Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mifalia eo Am-pijinjana!

Mifalia eo Am-pijinjana!

Mifalia eo Am-pijinjana!

“Be ny vokatra, fa ny mpiasa no vitsy; koa amin’izany mangataha amin’ny Tompon’ny vokatra mba hampandehanany mpiasa hamory ny vokatra”.​—MATIO 9:38.

1. Inona no manampy antsika hanohy hanao ny sitrapon’Andriamanitra?

NA EFA ela na vao haingana isika no natao batisa ho mpanompon’i Jehovah, dia toy ny vao omaly izany, rehefa eritreretina. Nanjary ny zava-dehibe indrindra tamintsika ny fiderana an’i Jehovah, rehefa avy nanolo-tena ho azy isika. Ny fanompoana an’i Jehovah amim-pifaliana no nahintsika voalohany, rehefa nohararaotintsika ny fotoana mba hanampiana ny hafa handre sy hanaiky ny hafatra momba ilay Fanjakana. (Efesiana 5:15, 16) Toa mandeha haingana be ny fotoana, rehefa ‘mahefa be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo’ isika. (1 Korintiana 15:58) Miatrika zava-manahirana isika, nefa manohy hatrany, satria mahita fifaliana amin’ny fanaovana ny sitrapon’i Jehovah.​—Nehemia 8:10.

2. Nahoana isika no faly amin’ilay asa fijinjana ara-panoharana?

2 Manao asa fijinjana ara-panoharana isika Kristianina. Noharin’i Jesosy Kristy tamin’ny fijinjana ny fanangonana ny olona hiaina mandrakizay. (Jaona 4:35-38) Hampahery antsika ny fandinihana ny fifalian’ny Kristianina mpijinja tany am-boalohany, satria mpijinja koa isika. Hodinihintsika ireto antony telo mahafaly antsika amin’ny asa fijinjana ireto: 1) manome fanantenana ny hafatra entintsika, 2) mahita mpianatra isika, ary 3) mpijinja mitandro fiadanana isika.

Nirahina hijinja

3. Inona no nahafaly ny mpanara-dia an’i Jesosy?

3 Niova be ny fiainan’ny mpijinja tany am-boalohany, indrindra fa ny an’ny apostolin’i Jesosy nahatoky 11, tamin’ny 33 am.f.i., rehefa nitsena an’i Kristy nitsangana tamin’ny maty izy ireo, tany amin’ny tendrombohitra iray tany Galilia! (Matio 28:16) “Rahalahy tsy omby diman-jato” no mety ho nanatrika io fisehoan-javatra io. (1 Korintiana 15:6) Tsy afaka tao an-tsain’izy ireo ilay fanirahan’i Jesosy azy ireo hoe: “Mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo”. (Matio 28:19, 20) Nenjehina mafy izy ireo, nefa faly be tamin’ny asa fijinjana, satria nisy fiangonan’ny mpanara-dia an’i Kristy niforona tamin’ny toerana maro. ‘Notorina teny ambanin’ny lanitra rehetra teny’ ny vaovao tsara, tamin’ny farany.​—Kolosiana 1:23; Asan’ny Apostoly 1:8; 16:5.

4. Inona avy no zava-nitranga tamin’ny fotoana nanirahana ny mpianatr’i Kristy?

4 Taloha kokoa, rehefa nanompo tany Galilia i Jesosy, dia niantso ny apostoly 12 ary naniraka azy ireo hanambara indrindra fa “efa mby akaiky ny fanjakan’ny lanitra”. (Matio 10:1-7) Na i Jesosy aza dia “nandeha nitety ny tanàna rehetra sy ny vohitra [tany Galilia], nampianatra tao amin’ny synagoga sy nitory ny filazantsaran’ny fanjakana ary nahasitrana ny aretina rehetra mbamin’ny rofy rehetra”. “Nahonena Azy ny fijeriny ireo [vahoaka], satria nampahantraina ireo ka nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry”. (Matio 9:35, 36) Tohina mafy ny fony, ka hoy izy tamin’ny mpianany: “Be ny vokatra, fa ny mpiasa no vitsy; koa amin’izany mangataha amin’ny Tompon’ny vokatra [i Jehovah Andriamanitra] mba hampandehanany mpiasa hamory ny vokatra.” (Matio 9:38) Enim-bolana talohan’ny nahataperan’ny fanompoany tetỳ an-tany, fony izy tany Jodia, dia nilaza koa i Jesosy fa tsy ampy ny mpijinja. (Lioka 10:2) Naniraka ny mpanara-dia azy mba hijinja izy tamin’ireo fisehoan-javatra roa ireo.​—Matio 10:5; Lioka 10:3.

