Reseo Ireo Vato Misakana ny Fandrosoanao!
Reseo Ireo Vato Misakana ny Fandrosoanao!
ERITRERETO ny sarety iray: Efa mitarika azy ny omby, ampy menaka tsara koa ny kodiarana, nefa tsy mety mandroso ilay sarety. Fa inona no olana? Hay misy vato be manakana ny kodiarana iray. Esorina fotsiny izy io, dia mandroso ilay sarety.
Miatrika vato misakana toy izany koa ny olona sasany mianatra Baiboly amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, ka tsy mandroso ara-panahy. Nampitandrina, ohatra, i Jesosy fa mety ‘hangeja ny tenin’ny [fahamarinana] ny fiahiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena’, hany ka tsy hitombo ilay voa nafafy.—Matio 13:22.
Ny fahazarana sy ny fahalemena efa raiki-tampisaka kosa no manakana ny hafa tsy handroso. Tian’i Yutaka, avy any Japon, ny hafatra ao amin’ny Baiboly, nefa mpiloka be izy. Efa imbetsaka izy no nanandrana niala tamin’io fahazaran-dratsy io, nefa tsy afaka. Noho izy niloka dia lany vola be, namoy trano telo, tsy nohajain’ny fianakaviany intsony, ary nahatsiaro tena ho tsy nisy vidiny intsony. Afaka hanala io vato misakana io ve izy, ka ho tonga Kristianina?
Diniho koa i Keiko. Nanampy azy hiala tamin’ny fanompoan-tsampy sy ny fitondran-tena maloto ary ny fanandroana ny Baiboly. Nilaza anefa izy hoe: “Ny sigara no vato nisakana lehibe indrindra ho ahy.
Efa imbetsaka aho no nanandrana niala, fa tsy afaka.”Tsy mamela anao handroso koa angamba ny vato misakana toa tsy azo esorina. Na inona izy io na inona, dia matokia fa afaka mandresy izany ianao, noho ny fanampian’Andriamanitra.
Tadidio ny torohevitra nomen’i Jesosy ny mpianany, rehefa tsy nahavita namoaka demonia tamin’ny lehilahy iray voan’ny androbe izy ireo. Izao no teniny tamin’ny mpianany, rehefa nahasitrana ilay lehilahy izy: “Raha manana finoana hoatra ny voan-tsinapy iray aza hianareo ka hiteny amin’io tendrombohitra io hoe: Mifindrà erỳ, dia hifindra izy; ary tsy hisy tsy ho hainareo hatao.” (Matio 17:14-20; Marka 9:17-29) Kely bitika sady tsy misy dikany amin’ny Mpamorona tokoa ny zava-manahirana mety hoheverintsika ho toy ny tendrombohitra mandondona be.—Genesisy 18:14; Marka 10:27.
Famantarana ny vato misakana
Tsy maintsy fantarinao aloha hoe inona ireo vato misakana anao, izay ianao vao afaka mandresy azy ireo. Ahoana no anaovanao izany? Indraindray dia mety hisarika ny sainao ho amin’ny zavatra iray ny mpiray finoana iray, angamba anti-panahy iray na ny mpampianatra Baiboly anao. Aza sosotra rehefa toroana hevitra amim-pitiavana toy izany, fa manetre tena ary “minoa anatra, ka hendre.” (Ohabolana 8:33) Manampy anao hahita ny fahalemenao koa ny fianaranao ny Baiboly. “Velona sy mahery” tokoa ny Tenin’Andriamanitra. (Hebreo 4:12) Mety hampiharihary ny eritreritrao sy ny fihetseham-ponao ary ny antony manosika anao lalina indrindra ny famakiana Baiboly sy boky aman-gazety ara-baiboly. Ny fanaovana izany dia manampy anao hahita raha manaraka ireo fitsipika ambony omen’i Jehovah ianao na tsia. Hampiharihary izay mety ho vato misakana ny fandrosoanao ara-panahy izany.—Jakoba 1:23-25.
Eritrereto, ohatra, hoe zatra mieritreritra zavatra vetaveta ny mpianatra Baiboly iray. Mety tsy ho hitany izay maha ratsy izany, satria mihevitra izy fa tsy tena manao zava-dratsy. Hahita ireto tenin’ny Jakoba 1:14, 15 ireto izy, rehefa mandeha ny fianarany: “Samy alaim-panahy ny olona, raha tarihin’ny filany sy fitahiny izy. Ary ny filana, rehefa torontoronina, dia miteraka ota; ary ny ota, rehefa tanteraka, dia miteraka fahafatesana.” Azony amin’izay fa tsy afaka handroso mihitsy izy, raha manohy mieritreritra zava-dratsy toy izany! Inona no tokony hataony mba hanesorana izany vato misakana izany?—Marka 7:21-23.
Fandresena vato misakana
Afaka manampy ilay mpianatra angamba ny Kristianina matotra iray, mba hanao fikarohana fanampiny ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, ka hampiasa ny Indeksan’ny Zavatra Vita An-tsoratry ny Watch Tower. * Eo ambanin’ny lohateny hoe “Hevitra”, ohatra, dia misy lahatsoratra maromaro asaina jerena, mikasika ny fomba hialana amin’ny eritreritra vetaveta. Asongadin’ireny lahatsoratra ireny ny andinin-teny manampy, toy ny Filipiana 4:8 manao hoe: “Na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona mahate-ho-tia, na inona na inona tsara laza, raha misy hatsaram-panahy, ary raha misy dera, dia hevero izany.” Tena tsy maintsy soloana eritreritra madio sy mampahery ny eritreritra vetaveta!
