Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Origène​—Inona no Vokatry ny Fampianarany teo Amin’ny Eglizy?

Origène​—Inona no Vokatry ny Fampianarany teo Amin’ny Eglizy?

Origène​—Inona no Vokatry ny Fampianarany teo Amin’ny Eglizy?

“Ilay mpitondra fivavahana nohajaina indrindra tao amin’ny Eglizy taorian’ireo Apostoly.” Toy izany no nideran’i Jérôme, mpandika ny Baiboly Vulgate Latinina, an’i Origène, ilay teolojianina tamin’ny taonjato fahatelo. Tsy ny rehetra anefa no nanaja fatratra an’i Origène toy izany. Nisy nihevitra fa izy no rangory fototry ny afo nipoiran’ny fandavana ny finoana katolika. Araka ny mpanoratra iray tamin’ny taonjato faha-17, dia nilaza toy izao, hono, ireo mpanao tsikera an’i Origène: “Tsy misy fotony sady manimba ny ankamaroan’ny foto-pampianarany, poizina feno hafetsena sy mahafaty, izay naeliny teo amin’izao tontolo izao.” Efajato taona mahery taorian’ny nahafatesany, dia nambara tamin’ny fomba ofisialy fa nanda ny finoana katolika i Origène.

NAHOANA i Origène no sady nohajaina no nankahalaina? Toy inona ny hery nananany teo amin’ny fivoaran’ny foto-pampianaran’ny Eglizy?

Be zotom-po ho an’ny Eglizy

Teraka tamin’ny 185 am.f.i. teo ho eo i Origène, tany amin’ny tanànan’i Aleksandria, any Ejipta. Nampianarina tsara ny haisoratra grika izy, nefa noteren’i Leonides rainy hiezaka toy izany koa hianatra ny Baiboly. Fony i Origène 17 taona, dia nisy didy navoakan’ny emperora romanina nahatonga ny fiovam-pinoana ho heloka bevava. Naiditra am-ponja ny rain’i Origène, satria lasa Kristianina. Tanora be zotom-po i Origène, ka tapa-kevitra ny hanaraka azy tany am-ponja sy ho faty maritiora. Rehefa nahita izany ny reniny dia nanafina ny akanjony, mba hisakanana azy tsy handao ny tokantrano. Nanoratra ho an-drainy i Origène, ka niangavy azy hoe: “Tandremo sao miova hevitra ianao noho ny aminay fotsiny.” Tsy nilefitra tokoa i Leonides, ka novonoina ho faty, ary nanjary nahantra ny fianakaviany. Efa lasa lavitra tamin’ny fianarany anefa i Origène, ka afaka namelona ny reniny sy izy enina mirahalahy zandriny, tamin’ny fampianarana haisoratra grika.

Ny hampiato ny fielezan’ny Kristianisma no zava-nokendren’ilay emperora. Koa satria tsy nikendry ny mpianatra fotsiny ilay didy navoakany, fa ny mpampianatra koa, dia nandositra niala tao Aleksandria daholo ireo Kristianina mpampianatra fivavahana. Rehefa nangataka fanampiana tany amin’i Origène ny olona tsy Kristianina izay te hianatra ny Baiboly, dia nekeny ho asa nanirahan’Andriamanitra azy izany. Maty maritiora ny ankamaroan’ny mpianany, ny sasany aza maty talohan’ny nahavitany ny fianarany mihitsy. Tena nanao vivery ny ainy i Origène, ka nampahery ny mpianany, na teo anoloan’ny mpitsara izy ireo, na tany am-ponja, na rehefa hovonoina ho faty. Nitantara i Eusèbe, mpahay tantara tamin’ny taonjato fahefatra, fa rehefa nentina hovonoina izy ireo, dia ‘tena feno fahasahiana i Origène, ka niarahaba sy nanoroka azy ireo’.

Tezitra tamin’i Origène ny olona maro tsy Kristianina, izay nihevitra azy ho tompon’andraikitra tamin’ny fiovam-pinoana sy ny fahafatesan’ny namany. Matetika izy no saika norotahan’ny olona ary saika novonoiny. Na voatery nifindrafindra trano aza i Origène mba handosirana ireo mpanenjika azy, dia nanohy nampianatra foana izy. Nampitolagaga an’i Demetrius, evekan’i Aleksandria, ny herim-pony sy ny fahafoizan-tenany. Rehefa feno 18 taona monja àry i Origène, dia notendreny ho lehiben’ny sekoly ara-pivavahana tany Aleksandria.