Manome fanantenana ny hafatra entintsika

5. Karazana hafatra manao ahoana no ambarantsika?

5 Manaiky amim-pifaliana ny hijinja isika mpanompon’i Jehovah ankehitriny. Anisan’ny mahafaly antsika indrindra ny mitondra hafatra manome fanantenana ho an’ny malahelo sy ny ketraka. Manana tombontsoa manambara ny vaovao tsara toy ny mpianatr’i Jesosy tamin’ny taonjato voalohany isika. Tena manome fanantenana ho an’izay “nampahantraina ka nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry” io hafatra io!

6. Inona no asa nataon’ny apostoly tamin’ny taonjato voalohany?

6 Revo nitory ny vaovao tsara ny apostoly Paoly, rehefa nisasaka ny taonjato voalohany. Azo antoka fa nahita vokatra izy, satria izao no nosoratany ho an’ny Kristianina tao Korinto, tokony ho tamin’ny 55 am.f.i.: “Ampahafantariko anareo, ry rahalahy, ny filazantsara izay notoriko taminareo sy noraisinareo sady iorenanareo”. (1 Korintiana 15:1) Mpijinja nazoto ny apostoly sy ny Kristianina hafa tany am-boalohany. Tsy lazain’ny Baiboly ny isan’ny apostoly tafita velona rehefa rava i Jerosalema tamin’ny 70 am.f.i. Fantatsika anefa fa mbola nitory ny apostoly Jaona, 25 taona teo ho eo tatỳ aoriana.​—Apokalypsy 1:9.

7, 8. Inona no hafatra manome fanantenana ambaran’ny mpanompon’i Jehovah maika dia maika?

7 Nandritra ny taonjato maro taorian’izany, dia ny mpitondra fivavahana ao amin’ny Kristianisma Anarana, ilay “lehilahin’ota” nivadi-pinoana, no nitantana ny raharaha ara-pivavahana. (2 Tesaloniana 2:3) Tamin’ny faramparan’ny taonjato faha-19 anefa, dia nanaiky ilay hafatra manome fanantenana ireo niezaka hanaraka ny Kristianisma tany am-boalohany, ka nanambara ilay Fanjakana. Hatramin’ny nivoahan’ity gazety ity voalohany (Jolay 1879), dia hita teo amin’ny lohateniny ny hoe “Mpanambara ny Fanatrehan’i Kristy”, “Mpanambara ny Fanjakan’i Kristy” na ny hoe “Manambara ny Fanjakan’i Jehovah”.

8 Lasa mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra i Jesosy Kristy tamin’ny 1914, ary maika tsy misy toy izany isika manambara ilay hafatra manome fanantenana. Nahoana? Satria efa handringana ity tontolo ratsy fanahy ity ny Fanjakan’Andriamanitra, ary izany dia anisan’ireo fitahiana hoentiny. (Daniela 2:44) Misy hafatra tsara noho izany ve? Ary misy asa mahafaly kokoa noho ny fanambarana ilay Fanjakana alohan’ny hamelezan’ny “fahoriana lehibe” ve?​—Matio 24:21; Marka 13:10.

Mahita mpianatra isika

9. Inona no toromarika nomen’i Jesosy ny mpianany, ary nanao ahoana ny fandraisan’ny olona ny hafatra momba ilay Fanjakana?

9 Anisan’ny mahafaly antsika mpijinja koa ny fahitana olona tonga mpianatra sy mpijinja miaraka amintsika. Izao no toromarika nomen’i Jesosy ny mpianany tamin’ny 31-32 am.f.i.: “Ary izay tanàna na vohitra hiakaranareo, dia fantaro tsara izay miendrika ao”. (Matio 10:11) Tsy ny rehetra no mendrika, araka ny hita tamin’ny fomba nandraisany ny hafatra momba ilay Fanjakana. Nazoto nitory ny vaovao tsara anefa ny mpianatr’i Jesosy na taiza na taiza nisy olona.

