Aoka Hahasoa Anao ny Fahazarana
Aoka Hahasoa Anao ny Fahazarana
NIPETRAKA tany amin’ny faritanàna manamorona an’i Atena, nandritra ny 12 taona, ny lehilahy iray. Tsy miova mihitsy ny lalany mody isan’andro. Nifindra tany amin’ny faritanàna hafa izy tatỳ aoriana. Nody avy niasa izy indray andro. Nahita ireo mpifanolobodirindrina taminy taloha anefa izy vao nahatsapa fa diso lalana. Nitondra azy ho any amin’ilay tranony taloha ny fahazarana!
Tsy mahagaga raha lazaina hoe zavatra mandeha ho azy ny fahazarana, ary misy fiantraikany lalina eo amin’ny lafiny maro amin’ny fiainantsika. Azo ampitahaina amin’ny afo ny fahazarana amin’io lafiny io. Manazava ny haizina ny afo, ary manafana antsika sy andrahoantsika ny sakafontsika. Mety ho fahavalo tsy mifaditrovana manimba ny fiainana sy ny fananana koa anefa ny afo. Toy izany koa ny fahazarana. Tena mahasoa izy io raha ambolena araka ny tokony ho izy. Mety hanimba koa anefa izy io.
Ny fotoana lany tamin’ny fitohanan’ny fiarakodia fotsiny no voka-dratsin’ny fahazaran’ilay lehilahy voatonona tetsy ambony. Mety hitondra fahombiazana na loza ho antsika anefa ny fahazarana, raha mahatafiditra zavatra lehibe kokoa. Ireto misy ohatra vitsivitsy ao amin’ny Baiboly, mampiseho hoe mety hanampy, na hanembantsembana ny fanompoantsika sy ny fifandraisantsika amin’i Jehovah, ny fahazarana.
Ohatra ao amin’ny Baiboly momba ny fahazarana tsara sy ratsy
Nanana fifandraisana tsara tamin’Andriamanitra i Noa sy i Joba ary i Daniela. Midera azy ireo “noho ny fahamarinany” ny Baiboly. (Ezekiela 14:14) Niharihary teo amin’ny fiainan’izy ireo ny fahazarana tsara nananany.
Nomena baiko i Noa mba hanao sambo fiara izay lava kokoa noho ny kianja fanaovam-baolina ary avo kokoa noho ny trano misy rihana efatra. Tsy ho vitan’ny mpanamboatra sambo fahiny ny tetik’asa goavana toy io. Tsy nanana fitaovana ary fomba toy ny ankehitriny ry Noa valo mianaka rehefa nanamboatra ilay sambo fiara. Nanohy nitory tamin’ireo mpiara-belona taminy koa anefa i Noa. Azontsika antoka fa nikarakara ny zavatra ara-nofo sy ara-panahy nilain’ny fianakaviany koa izy. (2 Petera 2:5) Tsy maintsy ho zatra niasa tsara i Noa mba hahavitana izany rehetra izany. Ambonin’izany dia voarakitra ao amin’ny Baiboly fa olona ‘niara-nandeha tamin’Andriamanitra i Noa, ary nanao araka izay rehetra nandidian’i Jehovah azy.’ (Genesisy 6:9, 22; 7:5) Tsy maintsy ho niara-nandeha tamin’Andriamanitra foana i Noa taorian’ny Safo-drano, eny fa na dia taorian’ilay fikomiana tamin’i Jehovah, izay niantomboka tao Babela aza, satria nambara fa “tsy nanan-tsiny” izy. Eny, niara-nandeha tamin’Andriamanitra foana i Noa hatramin’ny nahafatesany teo amin’ny faha-950 taonany.—Genesisy 9:29.
Nanampy an’i Joba ho tonga olona “marina sy mahitsy” ny fahazarana tsara nananany. (Joba 1:1, 8; 2:3) Fahazaran’i Joba ny nanao fisoronana ho an’ny fianakaviany, ka nanolorany fanatitra dorana ho an’ny zanany isaky ny avy nanao fanasana izy ireo. Hoy izy: “Fandrao efa nanota ny zanako ka nandà an’Andriamanitra tao am-pony. Izany no nataon’i Joba mandrakariva.” (Joba 1:5) Azo antoka fa nitana ny loha laharana tao amin’ny fianakavian’i Joba ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah.