Tsy isalasalana fa hahita fitsipika ara-baiboly hafa ilay mpianatra rehefa manao fikarohana, ary hanampy azy tsy hampitombo ny zava-manahirana azy izy ireny. Ny Ohabolana 6:27 sy ny Matio 5:28, ohatra, dia mampitandrina fa tokony hofehezintsika ny saintsika tsy hieritreritra zavatra manaitra ny filan’ny nofo. Nivavaka toy izao ilay mpanao salamo: “Avilio ny masoko tsy hijery zava-poana.” (Salamo 119:37) Mazava ho azy fa tsy ampy ny mamaky fotsiny ireo andinin-teny ireo. “Ny fon’ny marina mihevitra”, hoy ilay olon-kendry. (Ohabolana 15:28) Rehefa sady misaintsaina ny didin’Andriamanitra ilay mpianatra, no mamantatra ny antony namoahany izany didy izany, dia hazava tsara kokoa aminy fa fahendrena ny manaraka ny fitsipik’i Jehovah ary tsy mitaky izay tsy ho vitantsika izy.
Farany, dia tsy tokony hisalasala hangataka ny fanampian’i Jehovah ny olona miezaka handresy vato misakana. Mahafantatra tsara antsika mantsy i Jehovah ary fantany fa sady tsy lavorary isika no avy tamin’ny vovoka. (Salamo 103:14) Raha mivavaka hatrany amin’Andriamanitra ianao mba hahazoana fanampiana, sady miezaka mafy mba tsy hanana eritreritra vetaveta, dia hahita vokatra tsara be, dia fieritreretana madio sy maivamaivana.—Hebreo 9:14.
Aza ketraka
Na inona na inona fahalemena iadianao, dia tadidio fa mety ho lavo ianao indraindray. Ara-dalàna raha kivy sy diso fanantenana ianao rehefa mitranga izany. Tadidio anefa izao tenin’ny Galatiana 6:9 izao: “Aza mba ketraka amin’ny fanaovan-tsoa isika; fa amin’ny fotoan’andro no hijinjantsika, raha tsy reraka isika.” Nanao fahadisoana nahamenatra i Davida sy i Petera mpanompon’Andriamanitra nafana fo, nefa tsy nilavo lefona. Nanetry tena kosa izy ireo ka nanaiky torohevitra, ary nanitsy izay tokony ho nahitsy sy nanjary mpanompon’Andriamanitra niavaka mihitsy. (Ohabolana 24:16) Na dia nanao fahadisoana aza i Davida, dia nantsoin’i Jehovah hoe “lehilahy araka ny foko, izay hanao ny sitrapoko rehetra.” (Asan’ny Apostoly 13:22) Naharesy ny henatra tsapany noho ireo fahadisoana nataony taloha koa i Petera ary lasa andry niankinan’ny fiangonana kristianina.
Maro ankehitriny no afaka nandresy ny vato nisakana azy. Nanaiky hianatra Baiboly i Yutaka, noresahina tetsy ambony. Hoy izy: “Afaka tamin’ny filokana aho, satria nanohana sy nitahy ny dingana tsirairay nataoko i Jehovah. Faly be aho mahita fa tanteraka ny tenin’i Jesosy hoe azo afindra na dia ny ‘tendrombohitra’ aza, rehefa manana finoana.” Lasa mpanampy amin’ny fanompoana tao amin’ny fiangonana i Yutaka tatỳ aoriana.
Ary i Keiko izay tsy nety afaka tamin’ny sigara? Nampirisihin’ilay anabavy nampianatra azy izy mba hamaky lahatsoratra samihafa tao amin’ny Mifohaza!, momba ny fanandevozan’ny sigara. Napetak’i Keiko tao anaty fiarany mihitsy ny tenin’ny 2 Korintiana 7:1, mba hampahatsiahy azy isan’andro fa tokony hadio eo imason’i Jehovah izy. Mbola tsy afaka tamin’ny sigara foana anefa izy. “Sosotra tamiko mihitsy aho”, hoy i Keiko. “Noho izany, dia nanontany tena aho hoe inona marina no iriko: Hanompo an’i Jehovah sa hanompo an’i Satana?” Nivavaka mafy mba hahazoana fanampiana izy, rehefa tapa-kevitra fa i Jehovah no tiany hotompoina. Hoy izy: “Gaga aho fa afaka niala tamin’ny sigara mora foana, tsy narary akory. Manenina fotsiny aho tsy nanao izany taloha kokoa.”
Afaka mandresy ny vato misakana ny fandrosoanao koa ianao. Arakaraka ny ampifanarahanao kokoa ny eritreritrao, ny fanirianao sy ny teninao ary ny zavatra ataonao, amin’ny fitsipiky ny Baiboly, no hahatsapanao fa misy vidiny sy matoky tena kokoa ianao. Hahafinaritra sy hampahery ny rahalahinao sy anabavinao ara-panahy ary ny fianakavianao, ny fiarahana aminao. Ny zava-dehibe indrindra dia hihatsara ny fihavananao amin’i Jehovah Andriamanitra. Nampanantena izy fa ‘hanaisotra izay mahatafintohina eny amin’izay alehan’ny olony’, izay mandositra an’i Satana. (Isaia 57:14) Afaka matoky koa ianao fa handrotsaka fitahiana betsaka aminao i Jehovah, raha miezaka hanala sy handresy ny vato misakana ny fandrosoanao ara-panahy ianao.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 12 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny fiteny maromaro.
[Sary, pejy 28]
Nampanantena i Jesosy fa handresy vato misakana toy ny tendrombohitra isika, raha manana finoana
[Sary, pejy 30]
Hanampy antsika handresy ny fahalemena ara-panahy ny famakiana Baiboly