10. Inona no nataon’i Paoly mba hitadiavana ny olona mendrika?

10 Nitohy tsara ny fitadiavana ny olona mendrika, taorian’ny nahafatesan’i Jesosy sy nitsanganany tamin’ny maty. Niady hevitra tamin’ny Jiosy tao amin’ny synagoga sy ny olona tany an-tsenan’i Atena, i Paoly. Rehefa nitory teny amin’ny Areopagon’io tanàna grika io izy, dia nisy “niray taminy ka nino; mba naman’izany Dionysio Areopagita sy ny vehivavy anankiray atao hoe Damary ary ny sasany koa”. Na taiza na taiza nalehan’i Paoly, dia fakan-tahaka koa izy tamin’ny fitoriany “teo imason’ny olona ary tao amin’ny isan-trano”.​—Asan’ny Apostoly 17:17, 34; 20:20.

11. Inona avy no fomba fitory nampiasaina taona maro lasa izay?

11 Naneho fahasahiana ny Kristianina voahosotra, rehefa nitady ny olona mendrika, nandritra ireo folo taona faramparany tamin’ny taonjato faha-19. Izao no voalaza ao amin’ilay lahatsoratra hoe “Voahosotra Hitory” ao amin’ny Tilikambo Fiambenan’i Ziona (Jolay/Aogositra 1881): “Ny vaovao tsara dia torina ‘amin’ny mpandefitra’, izany hoe izay maniry sy afaka mihaino, mba hanangonana ny tenan’i Kristy, dia ireo mpiara-mandova aminy.” Matetika no nifanena tamin’ny olona avy niangona ny mpijinjan’Andriamanitra, ary nanome azy ireny taratasy misy hafatra araka ny Soratra Masina, natao hisarika ny olona mendrika. Rehefa avy nodinihina tsara ny fahombiazan’io fomba fitory io, dia nampirisika ny mpijinja Ny Tilikambo Fiambenana 15 May 1903, mba hizara ny taratasy “isan-trano, ny alahady maraina”.

12. Inona no nataontsika mba hahitana vokatra kokoa tamin’ny fitoriana? Manomeza ohatra.

12 Nanitatra ny fanompoantsika isika, tao anatin’ireo taona faramparany, ka nitady ny olona tany an-toeran-kafa, fa tsy tany an-tranony. Tena nahomby io fomba fiasa io tany amin’ny tany tsy ahitana ny olona any an-tranony, satria miasa izy na miala voly amin’ny fotoana andalovantsika. Tsikaritry ny mpitory roa tany Angletera fa nisy aotobisy be dia be nitondra olona avy naka rivotra teny amoron-dranomasina. Nisikina herim-po izy mirahavavy, ka nizara ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! tamin’ny mpandeha. Nahapetraka gazety 229 ry zareo tao anatin’ny iray volana. Hoy izy ireo: “Tsy matahotra mitory eny amoron-dranomasina na amin’ny mpivarotra izahay, ary tsy matahotra izay zava-tsarotra mety hipoitra koa, satria fantatray fa momba anay foana i Jehovah.” Nisy olona anateran’izy ireo gazety tsy tapaka, nanomboka fampianarana Baiboly ny iray tamin’izy mirahavavy, ary samy mpisava lalana mpanampy izy.

13. Inona no fanitsiana ilaina hatao rehefa mitory any amin’ny toerana sasany?

13 Mety hilaintsika ny mandinika tsara ny fitoriantsika any amin’ny toerana sasany, rehefa manohy mitady ny olona mendrika isika. Maro ny Vavolombelona zatra mitory isan-trano ny alahady maraina. Tsy dia mandaitra anefa ny fitoriana vao maraina any amin’ny toerana sasany, satria mety ho mbola matory ny olona. Vavolombelona maro no nandamina ny fandaharam-potoanany, ary mitory amin’ny hariva, angamba aorian’ny fivoriana. Ary nahita olona tokoa izy ireo. Nitombo 2,3 isan-jato ny isan’ny mpitory ilay Fanjakana tamin’ny herintaona. Sady manome voninahitra an’ilay Tompon’ny vokatra izany no mahafaly ny fontsika.