Nanompo an’i Jehovah “mandrakariva” i Daniela nandritra ny androm-piainany. (Daniela 6:16, 20) Inona no fahazarana tsara ara-panahy nananan’i Daniela? Anisan’izany ny hoe nivavaka tsy tapaka tamin’i Jehovah izy. Na dia nisy lalàm-panjakana nandrara ny fivavahana aza, dia “intelo isan-andro [i Daniela] no nandohalika ka nivavaka sy nisaotra teo anatrehan’Andriamaniny, satria fanaony hatramin’ny taloha izany.” (Daniela 6:10) Tsy niala tamin’izany fahazarana nivavaka tamin’Andriamanitra izany izy na dia nety ho naningotra ny ainy aza izany. Tsy isalasalana fa nanatanjaka an’i Daniela hihazona tsy fivadihana niavaka tamin’i Jehovah io fahazarany io. Azo inoana fa zatra nianatra sy nisaintsaina lalina momba ireo fampanantenan’Andriamanitra koa izy. (Jeremia 25:11, 12; Daniela 9:2) Azo antoka fa nanampy azy hiaritra sy hahatoky hatramin’ny farany ireny fahazarana tsara ireny.
Mifanohitra amin’izany kosa fa niteraka vokany nampalahelo ny fahazaran-dratsin’i Dina. Zatra ‘nivoaka mba hizaha ny zazavavy tompon-tany’ tsy mpivavaka tamin’i Jehovah izy. (Genesisy 34:1) Nitondra loza izany fahazarana toa tsy nisy tsininy izany. Voalohany aloha dia nametaveta azy i Sekema, ilay tovolahy “nalaza indrindra tamin’izay rehetra tao an-tranon’ny rainy.” Namaly faty indray avy eo ny roa tamin’ireo anadahiny ka namono ny lehilahy rehetra tao amin’ny tanàna iray. Vokatra mampahonena tokoa izany!—Genesisy 34:19, 25-29.
Ahoana no ahazoantsika antoka hoe hahasoa fa tsy hanimba antsika ny fahazarantsika?
Ampiasao ny fahazaranao
“Efa anjara ny fahazarana”, hoy ny filozofa iray. Tsy voatery ho izany anefa no izy. Milaza mazava ny Baiboly fa afaka misafidy ny hanova ny fahazaran-dratsy ho fahazarana tsara isika.
Mahomby kokoa sady mora kokoa ny mihazona fomba fiaina kristianina rehefa eo ny fahazarana tsara. Nilaza toy izao i Alex, Kristianina iray avy any Gresy: “Tsy very fotoana mihitsy aho satria zatra manaraka fandaharam-potoana mba hamitana asa maro be.” Lazain’i Theophilus, anti-panahy kristianina, fa fahazarana nanampy azy hahomby, ny fanaovana fandaharana mialoha. Hoy izy: “Resy lahatra tanteraka aho fa mety tsy ho vitako ny andraikitro kristianina, raha tsy zatra manao fandaharana mialoha aho.”
Ampirisihina isika Kristianina mba hizotra hatrany “amin’ilay efa azontsika.” (Filipiana 3:16) Midika ho fanarahana fahazarana tsara izany. Mahasoa izy io satria tsy voatery hieritreritra foana izay hatao isika fa manaraka fotsiny ireo dingana efa nalamintsika sady nahazatra antsika. Lasa mandeha ho azy mihitsy ny fahazarana efa raiki-tampisaka. Manampy ny mpamily iray handray fanapahan-kevitra mamonjy aina, eo anatrehan’ny loza eny an-dalana, ny fahazarana mitondra fiara amim-pitandremana. Afaka manampy antsika handray fanapahan-kevitra mety nefa haingana, toraka izany koa, ny fahazarana tsara eo amin’ny fiainana kristianina.
Nanoratra toy izao i Jeremy Taylor, mpanoratra anglisy: “Zanakavavin’ny asa ny fahazarana.” Hahavita zavatra tsara mora foana koa isika, raha tsara ny fahazarantsika. Sady mora kokoa amintsika, no ahitantsika fifaliana kokoa, ohatra, ny asa fitoriana, rehefa manana fahazarana mandray anjara amin’izy io tsy tapaka isika. Voalaza fa “tsy nitsahatra nampianatra sy nitory an’i Jesosy ho Kristy isan-andro teo an-kianjan’ny tempoly sy tao an-trano” ireo apostoly. (Asan’ny Apostoly 5:42; 17:2) Raha mahalana kosa isika vao manao fanompoana dia mety hatahotahotra, ka hila fotoana bebe kokoa vao hatoky tena eo am-panaovana io asa mamonjy aina io.
Marina koa izany raha ny amin’ny fanaontsika hafa eo amin’ny fiainana kristianina. Afaka manampy antsika hamaky ara-potoana sy ‘hisaintsaina andro aman’alina’ ny tenin’Andriamanitra, ohatra, ny fahazarana tsara. (Josoa 1:8; Salamo 1:2) Zatra mamaky ny Baiboly mandritra ny 20 na 30 minitra ny Kristianina iray alohan’ny hatoriana. Na dia reraka be aza izy, dia tsy mahita tory tsara, raha tsy namaky Baiboly. Tsy maintsy miarina indray izy ka manome fahafaham-po io faniriana ara-panahy io. Nanampy azy hahavaky ny Baiboly iray manontolo isan-taona efa hatramin’ny taona maro izao, io fahazarana io.