Lasa manam-pahaizana nalaza sy nanoratra boky maro i Origène, tatỳ aoriana. Nisy nilaza fa nanoratra boky 6 000 izy, nefa azo inoana fa fanitaran-dresaka izany. Ny Hexaples no mampahalaza azy indrindra; izy io dia boky goavana be, fanontana ny Soratra Hebreo misy boky 50. Nalamin’i Origène ho tsanganana enina mifanandrify ny Hexaples, ka ireto avy no raketin’izy ireo: 1) soratra hebreo sy aramianina, 2) izany soratra izany ihany saingy araka ny fanononana grika, 3) dikan-teny grikan’i Aquila, 4) dikan-teny grikan’i Symmachus, 5) ny fandikan-teny grikan’ny Fitopolo, izay nohavaozin’i Origène mba hifanaraka kokoa amin’ny soratra hebreo, ary 6) dikan-teny grikan’i Theodotion. “Rehefa nampiaraka ireo soratra ireo i Origène”, hoy i John Hort, manam-pahaizana momba ny Baiboly, dia “nanantena izy fa hanazava tsara kokoa ny hevitry ny andinin-teny maro, izay hahavery hevitra ny mpamaky grika na handiso hevitra azy, raha tsy nisy afa-tsy ny fandikan-teny grikan’ny Fitopolo.”

‘Nihoatra noho ny voasoratra’

Nisy heriny lehibe teo amin’ny fomba nampianaran’i Origène ny Baiboly anefa ny fisafotofotoana ara-pivavahana tamin’ny taonjato fahatelo. Na tany am-boalohany aza, dia efa voaloton’ny zavatra inoana tsy ara-baiboly ny Kristianisma Anarana, ary nampianatra zavatra isan-karazany ireo fiangonany niely patrana.

Neken’i Origène ny sasany tamin’ireny foto-pampianarana tsy ara-baiboly ireny, ka nantsoiny hoe fampianaran’ny apostoly. Nisy anefa fanontaniana hafa tonga dia nanaovany tombantombana. Tamin’izay ny ankamaroan’ny mpianany dia niady tamin’ireo foto-kevitra filozofika, tamin’izany fotoana izany. Mba hanampiana azy ireo, dia nodinihin’i Origène tsara ireo firehan-kevitra filozofika isan-karazany, izay namolavola ny sain’ireo mpianany tanora. Nanomboka nomeny valiny nahafa-po ireo fanontanian’ny mpianany nifandray tamin’ny filozofia.

Niezaka nampifanaraka ny Baiboly sy ny filozofia i Origène, ka niankina indrindra tamin’ny fanomezana heviny ara-panoharana ny Baiboly. Nolazainy fa nanana heviny ara-panahy foana ny Baiboly, fa tsy voatery hanana heviny ara-bakiteny. Nomarihin’ny manam-pahaizana iray fa izany dia nahatonga an’i Origène “hahita tao amin’ny Baiboly izay hevitra rehetra tsy ara-baiboly nifanaraka tamin’ny teolojiany manokana; nilaza anefa izy (ary azo antoka fa nino tokoa) fa tena nazoto nanazava araka ny marina ny hevitry ny Baiboly ny tenany”.

Ahitana ny fomba fisainan’i Origène ny taratasy nosoratany ho an’ny mpianany iray. Nomarihiny fa nanamboatra fitaovana ho an’ny tempolin’i Jehovah avy tamin’ny volamenan’ny Ejipsianina ny Isiraelita. Taminy, izany dia fanoharana nanohana ny fampiasany ny filozofia grika mba hampianarana ny Kristianisma. Nanoratra toy izao izy: “Tena nahasoa ny zanak’Isiraely mihitsy ireo zavatra nentina avy tany Ejipta, zavatra izay tsy hain’ny Ejipsianina nampiasaina, nefa nampiasain’ny Hebreo tamin’ny fanompoana an’Andriamanitra, rehefa notarihin’ny fahendren’Andriamanitra izy ireo.” Nampirisika ny mpianany àry i Origène, mba “haka avy tamin’ny filozofian’ny Grika, izay rehetra azo ampiasaina ho fianarana na ho fiomanana ho amin’ny Kristianisma”.

Noho io fomba fanazavana ny Baiboly malalaka be io, dia sarotra ny nanavaka ny foto-pampianarana kristianina sy ny filozofia grika. Ohatra, ao amin’ilay bokiny hoe Momba Ireo Tari-dalana Voalohany (anglisy), dia nilaza i Origène fa i Jesosy no ‘ilay Zanaka lahitokana nateraka, nefa tsy nanam-piandohana’. Hoy koa izy: ‘Efa hatramin’ny mandrakizay izy no nateraka. Tsy tamin’ny fandraisany fofon’aina no maha Zanaka azy, tsy tamin’ny zavatra ivelan’ny tenany koa, fa tamin’ny fananany toetra maha andriamanitra an’Andriamanitra.’

Tsy tao amin’ny Baiboly no nahitan’i Origène io hevitra io, satria ampianarin’ny Soratra Masina fa “Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao” ary “niandohan’izao zavatra noharìn’Andriamanitra izao” ilay Zanaka lahitokan’i Jehovah. (Kolosiana 1:15; Apokalypsy 3:14) Araka ny voalazan’i Augustus Neander, mpahay tantara ara-pivavahana, dia noho ny ‘fianarany filozofia araka ny firehan-kevitr’i Platon’ no nahatonga an’i Origène hino fa ‘efa hatramin’ny mandrakizay i Jesosy no nateraka’. Koa nandika ity fitsipika fototra ara-baiboly ity àry i Origène: ‘Aza mihoatra noho ny voasoratra.’​—1 Korintiana 4:6.

