Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Velom-pankasitrahana Noho Ireo Fahatsiarovako Sarobidy

Velom-pankasitrahana Noho Ireo Fahatsiarovako Sarobidy

Tantaram-piainana

Velom-pankasitrahana Noho Ireo Fahatsiarovako Sarobidy

NOTANTARAIN’I DRUSILLA CAINE

Taona 1933 tamin’izay, ary vao nivady izahay sy i Zanoah Caine, mpitory manontolo andro ny filazantsara tahaka ahy ihany. Nientam-po erỳ aho, ary nikasa hanaraka ny vadiko tany amin’ny toerana nanendrena azy, nefa nila nanana bisikileta aho. Sarotra ny fiainana nandritra ny fitambotsorana ara-toe-karena, ary lafo ny bisikileta, ka tsy nahavidy mihitsy aho. Inona no azoko natao?

NANDRE ny fahasahiranako ireo zaodahiko, ka nitady toeram-panariam-pako tao an-tanàna, ary nikaroka fatina bisikileta mba hanamboarana iray ho ahy. Nahita ry zareo ka natambatambany ary nahavita bisikileta iray nandeha! Ny nianarako nivoy no ela, dia efa teny an-dalana izahay mivady, falifaly namakivaky an’i Worcester sy i Hereford, faritanàna anglisy, ary nitory tamin’izay rehetra hitanay.

Tsy nampoiziko hitondra fiainana feno fahatsiarovana mahavariana izany dingana tsotra nampiseho finoana izany. Ireo ray aman-dreniko anefa no nametraka ny fototra ara-panahy teo amin’ny fiainako.

Fotoan-tsarotra nandritra ny ady lehibe

Teraka tamin’ny Desambra 1909 aho. Nahazo iray tamin’ilay boky Ny Fandaharam-potoanan’Andriamanitra * i Neny taoriana kelin’izay. Nitondra ahy nijery ny “Fampisehoana An-tsary ny Famoronana” (anglisy), tany Oldham, Lancashire, koa ny ray aman-dreniko tamin’ny 1914. Mbola kely aho, nefa tsaroako tsara ny fibitabitako teny an-dalana nody, vao avy nijery ilay izy! Nanomboka nitarika fampianarana Baiboly tamin’ny antokon’olona tao Rochdale, tanàna kelinay, i Frank Heeley. Nanampy ny fianakavianay hahazo tsara ny hevitry ny Baiboly ny fanatrehana izany.

Nilamina erỳ ny fiainanay tamin’izany, nefa nandrava izany ny Ady Lehibe Voalohany izay nipoaka tampoka tamin’io taona io. Voantso ho miaramila i Dada, nefa tsy niandany tamin’iza na iza izy. Nitatitra ny gazety teo an-toerana fa “lehilahy mendrika hoderaina noho ny fitondran-tenany” izy, araka ny nolazain’ny fitsarana, ary nisy taratasy sasany avy amin’ny “olona ambony nilaza fa neken’izy ireo ho tamim-pahatsorana ny fandavany tsy handeha hiady.”

Tsy afaka tanteraka tao amin’ny tafika anefa izy, fa nafahana tao amin’ny “Sampan’asan’ny Mpiantafika fotsiny.” Avy hatrany izy dia nisy naneso, toa anay sy i Neny koa. Nojerena indray anefa tamin’ny farany ny sokajy tokony hisy azy, ka nalefa tany amin’ny asa fambolena sy fiompiana izy. Nohararaotin’ireo tantsaha sasany anefa izany, ka na, nomeny karama varimasaka izy na, niasa maina. Niasa mafy i Neny nanasa lamban’olona, mba hahazoana vola kely fanampiny ho anay mianakavy. Hitako anefa izao fa tena nanatanjaka ahy ny fiatrehana ireny tarehin-javatra sarotra ireny nandritra ny fahazazako, ary nanampy ahy hankasitraka ny zava-dehibe kokoa, dia ny zavatra ara-panahy.

Fiandohana kely dia kely

Niditra teo amin’ny tantaram-piainanay tatỳ aoriana kely i Daniel Hughes, mpianatra ny Baiboly nafana fo. Izy dia mpitrandraka arintany tao Ruabon, tanàna kely nifindranay, 20 kilaometatra avy eo Oswestry. Dadatoa Dan no niantsoako azy. Nifandray tamin’ny fianakavianay izy, ary resaka ara-baiboly foana no nataony isaky ny nitsidika anay. Tsy mba nanao resaka tsy nisy dikany izany mihitsy izy. Nisy fianarana Baiboly natomboka tany Oswestry tamin’ny taona 1920, ary nanome ahy iray tamin’ny boky Ny Lokangan’Andriamanitra i dadatoa Dan tamin’ny 1921. Notandremako tsara izy io, satria tena nanamora ny fahazoako ny fampianarana ara-baiboly.

