika, dia hampitombo Andriamanitra, ary hihoatra izay antenaintsika izany matetika. (1 Korintiana 3:6) Mampiseho izany tsara ny vokatry ny fizarantsika Baiboly sy boky ary gazety miorina amin’ny Soratra Masina.

15. Manomeza ohatra mampiseho fa ilaina amin’ny asa fijinjana ny boky sy gazety kristianina.

15 Diniho ny tantaran’ny lehilahy iray atao hoe Jim. Rehefa maty ny reniny, dia hitany niaraka tamin’ny entan-dreniny ilay boky hoe Ny Fiainana​Ahoana no Nisiany? Evolisiona sa Famoronana?  * Tena nahaliana azy ny famakiana azy io. Nisy Vavolombelona iray nanatona azy teny amin’ny arabe, ary rehefa niresaka taminy i Jim, dia nanaiky hotsidihina ary nianatra Baiboly. Nandroso haingana tamin’ny ara-panahy i Jim, ka nanolo-tena ho an’i Jehovah sy natao batisa. Noresahiny tamin’ny havany ny zavatra nianarany, hany ka tonga Vavolombelon’i Jehovah ny anabaviny sy ny rahalahiny. Tatỳ aoriana, dia niasa manontolo andro ao amin’ny Betelan’i Londres i Jim.

Faly na dia enjehina aza

16. a) Nahoana no mahomby ilay asa fijinjana? b) Inona no ho vokatry ny vaovao tsara, araka ny fampitandreman’i Jesosy, nefa ahoana no fihetsitsika rehefa mitory amin’ny olona isika?

16 Nahoana no mahomby toy izany ny asa fijinjana? Satria mankatò izao didin’i Jesosy izao ny Kristianina voahosotra sy ireo namany: “Izay lazaiko aminareo ao amin’ny maizina, dia ambarao eo amin’ny mazava, ary izay ren’ny sofinareo, dia torio eo ambonin’ny tampon-trano.” (Matio 10:27) Hisy zava-tsarotra anefa, satria hoy i Jesosy: “Ny rahalahy hanolotra ny rahalahiny mba ho faty, ary ny ray hanolotra ny zanany; ary ny zanaka hitsangana hanohitra ny rainy sy ny reniny ka hahafaty azy.” Hoy koa i Jesosy: “Ary aza ataonareo fa tonga hitondra fiadanana ambonin’ny tany Aho; tsy tonga hitondra fiadanana Aho, fa sabatra.” (Matio 10:21, 34) Tsy nikendry hampisaraka ny mpianakavy akory i Jesosy. Izany anefa no vokatry ny vaovao tsara indraindray. Tsy mikendry ny hampisaraka ny mpianakavy koa isika mpanompon’Andriamanitra ankehitriny, rehefa mitsidika ny olona. Tiantsika hanaiky ny vaovao tsara ny olona rehetra. Noho izany, dia miezaka ny ho tsara fanahy isika, rehefa mitory amin’ny mpianakavy rehetra, mba hanintona ny olona te hiaina mandrakizay ny hafatra entintsika.

17. Inona no mampiavaka an’ireo manohana ny fiandrianan’Andriamanitra? Manomeza ohatra.

17 Nampiavaka an’ireo manohana ny fiandrianan’Andriamanitra ny hafatra momba ilay Fanjakana. Eritrereto, ohatra, ireo mpiray finoana amintsika tamin’ny andron’ny Sosialisma Nasionaly, tany Alemaina. Niavaka izy ireo, satria ‘nandoa ho an’i Kaisara izay an’i Kaisara, ary ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra’. (Lioka 20:25) Tsy nitovy tamin’ireo mpitondra fivavahana sy Kristianina nifandray tamin’ny fiangonan’ny Kristianisma Anarana ny mpanompon’Andriamanitra, fa nijoro tsara hatrany ary tsy nety nandika ny fitsipiky ny Baiboly. (Isaia 2:4; Matio 4:10; Jaona 17:16) Hoy i Christine King, mpahay tantara nanoratra ilay boky hoe Ny Fanjakana Nazia sy Ireo Fivavahana Vaovao (anglisy): “Tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ihany no tsy nahomby ny fanjakana [nazia], satria na dia namono an’arivony maro tamin’izy ireo aza io fanjakana io, dia tsy nitsahatra ny asan’izy ireo. Mbola nandeha tsara ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny volana May 1945, fa ny Nazisma kosa efa tsy nisy intsony.”

