Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Misy Fiainana ve Aorian’ny Fahafatesana?

Misy Fiainana ve Aorian’ny Fahafatesana?

Misy Fiainana ve Aorian’ny Fahafatesana?

“RAHA maty ny olona, moa ho velona indray va izy?”, hoy ny fanontanian’ilay loham-pianakaviana atao hoe Joba, 3 500 taona lasa teo ho eo izay. (Joba 14:14) Nahavery hevitra ny olombelona efa hatramin’ny an’arivony taona maro io fanontaniana io. Nisaintsaina momba izany ny olona avy amin’ny firenena samihafa nandritra ny taonjato maro, ka namoaka teoria maro samihafa.

Maro ny Kristianina anarana mino ny lanitra sy ny afobe. Ny Hindoa kosa mino ny fahaterahana indray ao amin’ny vatana vaovao. Toy izao ny fihevitra miozolimanina, hoy ny Emir Muawiyah, mpanampy ao amin’ny foibe ara-pivavahana silamo iray: “Mino izahay fa hisy andro fitsarana aorian’ny fahafatesana, rehefa hiseho eo anatrehan’Andriamanitra na Allah, ianao, toy ny miakatra fitsarana.” Araka ny finoana silamo, dia hijery indray ny fiainan’ny tsirairay avy eo i Allah, ka handefa azy any amin’ny paradisa na any amin’ny afobe.

Samy mamela ny varavarana sy ny varavarankely hibanabana ny Bodista sy ny Katolika any Sri Lanka, rehefa misy maty ao an-tranony. Arehitra ny jiro solitany iray ary rehefa apetraka ny vatam-paty, dia atao manatrika ny varavarambe fidirana ny tongotr’ilay maty. Mino izy ireo fa manamora ny fivoahan’ny fanahin’ilay maty izany.

Araka ny nolazain’i Ronald M. Berndt avy ao amin’ny Oniversiten’i Aostralia Andrefana, dia mino ny Tompon-tany aostralianina fa “tsy mety maty ny fanahin’ny olombelona”. Misy foko afrikanina mino fa lasa matoatoa ny olon-tsotra rehefa maty, fa ny olona ambony kosa lasa fanahin’ireo razana izay homem-boninahitra sy hitalahoana, satria mpitarika tsy hita mason’ilay fiaraha-monina.

Any amin’ny tany sasany, ny zavatra inoana momba ny toetran’ny maty dia ny lovantsofina eo an-toerana nafangaro tamin’ny zavatra inoan’ny Kristianisma Anarana. Fanaon’ny Katolika sy Protestanta maro atsy Afrika Andrefana, ohatra, ny manarona ny fitaratra rehefa misy maty, mba tsy hisy hijery ao ka hahita ny fanahin’ilay maty.

Tsy mitovy ny amalian’ny olona ilay fanontaniana hoe ‘Inona no mitranga amintsika rehefa maty isika?’ Kanefa, izao no hevi-dehibe iombonan’izy ireo: Misy zavatra tsy mety maty ao amin’ny olombelona, ka izy io dia manohy miaina aorian’ny fahafatesana. Misy mino fa ny fanahy io “zavatra” io. Any amin’ny faritr’i Afrika sy Azia ary manerana ny faritr’i Polinezia sy Melanezia ary Mikronezia any Pasifika, ohatra, dia maro no mino fa tsy mety maty ny fanahy.

Manana fanahy ve ny olona velona iray? Mandao ny vatana tokoa ve io fanahy io rehefa maty? Raha izany no izy, inona no mitranga amin’izy io? Ary inona no fanantenana ho an’ny maty? Tsy tokony hodiana tsy hita ireo fanontaniana ireo. Na inona na inona kolontsaina na fivavahana niavianao, dia zava-misy tsy maintsy atrehina ny fahafatesana. Koa tena mahakasika ny tenanao manokana àry ireo fanontaniana ireo. Mampirisika anao izahay handinika izany.