Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana Ianao no Mino Izay Inoanao?

Nahoana Ianao no Mino Izay Inoanao?

Nahoana Ianao no Mino Izay Inoanao?

Ny hoe mino dia midika hoe “miaiky fa milaza ny marina, matoky.” Miaro ‘ny zon’ny olon-drehetra hanana ny heviny sy ny fivavahany ary ny feon’ny fieritreretany’, ny Fanambarana Iraisam-pirenena Momba ny Zon’olombelona, nataon’ny Firenena Mikambana. Tafiditra amin’io zo io koa ny fahafahan’ny olona iray ‘hiova fivavahana na zavatra inoana’, raha tiany izany.

NAHOANA anefa no hiova fivavahana na hiala amin’ny zavatra inoana ny olona? “Manana ny finoako aho, ary afa-po amin’izany”, hoy ny olona matetika. Maro no mihevitra fa tsy miteraka voka-dratsy mihitsy ny zavatra inoana, na dia diso aza. Azo inoana, ohatra, fa tsy hitondra fahavoazana ho azy na ho an’ny hafa ny olona iray mino hoe fisaka ny tany. Hoy ny sasany: “Tokony hekentsika fotsiny fa samy manana ny heviny ny olona.” Fahendrena foana ve ny manao izany? Eritrereto hoe misy dokotera iray mikiribiby handeha hitsabo marary any amin’ny hopitaly, nefa vao avy nikasika faty tany amin’ny tranom-paty izy. Hilaza fotsiny ve ny dokotera namany hoe: “Samy mba manana ny heviny ny olona e”?

Raha ny fivavahana no resahina, dia hita fa niteraka fahavoazana lehibe teo amin’ny tantara, ny finoana hevi-diso. Eritrereto ny zava-nitranga naharikoriko, rehefa “nampirisihin’ny mpitondra fivavahana haneho habibiana ireo Kristianina diso nafana fo”, nandritra ireo ady natao hoe masina tamin’ny taonjato faha-11 tany ho any. Eritrereto koa ireo miaramila “kristianina” tamin’ny ady an-trano iray vao haingana. “Tena nitovy tamin’ny miaramila fahiny, izay nitondra sabatra nisy anaran’olo-masina, izy ireo, satria nisy sarin’i Maria Virjiny ny vodibasiny.” Nino daholo ireo olona nafana fo ireo fa nety ny nataony. Miharihary anefa fa nisy zavatra tsy nety mihitsy tamin’ireny ady ara-pivavahana ireny sy ny hafa.

Nahoana no betsaka toy izao ny fisafotofotoana sy ny ady? Satria “mamitaka izao tontolo izao” i Satana Devoly, hoy ny Baiboly. (Apokalypsy 12:9; 2 Korintiana 4:4; 11:3) Mampalahelo fa, araka ny fampitandreman’ny apostoly Paoly, dia mpivavaka maro no “hohelohina”, satria ho voafitak’i Satana, izay mampiasa ‘famantarana sy fahagagana mandainga ary famitahana.’ Nilaza i Paoly fa “tsy nandray ny fitiavana ny fahamarinana izay hamonjena azy” izy ireny, hany ka voafitaka ‘hino lainga.’ (2 Tesaloniana 2:9-12) Inona no tokony hataonao, raha tsy te hino lainga ianao? Nahoana tokoa moa ianao no mino ireo zavatra inoanao?

Satria ve izany no nitaizana anao?

Notezaina tamin’ny finoan’ny fianakavianao angamba ianao. Mety ho tsara mihitsy izany. Asain’Andriamanitra mampianatra ny zanany ny ray aman-dreny. (Deoteronomia 6:4-9; 11:18-21) Nandray soa betsaka avy tamin’ny fihainoany ny reniny sy ny renibeny, ohatra, i Timoty tanora. (2 Timoty 1:5; 3:14, 15) Mampirisika antsika hanaja ny zavatra inoan’ny ray aman-drenintsika ny Soratra Masina. (Ohabolana 1:8; Efesiana 6:1) Inona anefa no irin’ny Mpamorona anao? Ny hinoanao zavatra iray ve, satria fotsiny hoe mino izany ny ray aman-dreninao? Mety hampidi-doza mihitsy ny manaraka ambokony ny zavatra rehetra ninoan’ny razambentsika sy nataony.​—Salamo 78:8; Amosa 2:4.