Teo koa i Pryce Hughes, * izay lasa mpitantan-draharaha tao amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah tao Londres, tatỳ aoriana. Niara-nipetraka tamin’ny fianakaviany tao Bronygarth, any amin’ny sisin-tanin’i Welsh izy, ary lasa mpinamana akaiky i Neny sy i Cissie anabaviny.

Tsaroako ny fientanam-po tamin’ny 1922, rehefa tonga ilay antso mba ‘hanambara ilay Mpanjaka sy ny fanjakany.’ Mbola nianatra aho nandritra ireo taona nanaraka, nefa nazoto erỳ nandray anjara tamin’ny fanelezana ireo taratasy mivalona manokana, indrindra fa ilay hoe Voampanga Ireo Mpitondra Fivavahana, tamin’ny 1924. Rehefa mieritreritra ireny fotoana ireny aho, dia tsapako fa tena tombontsoa ny fiarahana tamin’ny anadahy sy rahavavy nahatoky maro, anisan’izany ry Maud Clark * sy Mary Grant* mpiara-miasa taminy, Edgar Clay,* Robert Hadlington, Katy Roberts, Edwin Skinner,* niaraka tamin-dry Percy Chapman, sy Jack Nathan,* izay nankany Kanada mba hanohana ny asa tany.

Hita ho fanambarana tonga tamin’ny fotoana nilana azy ho an’ny faritaninay nidadasika, ilay lahateny ara-baiboly hoe “Olona An-tapitrisany Maro Velona Ankehitriny no Tsy ho Faty Mihitsy.” Havan’i Pryce Hughes i Stanley Rogers avy any Liverpool, izay tonga hanao io lahateny io tamin’ny 14 May 1922 tao Chirk, vohitra iray tany avaratry ny tanàna nisy anay. Ny harivan’io ihany dia natao ilay lahateny, tao amin’ny trano fijerena sinema tao Oswestry. Mbola manana iray amin’ny taratasy fanasana manokana ho an’io fisehoan-javatra io aho. Nanatanjaka ny antoko-mpitory kelinay foana nandritra ireny fotoana rehetra ireny, ny fitsidihan’ny mpiandraikitra mpitety faritany telo mirahalahy, izay nantsoinay hoe mpitety fiangonana, dia ry Herbert Senior, sy Albert Lloyd, ary John Blaney.

Fotoana nanapahan-kevitra

Nanapa-kevitra ny hatao batisa aho tamin’ny 1929. Tamin’izay indrindra, fony aho 19 taona, no niatrehako ny tena fitsapana voalohany teo amin’ny fiainako. Nifankahita tamin’ny tovolahy iray zanaka mpanao politika aho. Tiako izy, sady tia ahy, ka nangataka ahy ho vady. Herintaona tamin’izay no nivoahan’ilay boky hoe Fitondram-panjakana, ka nomeko iray izy. Tsy ela anefa dia niharihary fa tsy nahaliana azy ny fanjakana any an-danitra, izay foto-kevitr’ilay boky. Nianarako fa nodidiana tsy hanambady olona tsy nitovy finoana taminy ny Isiraelita fahiny, ary mihatra amin’ny Kristianina koa io lalàna io. Koa nolaviko àry ny fangatahany, na dia sarotra aza izany.​—Deoteronomia 7:3; 2 Korintiana 6:14.

Nanatanjaka ahy ny tenin’ny apostoly Paoly hoe: “Aza mba ketraka amin’ny fanaovan-tsoa isika; fa amin’ny fotoan’andro no hijinjantsika, raha tsy reraka isika.” (Galatiana 6:9) Nanampy ahy koa i dadatoa Dan rehefa nanoratra hoe: “Na mafy na mora ny fisedrana, ny Romana toko faha-8, andininy faha-28 no aza ialana.” Izao no voalaza ao: “Ary fantatsika fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’Andriamanitra, dia izay voantso araka ny fikasany rahateo.” Sarotra izany, nefa fantatro fa tsara ilay fanapahan-kevitro. Nisoratra anarana ho mpitory manontolo andro ny filazantsara aho tamin’io taona io.