Tandrovy ny fiadanana

14. Inona no toe-tsaina ananantsika rehefa mitory isika, ary nahoana?

14 Faly koa isika, satria mitandro ny fiadanana, rehefa mijinja. Hoy i Jesosy: “Ary raha vao miditra ao amin’ny trano hianareo, dia miarahabà ny ao. Koa raha miendrika ny ao an-trano, dia aoka ho ao aminy ny fiadanana tononinareo”. (Matio 10:12, 13) Ny hevitra fonosin’ny fiarahabana hebreo sy ny teny grika ao amin’ny Baiboly mifanitsy aminy dia ny hoe: ‘Mirary soa ho anao.’ Tokony hanana io toe-tsaina io isika, rehefa mitory ny vaovao tsara. Ny antenaintsika dia ny handraisan’ny olona tsara ny hafatra momba ilay Fanjakana. Raha manao izany izy ireo, dia ho afaka hihavana indray amin’Andriamanitra, rehefa avy mibebaka noho ny fahotany sy miverina, ary manao ny sitrapon’Andriamanitra. Ary mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay ny fihavanana amin’Andriamanitra.​—Jaona 17:3; Asan’ny Apostoly 3:19; 13:38, 48; 2 Korintiana 5:18-20.

15. Ahoana no itandrovantsika ny fiadanana rehefa tsy mandray tsara ny hafatra torintsika ny olona?

15 Ahoana no itandrovantsika ny fiadanana, raha tsy mandray tsara ilay hafatra ny olona? Hoy i Jesosy: “Raha tsy miendrika izy [ny ao an-trano], dia aoka hiverina aminareo ny fiadanana voatononareo”. (Matio 10:13) Araka an’i Lioka dia nilaza izao koa i Jesosy rehefa naniraka ny mpianany 70: “Raha misy zanaky ny fiadanana ao, dia hitoetra ao aminy ny fiadanana tononinareo; fa raha tsy izany, dia hiverina ho aminareo ihany izany”. (Lioka 10:6) Miezaka ny ho tsara fanahy sy ho tia fihavanana isika rehefa mitory ny vaovao tsara. ‘Hiverina amintsika’ ilay hafatra mitondra fiadanana, raha tsy miraika, na mitaraina na miteny ratsy antsika ilay olona iresahantsika. Izany rehetra izany dia tsy manaisotra amintsika ny fiadanana, izay anisan’ny vokatry ny fanahy masin’i Jehovah.​—Galatiana 5:22, 23.

Tanjona tsara ho an’ny mpijinja

16, 17. a) Inona no tanjontsika rehefa miverina mitsidika olona isika? b) Ahoana no anampiantsika ny olona manana fanontaniana momba ny Baiboly?

16 Faly isika mpijinja mandray anjara amin’ny fanangonana ny olona hiaina mandrakizay. Ary hafaliana re ny antsika rehefa misy olona manaiky ilay hafatra torintsika, ka te hianatra bebe kokoa ary tonga “zanaky ny fiadanana”! Manana fanontaniana betsaka momba ny Baiboly angamba izy, ary tsy vitantsika ny hamaly azy rehetra indray mandeha. Koa inona no azo atao, satria toa tsy hety raha mijanona ela isika amin’ny voalohany? Afaka miezaka hanatratra ilay tanjona nampirisihana tamin’ny 60 taona lasa isika.

17 “Tokony ho vonona hitarika fampianarana Baiboly modely ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra.” Izany no voalazan’ny fahatelo tamin’ireo bokikely Fampianarana Modely (anglisy) navoaka tamin’ny 1937 ka hatramin’ny 1941. Nilaza koa izy io hoe: “Tokony hiezaka mafy daholo ny mpitory [ilay Fanjakana] mba hanampy ny olona ankasitrahana sady liana amin’ny hafatra momba ilay Fanjakana. Tokony hotsidihina indray ireny olona ireny, mba hamaliana ny fanontaniany ..., ary tokony hatomboka haingana ... araka izay azo atao ny fampianarana modely.” Eny, rehefa miverina mitsidika ny olona isika, dia ny hanomboka sy hitarika fampianarana Baiboly tsy tapaka no tanjontsika. * Hanosika antsika hiomana tsara sy hitarika tsara ilay fampianarana ny fiahiantsika sy ny fitiavantsika an’ilay olona.