Nomelohina ho nanda ny finoana katolika

Nandritra ny taona voalohandohany nampianarany, dia naongan’ny Synoda iray tao Aleksandria tsy ho pretra intsony i Origène. Angamba noho ny Eveka Demetrius nitsiriritra ny laza nihanitombo nananan’i Origène no nahatonga izany. Nifindra tany Palestina izy; nindrahindraina be izy tany satria noheverina ho mpiaro nahatoky ny foto-pampianarana kristianina, ary tany izy no nanohy ny asan’ny pretra. Raha ny marina, rehefa nirongatra tany Atsinanana ny “fandavana ny finoana katolika”, dia nangatahina izy hampiaiky ireo eveka nania, mba hiverenan’izy ireo ho amin’ny fampianarana nahazatra. Tena afa-baraka ny anaran’i Origène taorian’ny nahafatesany tamin’ny 254 am.f.i. Nahoana?

Rehefa nitana toerana lehibe ny Kristianisma anarana, dia nofaritana mazava kokoa izay neken’ny eglizy ho fampianarana nahazatra. Nolavin’ireo teolojianina tatỳ aoriana àry ny ankamaroan’ny fomba fihevitra filozofikan’i Origène, izay tombantombana sy tsy nazava indraindray. Nahatonga adihevitra nafana tao amin’ny eglizy ny fampianarany. Niezaka handamina ireny adihevitra ireny sy hiaro ny firaisan-tsaina ny eglizy, ka nanameloka tamin’ny fomba ofisialy an’i Origène ho nanda ny finoana katolika.

Tsy i Origène irery no nanao fahadisoana. Raha ny marina, dia efa nolazain’ny Baiboly fa hiala amin’ny fampianarana madion’i Kristy ny ankamaroan’ny olona. Nanomboka niroborobo io fivadiham-pinoana io tamin’ny faramparan’ny taonjato voalohany, rehefa maty ireo apostolin’i Jesosy. (2 Tesaloniana 2:6, 7) Tatỳ aoriana, dia nanao ny tenany ho “mpanaraka ny fampianarana mahazatra” ny olona sasany nitonona ho Kristianina, fa ny hafa rehetra kosa, hono, “nanda ny finoana katolika”. Nanalavitra tanteraka ny Kristianisma marina anefa ny Kristianisma anarana, raha ny marina.

“Atao hoe fahalalana, kanjo tsy izy”

Na dia nanao tombantombana maro aza i Origène, dia mirakitra zavatra mahasoa ihany ny asa sorany. Ohatra, nohazonin’ny Hexaples ny anaran’Andriamanitra, amin’ny endriny hebreo tany am-boalohany misy litera efatra, antsoina hoe Tetragrama. Izany dia porofo lehibe fa nahalala sy nampiasa ny anarana manokan’Andriamanitra hoe “Jehovah” ny Kristianina tany am-boalohany. Nampitandrina toy izao anefa indray mandeha i Théophile, eveka tamin’ny taonjato fahadimy: “Toy ny saha misy voninkazo isan-karazany ny asa soratr’i Origène. Raha mahita voninkazo tsara tarehy ao aho, dia hotazako; fa raha hita kosa fa toa misy tsilo ilay izy, dia hohalaviriko toy ny hanalavirako zava-manindrona.”

Nampifangaroin’i Origène ny fampianaran’ny Baiboly sy ny filozofia grika, hany ka lasa feno fahadisoana ny teolojiany ary loza no vokany teo amin’ny Kristianisma Anarana. Ohatra, na tsy nekena aza tatỳ aoriana ny ankamaroan’ny tombantombana tsy marim-pototra nataon’i Origène, dia lasa fototra niorenan’ny foto-pampianarana tsy ara-baiboly ny amin’ny Andriamanitra tokana olona telo, ny fiheverany fa “efa hatramin’ny mandrakizay [i Kristy] no nateraka”. Manamarika toy izao ilay boky hoe Ny Eglizy Tamin’ny Taonjato Telo Voalohany (anglisy): “Tsy natao ho faty vetivety ilay fitiavana filozofia [nampidirin’i Origène].” Inona no vokany? “Tsy tsotra intsony ny finoana kristianina, ary fahadisoana tsy tambo isaina no tafiditra tao amin’ny Eglizy.”

Afaka nanaraka ny fananaran’ny apostoly Paoly i Origène, ka tsy ho nandray anjara tamin’io fivadiham-pinoana io, fa ‘niala tamin’ny fibedibedena foana sy ny fanoherana avy tamin’izay natao hoe fahalalana, kanjo tsy izy’. Naoriny tamin’izany “fahalalana” izany kosa aza ny ankamaroan’ny fampianarany, ka “nania tamin’ny finoana” izy.​—1 Timoty 6:20, 21; Kolosiana 2:8.

[Sary, pejy 31]

Asehon’ny “Hexaples” nataon’i Origène fa nampiasaina tao amin’ny Soratra Grika Kristianina ny anaran’Andriamanitra

[Sary nahazoan-dalana]

Nahazoan-dalana tamin’ny Syndics of Cambridge University Library, T-S 12.182

[Sary nahazoan-dalana, pejy 29]

Culver Pictures