Fiatrehana zava-tsarotra

Nandray ny anaranay vaovao hoe Vavolombelon’i Jehovah izahay tamin’ny 1931, ary natao tamin’io taona io ny ezaka manokana nampiasana ny bokikely Ilay Fanjakana, Fanantenana ho An’izao Tontolo Izao. Nomena iray tamin’io avokoa ny mpanao politika, mpitondra fivavahana, ary mpandraharaha. Nanomboka tany Oswestry ka hatrany Wrexham ny faritaniko, izany hoe 25 kilaometatra mianavaratra. Asa sarotra ny namitana izany faritany manontolo izany.

Ny taona nanaraka dia nisy fiantsoana mpiasa an-tsitrapo 24, nandritra ny fivoriambe iray tao Birmingham. Kinga erỳ ny 24 taminay nanome ny anaranay ho amin’ny lafim-panompoana hafa, na dia mbola tsy fantatray akory aza hoe inona ilay izy. Alao sary an-tsaina ange ny hagaganay e! Hay ny hizara ny bokikely Ilay Fanjakana, Fanantenana ho An’izao Tontolo Izao ihany no nasaina nataonay. Voatendry tsiroaroa izahay, sady niambozona sora-baventy mavesatra, manambara ilay Fanjakana.

Ny faritra nisy ny katedraly no anjarako. Hendratrendratra be aho, nefa nampahery tena tamin’ny fieritreretana hoe tsy nisy olona nahafantatra ahy tao amin’io tanàna io. Ny olona voalohany nanatona ahy anefa dia vehivavy iray namako tany am-pianarana taloha. Nihiratra ny masony nahita ahy, ka hoy izy: “Ndry! fa maninona ity ianao no miakanjo toy izao?” Nanampy ahy handresy izay nety ho tahotra olona tao amiko iny fisehoan-javatra iray iny!

Fifindrana tany an-tany lavitra

Nanambady an’i Zanoah aho tamin’ny 1933. Maty vady izy, ary zokiko 25 taona. Mpianatra ny Baiboly nazoto ny vadiny voalohany, ary nijanona ho nahatoky tany amin’ny toerana nanendrena azy i Zanoah, rehefa maty io vadiny io. Tsy ela dia nifindra avy tao Angletera nankany amin’ny faritra avaratry Pays de Galles izahay, tany amin’ny 150 kilaometatra teo ho eo. Baoritra sy valizy ary fananana sarobidy hafa no nentinay. Nahantonay fotsiny tamin’ny familiana ny bisikileta, na nafatotray mafy teo anelanelan’ny tanjaky ny bisikileta ny sasany taminy. Ny sisa kosa nafatratray tamin’ny harona nahantona tamin’ny fitondrana entana tao aoriana. Tonga soa aman-tsara ihany anefa izahay! Niasa be ny bisikileta tany amin’ny toerana nanendrena anay, ka nitondra anay hatraiza hatraiza, hatrany akaikin’ny tampon’i Cader Idris mihitsy aza. Sivinjato metatra ny haavon’io tendrombohitra galoà io. Tena nahafa-po ny nahita olona vonona hihaino ny “filazantsaran’ny fanjakana.”​—Matio 24:14.

Vao tonga kelikely tany izahay dia nilazan’ny olona fa nisy an’izany Tom Pryce izany nitory tamin’izy ireo, toy izay nataonay. Gaga be izahay rehefa nahita an’i Tom tamin’ny farany! Tany amin’ny tendrombohitra iray akaikin’i Welshpool izy no nipetraka. Nametrahako ilay boky fianarana Baiboly hoe Fampihavanana izy, fony aho vao nanomboka nitory. Nampiana-tena tamin’io izy, ary nanoratra tany Londres mba hangataka boky sy gazety fanampiny. Nizara tamin-jotom-po an’io finoana vaovao hitany io izy nanomboka tamin’izay. Niara-nandany ora maro nahafinaritra izahay telo mianadahy, ary matetika izahay no nifampahery tamin’ny fiaraha-nianatra.

Loza nitondra fitahiana

Nasaina hankany Wrexham avokoa izahay mpitory manontolo andro tany amin’ny manodidina ny faritra avaratry Pays de Galles tamin’ny 1934, mba hanampy tamin’ny fizarana ny bokikely Ilay Mpanapaka Marina. Ny omalin’ny hanombohanay io ezaka manokana io, dia nisy loza nitranga tao amin’ilay firenena. Mpitrandraka arintany 266 no maty noho ny fipoahana tao amin’ny toeram-pitrandrahana arintany tany Gresford, telo kilaometatra any avaratr’i Wrexham, ka namela kamboty ray 200 mahery sy vehivavy maty vady 160.