18. Ahoana no anampiantsika ny vaovao ho tonga mpianatr’i Jesosy Kristy?

18 Manampy antsika hitarika fampianarana Baiboly mandaitra sy hanampy ny olona vao liana mba ho tonga mpianatra, ny boky Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay sy ny bokikely Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika? Rehefa miezaka manahaka an’i Jesosy Kristy, ilay Mpampianatra Lehibe, isika, dia ho hitan’ireo mpianatra Baiboly ireo koa fa tia fiadanana isika, falifaly sy tso-po ary manaraka ny fitsipika sy ny tari-dalan’i Jehovah. Rehefa manampy ireo vaovao hahita ny valin’ny fanontaniany isika, dia tokony hampianatra azy koa hamaly ny fanontaniana hapetraky ny hafa aminy. (2 Timoty 2:1, 2; 1 Petera 2:21) Faly mihitsy isika mpijinja, satria olona 4 766 631 eo ho eo no nianatra ny Baiboly naneran-tany, tamin’ny herintaona. Vao mainka isika faly raha anisan’ny mpijinja mitarika fampianarana Baiboly.

Mifalia hatrany eo am-pijinjana

19. Nahoana no faly ny mpijinja nandritra ny fotoana nanompoan’i Jesosy sy taoriana kelin’izay?

19 Maromaro ny antony nahafaly ny mpijinja tamin’ny fotoana nanompoan’i Jesosy sy taoriana kelin’izay. Maro no nanaiky ny vaovao tsara. Tsy nisy toy izany ny fifaliana tamin’ny Pentekosta 33 am.f.i., satria 3 000 teo ho eo no nanaiky ny toromarik’i Petera sy nahazo ny fanahy masin’i Jehovah ary tonga anisan’ny firenen’Andriamanitra, dia ny Isiraely ara-panahy. Nihabetsaka tokoa izy ireo, ary be ny fifaliana satria “ny olom-bonjena dia nanampin’ny Tompo isan-andro ho isan’ireo”.​—Asan’ny Apostoly 2:37-41, 46, 47; Galatiana 6:16; 1 Petera 2:9.

20. Nahoana isika no faly be eo am-pijinjana?

20 Tanteraka tamin’izay fotoana izay ity faminanian’i Isaia ity: “Hamaroinao [Jehovah] ity firenena ity, ary ampitomboinao ny hafaliany; mifaly eo anatrehanao izy tahaka ny hafaliana amin’ny fararano, ary tahaka ny fifalin’ny olona, raha mizara babo.” (Isaia 9:2) Efa ho feno ny isan’ny voahosotra mahaforona io ‘firenena maro’ io ankehitriny, nefa tondraka ny fifaliantsika mahita fa mitombo isan-taona ny isan’ny mpijinja hafa.​—Salamo 4:7; Zakaria 8:23; Jaona 10:16.

21. Inona no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

21 Tena tokony ho faly hatrany amin’ny fijinjana isika. Mitondra fanantenana mantsy ny hafatra entintsika sady mahita ireo olona mendrika isika, ary mitandro ny fiadanana. Mahasosotra ny sasany anefa izany. Nahatsapa izany ny apostoly Jaona. Natao an-tranomaizina tany amin’ny nosy Patmo izy, “noho ny tenin’Andriamanitra sy ny filazana an’i Jesosy”. (Apokalypsy 1:9) Ahoana àry no ihazonantsika ny fifaliantsika, rehefa enjehina isika na misy manohitra? Inona no hanampy antsika hiaritra, rehefa maro no mikiribiby tsy manaiky ny hafatra torintsika? Ho hitantsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka ny valiny omen’ny Soratra Masina amin’ireo fanontaniana ireo.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 17 Natao tany amin’ny toerana nahafahana namory olona liana maromaro ny fianarana, tamin’ny voalohany. Tsy ela anefa, dia nampianarina koa ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana.​—Jereo ny boky Ny Vavolombelon’i Jehovah​—Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra (frantsay), pejy faha-574, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Ahoana no Havalinao?

• Inona ilay asa fijinjana ara-panoharana?

• Karazana hafatra manao ahoana no ambarantsika?

• Nahoana isika no mahita mpianatra?

• Ahoana no itandrovantsika fiadanana eo am-pijinjana?

• Nahoana isika no faly foana eo am-pijinjana?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 12, 13]

Fitoriana tamin’ny taonjato voalohany sy faha-20

[Sary, pejy 13]

Mitory amin’ny olona na aiza na aiza, toa an’i Paoly, ny mpijinja ankehitriny

[Sary, pejy 13]

Aoka isika ho tsara fanahy rehefa mitory ny vaovao tsara