Nanana fahazarana namonjy fivoriana tany amin’ny toerana nanazavana ny Baiboly i Jesosy Kristy, ilay Modelintsika. “Araka ny fanaony dia niditra tao amin’ny synagoga tamin’ny andro Sabata Izy ka nitsangana hamaky teny.” (Lioka 4:16) Nanampy an’i Joe, anti-panahy maro anaka sady miasa mandritra ny ora maro, mba hamboly filana sy faniriana hamonjy fivoriana tsy tapaka, ny fahazarana. Hoy izy: “Nanampy ahy tsy hitsahatra io fahazarana io ary nanome ahy tanjaka ara-panahy izay tena nilaiko mba hahaizako miatrika ireo zava-tsarotra sy olana maro.”—Hebreo 10:24, 25.
Tena ilaina eo amin’ny fiainana kristianina ny fahazarana toy izany. Izao no tatitra avy amin’ny tany iray anenjehana ny vahoakan’i Jehovah: “Nitoetra ho nahatoky nanoloana ny fisedrana ireo nanana fahazarana ara-panahy tsara ary nankasitraka ny fahamarinana. Ireo tapatapaka tamin’ny fivoriana sy ny fitoriana ary nanaiky lembenana tamin’ny zavatra tsy dia nanao ahoana loatra kosa tamin’ny fotoana tsy nisian’ny fanenjehana, dia lavo rehefa tratran’ny fitsapana ‘mivaivay.’ ”—Ialao ny fahazaran-dratsy, ampiasao ny fahazarana tsara
Voalaza fa ‘ireo fahazarana irin’ny olona iray hahafehy azy tsara ihany no tokony hamboleny.’ Mampahory kosa ny fahazaran-dratsy. Azo ialana anefa izy io.
Mpijery tele ikoizana i Stella taloha. Niaiky toy izao izy: “Nisy ‘fialan-tsiny’ foana ho an’ireo fahazaran-dratsiko rehetra.” Anisan’izany ny fahazarany mijery tele tafahoatra. Andeha hijery kely fotsiny aho ho “fialam-boly” na “hiovana zavatra atao.” Lasa tsy voafehiny intsony anefa ilay fahazarana ka nanjary tafajanona teo anoloan’ny tele nandritra ny ora maro izy. “Lasa nampiadana ny fandrosoako ara-panahy io fahazaran-dratsy io”, hoy izy. Niezaka mafy anefa izy, ka afaka nampihena ny fotoana laniny nijerena tele, ary nanjary nahay nifidy kokoa. “Niezaka nitadidy foana ny antony nialako tamin’ilay fahazarana aho”, hoy i Stella, “ary niantehitra tamin’i Jehovah foana aho mba hihazonako izany fahatapahan-kevitra izany.”
Nanamarika ny Kristianina iray atao hoe Charalambos fa fahazaran-dratsy nanakana azy tsy handroso ara-panahy ny fangatahana andro. “Nanomboka nanova ny fomba fiainako aho, rehefa tsapako fa tsy mahasoa ny fangatahana andro. Rehefa misy zavatra kasaiko hatao dia alahatro mialoha ny fotoana sy ny fomba hanatanterahako azy io. Ny fanatanterahana ilay fanapahan-kevitra sy ny fanaovana planina amin’ny fomba tsy tapatapaka no fanafodiny, ary mbola fahazarana tsara izy io hatramin’izao.” Eny tokoa, ny fahazarana tsara no tokony hasolo ny fahazaran-dratsy.
Mety hitarika antsika hanana fahazaran-dratsy na tsara koa, ny namana. Mora mifindra toy ny fahazaran-dratsy ny fahazarana tsara. “Ny fikambanana amin’ny ratsy manimba ny fitondrantena tsara”, fa ny namana tsara kosa dia manome ohatra tsara raha ny amin’ny fahazarana mahasoa tokony hotahafina. (1 Korintiana 15:33) Ny tena zava-dehibe dia hoe afaka manatanjaka na manimba ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra ny fahazarantsika. Hoy i Stella: “Mora kokoa ny ezaka atao eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah rehefa manana fahazarana tsara isika. Manembantsembana ny ezaka ataontsika kosa ny fahazarana manimba.”
Manàna fahazarana tsara ary avelao hitari-dalana anao izy io. Ho hery hanatanjaka sy hitondra soa ho anao eo amin’ny fiainanao izany.
[Sary, pejy 19]
Mety hahasoa na hanimba, toy ny afo, ny fahazarana
[Sary, pejy 21]
Fahazaran’i Jesosy ny nandeha tany amin’ny tempoly tamin’ny andro sabata mba hamaky ny Tenin’Andriamanitra
[Sary, pejy 22]
Manatanjaka ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra ny fahazarana tsara