Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nofafan’Andriamanitra ny Ranomasony

Nofafan’Andriamanitra ny Ranomasony

Mitantara Ireo Mpitory Ilay Fanjakana

Nofafan’Andriamanitra ny Ranomasony

FITAHIANA lehibe no azon’ireo olona mampifanaraka ny fiainany amin’ny lalàn’Andriamanitra. Tsy mora foana ny manao ny fiovana ilaina, kanefa azo atao ny mahazo fanampiana sy fampaherezana. (Salamo 84:11) Mampiseho izany ity ohatra iray avy any Azia Atsimoatsinanana ity.

Fony tany am-panaovana vakansy ny Vavolombelona iray avy any Frantsa, dia niresaka tamin’ny mpivarotra iray atao hoe Kim * momba ny fikasan’Andriamanitra ho an’ny tany. Nametrahany ny boky Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany koa izy io. Raha namadibadika ilay boky i Kim, dia nahita ny teny hoe: “Hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny masony.” (Apokalypsy 21:4) “Tena nanohina ny foko io andinin-teny io”, hoy ny tsaroany. “Nitsikitsiky sy naresaka aho nandritra ny andro, ka iza no nanampo hoe vao nody tao an-trano aho ny hariva dia nitomany, mandra-pahitako tory?” Namboraka ny fototry ny alahelony toy izao i Kim: “Efa 18 taona no niarahako nipetraka tamin’ny lehilahy iray, kanefa tena nijaly aho satria tsy nety nisoratra tamiko izy. Te hiala tamin’io fomba fiaina io aho, nefa efa ela loatra ny niarahako taminy, ka tsy nanana herim-po hiovana aho.”

Nanaiky hianatra ny Baiboly, niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah iray atao hoe Linh, i Kim, fotoana fohy taorian’izay. “May erỳ aho ny hampihatra ny fampianaran’ny Baiboly”, hoy i Kim. “Tsy nivavaka tamin’ireo razanay intsony aho, ohatra, na dia nahatonga ny fanoheran’ny fianakaviako aza izany. Nitady fomba hisoratanay ara-dalàna koa aho, nefa tsy nety ilay sakaizako. Nandefa boky ara-baiboly ho ahy foana ilay Vavolombelona avy any Frantsa, nandritra izany fotoan-tsarotra izany, ary i Linh koa tena nampahery ahy. Nanampy ahy tsy ho kivy ny faharetana sy ny fanohanana feno fitiavan’ireo rahavavy ireo. Tamin’ny farany dia hitako ny tena toetran’ilay namako. Hay izy ity efa nanana ‘vady’ 5 sy zanaka 25! Izany no nahatapa-kevitra ahy hisaraka taminy.

“Tsy mora ny nifindra tao amin’ny efitra kely, rehefa avy nipetraka tao amin’ny trano tsara sady nalalaka iray. Fanampin’izany koa, dia nanery ahy hiverina taminy ilay sakaizako taloha. Nandrahona ny hanimba ny tarehiko tamin’ny asidra mihitsy aza izy, raha tsy nanaiky aho. Noho ny fanampian’i Jehovah anefa, dia nahavita nanao ilay tokony ho nataoko aho.” Nanao fandrosoana foana i Kim, ka tamin’ny farany dia natao batisa tamin’ny Aprily 1998. Ankoatra izany, dia nanomboka nianatra ny Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny roa tamin’ny rahavaviny, sy ny zanany lahy mbola zatovo.

“Nihevitra aho taloha fa tsy hisy fanantenana mihitsy ny fiainako”, hoy i Kim. “Ankehitriny anefa, sambatra aho, ary tsy mitomany intsony amin’ny alina. Efa nofafan’i Jehovah ny ranomaso tamin’ny masoko.”

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Novana ireo anarana.