18. Inona no fihetsika asehon’ny vahoakan’i Jehovah na dia enjehina aza izy ireo?

18 Mendri-komarihana tokoa ny fihetsiky ny vahoakan’i Jehovah rehefa enjehina. Mety hiaiky volana noho ny finoantsika ireo mpitondra fanjakana, nefa gaga izy ireo fa tsy mitahiry lolompo isika. Matetika no falifaly sy afa-po ireo Vavolombelona tsy matin’ny Nazia tamin’ny Ady Lehibe Faharoa, rehefa mahatsiaro ny nanjo azy. Fantany fa i Jehovah no nanome azy ny “halehiben’ny hery”. (2 Korintiana 4:7) Matoky ireo voahosotra eo anivontsika fa ‘voasoratra any an-danitra ny anarany’. (Lioka 10:20) Miteraka fanantenana azo antoka ny fiaretany, ary azo antoka toy izany koa ny fanantenan’ireo mpijinja mahatoky hiaina eto an-tany.​—Romana 5:4, 5.

Manohiza mijinja

19. Inona avy ny fomba mandaitra nampiasaina teo amin’ny fanompoana kristianina?

19 Mbola tsy fantatra hoe hafiriana no hamelan’i Jehovah antsika hanao ilay asa fijinjana ara-panoharana. Mandra-pahatongan’izany anefa, dia tokony hotadidintsika fa efa manana ny fomba fiasany ny mpijinja ara-bakiteny. Matoky koa isika fa hahomby raha mampiasa hatrany ireo fomba fitory efa nandaitra. Hoy i Paoly tamin’ny Kristianina namany: “Mananatra anareo aho: manahafa ahy hianareo.” (1 Korintiana 4:16) Nampahatsiahivin’i Paoly ireo anti-panahy efesianina tao Mileto fa tsy niahotra izy nampianatra azy ireo “teo imason’ny olona ary tao amin’ny isan-trano”. (Asan’ny Apostoly 20:20, 21) Efa nianatra ny fanao na ny fomba fiasan’ny apostoly Paoly namany i Timoty, hany ka afaka nampita izany tamin’ny Korintianina. (1 Korintiana 4:17) Notahin’Andriamanitra i Paoly, ka nandaitra ny fomba fampianarany, ary hotahiny koa isika raha mikiry mitory ilay vaovao tsara isan-trano sy amin’ny fiverenana mitsidika, amin’ny fampianarana Baiboly any an-tokantrano, ary na aiza na aiza ahitana ny olona.​—Asan’ny Apostoly 17:17.

20. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa tsy ho ela dia hisy vokatra ara-panahy tondraka, ary ahoana no nahatanterahan’izany tamin’ireo taona faramparany?

20 Niresaka momba ny fijinjana ara-panahy i Jesosy, rehefa avy nitory tamin’ilay vehivavy samaritanina, tsy lavitra an’i Sykara tamin’ny 30 am.f.i. Hoy izy tamin’ny mpianany: “Atopazy ny masonareo, ka jereo ny eny an-tsaha, fa efa masaka sahady hojinjana izy. Ary izay mijinja dia mandray karama ka mamory vokatra ho amin’ny fiainana mandrakizay, mba hiara-mifaly ny mpamafy sy ny mpijinja.” (Jaona 4:34-36) Efa hitan’i Jesosy angamba ny vokatry ny firesahany tamin’ilay vehivavy samaritanina, satria maro no nino azy noho ny fanambarana nataon’io vehivavy io. (Jaona 4:39) Nandritra ireo taona faramparany, dia tsy nandrara intsony ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah ary nanaiky ny fikambanan’izy ireo ho ara-dalàna ny tany sasany, hany ka nisy saha vaovao nisokatra mba hojinjaina. Koa tondraka àry ny vokatra ara-panahy jinjaina. Raha ny marina, dia mahazo fitahiana tondraka isika maneran-tany, rehefa manohy amim-pifaliana ny fijinjana ara-panahy.

21. Nahoana isika no tokony hanohy hijinja amim-pifaliana?

21 Tsy maintsy miasa haingana ny mpijinja, rehefa masaka tsara ny vokatra. Tsy mahazo mangataka andro izy ireo. Mila miasa mafy sy haingana koa isika ankehitriny, satria miaina amin’ny “andro farany”. (Daniela 12:4) Iharam-pisedrana tokoa isika, nefa betsaka kokoa, mbola tsy nisy toy izany, ny mpanompon’i Jehovah tokony hangonina. Koa andro hifaliana àry izao. (Isaia 9:2) Aoka àry isika hanohy hijinja amim-pifaliana!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 15 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah sy zarainy.

Ahoana no Havalinao?

Ahoana no namalian’ilay Tompon’ny vokatra ilay fangatahana mpiasa bebe kokoa?

Na dia “halan’ny olona rehetra” aza isika, inona no toe-tsaina ananantsika hatrany?

Nahoana isika no falifaly na dia enjehina aza?

Nahoana isika no tokony ho maika rehefa manohy ilay asa fijinjana?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 16, 17]

Manohana ny mpijinja ara-panahy ny anjely

[Sary, pejy 18]

Nampahafantatra ny hafatra momba ilay Fanjakana ny filaharana teny amin’ny arabe niaraka tamin’ny takelaka

[Sary, pejy 18]

Mamboly sy manondraka isika, fa i Jehovah no mampitombo