Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manan-jo Hino Izay Tianao Ianao

Manan-jo Hino Izay Tianao Ianao

Manan-jo Hino Izay Tianao Ianao

Azo inoana fa zava-dehibe aminao ny zonao hino izay tianao. Zava-dehibe amin’ny ankamaroan’ny olona koa izy io. Koa satria samy manana io zo io ireo mponina enina arivo tapitrisa eto an-tany, dia samy hafa be ny zavatra inoany. Mahaliana sy mampientam-po ary mahafinaritra kokoa ny fiainana, satria eo ny loko, ny bika sy endri-javatra, ny tsiro sy ny fofona ary ny feo isan-karazany manodidina antsika. Toy izany koa ny fahasamihafan’ny finoan’ny olona. Mahatonga ny fiainana hahafinaritra tokoa ireny zavatra isan-karazany ireny.​—Salamo 104:24.

ILAINA anefa ny mitandrina. Tsy hoe samy hafa fotsiny mantsy ny zavatra sasany inoan’ny olona, fa mampidi-doza koa. Tamin’ny fiandohan’ny taonjato faha-20, ohatra, dia nisy olona nino fa nikasa “hanakorontana ny fiainan’ny Kristianina sy hanangana fanjakana izay hanapaka ny tany manontolo”, ny Jiosy sy ny antokon’olona hafa iray. Nino izany izy ireo, satria niely ny taratasy kely iray mitondra ny lohateny hoe Tatitra Nataon’ny Loholon’i Ziona (anglisy), nosoratan’ny olona tsy Jiosy. Araka an’io taratasy io, dia ireto avy no anisan’izany fikasana izany: Hampidangana ny hetra; hampitombo ny fanamboarana fitaovam-piadiana; hanohana ny orinasa matanjaka indrindra izay ‘hamotika ny harenan’ny tsy Jiosy rehetra, ao anatin’ny indray mipy maso.’ Voalaza koa fa nikasa hifehy ny rafi-pampianarana izy ireo, mba ‘ho lasa biby tsy mieritreritra ny tsy Jiosy rehetra’; hanamboatra lalamby ambany tany mihitsy aza, mba hampifandraisana ny tanàn-dehibe. Amin’izay, dia ‘handringana ny mpanohitra rehetra ireo loholona jiosy, ka handresy tanteraka azy ireo.’

Mazava ho azy fa lainga natao hampirisihana ny olona hankahala ny Jiosy avokoa izany. Lahatsoratra tao amin’ny gazety iray tamin’ny 1903, ‘tany Rosia, no nielezan’io tantara tsy mampino io’, hoy i Mark Jones, miasa ao amin’ny British Museum. Nivoaka tao amin’ny gazety iray tany Londres izy io, tamin’ny 8 May 1920. Herintaona mahery taorian’izay, dia nilaza io gazety io fa lainga ilay izy. Efa niteraka voka-dratsy anefa izy io. ‘Sarotra esorina ao an-tsain’ny olona ny lainga toy ireny’, hoy i Jones. Manjary mino zavatra mampidi-doza toy ny poizina ny olona mino ireny lainga ireny, ka matetika no voatosika hanao ratsy, araka ny asehon’ny zava-nitranga nahatsiravina nandritra ny taonjato faha-20.​—Ohabolana 6:16-19.

Finoana sa fahamarinana?

Mazava ho azy fa mety hino hevi-diso ny olona, na dia tsy misy manao fanahy iniana handainga aminy aza. Diso fandray hevitra fotsiny isika, indraindray. Firifiry moa ny olona matimaty foana noho izy ireo nanao zavatra ninoany fa nety? Mino zavatra iray koa isika matetika, satria tiantsika hinoana fotsiny ilay izy. Na ny mpahay siansa aza matetika dia “mitana mafy ireo hevitra arosony”, hoy ny manam-pahaizana iray. Tsy mitsara zavatra amin’ny saina tsy miangatra intsony izy, satria efa manana ny zavatra inoany. Noho izany, dia mandany ny andro sisa iainany izy hanaporofoana hevi-diso.​—Jeremia 17:9.

Nisy zava-nitranga toy izany koa tamin’ny zavatra inoana ara-pivavahana, izay misy mifanipaka be. (1 Timoty 4:1; 2 Timoty 4:3, 4) Mino mafy an’Andriamanitra ny olona sasany. Milaza ny hafa fa tsy afaka manamarina ny finoany an’Andriamanitra akory ny olona. Misy manizingizina fa misy fanahy tsy mety maty ao aminao. Mino ny hafa fa tsy misy intsony mihitsy ianao, rehefa maty. Miharihary fa tsy afaka ny ho marina avokoa ireo finoana mifanipaka ireo. Tsy fahendrena àry ve ny handinihanao tsara ny zavatra inoanao, mba hahazoanao antoka fa marina izy ireo, fa tsy zavatra tianao hinoana fotsiny? (Ohabolana 1:5) Ahoana no anaovanao izany? Hamelabelatra izany ny lahatsoratra manaraka.

[Sary, pejy 3]

Lahatsoratra tamin’ny 1921, manala sarona ilay taratasy hoe “Tatitra Nataon’ny Loholon’i Ziona”