Notezaina tamin’ny fivavahana samaritanina ny vehivavy samaritanina iray niresaka tamin’i Jesosy Kristy. (Jaona 4:20) Nanaja ny zon’io vehivavy io hino izay tiany i Jesosy, nefa nilaza taminy koa hoe: “Hianareo mivavaka amin’izay tsy fantatrareo.” Diso ny ankamaroan’ireo zavatra ninoan’io vehivavy io, hany ka nilaza taminy i Jesosy fa tsy maintsy manova ireo zavatra inoany izy, raha tiany heken’Andriamanitra ny fivavahany. Izany hoe tokony hivavaka amin’Andriamanitra “amin’ny fanahy sy ny fahamarinana” izy. Tsy maintsy “nanaiky ny finoana” voambara tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy, io vehivavy io sy ny hafa, ary niala tamin’ny zavatra ninoany, na dia nankamaminy aza izany.​—Jaona 4:21-24, 39-41; Asan’ny Apostoly 6:7.

Sa nampianarina anao?

Tena tokony hohajaina ny mpampianatra sy ny manam-pahaizana maro. Mpampianatra malaza maro anefa no diso hevitra tanteraka. Izao, ohatra, no nolazain’i Bertrand Russel, mpahay tantara, momba ny boky roa ara-tsiansa nosoratan’ilay filozofa atao hoe Aristote: “Tsy misy azo ekena na dia fehezanteny iray monja ao amin’ireo boky ireo aza, rehefa oharina amin’ny siansa ankehitriny.” Na ny manam-pahaizana ankehitriny aza dia manatsoaka hevitra diso be matetika. Nanizingizina i Lord Kelvin, mpahay siansa britanika tamin’ny 1895, fa “tsy hisy fitaovana mavesatra noho ny rivotra mihitsy, ka hanidina.” Noho izany, dia tsy avy hatrany dia mino zavatra iray ny olona hendry, satria fotsiny hoe mpampianatra hajaina no nilaza fa marina ilay izy.​—Salamo 146:3.

Ilaina ny mitandrina toy izany eo amin’ny fampianarana ara-pivavahana. Nampianarin’ireo mpampianatra ara-pivavahana tsara ny apostoly Paoly ary ‘fatra-pitana ny fampianarana voatolotry ny razany indrindra.’ Nahitany zava-nanahirana anefa ny fahazotoany nampihatra ny zavatra ninoan’ny razany. Nitarika azy ‘hanenjika ny fiangonan’Andriamanitra sy handrava azy’ izany. (Galatiana 1:13, 14; Jaona 16:2, 3) Ratsy kokoa noho izany anefa ny nataony, satria “nanohitra ny fanindronana” izy nandritra ny fotoana ela, izany hoe nanohitra ny fitaomana azy hino an’i Jesosy Kristy. Voatery niditra an-tsehatra mihitsy i Jesosy vao nanitsy ny zavatra ninoany i Paoly.​—Asan’ny Apostoly 9:1-6; 26:14.

Sa avy tamin’ny fampitam-baovao?

Avy amin’ny fampitam-baovao angamba ny ankamaroan’ireo zavatra inoanao. Faly ny ankamaroan’ny olona, satria mahazo milaza izay heviny ao amin’ny fampitam-baovao, izay mety handraisana hevitra mahasoa. Misy hery matanjaka afaka mifehy ny fampitam-baovao anefa, ary tena mifehy azy io mihitsy matetika. Mazàna no mampita hevitra misy fitsarana an-tendrony ny fampitam-baovao ary tsy ampoizintsika akory fa mety hanimba ny fomba fisainantsika ireny hevitra ireny.