Nanao lisitr’ireo nidonam-pahoriana izahay ary nitsidika azy ireo sy nametraka bokikely. Iray tamin’ireo anarana nomena ahy ny an-dRtoa Chadwick, izay namoy zanakalahy iray 19 taona. Rehefa nitsidika azy aho, dia namangy azy tao koa i Jack, zanany lahy zokiny kokoa. Nahafantatra ahy io tovolahy io, nefa tsy niteny. Namaky ilay bokikely izy tatỳ aoriana, ary avy eo nitady ilay bokikely hoe Ny Ady Farany, efa napetrako taminy taona vitsivitsy talohan’izay.

Nahita ny tranoko i Jack sy i May vadiny, ka tonga nangataka boky sy gazety fanampiny. Neken’izy ireo ny hanaovana ny fivoriana tany an-tranony, tany Wrexham, tamin’ny 1936. Naorina ny fiangonana iray, rehefa avy nitsidika i Albert Lloyd, enim-bolana taorian’izay, ka i Jack Chadwick no mpiandraikitra mpitantan-draharaha. Misy fiangonana telo izao any Wrexham.

Fiainana tao amin’ny tranofiara

Nifindrafindra toerana izahay tamin’izany, ka izay toerana nisy no nipetrahanay. Nanapa-kevitra anefa i Zanoah fa nila nanana ny tranonay manokana amin’izay izahay, trano azo notarihina sy nafindrafindra. Nandova fahaiza-mandrafitra tsara avy tamin’ny razany izy, ka nanamboarany tranofiara iray izahay. Nantsoinay hoe Elizabeta ilay izy, anarana ao amin’ny Baiboly midika hoe “Andriamanitry ny Fahafenoana.”

Tsaroako tsara fa nisy toerana iray izay, nipetrahanay, tao amin’ny saham-boankazo nisy rano nikoriana. Toy ny Paradisa mihitsy ilay izy tamiko! Tery ilay tranofiara sady tsy nisy fanaka firy, nefa tsy nisy na inona na inona nanamatroka ny fifalianay nandritra ny taona niarahanay tao. Rehefa ririnina, dia namanala ny lambam-pandriana, ka niraikitra tamin’ny rindrin’ny tranofiara, ary nisy ranonando foana. Lavidavitra koa matetika ny toerana nantsakana, nefa niara-nandresy ireny zava-tsarotra ireny izahay.

Narary aho tamin’ny ririnina iray izay. Kely ny sakafo nefa tsy nanam-bola izahay. Nipetraka teo am-pandriana i Zanoah, sady namihina ny tanako, ary namaky ny Salamo 37:25 manao hoe: “Efa mba tanora ihany aho, ary efa antitra ankehitriny; fa tsy mbola hitako izay marina nafoy, na ny zanany mangataka hanina.” Nibanjina ahy izy ary niteny hoe: “Tsy maintsy handeha hangataka isika, raha tsy miova ny toe-javatra; tsy inoako anefa hoe hamela izany hitranga Andriamanitra!” Nandeha nitory tamin’ny mpiray tanàna taminay izy avy eo.

Nody izy ny antoandro, mba hanomana zavatra kely hosotroiko, ary nisy valopy efa niandry azy teo. Nisy vola 75 dolara (480 000 FMG eo ho eo) nalefan’ny rainy tao anatiny. Voampanga ho nisoloky zavatr’olona mantsy i Zanoah, taona vitsivitsy talohan’izay, voamarina anefa fa tsy nanao izany izy. Onitra avy tamin’izany io fanomezana io. Tonga tamin’ny fotoana nilana azy indrindra ilay izy!

Anatra teo amin ny fiainana

Indraindray isika dia mandray fianarana, taona maro aorian’ny fisehoan-javatra iray. Indro misy ohatra: Talohan’ny nialako tamin’ny fianarana tamin’ny 1927, dia nitoriako daholo ny mpiara-mianatra tamiko sy ny mpampianatra rehetra, afa-tsy ny mpampianatra iray, dia i Lavinia Fairclough. Koa satria tsy nisy niraharaha ny amin’izay nokasaiko hatao teo amin’ny fiainana, ary koa fa tsy dia nifanaraka loatra izaho sy Rtoakely Fairclough, dia naleoko tsy nilaza na inona na inona taminy. Eritrereto ange e! Sady taitra aho no faly, 20 taona teo ho eo tatỳ aoriana, raha nilazan’i Neny fa niverina nitsidika ny namany sy ny mpianany taloha rehetra io mpampianatra io, mba hilaza tamin’izy ireo fa Vavolombelon’i Jehovah izy izao.

