Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Taiza moa i Daniela, fony nosedraina teo anoloan’ilay sariolona goavam-be natsangan’i Nebokadnezara, teo amin’ny lemak’i Dora, ireo Hebreo telo lahy?

Tsy milaza ny valiny ny Baiboly, ka tsy misy afaka milaza ankehitriny hoe taiza ho aiza i Daniela nandritra io fisedrana io.

Nisy nihevitra fa tsy voatery nankany amin’ny lemak’i Dora i Daniela, satria nanana fahefana ambony kokoa na nomen’i Nebokadnezara tombontsoa kokoa noho i Sadraka sy i Mesaka ary i Abednego. Milaza tokoa ny Daniela 2:49 fa nisy fotoana nananan’i Daniela toerana ambony kokoa noho ireo namany telo. Tsy voaporofo anefa hoe izany fahefana izany dia namela azy tsy hiaraka tamin’ny hafa teo anoloan’ilay sary.

Nisy hafa koa nanandrana nanazava ny antony tsy nandehanan’i Daniela tany, tamin’ny filazana fa mety ho nirahina tany an-toeran-kafa izy, na narary ka tsy afaka nanatrika. Kanefa tsy milaza izany koa ny Baiboly. Na ahoana na ahoana, dia azo inoana fa tsy nisy azo nokianina ny fiainan’i Daniela. Raha tsy izany mantsy, dia tsy maintsy ho nanararaotra izany ireo manam-pahefana babylonianina feno fialonana mba hiampangana azy. (Daniela 3:8) Na talohan’io fisedrana io, na tatỳ aoriana, dia nahatoky teo anatrehan’Andriamanitra foana i Daniela, na inona na inona zava-tsarotra natrehiny. (Daniela 1:8; 5:17; 6:5, 11, 12) Na dia tsy lazain’ny Baiboly aza hoe nahoana i Daniela no tsy tany amin’ny lemak’i Dora, dia azontsika antoka fa tsy nivadika tamin’i Jehovah Andriamanitra mihitsy izy.​—Ezekiela 14:14; Hebreo 11:33.