Mampiseho zavatra manaitra be sy hafa kely koa ny fampitam-baovao, mba hisarihana olona bebe kokoa. Manjary ekena ankehitriny ireo zavatra nanafintohina sy tsy azo nolazaina na nosoratana ho an’ny besinimaro, taona vitsivitsy lasa izay. Lavin’ny olona tsikelikely ny lanjan’ny fitsipi-pitondran-tena nekena hatramin’izay. Mihamivaona ny fomba fisainan’ny olona. Manomboka mino “ny ratsy ho tsara ary ny tsara ho ratsy” izy ireo.​—Isaia 5:20; 1 Korintiana 6:9, 10.

Fototra tsara ho an’ny zavatra inoanao

Toy ny trano aorina ambonin’ny fasika ny zavatra inoana, raha miorina amin’ny hevitra sy filozofian’olombelona. (Matio 7:26; 1 Korintiana 1:19, 20) Koa inona àry no fototra tsara anorenanao ny zavatra inoanao? Nomen’Andriamanitra saina ianao mba handinihanao ny tontolo manodidina anao sy hametrahanao fanontaniana momba ny zavatra ara-panahy. Koa tsy ara-drariny ve ny hanomezany fomba hahazoana valiny marina amin’ny fanontanianao? (1 Jaona 5:20) Mazava ho azy fa hanao izany izy! Ahoana anefa no hahafantaranao izay marina na azo itokisana eo amin’ny lafiny ara-pivavahana? Tsy mihambahamba izahay milaza fa ny Baiboly, Tenin’Andriamanitra, ihany no fototra hahafantarana izany.​—Jaona 17:17; 2 Timoty 3:16, 17.

Hoy anefa ny sasany: “Ka tsy ireo olona manana Baiboly ihany ve no nahatonga ady sy fisafotofotoana maneran-tany e?” Namoaka hevitra maro mampisafotofoto sy mifanipaka tokoa ny mpitondra fivavahana, mihambo ho manaraka ny Baiboly. Nitranga izany, satria tsy niorina tamin’ny Baiboly ny zavatra ninoany. Nolazain’ny apostoly Petera fa “mpaminany sandoka” sy “mpampianatra sandoka” ireny ary “hahatonga mangingina sain-diso.” Noho ny zavatra ataony, hoy i Petera, dia ‘hotenenina ratsy ny lalan’ny fahamarinana.’ (2 Petera 2:1, 2) Na izany aza, hoy i Petera, dia “manana ny teny faminaniana atao mafy orina kokoa isika; koa raha mandinika izany hianareo, dia manao tsara, fa toy ny jiro mahazava ao amin’ny fitoerana maizimaizina izany.”​—2 Petera 1:19; Salamo 119:105.

Mampirisika antsika ny Baiboly mba hampitaha ny zavatra inoantsika amin’izay ampianariny. (1 Jaona 4:1) Olona an-tapitrisany maro namaky ity gazety ity no afaka manamarina fa nanjary nisy zava-kendrena sy nilamina kokoa ny fiainany, rehefa nanao izany izy. Tahafo àry ireo Berianina tsara toe-panahy. ‘Diniho isan’andro ny Soratra Masina’, alohan’ny inoana zavatra iray. (Asan’ny Apostoly 17:11) Ho faly hanampy anao hanao izany ny Vavolombelon’i Jehovah. Mazava ho azy fa ianao no mifidy izay tianao hinoana. Fahendrena anefa ny miezaka hahazo antoka fa miorina amin’ny Tenin’Andriamanitra ny zavatra inoanao, fa tsy amin’ny fahendrena na fanirian’ny olombelona akory.​—1 Tesaloniana 2:13; 5:21.

[Sary, pejy 6]

Mendri-pitokisana ny Baiboly ary azonao aorina amin’izy io ny zavatra inoanao