Rehefa nifankahita izahay mirahavavy, dia noresahiko taminy ny antony tsy nilazako taminy taloha kokoa momba ny finoako sy ny asa nokasaiko hatao. Nihaino tamim-panginana izy, ary nilaza hoe: “Efa nitady ny fahamarinana foana aho. Izany foana no notadiaviko teo amin’ny fiainako!” Anatra ho ahy iny zava-nitranga iny, dia ny hoe tsy tokony hiahotra mihitsy hitory amin’izay rehetra hitako, ary tsy hitsara an-tendrony na iza na iza.

Ady hafa iray sy izay niainako taorian’izay

Nanomboka nitatao indray ny rahon’ny ady, rehefa nanakaiky ireo taona 1930. Navela tsy hanao raharaha miaramila i Dennis anadahiko, izay zandriko folo taona, raha nijanona tamin’ny asany. Tsy liana tamin’ny fahamarinana mihitsy izy. Nanontanianay mivady àry i Rupert Bradbury sy i David rahalahiny, samy mpisava lalana teo an-toerana, raha afaka hitsidika azy. Nanaiky izy ireo ka niara-nianatra taminy ny Baiboly. Natao batisa i Dennis tamin’ny 1942, ka nanomboka ny asan’ny mpisava lalana tatỳ aoriana, ary voatendry ho mpiandraikitra mpitety faritany tamin’ny 1957.

Teraka i Elizabeth zanakay vavy tamin’ny 1938, ka nohalehibeazin’i Zanoah ny tranofiaranay, mba ho antonona anay mianakavy. Hitanay fa tsara ny nitady trano maharitra kokoa rehefa teraka i Eunice, ny zanakay vavy faharoa, tamin’ny 1942. Izany no nahatonga an’i Zanoah nitsahatra tsy nanao ny asan’ny mpisava lalana nandritra ny taona vitsivitsy, ary nifindra tany amin’ny trano kely iray tany akaikin’i Wrexham izahay. Tatỳ aoriana izahay dia nanorim-ponenana tany Middlewich, any akaikin’i Cheshire. Tao no maty ny vady malalako tamin’ny taona 1956.

Lasa mpitory manontolo andro ny filazantsara izy mirahavavy zanakay, ary samy efa manambady. Anti-panahy ny vadin’i Eunice, ary mpisava lalana manokana any Londres izy mivady. Anti-panahy ao amin’ny fiangonana koa ny vadin’i Elizabeth, ary faly aho manana azy ireo sy ny zanany ary ny zafiafiko efatra, mipetraka akaikin’ny misy ahy eto Preston, Lancashire.

Velom-pankasitrahana aho, fa afaka mankao amin’ny Efitrano Fanjakana eo ampitan’ny tranoko. Misy antoko-mpitory miteny Goujrati mivory ao koa, ary miaraka amin’izy ireo aho tato anatin’ny taona vitsivitsy izay. Tsy mora tamiko ny nianatra ilay fiteny satria efa tsy mahare tsara intsony aho izao. Sarotra indraindray ny mihaino sy mahazo ny ankamaroan’ny feo saro-pantarina, toy ny ahazoan’ny tanora azy. Zava-tsarotra ilay izy nefa mahaliana.

Mbola afaka mitory isan-trano sy mitarika fampianarana Baiboly ao an-tranoko aho. Fahafinaretana ho ahy foana ny mitantara sasany amin’ny zavatra niainako, rehefa misy namana tonga mitsidika. Velom-pankasitrahana erỳ aho noho ireo fahatsiarovako sarobidy momba ny fitahiana azoko noho ny fifaneraserana tamin’ny vahoakan’i Jehovah, efa ho 90 taona izao.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 8 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny teny anglisy avokoa, ireo boky sy bokikely voatonona ato amin’ity lahatsoratra ity.

^ feh. 13 Hita ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Aprily 1963 ny tantaram-piainan’i Pryce Hughes, mitondra ny lohateny hoe “Niara-dia Tamin’ilay Fandaminana Mahatoky.”

^ feh. 14 Hita any amin’ny Tilikambo Fiambenana taloha kokoa ny tantaram-piainan’ireo mpanompon’i Jehovah nahatoky ireo.

[Sary, pejy 25]

Taratasy fanasana manambara ilay lahateny ara-baiboly hoe “Olona An-tapitrisany Maro Velona Ankehitriny no Tsy ho Faty Mihitsy”, reko tamin’ny 14 May 1922

[Sary, pejy 26]

Miaraka amin’i Zanoah, taoriana kelin’ny fampakaram-badinay tamin’ny 1933

[Sary, pejy 26]

Eo akaikin’i “Elizabeta”, ilay tranofiaranay namboarin’ny vadiko